Lecture du jour

Mika 5-7

Chapter 5

1. Now gather thyself in troops, O daughter of troops: he hath laid siege against us: they shall smite the judge of Israel with a rod upon the cheek.
1. "(4:14) Maintenant, fille de troupes, rassemble tes troupes! On nous assiège; Avec la verge on frappe sur la joue le juge d`Israël."
1. "Koa mivory ho andiany ianao, ry zanakavavin' ny andiany! Nanao fahirano antsika izy; hamely tsorakazo ny takolaky ny mpitsaran' ny Isiraely izy."
2. But thou, Bethlehem Ephratah, though thou be little among the thousands of Judah, yet out of thee shall he come forth unto me that is to be ruler in Israel; whose goings forth have been from of old, from everlasting.
2. (5:1) Et toi, Bethléhem Éphrata, Petite entre les milliers de Juda, De toi sortira pour moi Celui qui dominera sur Israël, Et dont l`origine remonte aux temps anciens, Aux jours de l`éternité.
2. "Fa, ianao, ry Betlehema Efrata, na dia kely tsy tokony ho isan' ny arivon' ny Joda akory ianao, dia avy aminao no hivoahan' izay anankiray ho Mpanapaka ho Ahy ao amin' ny Isiraely; hatry ny fahagola no efa nivoahany, dia hatrizay hatrizay."
3. Therefore will he give them up, until the time that she which travaileth hath brought forth: then the remnant of his brethren shall return unto the children of Israel.
3. (5:2) C`est pourquoi il les livrera Jusqu`au temps où enfantera celle qui doit enfanter, Et le reste de ses frères Reviendra auprès des enfants d`Israël.
3. "Koa dia hatolony izy, ambara-piavin' ny fotoana hiterahan' izay anankiray hiteraka; ary izay sisa amin' ny rahalahiny hiverina ho any amin' ny zanak' Isiraely."
4. And he shall stand and feed in the strength of the LORD, in the majesty of the name of the LORD his God; and they shall abide: for now shall he be great unto the ends of the earth.
4. (5:3) Il se présentera, et il gouvernera avec la force de l`Éternel, Avec la majesté du nom de l`Éternel, son Dieu: Et ils auront une demeure assurée, Car il sera glorifié jusqu`aux extrémités de la terre.
4. Ary hitsangana izy ka hiandry amin' ny herin' i Jehovah, amin' ny fiandrianan' ny anaran' i Jehovah Andriamaniny, ka handry fahizay ireny, fa izao dia ho lehibe hatrany amin' ny faran' ny tany Izy.
5. And this man shall be the peace, when the Assyrian shall come into our land: and when he shall tread in our palaces, then shall we raise against him seven shepherds, and eight principal men.
5. (5:4) C`est lui qui ramènera la paix. Lorsque l`Assyrien viendra dans notre pays, Et qu`il pénétrera dans nos palais, Nous ferons lever contre lui sept pasteurs Et huit princes du peuple.
5. "Ary Izy no ho fiadanana; raha tonga eto amin' ny tanintsika ny Asyriana ka miditra ao amin' ny lapantsika, dia hanangana mpiandry ondry fito sy mpanapaka valo hisakana azy isika."
6. And they shall waste the land of Assyria with the sword, and the land of Nimrod in the entrances thereof: thus shall he deliver us from the Assyrian, when he cometh into our land, and when he treadeth within our borders.
6. (5:5) Ils feront avec l`épée leur pâture du pays d`Assyrie Et du pays de Nimrod au dedans de ses portes. Il nous délivrera ainsi de l`Assyrien, Lorsqu`il viendra dans notre pays, Et qu`il pénétrera sur notre territoire.
6. "Ary handany ny tany Asyria amin' ny sabatra sy ny tanin' i Nimroda eo am-bavahadiny ireo; toy izany no hanafahany antsika amin' ny Asyriana, raha tonga amin' ny tanintsika sady manitsaka ato amin' ny fari-tanintsika izy."
7. And the remnant of Jacob shall be in the midst of many people as a dew from the LORD, as the showers upon the grass, that tarrieth not for man, nor waiteth for the sons of men.
7. (5:6) Le reste de Jacob sera au milieu des peuples nombreux Comme une rosée qui vient de l`Éternel, Comme des gouttes d`eau sur l`herbe: Elles ne comptent pas sur l`homme, Elles ne dépendent pas des enfants des hommes.
