Chapter 1
1. The burden which Habakkuk the prophet did see.
1. Oracle révélé à Habakuk, le prophète.
1. Faminaniana ny loza hanjo izay hitan' i Habakoka mpaminany.
2. O LORD, how long shall I cry, and thou wilt not hear! even cry out unto thee of violence, and thou wilt not save!
2. Jusqu`à quand, ô Éternel?... J`ai crié, Et tu n`écoutes pas! J`ai crié vers toi à la violence, Et tu ne secours pas!
2. Jehovah ô! mandra-pahoviana no hitarainako, nefa tsy hohenoinao! Mitaraina aminao aho noho ny amin' ny herisetra, nefa tsy vonjenao.
3. Why dost thou shew me iniquity, and cause me to behold grievance? for spoiling and violence are before me: and there are that raise up strife and contention.
3. Pourquoi me fais-tu voir l`iniquité, Et contemples-tu l`injustice? Pourquoi l`oppression et la violence sont-elles devant moi? Il y a des querelles, et la discorde s`élève.
3. Nahoana aho no anehoanao heloka, sy ampahitanao fahoriana, fa fandravana sy loza no eo anatrehako, ary misy manangana ady sy fifandirana.
4. Therefore the law is slacked, and judgment doth never go forth: for the wicked doth compass about the righteous; therefore wrong judgment proceedeth.
4. "Aussi la loi n`a point de vie, La justice n`a point de force; Car le méchant triomphe du juste, Et l`on rend des jugements iniques."
4. "Koa noho izany dia tsy ampy hery ny lalàna, ary tsy mivoaka ny rariny; fa irohotan' ny ratsy fanahy ny marina; ka izany no ivoahan' ny fitsarana tsy marina."
5. Behold ye among the heathen, and regard, and wonder marvellously: for I will work a work in your days, which ye will not believe, though it be told you.
5. Jetez les yeux parmi les nations, regardez, Et soyez saisis d`étonnement, d`épouvante! Car je vais faire en vos jours une oeuvre, Que vous ne croiriez pas si on la racontait.
5. "Jereo any amin' ny jentilisa, ka diniho, ary gagà dia gagà; fa hanao zavatra amin' ny andronareo Aho, izay tsy hinoanareo, na dia holazaina aminareo aza."
6. For, lo, I raise up the Chaldeans, that bitter and hasty nation, which shall march through the breadth of the land, to possess the dwellingplaces that are not theirs.
6. Voici, je vais susciter les Chaldéens, Peuple furibond et impétueux, Qui traverse de vastes étendues de pays, Pour s`emparer de demeures qui ne sont pas à lui.
6. Fa, indro, atsangako ny Kaldeana, dia ilay firenena masiaka sady mirehidrehitra, izay mamaky eran' ny tany hahazoany fonenana izay tsy azy.
7. They are terrible and dreadful: their judgment and their dignity shall proceed of themselves.
7. "Il est terrible et formidable; De lui seul viennent son droit et sa grandeur."
7. "Mahatsiravina sy mahatahotra izy; avy amin' ny tenany ihany ny fitsarany sy ny fahalehibeazany."
8. Their horses also are swifter than the leopards, and are more fierce than the evening wolves: and their horsemen shall spread themselves, and their horsemen shall come from far; they shall fly as the eagle that hasteth to eat.
8. "Ses chevaux sont plus rapides que les léopards, Plus agiles que les loups du soir, Et ses cavaliers s`avancent avec orgueil; Ses cavaliers arrivent de loin, Ils volent comme l`aigle qui fond sur sa proie."
8. "Faingana noho ny leoparda koa ny soavaliny, sady masiaka noho ny amboadia hariva; ny mpitaingin-tsoavaliny hampiriotra, ary ny mpitaingin-tsoavaliny dia ho avy lavitra; hanidina toy ny voromahery maika hihinana izy."
9. They shall come all for violence: their faces shall sup up as the east wind, and they shall gather the captivity as the sand.
