1. Blessed are the undefiled in the way, who walk in the law of the LORD.
1. Heureux ceux qui sont intègres dans leur voie, Qui marchent selon la loi de l`Éternel!
1. [ALEFA.] SAMBATRA ny mahitsy làlana, izay mandeha araka ny lalàn' i Jehovah.
2. Blessed are they that keep his testimonies, and that seek him with the whole heart.
2. Heureux ceux qui gardent ses préceptes, Qui le cherchent de tout leur coeur,
2. Sambatra izay mitandrina ny tenivavolombelony, ka mitady Azy amin' ny fony rehetra.
3. They also do no iniquity: they walk in his ways.
3. Qui ne commettent point d`iniquité, Et qui marchent dans ses voies!
3. Tsy mba manao heloka koa izy fa mandeha araka ny lalany.
4. Thou hast commanded us to keep thy precepts diligently.
4. Tu as prescrit tes ordonnances, Pour qu`on les observe avec soin.
4. Efa nandidy anay Ianao hitandrina tsara ny fitsipikao.
5. O that my ways were directed to keep thy statutes!
5. Puissent mes actions être bien réglées, Afin que je garde tes statuts!
5. Enga anie ka ho voatarika ny lalako hitandrina ny didinao.
6. Then shall I not be ashamed, when I have respect unto all thy commandments.
6. Alors je ne rougirai point, A la vue de tous tes commandements.
6. Dia tsy ho menatra aho, raha mandinika ny didinao rehetra.
7. I will praise thee with uprightness of heart, when I shall have learned thy righteous judgments.
7. Je te louerai dans la droiture de mon coeur, En apprenant les lois de ta justice.
7. Hidera Anao amin' ny hitsi-poko aho, amin' ny hianarako ny fitsipikao marina.
8. I will keep thy statutes: O forsake me not utterly.
8. Je veux garder tes statuts: Ne m`abandonne pas entièrement!
8. "Ny didinao no hotandremako; aza mahafoy ahy mihitsy."
9. Wherewithal shall a young man cleanse his way? by taking heed thereto according to thy word.
9. Comment le jeune homme rendra-t-il pur son sentier? En se dirigeant d`après ta parole.
9. [BETA.] Inona no hanadiovan' ny zatovo ny lalan-kalehany? Ny fitandremana araka ny teninao.
10. With my whole heart have I sought thee: O let me not wander from thy commandments.
10. Je te cherche de tout mon coeur: Ne me laisse pas égarer loin de tes commandements!
10. "Tamin' ny foko rehetra no nitadiavako Anao; aza avela hivily hiala amin' ny didinao aho."
11. Thy word have I hid in mine heart, that I might not sin against thee.
11. Je serre ta parole dans mon coeur, Afin de ne pas pécher contre toi.
11. Ato am-poko no iraketako ny teninao, mba tsy hanotako aminao.
12. Blessed art thou, O LORD: teach me thy statutes.
12. Béni sois-tu, ô Éternel! Enseigne-moi tes statuts!
12. "Isaorana anie Ianao, Jehovah ô; ampianaro ahy ny didinao."
13. With my lips have I declared all the judgments of thy mouth.
13. De mes lèvres j`énumère Toutes les sentences de ta bouche.
13. Ny molotro no nentiko nilaza ny fitsipika rehetra naloaky ny vavanao.
14. I have rejoiced in the way of thy testimonies, as much as in all riches.
14. Je me réjouis en suivant tes préceptes, Comme si je possédais tous les trésors.
14. Ny lalan' ny teni-vavolombelonao no ifaliako, tahaka ny ifaliako amin' ny harena rehetra.
15. I will meditate in thy precepts, and have respect unto thy ways.
15. Je médite tes ordonnances, J`ai tes sentiers sous les yeux.
15. Hisaintsaina ny didinao aho, ary mihevitra tsara ny lalanao.
16. I will delight myself in thy statutes: I will not forget thy word.
16. Je fais mes délices de tes statuts, Je n`oublie point ta parole.
16. "Ny didinao no hiravoravoako; tsy hohadinoiko ny teninao."
