Justice and Mercy, Not Fasting
1. And it came to pass in the fourth year of king Darius, that the word of the LORD came unto Zechariah in the fourth day of the ninth month, even in Chisleu;
1. La quatrième année du roi Darius, la parole de l`Éternel fut adressée à Zacharie, le quatrième jour du neuvième mois, qui est le mois de Kisleu.
1. "Ary izao no niseho, tamin' ny taona fahefatra nanjakan' i Dariosy no nahatongavan' ny tenin' i Jehovah tamin' i Zakaria, tamin' ny andro fahefatra tamin' ny volana fahasivy, Kisleva izany;"
2. When they had sent unto the house of God Sherezer and Regemmelech, and their men, to pray before the LORD,
2. On avait envoyé de Béthel Scharetser et Réguem Mélec avec ses gens pour implorer l`Éternel,
2. Ary efa nirahina ho ao an-tranon' i Jehovah i Serezera sy Regema-meleka sy ny olony hivavaka eo anatrehan' i Jehovah,
3. And to speak unto the priests which were in the house of the LORD of hosts, and to the prophets, saying, Should I weep in the fifth month, separating myself, as I have done these so many years?
3. et pour dire aux sacrificateurs de la maison de l`Éternel des armées et aux prophètes: Faut-il que je pleure au cinquième mois et que je fasse abstinence, comme je l`ai fait tant d`années?
3. Ka hiteny amin' ny mpisorona izay tao an-tranon' i Jehovah Tompon' ny maro sy amin' ny mpaminany hoe: hitomany amin' ny volana fahadimy va aho ka hanoka-tena tahaka izay nataoko nandritra izao taona maro izao?
4. Then came the word of the LORD of hosts unto me, saying,
4. La parole de l`Éternel des armées me fut adressée, en ces mots:
4. Dia tonga tamiko ny tenin' i Jehovah, Tompon' ny maro, nanao hoe:
5. Speak unto all the people of the land, and to the priests, saying, When ye fasted and mourned in the fifth and seventh month, even those seventy years, did ye at all fast unto me, even to me?
5. Dis à tout le peuple du pays et aux sacrificateurs: Quand vous avez jeûné et pleuré au cinquième et au septième mois, et cela depuis soixante-dix ans, est-ce pour moi que vous avez jeûné?
5. Lazao amin' ny vahoaka rehetra amin' ny tany sy amin' ny mpisorona hoe: raha nifady hanina sy nitomany tamin' ny volana fahadimy sy ny fahafito tamin' izao fitopolo taona izao ianareo, moa nifady ho Ahy va ianareo?
6. And when ye did eat, and when ye did drink, did not ye eat for yourselves, and drink for yourselves?
6. Et quand vous mangez et buvez, n`est-ce pas vous qui mangez et vous qui buvez?
6. Ary raha nihinana sy nisotro ianareo, moa tsy nihinana sy nisotro ho an' ny tenanareo ihany va ianareo?
7. Should ye not hear the words which the LORD hath cried by the former prophets, when Jerusalem was inhabited and in prosperity, and the cities thereof round about her, when men inhabited the south and the plain?
7. Ne connaissez-vous pas les paroles qu`a proclamées l`Éternel par les premiers prophètes, lorsque Jérusalem était habitée et tranquille avec ses villes à l`entour, et que le midi et la plaine étaient habités?
7. Moa tsy tokony ho nihaino ny teny izay nasain' i Jehovah nantsoin' ny mpaminany fahiny va ianareo, fony mbola nonenana sy nambinina Jerosalema sy ny tanàna manodidina azy, sady nonenan' olona koa ny tany atsimo sy ny tany lemaka?
8. And the word of the LORD came unto Zechariah, saying,
8. La parole de l`Éternel fut adressée à Zacharie, en ces mots:
8. Ary tonga tamin' i Zakaria ny tenin' i Jehovah nanao hoe:
9. Thus speaketh the LORD of hosts, saying, Execute true judgment, and shew mercy and compassions every man to his brother:
9. Ainsi parlait l`Éternel des armées: Rendez véritablement la justice, Et ayez l`un pour l`autre de la bonté et de la miséricorde.
9. "Izao no lazain' i Jehovah, Tompon' ny maro: manaova fitsarana marina, ary samia mifampiantra sy mifamindra fo amin' ny rahalahiny avy;"
10. And oppress not the widow, nor the fatherless, the stranger, nor the poor; and let none of you imagine evil against his brother in your heart.
10. N`opprimez pas la veuve et l`orphelin, l`étranger et le pauvre, Et ne méditez pas l`un contre l`autre le mal dans vos coeurs.
10. "Ary aza mampahory ny mpitondratena na ny kamboty, na ny vahiny, na ny mahantra; ary aza misy mihevitra ao am-ponareo hanisy ratsy ny rahalahinareo ianareo."
11. But they refused to hearken, and pulled away the shoulder, and stopped their ears, that they should not hear.
11. Mais ils refusèrent d`être attentifs, ils eurent l`épaule rebelle, et ils endurcirent leurs oreilles pour ne pas entendre.
11. Nefa nandà tsy hihaino ireny, fa nampihemotra ny sorony, ary nanentsin-tadìny izy mba tsy handre.
12. Yea, they made their hearts as an adamant stone, lest they should hear the law, and the words which the LORD of hosts hath sent in his spirit by the former prophets: therefore came a great wrath from the LORD of hosts.
12. Ils rendirent leur coeur dur comme le diamant, pour ne pas écouter la loi et les paroles que l`Éternel des armées leur adressait par son esprit, par les premiers prophètes. Ainsi l`Éternel des armées s`enflamma d`une grande colère.
12. Eny, nanao ny fony ho mafy toy ny vato diamondra izy, mba tsy hihaino ny lalàna sy ny teny izay nampitondrain' ny Fanahin' i Jehovah, Tompon' ny maro, holazain' ny mpaminany fahiny, ka dia tonga izay fahatezerana mafy avy tamin' i Jehovah, Tompon' ny maro.
13. Therefore it is come to pass, that as he cried, and they would not hear; so they cried, and I would not hear, saith the LORD of hosts:
13. Quand il appelait, ils n`ont pas écouté: aussi n`ai-je pas écouté, quand ils ont appelé, dit l`Éternel des armées.
13. "Koa izao no hiseho, tahaka ny niantsoany ka tsy nety nihaino ireo; dia hiantso kosa ireo, fa tsy hety hihaino Aho, hoy Jehovah, Tompon' ny maro."
14. But I scattered them with a whirlwind among all the nations whom they knew not. Thus the land was desolate after them, that no man passed through nor returned: for they laid the pleasant land desolate.
14. "Je les ai dispersés parmi toutes les nations qu`ils ne connaissaient pas; le pays a été dévasté derrière eux, il n`y a plus eu ni allants ni venants; et d`un pays de délices ils ont fait un désert."
14. "Fa naeliko tamin' ny tafiodrivotra ho any amin' ny firenena rehetra izay tsy fantany izy. Toy izany no nahalao ny tany taoriany, ka tsy nisy olona nandroso na niverina; fa nahatonga ny tany mahafinaritra ho tany lao izy."