9. "Tout ce peuple vient pour se livrer au pillage; Ses regards avides se portent en avant, Et il assemble des prisonniers comme du sable."
9. "Hampidi-doza no hiavian' izy rehetra; ny handroso hivoky toy ny rivotra avy any atsinanana no atrehin' izy rehetra, ka hanangona ny sambotra toy ny fasika izy."
10. And they shall scoff at the kings, and the princes shall be a scorn unto them: they shall deride every strong hold; for they shall heap dust, and take it.
10. "Il se moque des rois, Et les princes font l`objet de ses railleries; Il se rit de toutes les forteresses, Il amoncelle de la terre, et il les prend."
10. "Hanakora ny mpanjaka izy, ary hihomehezany ny mpanapaka; ny tanàna mimanda rehetra dia hihomehezany, fa hanandratra tovon-tany izy ka hahafaka azy."
11. Then shall his mind change, and he shall pass over, and offend, imputing this his power unto his god.
11. Alors son ardeur redouble, Il poursuit sa marche, et il se rend coupable. Sa force à lui, voilà son dieu!
11. Dia hiova ny heviny ary handalo izy ka hanao heloka, ary hanonona izany heriny izany ho avy amin' andriamaniny.
12. Art thou not from everlasting, O LORD my God, mine Holy One? we shall not die. O LORD, thou hast ordained them for judgment; and, O mighty God, thou hast established them for correction.
12. "N`es-tu pas de toute éternité, Éternel, mon Dieu, mon Saint? Nous ne mourrons pas! O Éternel, tu as établi ce peuple pour exercer tes jugements; O mon rocher, tu l`as suscité pour infliger tes châtiments."
12. "Tsy hatrizay hatrizay va Ianao, Jehovah Andriamanitro ô, Iray Masiko? Tsy ho faty izahay; ry Jehovah ô, ho famaizana no nanendrenao ireny, ry Vatolampy ô, ho fananarana no nanangananao azy."
13. Thou art of purer eyes than to behold evil, and canst not look on iniquity: wherefore lookest thou upon them that deal treacherously, and holdest thy tongue when the wicked devoureth the man that is more righteous than he?
13. Tes yeux sont trop purs pour voir le mal, Et tu ne peux pas regarder l`iniquité. Pourquoi regarderais-tu les perfides, et te tairais-tu, Quand le méchant dévore celui qui est plus juste que lui?
13. Ianao, Izay madio maso ka tsy te-hitsinjo ny ratsy, ary tsy mahajery heloka, nahoana Ianao no mijery izay mamitaka, ary mangina, raha ny ratsy fanahy mandrapaka ny marina noho izy?
14. And makest men as the fishes of the sea, as the creeping things, that have no ruler over them?
14. Traiterais-tu l`homme comme les poissons de la mer, Comme le reptile qui n`a point de maître?
14. Ary manao ny olona ho toy ny hazandrano any an-dranomasina, sy ho toy ny biby mandady sy mikisaka, izay tsy manampanapaka?
15. They take up all of them with the angle, they catch them in their net, and gather them in their drag: therefore they rejoice and are glad.
15. Il les fait tous monter avec l`hameçon, Il les attire dans son filet, Il les assemble dans ses rets: Aussi est-il dans la joie et dans l`allégresse.
15. "Haingainy amin' ny fintana izy rehetra, samboriny amin' ny haratony ary sarihany amin' ny harato tarihiny; ka dia faly sy ravoravo izy."
16. Therefore they sacrifice unto their net, and burn incense unto their drag; because by them their portion is fat, and their meat plenteous.
16. "C`est pourquoi il sacrifie à son filet, Il offre de l`encens à ses rets; Car par eux sa portion est grasse, Et sa nourriture succulente."
16. Koa izany no hanaovany fanatitra ho an' ny haratony, sy andoroany ditin-kazo manitra ho an' ny harato tarihiny, fa avy amin' ireo no ahazoany anjara matavy sy hanina betsaka.