17. Deal bountifully with thy servant, that I may live, and keep thy word.
17. Fais du bien à ton serviteur, pour que je vive Et que j`observe ta parole!
17. [GIMELA.] Asio soa aho mpanomponao, mba ho velona ka hitandrina ny teninao.
18. Open thou mine eyes, that I may behold wondrous things out of thy law.
18. Ouvre mes yeux, pour que je contemple Les merveilles de ta loi!
18. Ampahirato ny masoko, mba hahitako zava-mahagaga ao amin' ny lalànao.
19. I am a stranger in the earth: hide not thy commandments from me.
19. Je suis un étranger sur la terre: Ne me cache pas tes commandements!
19. Vahiny ety an-tany aho: aza afenina ahy ny didinao.
20. My soul breaketh for the longing that it hath unto thy judgments at all times.
20. Mon âme est brisée par le désir Qui toujours la porte vers tes lois.
20. Torotoro ny fanahiko noho ny faniriany ny fitsipikao mandrakariva.
21. Thou hast rebuked the proud that are cursed, which do err from thy commandments.
21. Tu menaces les orgueilleux, ces maudits, Qui s`égarent loin de tes commandements.
21. Voateninao mafy ny mpirehareha, dia izay voaozona, ka mania miala amin' ny didinao.
22. Remove from me reproach and contempt; for I have kept thy testimonies.
22. Décharge-moi de l`opprobre et du mépris! Car j`observe tes préceptes.
22. "Esory amiko ny fahafaham-baràka sy ny fanamavoana; fa efa nitandrina ny teni-vavolombelonao aho."
23. Princes also did sit and speak against me: but thy servant did meditate in thy statutes.
23. Des princes ont beau s`asseoir et parler contre moi, Ton serviteur médite tes statuts.
23. "Ny mpanapaka ihany koa dia nipetraka sy niteny nanohitra ahy; nefa ny didinao no saintsainin' ny mpanomponao."
24. Thy testimonies also are my delight and my counsellors.
24. Tes préceptes font mes délices, Ce sont mes conseillers.
24. Ny teni-vavolombelonao koa no firavoravoako sy mpanolo-tsaina ahy.
25. My soul cleaveth unto the dust: quicken thou me according to thy word.
25. Mon âme est attachée à la poussière: Rends-moi la vie selon ta parole!
25. "[DALETA.] Miraikitra amin' ny vovoka ny fanahiko; velomy aho araka ny teninao."
26. I have declared my ways, and thou heardest me: teach me thy statutes.
26. Je raconte mes voies, et tu m`exauces: Enseigne-moi tes statuts!
26. "Ny lalako no nambarako, ka dia nihaino ahy Ianao; ampianaro ahy ny didinao."
27. Make me to understand the way of thy precepts: so shall I talk of thy wondrous works.
27. Fais-moi comprendre la voie de tes ordonnances, Et je méditerai sur tes merveilles!
27. Ampahalalao ahy ny lalan' ny didinao dia holazaiko ny asanao mahagaga.
28. My soul melteth for heaviness: strengthen thou me according unto thy word.
28. Mon âme pleure de chagrin: Relève-moi selon ta parole!
28. "Mipotrapotra-dranomaso aho noho ny alaheloko; ampaherezo aho araka ny teninao."
29. Remove from me the way of lying: and grant me thy law graciously.
29. Éloigne de moi la voie du mensonge, Et accorde-moi la grâce de suivre ta loi!
29. "Esory amiko ny lalan' ny lainga; ary omeo ahy amin' ny indrafo ny lalànao."
30. I have chosen the way of truth: thy judgments have I laid before me.
30. Je choisis la voie de la vérité, Je place tes lois sous mes yeux.
30. "Ny lalan' ny fahamarinana no nofidiko; napetrako teo anatrehako ny fitsipikao."
31. I have stuck unto thy testimonies: O LORD, put me not to shame.
31. Je m`attache à tes préceptes: Éternel, ne me rends point confus!
31. "Nifikitra tamin' ny teni-vavolombelonao aho; Jehovah ô, aza avela ho azon-kenatra aho."
