The LORD Promises to Bless Jerusalem
1. Again the word of the LORD of hosts came to me, saying,
1. La parole de l`Éternel des armées se révéla, en ces mots:
1. Ary tonga tamiko indray ny tenin' i Jehovah, Tompon' ny maro, nanao hoe:
2. Thus saith the LORD of hosts; I was jealous for Zion with great jealousy, and I was jealous for her with great fury.
2. Ainsi parle l`Éternel des armées: Je suis ému pour Sion d`une grande jalousie, et je suis saisi pour elle d`une grande fureur.
2. Izao no nolazain' i Jehovah, Tompon' ny maro: saro-piaro dia saro-piaro an' i Ziona Aho, eny saro-piaro azy tamin' ny fahatezerana mafy Aho.
3. Thus saith the LORD; I am returned unto Zion, and will dwell in the midst of Jerusalem: and Jerusalem shall be called a city of truth; and the mountain of the LORD of hosts the holy mountain.
3. Ainsi parle l`Éternel: Je retourne à Sion, et je veux habiter au milieu de Jérusalem. Jérusalem sera appelée ville fidèle, et la montagne de l`Éternel des armées montagne sainte.
3. "Izao no lazain' i Jehovah: efa tafaverina ho eto Ziona Aho ka honina eto afovoan' i Jerosalema; ary Jerosalema dia hatao hoe Tananan' ny fahamarinana, ary ny tendrombohitr' i Jehovah, Tompon' ny maro, dia hatao hoe Tendrombohitra masina."
4. Thus saith the LORD of hosts; There shall yet old men and old women dwell in the streets of Jerusalem, and every man with his staff in his hand for very age.
4. Ainsi parle l`Éternel des armées: Des vieillards et des femmes âgées s`assiéront encore dans les rues de Jérusalem, chacun le bâton à la main, à cause du grand nombre de leurs jours.
4. "Izao no lazain' i Jehovah, Tompon' ny maro: mbola hisy lahy antitra sy vavy antitra hipetraka eny an-dalamben' i Jerosalema, samy hitehina amin' ny tehiny eny an-tanany avy ny tsirairay noho ny fahanterany;"
5. And the streets of the city shall be full of boys and girls playing in the streets thereof.
5. Les rues de la ville seront remplies de jeunes garçons et de jeunes filles, jouant dans les rues.
5. Ary ny lalambe any an-tanàna dia ho feno ankizilahy sy ankizivavy milalao eny an-dalambe.
6. Thus saith the LORD of hosts; If it be marvellous in the eyes of the remnant of this people in these days, should it also be marvellous in mine eyes? saith the LORD of hosts.
6. Ainsi parle l`Éternel des armées: Si la chose paraît étonnante aux yeux du reste de ce peuple en ces jours-là, sera-t-elle de même étonnante à mes yeux? dit l`Éternel des armées.
6. Izao no lazain' i Jehovah, Tompon' ny maro: raha mahagaga izany eo imason' ny sisa amin' ity firenena ity amin' izany andro izany, moa hahagaga eo imasoko koa va? hoy Jehovah, Tompon' ny maro.
7. Thus saith the LORD of hosts; Behold, I will save my people from the east country, and from the west country;
7. Ainsi parle l`Éternel des armées: Voici, je délivre mon peuple du pays de l`orient et du pays du soleil couchant.
7. "Izao no lazain' i Jehovah, Tompon' ny maro: Indro, hamonjy ny oloko avy any amin' ny tany atsinanana sy avy amin' ny tany andrefana Aho;"
8. And I will bring them, and they shall dwell in the midst of Jerusalem: and they shall be my people, and I will be their God, in truth and in righteousness.
8. "Je les ramènerai, et ils habiteront au milieu de Jérusalem; ils seront mon peuple, et je serai leur Dieu avec vérité et droiture."
8. "Ary hitondra azy Aho, ka nonina any Jerosalema izy; dia ho oloko izy, ary Izaho kosa ho Andriamaniny amin' ny fahamarinana sy ny fahitsiana."
9. Thus saith the LORD of hosts; Let your hands be strong, ye that hear in these days these words by the mouth of the prophets, which were in the day that the foundation of the house of the LORD of hosts was laid, that the temple might be built.