17. Shall they therefore empty their net, and not spare continually to slay the nations?
17. Videra-t-il pour cela son filet, Et toujours égorgera-t-il sans pitié les nations?
17. Koa noho izany, dia hanafoana ny ao amin' ny haratony va izy ary hamono firenena mandrakariva ka tsy hiantra?
Chapter 2
1. I will stand upon my watch, and set me upon the tower, and will watch to see what he will say unto me, and what I shall answer when I am reproved.
1. "J`étais à mon poste, Et je me tenais sur la tour; Je veillais, pour voir ce que l`Éternel me dirait, Et ce que je répliquerais après ma plainte."
1. Hitsangana eo ambonin' ny fitazanako aho ary hijoro eo ambonin' ny manda, hiandry hahitako izay holazainy amiko sy izay havaliko rehefa anarina aho.
2. And the LORD answered me, and said, Write the vision, and make it plain upon tables, that he may run that readeth it.
2. L`Éternel m`adressa la parole, et il dit: Écris la prophétie: Grave-la sur des tables, Afin qu`on la lise couramment.
2. Dia namaly ahy Jehovah ka nanao hoe: soraty ny fahitana, ka ataovy mazava tsara eo amin' ny latabatra, mba ho afa-mihazakazaka izay mamaky izany.
3. For the vision is yet for an appointed time, but at the end it shall speak, and not lie: though it tarry, wait for it; because it will surely come, it will not tarry.
3. "Car c`est une prophétie dont le temps est déjà fixé, Elle marche vers son terme, et elle ne mentira pas; Si elle tarde, attends-la, Car elle s`accomplira, elle s`accomplira certainement."
3. "Fa ny fahitana dia mbola ho amin' ny fotoan' andro, ary hilaza ny farany izy ka tsy handainga; na dia mitaredretra aza izy, dia andraso ihany, fa ho avy tokoa izy ka tsy hitaredretra."
4. Behold, his soul which is lifted up is not upright in him: but the just shall live by his faith.
4. "Voici, son âme s`est enflée, elle n`est pas droite en lui; Mais le juste vivra par sa foi."
4. Indro, feno avonavona ny fanahiny, fa tsy mahitsy ao anatiny, fa ny marina ho velon' ny finoany.
5. Yea also, because he transgresseth by wine, he is a proud man, neither keepeth at home, who enlargeth his desire as hell, and is as death, and cannot be satisfied, but gathereth unto him all nations, and heapeth unto him all people:
5. "Pareil à celui qui est ivre et arrogant, L`orgueilleux ne demeure pas tranquille; Il élargit sa bouche comme le séjour des morts, Il est insatiable comme la mort; Il attire à lui toutes les nations, Il assemble auprès de lui tous les peuples."
5. Ary koa satria niodina noho ny divay izy, dia mpiavonavona izy ka tsy mba mahatoetra an-trano, izay mampahalalaka ny faniriany tahaka ny helo sy toy ny fahafatesana tsy mety voky, fa manangona ny firenena rehetra ho ao aminy sy mamory ny olona rehetra ho ao aminy.
6. Shall not all these take up a parable against him, and a taunting proverb against him, and say, Woe to him that increaseth that which is not his! how long? and to him that ladeth himself with thick clay!
6. Ne sera-t-il pas pour tous un sujet de sarcasme, De railleries et d`énigmes? On dira: Malheur à celui qui accumule ce qui n`est pas à lui! Jusques à quand?... Malheur à celui qui augmente le fardeau de ses dettes!
6. Tsy hanao oha-teny hamelezana azy va ireto rehetra ireto? Tsy hanao eso-teny sy fitenenana hanoherana azy va izy ka hanao hoe: lozan' izay mahery mampitombo ny tsy azy! Mandrapahoviana? ry ilay mamesa-tena amin' ny tanimanga matevina.
7. Shall they not rise up suddenly that shall bite thee, and awake that shall vex thee, and thou shalt be for booties unto them?
7. Tes créanciers ne se lèveront-ils pas soudain? Tes oppresseurs ne se réveilleront-ils pas? Et tu deviendras leur proie.
