1. I will extol thee, O LORD; for thou hast lifted me up, and hast not made my foes to rejoice over me.
1. (30:1) Psaume. Cantique pour la dédicace de la maison. De David. (30:2) Je t`exalte, ô Éternel, car tu m`as relevé, Tu n`as pas voulu que mes ennemis se réjouissent à mon sujet.
1. [Salamo sy hira tamin' ny nitokanana ny tranon' i Davida.] HANANDRATRA Anao aho, Jehovah ô, fa nanintona ahy niakatra Ianao, ka tsy nataonao ho fifalian' ny fahavaloko aho.
2. O LORD my God, I cried unto thee, and thou hast healed me.
2. (30:3) Éternel, mon Dieu! J`ai crié à toi, et tu m`as guéri.
2. Jehovah Andriamanitro ô, nitaraina taminao aho, dia nahasitrana ahy Ianao.
3. O LORD, thou hast brought up my soul from the grave: thou hast kept me alive, that I should not go down to the pit.
3. (30:4) Éternel! tu as fait remonter mon âme du séjour des morts, Tu m`as fait revivre loin de ceux qui descendent dans la fosse.
3. "Jehovah ô, efa nampakatra ny fanahiko avy tany am-pasana Ianao; efa nampody ny aiko Ianao mba tsy hidina any an-davaka aho."
4. Sing unto the LORD, O ye saints of his, and give thanks at the remembrance of his holiness.
4. (30:5) Chantez à l`Éternel, vous qui l`aimez, Célébrez par vos louanges sa sainteté!
4. Mihirà ho an' i Jehovah, ry olony masina, ary misaora amin' ny fahatsiarovana ny fahamasinany.
5. For his anger endureth but a moment; in his favour is life: weeping may endure for a night, but joy cometh in the morning.
5. "(30:6) Car sa colère dure un instant, Mais sa grâce toute la vie; Le soir arrivent les pleurs, Et le matin l`allégresse."
5. "Fa indray mipì-maso ihany no aharetan' ny fahatezerany; fa misy fiainana ao amin' ny fankasitrahany; mety maharitra miloaka alina ny fitomaniana, nefa nony maraina dia tonga ny fifaliana."
6. And in my prosperity I said, I shall never be moved.
6. (30:7) Je disais dans ma sécurité: Je ne chancellerai jamais!
6. Ary hoy aho tao anatin' ny fanambinana: Tsy ho voahetsika mandrakizay aho.
7. LORD, by thy favour thou hast made my mountain to stand strong: thou didst hide thy face, and I was troubled.
7. (30:8) Éternel! par ta grâce tu avais affermi ma montagne... Tu cachas ta face, et je fus troublé.
7. "Jehovah ô, noho ny fankasitrahanao dia nampitoerinao mafy ny tendrombohitro; nanafina ny tavanao Ianao dia ory aho."
8. I cried to thee, O LORD; and unto the LORD I made supplication.
8. (30:9) Éternel! j`ai crié à toi, J`ai imploré l`Éternel:
8. "Ianao no nantsoiko, Jehovah ô; ary Jehovah no nitalahoako hoe:"
9. What profit is there in my blood, when I go down to the pit? Shall the dust praise thee? shall it declare thy truth?
9. (30:10) Que gagnes-tu à verser mon sang, A me faire descendre dans la fosse? La poussière a-t-elle pour toi des louanges? Raconte-t-elle ta fidélité?
9. Inona no soa azo avy amin' ny rako raha hidina any an-davaka aho? Hidera Anao va ny vovoka? Hanambara ny fahamarinanao va izany?
10. Hear, O LORD, and have mercy upon me: LORD, be thou my helper.
10. (30:11) Écoute, Éternel, aie pitié de moi! Éternel, secours-moi! -
10. "Mihainoa, Jehovah ô, ka mamindrà fo amiko; Jehovah ô, aoka ho mpanampy ahy Ianao."
11. Thou hast turned for me my mourning into dancing: thou hast put off my sackcloth, and girded me with gladness;
11. (30:12) Et tu as changé mes lamentations en allégresse, Tu as délié mon sac, et tu m`as ceint de joie,
11. "Efa nampody ny fisaonako ho fandihizana Ianao; efa nanaisotra ny lamba fisaonako Ianao ka nampisikina ahy fifaliana;"
12. To the end that my glory may sing praise to thee, and not be silent. O LORD my God, I will give thanks unto thee for ever.
12. (30:13) Afin que mon coeur te chante et ne soit pas muet. Éternel, mon Dieu! je te louerai toujours.
12. Mba hankalazan' ny voninahitro Anao, ka tsy hangina. Jehovah Andriamanitro ô, hisaotra Anao mandrakizay aho.