7. Ary izay sisa amin' i Jakoba dia ho ao amin' ny firenena maro, tahaka ny ando avy amin' i Jehovah sy tahaka ny ranonorana eny amin' ny ahitra, izay tsy miandry olona na miandry ny zanak' olombelona.
8. And the remnant of Jacob shall be among the Gentiles in the midst of many people as a lion among the beasts of the forest, as a young lion among the flocks of sheep: who, if he go through, both treadeth down, and teareth in pieces, and none can deliver.
8. (5:7) Le reste de Jacob sera parmi les nations, Au milieu des peuples nombreux, Comme un lion parmi les bêtes de la forêt, Comme un lionceau parmi les troupeaux de brebis: Lorsqu`il passe, il foule et déchire, Et personne ne délivre.
8. "Ary izay sisa amin' i Jakoba dia ho ao amin' ny Jentilisa ao afovoan' ny firenena maro tahaka ny liona ao amin' ny biby any an' ala, tahaka ny liona tanora ao amin' ny andian' ny ondry aman' osy; raha mamaky eo izy, dia manitsakitsaka sy mamiravira, ka tsy misy mahavonjy."
9. Thine hand shall be lifted up upon thine adversaries, and all thine enemies shall be cut off.
9. (5:8) Que ta main se lève sur tes adversaires, Et que tous tes ennemis soient exterminés!
9. Hingaina amin' ny rafinao ny tananao, ary ho ringana ny fahavalonao rehetra.
10. And it shall come to pass in that day, saith the LORD, that I will cut off thy horses out of the midst of thee, and I will destroy thy chariots:
10. "(5:9) En ce jour-là, dit l`Éternel, J`exterminerai du milieu de toi tes chevaux, Et je détruirai tes chars;"
10. "Ary izao no hiseho amin' izany andro izany, hoy Jehovah, haringako tsy ho eo aminao intsony ny soavalinao, ary hofonganiko ny kalesinao;"
11. And I will cut off the cities of thy land, and throw down all thy strong holds:
11. "(5:10) J`exterminerai les villes de ton pays, Et je renverserai toutes tes forteresses;"
11. "Hofoanako ny tanàna amin' ny taninao ary harodako ny tanànanao mimanda rehetra;"
12. And I will cut off witchcrafts out of thine hand; and thou shalt have no more soothsayers:
12. "(5:11) J`exterminerai de ta main les enchantements, Et tu n`auras plus de magiciens;"
12. Hofoanako tsy hisy amin' ny tananao ny fankatovanao, ary tsy hanana mpanandro intsony ianao.
13. Thy graven images also will I cut off, and thy standing images out of the midst of thee; and thou shalt no more worship the work of thine hands.
13. "(5:12) J`exterminerai du milieu de toi tes idoles et tes statues, Et tu ne te prosterneras plus devant l`ouvrage de tes mains;"
13. "Hofoanako tsy hisy aminao koa ny sarin-javatrao voasokitra, sy ny tsangambaton-tsampinao izay eo aminao; ary tsy hiankohoka eo anatrehan' ny asan' ny tananao intsony ianao."
14. And I will pluck up thy groves out of the midst of thee: so will I destroy thy cities.
14. (5:13) J`exterminerai du milieu de toi tes idoles d`Astarté, Et je détruirai tes villes.
14. Hongotako tsy ho eo aminao ny Aserahanao, dia horavako ny tananànao.
15. And I will execute vengeance in anger and fury upon the heathen, such as they have not heard.
15. (5:14) J`exercerai ma vengeance avec colère, avec fureur, sur les nations Qui n`ont pas écouté.
15. Ary amin' ny fahatezerana sy ny fahavinirana no hamaliako ny jentilisa, dia izay tsy mihaino.

Chapter 6

1. Hear ye now what the LORD saith; Arise, contend thou before the mountains, and let the hills hear thy voice.
1. Écoutez donc ce que dit l`Éternel: Lève-toi, plaide devant les montagnes, Et que les collines entendent ta voix!...
1. "Koa henoinareo ankehitriny izay lazain' i Jehovah; mitsangàna, mandehana eo anoloan' ny tendrombohitra, ary aoka ho ren' ny havoana ny feonao."
2. Hear ye, O mountains, the LORD's controversy, and ye strong foundations of the earth: for the LORD hath a controversy with his people, and he will plead with Israel.