7. Tsy hitsangana tampoka va izay hanaikitra anao, ary tsy hifoha va izay hanaitaitra anao, ka ho babony ianao?
8. Because thou hast spoiled many nations, all the remnant of the people shall spoil thee; because of men's blood, and for the violence of the land, of the city, and of all that dwell therein.
8. "Parce que tu as pillé beaucoup de nations, Tout le reste des peuples te pillera; Car tu as répandu le sang des hommes, Tu as commis des violences dans le pays, Contre la ville et tous ses habitants."
8. Satria efa namabo firenena maro ianao, ka dia mba hobaboin' ny sisa rehetra amin' ny firenena kosa, noho ny ràn' ny olona sy ny fandozana natao tamin' ny tany, dia tamin' ny tanàna sy ny mponina rehetra ao aminy.
9. Woe to him that coveteth an evil covetousness to his house, that he may set his nest on high, that he may be delivered from the power of evil!
9. Malheur à celui qui amasse pour sa maison des gains iniques, Afin de placer son nid dans un lieu élevé, Pour se garantir de la main du malheur!
9. Lozan' izay fatra-pila amin' ny fiereman-dratsy ho an' ny taranany, hanaovany ny akaniny any amin' ny avo, mba hahafahany amin' ny herin' ny ratsy!
10. Thou hast consulted shame to thy house by cutting off many people, and hast sinned against thy soul.
10. C`est l`opprobre de ta maison que tu as résolu, En détruisant des peuples nombreux, Et c`est contre toi-même que tu as péché.
10. Efa namoron-tsaina hahatonga henatra ho an' ny taranakao ianao, tamin' ny fandringanana firenena maro ary efa nanota tamin' ny fanahinao ianao.
11. For the stone shall cry out of the wall, and the beam out of the timber shall answer it.
11. Car la pierre crie du milieu de la muraille, Et le bois qui lie la charpente lui répond.
11. Fa hitaraina ny vato ao amin' ny rindrina, ary ny sakamandimby ao amin' ny trano no hamaly azy.
12. Woe to him that buildeth a town with blood, and stablisheth a city by iniquity!
12. Malheur à celui qui bâtit une ville avec le sang, Qui fonde une ville avec l`iniquité!
12. Lozan' izay manao vohitra amin' ny fandatsahan-drà sy manorina tanàna amin' ny heloka!
13. Behold, is it not of the LORD of hosts that the people shall labour in the very fire, and the people shall weary themselves for very vanity?
13. Voici, quand l`Éternel des armées l`a résolu, Les peuples travaillent pour le feu, Les nations se fatiguent en vain.
13. Indro, tsy avy amin' i Jehovah Tompon' ny maro va no hiasan' ny olona ho an' ny afo, sy hisasaran' ny firenena ho an' ny zava-poana?
14. For the earth shall be filled with the knowledge of the glory of the LORD, as the waters cover the sea.
14. Car la terre sera remplie de la connaissance de la gloire de l`Éternel, Comme le fond de la mer par les eaux qui le couvrent.
14. Fa ny tany ho feno ny fahalalana ny voninahitr' i Jehovah, toy ny fanaron' ny rano ny fanambanin' ny ranomasina.
15. Woe unto him that giveth his neighbour drink, that puttest thy bottle to him, and makest him drunken also, that thou mayest look on their nakedness!
15. Malheur à celui qui fait boire son prochain, A toi qui verses ton outre et qui l`enivres, Afin de voir sa nudité!
15. "Lozan' izay mampisotro ny namany ka mametraka ny tavoahanginao eo aminy, sady mampahamamo azy koa, mba hijerenao ny fitanjahany;"
16. Thou art filled with shame for glory: drink thou also, and let thy foreskin be uncovered: the cup of the LORD's right hand shall be turned unto thee, and shameful spewing shall be on thy glory.
16. "Tu seras rassasié de honte plus que de gloire; Bois aussi toi-même, et découvre-toi! La coupe de la droite de l`Éternel se tournera vers toi, Et l`ignominie souillera ta gloire."