9. Ainsi parle l`Éternel des armées: Fortifiez vos mains, vous qui entendez aujourd`hui ces paroles de la bouche des prophètes qui parurent au temps où fut fondée la maison de l`Éternel des armées, où le temple allait être bâti.
9. Izao no lazain' i Jehovah, Tompon' ny maro: aoka hatanjaka ny tananareo izay mandre izany teny izany amin' izao andro izao avy amin' ny vavan' ny mpaminany, izay teo tamin' ny andro nanaovana ny fanorenan' ny tranon' i Jehovah, Tompon' ny maro, dia ny nanaovana ny tempoly.
10. For before these days there was no hire for man, nor any hire for beast; neither was there any peace to him that went out or came in because of the affliction: for I set all men every one against his neighbour.
10. "Car avant ce temps, le travail de l`homme ne recevait pas sa récompense, et le salaire des bêtes était nul; il n`y avait point de paix pour ceux qui entraient et sortaient, à cause de l`ennemi, et je lâchais tous les hommes les uns contre les autres."
10. "Fa talohan' izany andro izany dia tsy nisy valim-pahasasarana ho an' ny olona na valim-pahasasarana ho an' ny biby; sady tsy nisy fiadanana ho an' izay nivoaka na izay niditra noho ny fahoriana; fa nalefako samy hifamely amin' ny namany avy ny olona rehetra."
11. But now I will not be unto the residue of this people as in the former days, saith the LORD of hosts.
11. Maintenant je ne suis pas pour le reste de ce peuple comme j`étais dans le temps passé, dit l`Éternel des armées.
11. Fa ankehitriny kosa dia tsy ho toy ny tamin' ny fahiny intsony ny amin' ny sisa amin' ity firenena ity Aho, hoy Jehovah, Tompon' ny maro.
12. For the seed shall be prosperous; the vine shall give her fruit, and the ground shall give her increase, and the heavens shall give their dew; and I will cause the remnant of this people to possess all these things.
12. "Car les semailles prospéreront, la vigne rendra son fruit, la terre donnera ses produits, et les cieux enverront leur rosée; je ferai jouir de toutes ces choses le reste de ce peuple."
12. "Fa hambinina ny voa afafy; ny voaloboka hamoa, ny tany hahavokatra ary ny lanitra hampilatsaka ny andony; ary ny sisa amin' ity firenena ity no hataoko hanana izany zavatra rehetra izany."
13. And it shall come to pass, that as ye were a curse among the heathen, O house of Judah, and house of Israel; so will I save you, and ye shall be a blessing: fear not, but let your hands be strong.
13. De même que vous avez été en malédiction parmi les nations, maison de Juda et maison d`Israël, de même je vous sauverai, et vous serez en bénédiction. Ne craignez pas, et que vos mains se fortifient!
13. Ary izao no hiseho, toy ny nahatongavanareo ho fanozonana teo amin' ny jentilisa ry taranak' i Joda sy ry taranak' Isiraely, dia ho toy izany ho hamonjeko anareo, ka dia ho tonga fitahiana ianareo, aza matahotra, fa aoka hatanjaka ny tananareo.
14. For thus saith the LORD of hosts; As I thought to punish you, when your fathers provoked me to wrath, saith the LORD of hosts, and I repented not:
14. Car ainsi parle l`Éternel des armées: Comme j`ai eu la pensée de vous faire du mal lorsque vos pères m`irritaient, dit l`Éternel des armées, et que je ne m`en suis point repenti,
14. Fa izao no lazain' i Jehovah, Tompon' ny maro: Toy ny nisainako hanafay anareo tamin' ny nampahatezeran' ny razanareo Ahy, hoy Jehovah, Tompon' ny maro ka tsy nanenina Aho,
15. So again have I thought in these days to do well unto Jerusalem and to the house of Judah: fear ye not.
15. ainsi je reviens en arrière et j`ai résolu en ces jours de faire du bien à Jérusalem et à la maison de Juda. Ne craignez pas!
15. "Dia ho toy izany kosa no hisainako hanisy soa an' i Jerosalema sy ny taranak' i Joda amin' izao andro izao; aza matahotra ianareo."