32. I will run the way of thy commandments, when thou shalt enlarge my heart.
32. Je cours dans la voie de tes commandements, Car tu élargis mon coeur.
32. Ny lalan' ny didinao no hihazakazahako, rehefa halalahanao ny foko.
33. Teach me, O LORD, the way of thy statutes; and I shall keep it unto the end.
33. Enseigne-moi, Éternel, la voie de tes statuts, pour que je la retienne jusqu`à la fin!
33. "[HE.] Jehovah ô, ampianaro ny lalan' ny didinao aho; dia hotandremako hatramin' ny farany izany."
34. Give me understanding, and I shall keep thy law; yea, I shall observe it with my whole heart.
34. Donne-moi l`intelligence, pour que je garde ta loi Et que je l`observe de tout mon coeur!
34. "Omeo fahalalana aho, dia hitandrina ny lalànao; eny, hitandrina azy amin' ny foko rehetra aho."
35. Make me to go in the path of thy commandments; for therein do I delight.
35. Conduis-moi dans le sentier de tes commandements! Car je l`aime.
35. "Ampandehano amin' ny lalan' ny didinao aho; fa izany no sitrako."
36. Incline my heart unto thy testimonies, and not to covetousness.
36. Incline mon coeur vers tes préceptes, Et non vers le gain!
36. Ampirisiho ny foko ho amin' ny teni-vavolombelonao, fa tsy ho amin' ny fieremana.
37. Turn away mine eyes from beholding vanity; and quicken thou me in thy way.
37. Détourne mes yeux de la vue des choses vaines, Fais-moi vivre dans ta voie!
37. "Avilio ny masoko tsy hijery zava-poana; velomy amin' ny lalanao aho."
38. Stablish thy word unto thy servant, who is devoted to thy fear.
38. Accomplis envers ton serviteur ta promesse, Qui est pour ceux qui te craignent!
38. Tovy amin' ny mpanomponao ny teninao, izay mazoto amin' ny fahatahorana Anao.
39. Turn away my reproach which I fear: for thy judgments are good.
39. Éloigne de moi l`opprobre que je redoute! Car tes jugements sont pleins de bonté.
39. "Esory ny fahafaham-barakako izay atahorako; fa tsara ny fitsipikao."
40. Behold, I have longed after thy precepts: quicken me in thy righteousness.
40. Voici, je désire pratiquer tes ordonnances: Fais-moi vivre dans ta justice!
40. Indro, manina ny didinao aho, velomy amin' ny fahamarinanao aho.
41. Let thy mercies come also unto me, O LORD, even thy salvation, according to thy word.
41. Éternel, que ta miséricorde vienne sur moi, Ton salut selon ta promesse!
41. [VAO.] Aoka ho tonga amiko koa ny famindramponao, Jehovah ô, dia ny famonjenao araka ny teninao.
42. So shall I have wherewith to answer him that reproacheth me: for I trust in thy word.
42. Et je pourrai répondre à celui qui m`outrage, Car je me confie en ta parole.
42. Dia hamaly izay miteny ratsy ahy amin' izany aho, satria matoky ny teninao aho.
43. And take not the word of truth utterly out of my mouth; for I have hoped in thy judgments.
43. N`ôte pas entièrement de ma bouche la parole de la vérité! Car j`espère en tes jugements.
43. "Ary aza dia esorina amin' ny vavako ny teny marina; fa ny fitsaranao no nantenaiko."
44. So shall I keep thy law continually for ever and ever.
44. Je garderai ta loi constamment, A toujours et à perpétuité.
44. Koa hitandrina ny lalànao mandrakariva aho, dia mandrakizay doria.
45. And I will walk at liberty: for I seek thy precepts.
45. Je marcherai au large, Car je recherche tes ordonnances.
45. Handeha amin' ny fahalalahana aho, fa ny fitsipikao no tadiaviko.
46. I will speak of thy testimonies also before kings, and will not be ashamed.
46. Je parlerai de tes préceptes devant les rois, Et je ne rougirai point.
46. Hilaza ny teni-vavolombelonao eo anatrehan' ireo mpanjaka koa aho, ka tsy ho menatra.
47. And I will delight myself in thy commandments, which I have loved.
47. Je fais mes délices de tes commandements. Je les aime.
47. Ary hiravoravo amin' ny didinao izay tiako aho.
48. My hands also will I lift up unto thy commandments, which I have loved; and I will meditate in thy statutes.
48. Je lève mes mains vers tes commandements que j`aime, Et je veux méditer tes statuts.
48. "Hasandratro koa ny tanako ho amin' ny didinao, izay tiako; ary hisaintsaina ny didinao aho."