16. "Efa feno henatra ianao, fa tsy voninahitra; mba sotroy koa, ka mitanjaha; hatolotra anao ny kapoaka eny an-tanana ankavanan' i Jehovah, ary fahamenarana no ho amin' ny voninahitrao."
17. For the violence of Lebanon shall cover thee, and the spoil of beasts, which made them afraid, because of men's blood, and for the violence of the land, of the city, and of all that dwell therein.
17. Car les violences contre le Liban retomberont sur toi, Et les ravages des bêtes t`effraieront, Parce que tu as répandu le sang des hommes, Et commis des violences dans le pays, Contre la ville et tous ses habitants.
17. Fa hanody anao ny loza natao tamin' i Libanona sy ny fandringanana mahatahotra namelezana ny biby, noho ny ràn' ny olona sy ny loza natao tamin' ny tany, dia tamin' ny tanàna sy ny mponina rehetra ao aminy.
18. What profiteth the graven image that the maker thereof hath graven it; the molten image, and a teacher of lies, that the maker of his work trusteth therein, to make dumb idols?
18. A quoi sert une image taillée, pour qu`un ouvrier la taille? A quoi sert une image en fonte et qui enseigne le mensonge, Pour que l`ouvrier qui l`a faite place en elle sa confiance, Tandis qu`il fabrique des idoles muettes?
18. Mahasoa inona ny sarin-javatra voasokitra, no misokitra azy ny mpanao azy? Na ny sarin-javatra an' idina sy ny mpampianatra lainga, no matoky azy izay namorona azy tamin' ny nanaovany sampy moana?
19. Woe unto him that saith to the wood, Awake; to the dumb stone, Arise, it shall teach! Behold, it is laid over with gold and silver, and there is no breath at all in the midst of it.
19. Malheur à celui qui dit au bois: Lève-toi! A une pierre muette: Réveille-toi! Donnera-t-elle instruction? Voici, elle est garnie d`or et d`argent, Mais il n`y a point en elle un esprit qui l`anime.
19. Lozan' izay manao amin' ny hazo hoe: mifohaza! Ary amin' ny vato moana hoe: mitsangàna! Hampianatra va ireo? He, voapetaka takela-bolamena sy volafotsy ihany izy, sady tsy misy fofon' aina akory ao anatiny.
20. But the LORD is in his holy temple: let all the earth keep silence before him.
20. L`Éternel est dans son saint temple. Que toute la terre fasse silence devant lui!
20. "Jehovah dia ao amin' ny tempoliny masina; aoka ny tany rehetra hangina eo anatrehany!"
Chapter 3
1. A prayer of Habakkuk the prophet upon Shigionoth.
1. Prière d`Habakuk, le prophète. (Sur le mode des complaintes.)
1. Ny fivavak' i Habakoka mpaminany. Araka ny Sigionota.
2. O LORD, I have heard thy speech, and was afraid: O LORD, revive thy work in the midst of the years, in the midst of the years make known; in wrath remember mercy.
2. Éternel, j`ai entendu ce que tu as annoncé, je suis saisi de crainte. Accomplis ton oeuvre dans le cours des années, ô Éternel! Dans le cours des années manifeste-la! Mais dans ta colère souviens-toi de tes compassions!
2. "Jehovah ô, efa reko ny teninao, ka raiki-tahotra aho, Jehovah ô, velomy ny asanao eo an-tenatenan' ny taona, ataovy fantatra ao an-tenatenan' ny taona izany; ao amin' ny fahatezeranao dia tsarovy ny indrafo."
3. God came from Teman, and the Holy One from mount Paran. Selah. His glory covered the heavens, and the earth was full of his praise.
3. Dieu vient de Théman, Le Saint vient de la montagne de Paran... Pause. Sa majesté couvre les cieux, Et sa gloire remplit la terre.
3. Tamy avy any Temana Andriamanitra, ny Iray Masina avy any an-tendrombohitra Parana. [Sela.] Manarona ny lanitra ny voninahiny, ary manenika ny tany ny fiderana Azy.
