1. By the rivers of Babylon, there we sat down, yea, we wept, when we remembered Zion.
1. Sur les bords des fleuves de Babylone, Nous étions assis et nous pleurions, en nous souvenant de Sion.
1. TEO amoron' ny onin' i Babylona no nipetrahanay, eny, nitomany izahay raha nahatsiaro an' i Ziona.
2. We hanged our harps upon the willows in the midst thereof.
2. Aux saules de la contrée Nous avions suspendu nos harpes.
2. Teo amin' ny hazomalahelo teo afovoany no nanantonanay ny harpanay.
3. For there they that carried us away captive required of us a song; and they that wasted us required of us mirth, saying, Sing us one of the songs of Zion.
3. Là, nos vainqueurs nous demandaient des chants, Et nos oppresseurs de la joie: Chantez-vous quelques-uns des cantiques de Sion!
3. Fa teo dia nangataka anay hihira izay namabo anay ary izay nandany anay nangataka anay hanao fifaliana ka nanao hoe: Manaova hira iray ho anay amin' ireo hiran' i Ziona.
4. How shall we sing the LORD's song in a strange land?
4. Comment chanterions-nous les cantiques de l`Éternel Sur une terre étrangère?
4. Nefa ahoana no hihirantsika ny hiran' i Jehovah any an-tany fivahiniana?
5. If I forget thee, O Jerusalem, let my right hand forget her cunning.
5. Si je t`oublie, Jérusalem, Que ma droite m`oublie!
5. Raha manadino anao aho, ry Jerosalema ô, aoka kosa ny tanako ankavanana mba hanadino ny hakingany!
6. If I do not remember thee, let my tongue cleave to the roof of my mouth; if I prefer not Jerusalem above my chief joy.
6. Que ma langue s`attache à mon palais, Si je ne me souviens de toi, Si je ne fais de Jérusalem Le principal sujet de ma joie!
6. "Raha tsy mahatsiaro anao aho, aoka ny lelako hiraikitra amin' ny lanilaniko; raha tsy Jerosalema no ataoko ambony indrindra amin' ny fifaliako."
7. Remember, O LORD, the children of Edom in the day of Jerusalem; who said, Rase it, rase it, even to the foundation thereof.
7. Éternel, souviens-toi des enfants d`Édom, Qui, dans la journée de Jérusalem, Disaient: Rasez, rasez Jusqu`à ses fondements!
7. Jehovah ô, tsarovy ny taranak' i Edoma amin' ny andron' i Jerosalema, izay nanao hoe: Ravao, ravao hatramin' ny fanorenany izy.
8. O daughter of Babylon, who art to be destroyed; happy shall he be, that rewardeth thee as thou hast served us.
8. Fille de Babylone, la dévastée, Heureux qui te rend la pareille, Le mal que tu nous as fait!
8. Ry zanakavavin' i Babylona izay ho rava, ho sambatra izay mamaly anao araka izay nataonao taminay.
9. Happy shall he be, that taketh and dasheth thy little ones against the stones.
9. Heureux qui saisit tes enfants, Et les écrase sur le roc!
9. Ho sambatra izay maka ny zanakao madinika ka manjera azy ho torotoro amin' ny harambato.
<
>