49. Remember the word unto thy servant, upon which thou hast caused me to hope.
49. Souviens-toi de ta promesse à ton serviteur, Puisque tu m`as donné l`espérance!
49. [ZAINA.] Tsarovy ny teny natao tamiko mpanomponao, izay nampanantenainao ahy.
50. This is my comfort in my affliction: for thy word hath quickened me.
50. C`est ma consolation dans ma misère, Car ta promesse me rend la vie.
50. Izao no mampionona ahy amin' ny fahoriako: fa ny teninao no namelona ahy.
51. The proud have had me greatly in derision: yet have I not declined from thy law.
51. "Des orgueilleux me chargent de railleries; Je ne m`écarte point de ta loi."
51. Naneso ahy tokoa ny mpirehareha, fa tsy mba nivily niala tamin' ny lalànao aho.
52. I remembered thy judgments of old, O LORD; and have comforted myself.
52. Je pense à tes jugements d`autrefois, ô Éternel! Et je me console.
52. Mahatsiaro ny fitsaranao fahiny aho, Jehovah ô, ka dia nampionon-tena aho.
53. Horror hath taken hold upon me because of the wicked that forsake thy law.
53. Une colère ardente me saisit à la vue des méchants Qui abandonnent ta loi.
53. Horohoro no nahazo ahy noho ny amin' ny ratsy fanahy izay mahafoy ny lalànao.
54. Thy statutes have been my songs in the house of my pilgrimage.
54. Tes statuts sont le sujet de mes cantiques, Dans la maison où je suis étranger.
54. Ny didinao no nataoko an-kira ao amin' ny trano fivahiniako.
55. I have remembered thy name, O LORD, in the night, and have kept thy law.
55. La nuit je me rappelle ton nom, ô Éternel! Et je garde ta loi.
55. Nahatsiaro ny anaranao nony alina aho, Jehovah ô, ka nitandrina ny lalànao.
56. This I had, because I kept thy precepts.
56. C`est là ce qui m`est propre, Car j`observe tes ordonnances.
56. Izao no ahy, satria nitandrina ny didinao.
57. Thou art my portion, O LORD: I have said that I would keep thy words.
57. Ma part, ô Éternel! je le dis, C`est de garder tes paroles.
57. "[HETA.] Jehovah ô, Ianao no anjarako; efa nilaza aho fa hitandrina ny teninao."
58. I intreated thy favour with my whole heart: be merciful unto me according to thy word.
58. Je t`implore de tout mon coeur: Aie pitié de moi, selon ta promesse!
58. "Mifona aminao amin' ny foko rehetra aho; mamindrà fo amiko araka ny teninao."
59. I thought on my ways, and turned my feet unto thy testimonies.
59. Je réfléchis à mes voies, Et je dirige mes pieds vers tes préceptes.
59. Mihevitra ny lalako aho ka mamerina ny tongotro ho amin' ny teni-vavolombelonao.
60. I made haste, and delayed not to keep thy commandments.
60. Je me hâte, je ne diffère point D`observer tes commandements.
60. Mandeha faingana aho ka tsy mitaredretra amin' ny fitandremana ny didinao.
61. The bands of the wicked have robbed me: but I have not forgotten thy law.
61. "Les pièges des méchants m`environnent; Je n`oublie point ta loi."
61. "Nandroba ahy ny antokon' ny ratsy fanahy; nefa tsy mba nanadino ny lalànao aho."