4. And his brightness was as the light; he had horns coming out of his hand: and there was the hiding of his power.
4. "C`est comme l`éclat de la lumière; Des rayons partent de sa main; Là réside sa force."
4. "Ary ny famirapiratany dia toy ny fahazavana; misy tandroka mivoaka avy amin' ny tanany; ary ao no fieren' ny heriny."
5. Before him went the pestilence, and burning coals went forth at his feet.
5. Devant lui marche la peste, Et la peste est sur ses traces.
5. Eo alohany no andehanan' ny areti-mandringana, ary arina mirehitra no mivoaka avy eo an-tongony.
6. He stood, and measured the earth: he beheld, and drove asunder the nations; and the everlasting mountains were scattered, the perpetual hills did bow: his ways are everlasting.
6. "Il s`arrête, et de l`oeil il mesure la terre; Il regarde, et il fait trembler les nations; Les montagnes éternelles se brisent, Les collines antiques s`abaissent; Les sentiers d`autrefois s`ouvrent devant lui."
6. "Nijanona Izy ka nandrefy ny tany; mijery Izy ka nampangovitra ny firenena, ary torotoro ny tendrombohitra mandrakizay, nietry ny havoana fahagola; ny lalany dia mandrakizay."
7. I saw the tents of Cushan in affliction: and the curtains of the land of Midian did tremble.
7. Je vois dans la détresse les tentes de l`Éthiopie, Et les tentes du pays de Madian sont dans l`épouvante.
7. Nahita ny lain' i Kosana azom-pahoriana aho, sady nipararetra ny ambain-dain' ny tany Midiana.
8. Was the LORD displeased against the rivers? was thine anger against the rivers? was thy wrath against the sea, that thou didst ride upon thine horses and thy chariots of salvation?
8. L`Éternel est-il irrité contre les fleuves? Est-ce contre les fleuves que s`enflamme ta colère, Contre la mer que se répand ta fureur, Pour que tu sois monté sur tes chevaux, Sur ton char de victoire?
8. Moa amin' ny ony va no irehetan' ny fahatezeran' i Jehovah? Amin' ny ony va no ahatezeranao, na amin' ny ranomasina va no ahasosoranao, no dia mitaingina ny soavalinao sy ny kalesim-pamonjenao Ianao?
9. Thy bow was made quite naked, according to the oaths of the tribes, even thy word. Selah. Thou didst cleave the earth with rivers.
9. "Ton arc est mis à nu; Les malédictions sont les traits de ta parole... Pause. Tu fends la terre pour donner cours aux fleuves."
9. Nalan-tsarona ny tsipìkanao, araka ny fianianan' ny firenena dia ny teninao. [Sela.] Namakivaky ny tany Ianao mba hisy ony.
10. The mountains saw thee, and they trembled: the overflowing of the water passed by: the deep uttered his voice, and lifted up his hands on high.
10. "A ton aspect, les montagnes tremblent; Des torrents d`eau se précipitent; L`abîme fait entendre sa voix, Il lève ses mains en haut."
10. "Nahita Anao ny tendrombohitra ka toran-kovitra; nandalo ny fihoaran' ny rano tondraka; namoa-peo ny lalina sady nananga-tanana ho amin' ny avo."
11. The sun and moon stood still in their habitation: at the light of thine arrows they went, and at the shining of thy glittering spear.
11. Le soleil et la lune s`arrêtent dans leur demeure, A la lumière de tes flèches qui partent, A la clarté de ta lance qui brille.
11. "Nijanona teo amin' ny fitoerany ny masoandro sy ny volana; noho ny fahazavan' ny zana-tsipìkanao sy ny fanelatselatry ny lefonao mamirapiratra no nandehanany."
12. Thou didst march through the land in indignation, thou didst thresh the heathen in anger.
12. Tu parcours la terre dans ta fureur, Tu écrases les nations dans ta colère.
12. "Amin' ny fahatezeranao no anitsahanao ny tany; amin' ny fahaviniranao no anosihosenao ny jentilisa."