16. These are the things that ye shall do; Speak ye every man the truth to his neighbour; execute the judgment of truth and peace in your gates:
16. "Voici ce que vous devez faire: dites la vérité chacun à son prochain; jugez dans vos portes selon la vérité et en vue de la paix;"
16. "Izao no zavatra hataonareo: samia miteny ny marina amin' ny namany avy ianareo; mitsarà marina, eny, mitsarà hahatonga fiadanana ao am-bavahadinareo;"
17. And let none of you imagine evil in your hearts against his neighbour; and love no false oath: for all these are things that I hate, saith the LORD.
17. que nul en son coeur ne pense le mal contre son prochain, et n`aimez pas le faux serment, car ce sont là toutes choses que je hais, dit l`Éternel.
17. "Ary aza misy mieritreritra ratsy ao am-ponareo ny amin' ny namanareo ianareo, ary aza tia fianianan-tsy tò; fa izany rehetra izany dia halako hoy Jehovah."
18. And the word of the LORD of hosts came unto me, saying,
18. La parole de l`Éternel des armées me fut adressée, en ces mots:
18. Ary ny tenin' i Jehovah, Tompon' ny maro, dia tonga tamiko nanao hoe:
19. Thus saith the LORD of hosts; The fast of the fourth month, and the fast of the fifth, and the fast of the seventh, and the fast of the tenth, shall be to the house of Judah joy and gladness, and cheerful feasts; therefore love the truth and peace.
19. Ainsi parle l`Éternel des armées: Le jeûne du quatrième mois, le jeûne du cinquième, le jeûne du septième et le jeûne du dixième se changeront pour la maison de Juda en jours d`allégresse et de joie, en fêtes de réjouissance. Mais aimez la vérité et la paix.
19. "Izao no lazain' i Jehovah, Tompon' ny maro: Ny fifadian-kanina amin' ny volana fahefatra sy ny fifadian-kanina amin' ny fahadimy sy ny fifadian-kanina amin' ny fahafito ary ny fifadian-kanina amin' ny fahafolo dia samy ho tonga fifaliana sy firavoravoana ary fanasana mahafinaritra ho an' ny taranak' i Joda; koa tiava ny fahamarinana sy ny fiadanana."
20. Thus saith the LORD of hosts; It shall yet come to pass, that there shall come people, and the inhabitants of many cities:
20. Ainsi parle l`Éternel des armées: Il viendra encore des peuples et des habitants d`un grand nombre de villes.
20. Izao no lazain' i Jehovah, Tompon' ny maro: Izao no mbola hiseho, hisy firenena sy mponina ho tonga avy amin' ny tanàna maro.
21. And the inhabitants of one city shall go to another, saying, Let us go speedily to pray before the LORD, and to seek the LORD of hosts: I will go also.
21. Les habitants d`une ville iront à l`autre, en disant: Allons implorer l`Éternel et chercher l`Éternel des armées! Nous irons aussi!
21. Ary ny mponina ao amin' ny tanàna anankiray hankany amin' ny anankiray ka nanao hoe: Andeha faingana isika hivavaka eo anatrehan' i Jehovah ka hitady an' i Jehovah, Tompon' ny maro: Izaho koa mba handeha.
22. Yea, many people and strong nations shall come to seek the LORD of hosts in Jerusalem, and to pray before the LORD.
22. Et beaucoup de peuples et de nombreuses nations viendront chercher l`Éternel des armées à Jérusalem et implorer l`Éternel.
22. Eny, ho avy ny olona maro sy ny firenena mahery mba hitady an' i Jehovah, Tompon' ny maro any Jerosalema sy hivavaka eo anatrehan' i Jehovah.
23. Thus saith the LORD of hosts; In those days it shall come to pass, that ten men shall take hold out of all languages of the nations, even shall take hold of the skirt of him that is a Jew, saying, We will go with you: for we have heard that God is with you.
23. Ainsi parle l`Éternel des armées: En ces jours-là, dix hommes de toutes les langues des nations saisiront un Juif par le pan de son vêtement et diront: Nous irons avec vous, car nous avons appris que Dieu est avec vous.
23. Izao no lazain' i Jehovah, Tompon' ny maro: Amin' izany andro izany, izao no hiseho, hisy folo lahy avy amin' ny firenena samy hafa fiteny rehetra hihazona ny sisin-damban' ny Jiosy anankiray ka hanao hoe: Handeha hiaraka aminareo izahay, fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.