62. At midnight I will rise to give thanks unto thee because of thy righteous judgments.
62. Au milieu de la nuit je me lève pour te louer, A cause des jugements de ta justice.
62. Mamatonalina no hifohazako hisaotra Anao noho ny fitsaranao marina.
63. I am a companion of all them that fear thee, and of them that keep thy precepts.
63. Je suis l`ami de tous ceux qui te craignent, Et de ceux qui gardent tes ordonnances.
63. Naman' izay rehetra matahotra anao aho, sy izay mitandrina ny didinao.
64. The earth, O LORD, is full of thy mercy: teach me thy statutes.
64. "La terre, ô Éternel! est pleine de ta bonté; Enseigne-moi tes statuts!"
64. "Jehovah ô henika ny famindramponao ny tany; ampianaro ahy ny didinao."
65. Thou hast dealt well with thy servant, O LORD, according unto thy word.
65. Tu fais du bien à ton serviteur, O Éternel! selon ta promesse.
65. [TETA.] Jehovah ô, efa nasianao soa ny mpanomponao, araka ny teninao.
66. Teach me good judgment and knowledge: for I have believed thy commandments.
66. Enseigne-moi le bon sens et l`intelligence! Car je crois à tes commandements.
66. Ampianaro fitsarana tsara sy fahalalana aho, fa ninoako ny didinao.
67. Before I was afflicted I went astray: but now have I kept thy word.
67. "Avant d`avoir été humilié, je m`égarais; Maintenant j`observe ta parole."
67. "Fony tsy mbola azom-pahoriana aho, dia naniasia; fa ankehitriny dia mitandrina ny teninao aho."
68. Thou art good, and doest good; teach me thy statutes.
68. "Tu es bon et bienfaisant; Enseigne-moi tes statuts!"
68. "Tsara ianao, sady manao ny tsara; ampianaro ahy ny didinao;"
69. The proud have forged a lie against me: but I will keep thy precepts with my whole heart.
69. "Des orgueilleux imaginent contre moi des faussetés; Moi, je garde de tout mon coeur tes ordonnances."
69. "Namoron-dainga hamelezana ahy ny mpirehareha; fa amin' ny foko rehetra no hitandremako ny didinao."
70. Their heart is as fat as grease; but I delight in thy law.
70. "Leur coeur est insensible comme la graisse; Moi, je fais mes délices de ta loi."
70. "Matavy tahaka ny menaka ny fony; fa izaho kosa dia ny didinao no iravoravoako."
71. It is good for me that I have been afflicted; that I might learn thy statutes.
71. Il m`est bon d`être humilié, Afin que j`apprenne tes statuts.
71. Soa ihany aho nampahoriana, mba hianarako ny didinao.
72. The law of thy mouth is better unto me than thousands of gold and silver.
72. Mieux vaut pour moi la loi de ta bouche Que mille objets d`or et d`argent.
72. Ny lalàn' ny vavanao dia tsara kokoa amiko noho ny volamena sy ny volafotsy an' arivony maro.
73. Thy hands have made me and fashioned me: give me understanding, that I may learn thy commandments.
73. "Tes mains m`ont créé, elles m`ont formé; Donne-moi l`intelligence, pour que j`apprenne tes commandements!"
73. "[JODA.] Ny tananao no nanao ahy sy namboatra ahy; omeo fahalalana aho, mba hianarako ny didinao."
74. They that fear thee will be glad when they see me; because I have hoped in thy word.
74. Ceux qui te craignent me voient et se réjouissent, Car j`espère en tes promesses.
74. "Ho faly izay matahotra Anao raha mahita ahy; satria ny teninao no antenaiko."
75. I know, O LORD, that thy judgments are right, and that thou in faithfulness hast afflicted me.
75. "Je sais, ô Éternel! que tes jugements sont justes; C`est par fidélité que tu m`as humilié."
75. Fantatro, Jehovah ô, fa marina ny fitsaranao, ary tamin' ny fahamarinanao no nampahorianao ahy.
76. Let, I pray thee, thy merciful kindness be for my comfort, according to thy word unto thy servant.
76. Que ta bonté soit ma consolation, Comme tu l`as promis à ton serviteur!
76. Mangataka aho, mba ho ny fahalemem-panahinao feno indrafo no fampiononana ahy, araka ny teninao tamin' ny mpanomponao.