2. Écoutez, montagnes, le procès de l`Éternel, Et vous, solides fondements de la terre! Car l`Éternel a un procès avec son peuple, Il veut plaider avec Israël. -
2. "Mihainoa ny adin' i Jehovah ianareo, ry tendrombohitra, sy ianareo, ry fanorena-matezan' ny tany; fa Jehovah manana ady amin' ny olony, ary amin' ny Isiraely no hifandaharany."
3. O my people, what have I done unto thee? and wherein have I wearied thee? testify against me.
3. Mon peuple, que t`ai-je fait? En quoi t`ai-je fatigué? Réponds-moi!
3. Ry oloko, inona no nataoko taminao? Inona no nanasarako anao? Tondroy maso àry Aho.
4. For I brought thee up out of the land of Egypt, and redeemed thee out of the house of servants; and I sent before thee Moses, Aaron, and Miriam.
4. Car je t`ai fait monter du pays d`Égypte, Je t`ai délivré de la maison de servitude, Et j`ai envoyé devant toi Moïse, Aaron et Marie.
4. "Fa nentiko niakatra avy tany amin' ny tany Egypta ianao sady navotako avy tao amin' ny trano nahandevozana; dia nirahiko teo alohanao Mosesy sy Arona ary Miriama."
5. O my people, remember now what Balak king of Moab consulted, and what Balaam the son of Beor answered him from Shittim unto Gilgal; that ye may know the righteousness of the LORD.
5. Mon peuple, rappelle-toi ce que projetait Balak, roi de Moab, Et ce que lui répondit Balaam, fils de Beor, De Sittim à Guilgal, Afin que tu reconnaisses les bienfaits de l`Éternel.
5. Ry oloko, mba tsarovy ny saina nataon' i Balaka, mpanjakan' i Moaba, sy izay navalin' i Balama, zanak' i Beora azy, hatrany Sitima ka hatrany Gilgala, hahafantaranareo ny fahamarinan' i Jehovah.
6. Wherewith shall I come before the LORD, and bow myself before the high God? shall I come before him with burnt offerings, with calves of a year old?
6. Avec quoi me présenterai-je devant l`Éternel, Pour m`humilier devant le Dieu Très Haut? Me présenterai-je avec des holocaustes, Avec des veaux d`un an?
6. Inona no hoentiko manatona an' i Jehovah sy miondrika eo anatrehan' Andriamanitra Avo? Hanatona Azy mitondra fanatitra dorana sy ombilahy kely iray taona va aho?
7. Will the LORD be pleased with thousands of rams, or with ten thousands of rivers of oil? shall I give my firstborn for my transgression, the fruit of my body for the sin of my soul?
7. L`Éternel agréera-t-il des milliers de béliers, Des myriades de torrents d`huile? Donnerai-je pour mes transgressions mon premier-né, Pour le péché de mon âme le fruit de mes entrailles? -
7. Ho sitrak' i Jehovah va ny ondrilahy arivoarivo, na renirano diloilo iray alina? Hanolotra ny lahimatoako noho ny fahadisoako va aho, na ny ateraky ny kiboko noho fahotan' ny fanahiko?
8. He hath shewed thee, O man, what is good; and what doth the LORD require of thee, but to do justly, and to love mercy, and to walk humbly with thy God?
8. "On t`a fait connaître, ô homme, ce qui est bien; Et ce que l`Éternel demande de toi, C`est que tu pratiques la justice, Que tu aimes la miséricorde, Et que tu marches humblement avec ton Dieu."
8. Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara ary inona no ilain' i Jehovah aminao, afa-tsy izao ihany: dia ny hanao ny marina sy ny ho tia famindrampo ary ny hanaraka an' Andriamanitrao amin' ny fanetren-tena.
9. The LORD's voice crieth unto the city, and the man of wisdom shall see thy name: hear ye the rod, and who hath appointed it.
9. La voix de l`Éternel crie à la ville, Et celui qui est sage craindra ton nom. Entendez la verge et celui qui l`envoie!
9. "Manaitra ny tanàna ny feon' i Jehovah, ary ny olon-kendry hahita anareo; henoinareo ny tsorakazo sy Izay manendry izany."
10. Are there yet the treasures of wickedness in the house of the wicked, and the scant measure that is abominable?
10. Y a-t-il encore dans la maison du méchant Des trésors iniques, Et un épha trop petit, objet de malédiction?
10. Mbola misy rakitry ny faharatsiana ihany va ao an-tranon' ny ratsy fanahy, sy ny famarana tsy ampy izay voaozona?
11. Shall I count them pure with the wicked balances, and with the bag of deceitful weights?
11. Est-on pur avec des balances fausses, Et avec de faux poids dans le sac?
11. Hisaiko ho madio va ireo raha manana mizana mandainga sy kitapo misy vato tsy marina?
12. For the rich men thereof are full of violence, and the inhabitants thereof have spoken lies, and their tongue is deceitful in their mouth.