13. Thou wentest forth for the salvation of thy people, even for salvation with thine anointed; thou woundedst the head out of the house of the wicked, by discovering the foundation unto the neck. Selah.
13. "Tu sors pour délivrer ton peuple, Pour délivrer ton oint; Tu brises le faîte de la maison du méchant, Tu la détruis de fond en comble. Pause."
13. Nivoaka ho amin' ny famonjena ny olonao Ianao, dia famonjena amin' ny alalan' ny voahosotrao, torotoroinao ny tapenaky ny tranon' ny ratsy fanahy, ka ahariharinao ny fanorenana hatrany an-katoka. [Sela.]
14. Thou didst strike through with his staves the head of his villages: they came out as a whirlwind to scatter me: their rejoicing was as to devour the poor secretly.
14. Tu perces de tes traits la tête de ses chefs, Qui se précipitent comme la tempête pour me disperser, Poussant des cris de joie, Comme s`ils dévoraient déjà le malheureux dans leur repaire.
14. "Ny tehiny ihany no anaboroahanao ny lehiben' ny tanànany; avy toy ny tadio hamely ahy izy; toa ny mifaly handany mangingina ny ory izy."
15. Thou didst walk through the sea with thine horses, through the heap of great waters.
15. Avec tes chevaux tu foules la mer, La boue des grandes eaux.
15. Nitety ny ranomasina amin' ny soavalinao Ianao, dia eny amin' ny rano be miavovona.
16. When I heard, my belly trembled; my lips quivered at the voice: rottenness entered into my bones, and I trembled in myself, that I might rest in the day of trouble: when he cometh up unto the people, he will invade them with his troops.
16. J`ai entendu... Et mes entrailles sont émues. A cette voix, mes lèvres frémissent, Mes os se consument, Et mes genoux chancellent: En silence je dois attendre le jour de la détresse, Le jour où l`oppresseur marchera contre le peuple.
16. "Nony nandre aho, dia nandevilevy ny kiboko, ny molotro nipararetra noho ny feo; azon' ny fahalovana ny taolako ka nangovitra tato anatiko mba hitsaharako amin' ny andro fahoriana; rehefa hiakatra ho amin' ny olona izy, dia hanenika ireo amin' ny andiany maro."
17. Although the fig tree shall not blossom, neither shall fruit be in the vines; the labour of the olive shall fail, and the fields shall yield no meat; the flock shall be cut off from the fold, and there shall be no herd in the stalls:
17. "Car le figuier ne fleurira pas, La vigne ne produira rien, Le fruit de l`olivier manquera, Les champs ne donneront pas de nourriture; Les brebis disparaîtront du pâturage, Et il n`y aura plus de boeufs dans les étables."
17. Fa na dia tsy hamontsina aza ny hazo aviavy, ary tsy hisy voany ny voaloboka, na dia handiso fanantenana aza ny oliva, ary tsy hahavokatra hohanina ny saha, na dia hoesorina tsy ho ao am-bala aza ny andiam-biby fiompy, ary tsy hisy omby ao am-pahitra:
18. Yet I will rejoice in the LORD, I will joy in the God of my salvation.
18. Toutefois, je veux me réjouir en l`Éternel, Je veux me réjouir dans le Dieu de mon salut.
18. Dia mbola hifaly amin' i Jehovah ihany aho, sy hiravoravo amin' Andriamanitry ny famonjena ahy.
19. The LORD God is my strength, and he will make my feet like hinds' feet, and he will make me to walk upon mine high places. To the chief singer on my stringed instruments.
19. "L`Éternel, le Seigneur, est ma force; Il rend mes pieds semblables à ceux des biches, Et il me fait marcher sur mes lieux élevés. Au chefs des chantres. Avec instruments à cordes."
19. Jehovah Tompo no tanjako, ary hanao ny tongotro ho toy ny an' ny dieravavy Izy ka hampandeha ahy ho amin' ny fitoerako avo. Ho an' ny mpiventy hira ampiarahina amin' ny valiham-bazaha.