77. Let thy tender mercies come unto me, that I may live: for thy law is my delight.
77. Que tes compassions viennent sur moi, pour que je vive! Car ta loi fait mes délices.
77. "Aoka ho tonga amiko ny fiantranao, mba ho velona aho; fa ny lalànao no firavoravoako."
78. Let the proud be ashamed; for they dealt perversely with me without a cause: but I will meditate in thy precepts.
78. Qu`ils soient confondus, les orgueilleux qui m`oppriment sans cause! Moi, je médite sur tes ordonnances.
78. "Aoka ho menatra ny mpirehareha, fa mampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana izy; fa hisaintsaina ny fitsipikao aho."
79. Let those that fear thee turn unto me, and those that have known thy testimonies.
79. Qu`ils reviennent à moi, ceux qui te craignent, Et ceux qui connaissent tes préceptes!
79. Aoka hiverina amiko izay matahotra Anao sy izay mahalala ny teni-vavolombelonao.
80. Let my heart be sound in thy statutes; that I be not ashamed.
80. Que mon coeur soit sincère dans tes statuts, Afin que je ne sois pas couvert de honte!
80. Aoka ho marina tsara ny foko ny amin' ny lalànao, mba tsy ho menatra aho.
81. My soul fainteth for thy salvation: but I hope in thy word.
81. "Mon âme languit après ton salut; J`espère en ta promesse."
81. "[KAFA.] Manina ny famonjenao ny fanahiko; satria ny teninao no antenaiko."
82. Mine eyes fail for thy word, saying, When wilt thou comfort me?
82. "Mes yeux languissent après ta promesse; Je dis: Quand me consoleras-tu?"
82. Reraka ny masoko miandry ny teninao manao hoe: Rahoviana no hampionona ahy ianao?
83. For I am become like a bottle in the smoke; yet do I not forget thy statutes.
83. "Car je suis comme une outre dans la fumée; Je n`oublie point tes statuts."
83. "Fa tonga tahaka ny siny hoditra ao amin' ny setroka aho; nefa ny lalànao tsy mba hohadinoiko."
84. How many are the days of thy servant? when wilt thou execute judgment on them that persecute me?
84. Quel est le nombre des jours de ton serviteur? Quand feras-tu justice de ceux qui me persécutent?
84. Hoatrinona ny andron' ny mpanomponao? Rahoviana no hanao fitsarana amin' izay manenjika ahy Ianao?
85. The proud have digged pits for me, which are not after thy law.
85. "Des orgueilleux creusent des fosses devant moi; Ils n`agissent point selon ta loi."
85. Efa nanao longoa hianjerako ny mpirehareha, dia izay tsy manaraka ny lalànao.
86. All thy commandments are faithful: they persecute me wrongfully; help thou me.
86. "Tous tes commandements ne sont que fidélité; Ils me persécutent sans cause: secours-moi!"
86. "Marina ny didinao rehetra; manenjika ahy tsy ahoan-tsy ahoana ireny; vonjeo aho."
87. They had almost consumed me upon earth; but I forsook not thy precepts.
87. "Ils ont failli me terrasser et m`anéantir; Et moi, je n`abandonne point tes ordonnances."
87. Saiky laniny teo amin' ny tany aho, kanefa tsy mba nahafoy ny fitsipikao.
88. Quicken me after thy lovingkindness; so shall I keep the testimony of thy mouth.
88. Rends-moi la vie selon ta bonté, Afin que j`observe les préceptes de ta bouche!
88. "Velomy aho araka ny indrafonao; dia hitandrina ny teni-vavolombelona naloaky ny vavanao aho."
89. For ever, O LORD, thy word is settled in heaven.
89. A toujours, ô Éternel! Ta parole subsiste dans les cieux.
89. [LAMEDA.] Ho mandrakizay, Jehovah ô, no nanorenanao any an-danitra ny teninao.
90. Thy faithfulness is unto all generations: thou hast established the earth, and it abideth.
90. "De génération en génération ta fidélité subsiste; Tu as fondé la terre, et elle demeure ferme."
90. "Hihatra amin' ny taranaka rehetra ny fahamarinanao; Naorinao ny tany ka mitoetra izy."