12. Ses riches sont pleins de violence, Ses habitants profèrent le mensonge, Et leur langue n`est que tromperie dans leur bouche.
12. Fa feno herisetra ny mpanankarenany, milaza lainga ny mponina ao aminy, ary ny lelany dia fitaka eo am-bavany.
13. Therefore also will I make thee sick in smiting thee, in making thee desolate because of thy sins.
13. C`est pourquoi je te frapperai par la souffrance, Je te ravagerai à cause de tes péchés.
13. Izaho kosa dia hikapoka maharary anao amin' ny fandringanako anao noho ny helokao.
14. Thou shalt eat, but not be satisfied; and thy casting down shall be in the midst of thee; and thou shalt take hold, but shalt not deliver; and that which thou deliverest will I give up to the sword.
14. "Tu mangeras sans te rassasier, Et la faim sera au dedans de toi; Tu mettras en réserve et tu ne sauveras pas, Et ce que tu sauveras, je le livrerai à l`épée."
14. "Hihinana ianao, nefa tsy ho voky, fa mbola ho ao anatinao ihany ny fahanoananao; hampirina ianao, nefa tsy hahavonjy, ary izay voavonjinao aza dia hatolotro ho amin' ny sabatra."
15. Thou shalt sow, but thou shalt not reap; thou shalt tread the olives, but thou shalt not anoint thee with oil; and sweet wine, but shalt not drink wine.
15. Tu sèmeras, et tu ne moissonneras pas, Tu presseras l`olive, et tu ne feras pas d`onctions avec l`huile, Tu presseras le moût, et tu ne boiras pas le vin.
15. "Hamafy ianao, nefa tsy hijinja; hanosihosy oliva ianao, nefa tsy hihosotra diloilo, ary hanosihosy ranom-boaloboka nefa tsy hisotro divay;"
16. For the statutes of Omri are kept, and all the works of the house of Ahab, and ye walk in their counsels; that I should make thee a desolation, and the inhabitants thereof an hissing: therefore ye shall bear the reproach of my people.
16. "On observe les coutumes d`Omri Et toute la manière d`agir de la maison d`Achab, Et vous marchez d`après leurs conseils; C`est pourquoi je te livrerai à la destruction, Je ferai de tes habitants un sujet de raillerie, Et vous porterez l`opprobre de mon peuple."
16. Fa notandremana ny lalan' i Omry sy ny asan' ny taranak' i Ahaba rehetra, ary ianareo dia manaraka ny fisainany, mba hanolorako anao ho figagana ary ny mponina any ho zavatra mampisitrisitra, ka dia hitondra ny latsan' ny oloko ianareo.

Chapter 7

1. Woe is me! for I am as when they have gathered the summer fruits, as the grapegleanings of the vintage: there is no cluster to eat: my soul desired the firstripe fruit.
1. Malheur à moi! car je suis comme à la récolte des fruits, Comme au grappillage après la vendange: Il n`y a point de grappes à manger, Point de ces primeurs que mon âme désire.
1. Lozako! Fa efa tonga toy ny amin' ny fiotazam-boankazo fahavaratra aho sy toy ny fitsimponam-boaloboka, tsy misy salohy hohanina, maniry ny voankazo masaka voalohany ny fanahiko.
2. The good man is perished out of the earth: and there is none upright among men: they all lie in wait for blood; they hunt every man his brother with a net.
2. "L`homme de bien a disparu du pays, Et il n`y a plus de juste parmi les hommes; Ils sont tous en embuscade pour verser le sang, Chacun tend un piège à son frère."
2. "Lany tsy misy amin' ny tany intsony ny tsara fanahy; tsy misy olo-marina ao amin' ny olombelona; samy manotrika handatsa-drà avokoa izy, mihaza ny rahalahiny amin' ny harato izy rehetra."
3. That they may do evil with both hands earnestly, the prince asketh, and the judge asketh for a reward; and the great man, he uttereth his mischievous desire: so they wrap it up.
3. Leurs mains sont habiles à faire le mal: Le prince a des exigences, Le juge réclame un salaire, Le grand manifeste son avidité, Et ils font ainsi cause commune.
3. Vonona hanao ratsy ny tanany roa, mila ny mpanapaka, azon-kolikoly ny mpitsara, ary ny lehibe milaza ny faniriana ratsiny, koa izany no entiny mandrarirary azy.
4. The best of them is as a brier: the most upright is sharper than a thorn hedge: the day of thy watchmen and thy visitation cometh; now shall be their perplexity.
4. Le meilleur d`entre eux est comme une ronce, Le plus droit pire qu`un buisson d`épines. Le jour annoncé par tes prophètes, ton châtiment approche. C`est alors qu`ils seront dans la confusion.
4. "Ny tsara indrindra ao aminy dia toy ny roy, ary na dia ny mahitsy indrindra ao aminy aza dia maranitra noho ny fefy tsilo; avy ny andron' ny tilinao sy izay hamaliana anao; koa izay vao ho very hevitra izy."
5. Trust ye not in a friend, put ye not confidence in a guide: keep the doors of thy mouth from her that lieth in thy bosom.
5. "Ne crois pas à un ami, Ne te fie pas à un intime; Devant celle qui repose sur ton sein Garde les portes de ta bouche."
5. "Aza matoky namana ianareo, aza mametraka ny fitokisana amin' ny mpitarika; ambeno ny varavaran' ny vavanao amin' ny andefimandrinao."
6. For the son dishonoureth the father, the daughter riseth up against her mother, the daughter in law against her mother in law; a man's enemies are the men of his own house.
6. "Car le fils outrage le père, La fille se soulève contre sa mère, La belle-fille contre sa belle-mère; Chacun a pour ennemis les gens de sa maison. -"
6. "Fa ny zanaka lahy manamavo ny rainy, ny zanaka vavy mitsangan-kanohitra ny reniny, ary ny vinantovavy hanohitra ny rafozany vavy; ary ny ankohonan' ny olona ihany no fahavalony."
7. Therefore I will look unto the LORD; I will wait for the God of my salvation: my God will hear me.
7. "Pour moi, je regarderai vers l`Éternel, Je mettrai mon espérance dans le Dieu de mon salut; Mon Dieu m`exaucera."
7. "Fa izaho kosa dia hanandrandra an' i Jehovah; hiandry an' Andriamanitry ny famonjena ahy aho; Andriamanitro no hihaino ahy."
8. Rejoice not against me, O mine enemy: when I fall, I shall arise; when I sit in darkness, the LORD shall be a light unto me.
8. "Ne te réjouis pas à mon sujet, mon ennemie! Car si je suis tombée, je me relèverai; Si je suis assise dans les ténèbres, L`Éternel sera ma lumière."
8. "Aza mifaly ahy, ry fahavaloko, fa na dia lavo aza aho, mbola hiarina ihany; raha mitoetra ao amin' ny maizina aho, dia Jehovah no fahazavana ho ahy."
9. I will bear the indignation of the LORD, because I have sinned against him, until he plead my cause, and execute judgment for me: he will bring me forth to the light, and I shall behold his righteousness.
9. "Je supporterai la colère de l`Éternel, Puisque j`ai péché contre lui, Jusqu`à ce qu`il défende ma cause et me fasse droit; Il me conduira à la lumière, Et je contemplerai sa justice."
9. "Ny fahatezeran' i Jehovah dia hiaretako ihany, fa efa nanota taminy aho, ambara-pandahany ny teniko sy hanomezany rariny ho ahy; hamoaka ahy ho amin' ny mazava Izy, ka ho faly aho mahita ny fahamarinany."
10. Then she that is mine enemy shall see it, and shame shall cover her which said unto me, Where is the LORD thy God? mine eyes shall behold her: now shall she be trodden down as the mire of the streets.
10. "Mon ennemie le verra et sera couverte de honte, Elle qui me disait: Où est l`Éternel, ton Dieu? Mes yeux se réjouiront à sa vue; Alors elle sera foulée aux pieds comme la boue des rues. -"
10. "Dia hahita izany ilay fahavaloko ka hosaronan-kenatra, dia ilay nanao tamiko hoe: aiza izay Jehovah Andriamanitrao? Ho faly mahita azy ny masoko; ankehitriny dia ho fanitsakitsaka toy ny fotaka eny an-dalambe izy."
11. In the day that thy walls are to be built, in that day shall the decree be far removed.
11. Le jour où l`on rebâtira tes murs, Ce jour-là tes limites seront reculées.
11. Amin' ny andro hananganana ny mandanao, amin' izany andro izany dia hampanalavirina ny didy.
12. In that day also he shall come even to thee from Assyria, and from the fortified cities, and from the fortress even to the river, and from sea to sea, and from mountain to mountain.
12. En ce jour, on viendra vers toi De l`Assyrie et des villes d`Égypte, De l`Égypte jusqu`au fleuve, D`une mer à l`autre, et d`une montagne à l`autre.
12. Amin' izany andro izany koa dia hanatona anao ny olona avy any Asyria, sy avy amin' ny tanàna mirova, ary avy amin' ny manda ka hatramin' ny Ony, ary avy amin' ny ranomasina ka hatramin' ny ranomasina, ary hatramin' ny tendrombohitra ka hatramin' ny tendrombohitra.
13. Notwithstanding the land shall be desolate because of them that dwell therein, for the fruit of their doings.
13. Le pays sera dévasté à cause de ses habitants, A cause du fruit de leurs oeuvres.
13. Nefa ho lao ny tany noho ny amin' ny mponina eo aminy, dia noho ny vokatry ny asany.
14. Feed thy people with thy rod, the flock of thine heritage, which dwell solitarily in the wood, in the midst of Carmel: let them feed in Bashan and Gilead, as in the days of old.
14. Pais ton peuple avec ta houlette, le troupeau de ton héritage, Qui habite solitaire dans la forêt au milieu du Carmel! Qu`ils paissent sur le Basan et en Galaad, Comme au jour d`autrefois. -
14. "Ny tehinao no ento miandry ny olonao, dia ny ondry lovanao, izay monina mitokana any an' ala, eo afovoan' i Karmela; aoka handrasana any Basana sy Gileada ireny toy ny tamin' ny andro taloha ela."
15. According to the days of thy coming out of the land of Egypt will I shew unto him marvellous things.
15. Comme au jour où tu sortis du pays d`Égypte, Je te ferai voir des prodiges. -
15. Araka ny andro nivoahanao avy tany amin' ny tany Egypta no hanehoako azy zava-mahagaga.
16. The nations shall see and be confounded at all their might: they shall lay their hand upon their mouth, their ears shall be deaf.
16. "Les nations le verront, et seront confuses, Avec toute leur puissance; Elles mettront la main sur la bouche, Leurs oreilles seront assourdies."
16. "Hahita izany ny firenena ka ho menatra amin' ny heriny rehetra; hitampim-bava izy, ho tonga marenina ny sofiny."
17. They shall lick the dust like a serpent, they shall move out of their holes like worms of the earth: they shall be afraid of the LORD our God, and shall fear because of thee.
17. "Elles lécheront la poussière, comme le serpent, Comme les reptiles de la terre; Elles seront saisies de frayeur hors de leurs forteresses; Elles trembleront devant l`Éternel, notre Dieu, Elles te craindront."
17. "Hilelaka ny vovoka toy ny menarana izy; hivoaka avy ao an-davany toy ny kankantany izy; hatahotra an' i Jehovah Andriamanitsika izy, ary hatahotra noho ny aminao."
18. Who is a God like unto thee, that pardoneth iniquity, and passeth by the transgression of the remnant of his heritage? he retaineth not his anger for ever, because he delighteth in mercy.
18. Quel Dieu est semblable à toi, Qui pardonnes l`iniquité, qui oublies les péchés Du reste de ton héritage? Il ne garde pas sa colère à toujours, Car il prend plaisir à la miséricorde.
18. Iza no Andriamanitra tahaka Anao, izay mamela heloka sady mandalo ny fahadisoan' ny sisa amin' ny lovany? Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy, fa mifaly amin' ny famindrampo.
19. He will turn again, he will have compassion upon us; he will subdue our iniquities; and thou wilt cast all their sins into the depths of the sea.
19. "Il aura encore compassion de nous, Il mettra sous ses pieds nos iniquités; Tu jetteras au fond de la mer tous leurs péchés."
19. Hiverina indray Izy hangora-po amintsika Izy, hanitsakitsaka ny helotsika, ary harianao ho any amin' ny halalin' ny ranomasina ny fahotany rehetra.
20. Thou wilt perform the truth to Jacob, and the mercy to Abraham, which thou hast sworn unto our fathers from the days of old.
20. Tu témoigneras de la fidélité à Jacob, De la bonté à Abraham, Comme tu l`as juré à nos pères aux jours d`autrefois.
20. Hanefa fahamarinana amin' i Jakoba ianao sy famindrampo amin' i Abrahama, dia ilay nianiananao tamin' ny razanay hatramin' ny andro taloha ela.