91. They continue this day according to thine ordinances: for all are thy servants.
91. C`est d`après tes lois que tout subsiste aujourd`hui, Car toutes choses te sont assujetties.
91. Mitohy mandraka androany ny fanarahany ny didinao, fa mpanomponao ny zavatra rehetra.
92. Unless thy law had been my delights, I should then have perished in mine affliction.
92. Si ta loi n`eût fait mes délices, J`eusse alors péri dans ma misère.
92. Raha tsy ny lalànao no niravoravoako, dia maty tamin' ny fahoriako aho.
93. I will never forget thy precepts: for with them thou hast quickened me.
93. Je n`oublierai jamais tes ordonnances, Car c`est par elles que tu me rends la vie.
93. Tsy hohadinoiko mandrakizay ny didinao, fa ireny no amelomanao ahy.
94. I am thine, save me; for I have sought thy precepts.
94. Je suis à toi: sauve-moi! Car je recherche tes ordonnances.
94. "Anao aho, vonjeo aho; fa ny fitsipikao no notadiaviko."
95. The wicked have waited for me to destroy me: but I will consider thy testimonies.
95. "Des méchants m`attendent pour me faire périr; Je suis attentif à tes préceptes."
95. "Miandry ahy ny ratsy fanahy, mba hahafaty ahy; nefa handinika ny teni-vavolombelonao aho."
96. I have seen an end of all perfection: but thy commandment is exceeding broad.
96. Je vois des bornes à tout ce qui est parfait: Tes commandements n`ont point de limite.
96. "Efa hitako fa misy farany avokoa ny fahatanterahana rehetra; fa ny didinao dia tsy manam-petra mihintsy."
97. O how love I thy law! it is my meditation all the day.
97. Combien j`aime ta loi! Elle est tout le jour l`objet de ma méditation.
97. [MEMA.] Endrey ny fitiavako ny lalànao! Fisaintsainako mandritra ny andro izany.
98. Thou through thy commandments hast made me wiser than mine enemies: for they are ever with me.
98. Tes commandements me rendent plus sage que mes ennemis, Car je les ai toujours avec moi.
98. "Mampahahendry ahy mihoatra noho ny fahavaloko Ianao amin' ny didinao; satria ato amiko mandrakariva ireo."
99. I have more understanding than all my teachers: for thy testimonies are my meditation.
99. Je suis plus instruit que tous mes maîtres, Car tes préceptes sont l`objet de ma méditation.
99. Manam-pahalalana mihoatra noho ny mpampianatra ahy rehetra aho, satria ny teni-vavolombelonao no fisaintsainako.
100. I understand more than the ancients, because I keep thy precepts.
100. J`ai plus d`intelligence que les vieillards, Car j`observe tes ordonnances.
100. Mahalala mihoatra noho ny anti-panahy aho, satria mitandrina ny fitsipikao.
101. I have refrained my feet from every evil way, that I might keep thy word.
101. Je retiens mon pied loin de tout mauvais chemin, Afin de garder ta parole.
101. Efa narovako ny tongotro tsy ho amin' ny lalan-dratsy rehetra, mba hitandremako ny teninao.
102. I have not departed from thy judgments: for thou hast taught me.
102. Je ne m`écarte pas de tes lois, Car c`est toi qui m`enseignes.
102. "Tsy mba niala tamin' ny fitsipikao aho; fa nampianatra ahy Ianao."
103. How sweet are thy words unto my taste! yea, sweeter than honey to my mouth!
103. Que tes paroles sont douces à mon palais, Plus que le miel à ma bouche!
103. Endrey ny hamamin' ny teninao, raha andramako! Eny, mamy noho ny tantely ato am-bavako!
104. Through thy precepts I get understanding: therefore I hate every false way.
104. Par tes ordonnances je deviens intelligent, Aussi je hais toute voie de mensonge.
104. "Ny fitsipikao no nahazoako fahalalana; izany no ankahalako ny lalan-diso rehetra."
105. Thy word is a lamp unto my feet, and a light unto my path.
105. Ta parole est une lampe à mes pieds, Et une lumière sur mon sentier.
105. [NONA.] Fanilon' ny tongotro sy fanazavana ny lalako ny teninao.
106. I have sworn, and I will perform it, that I will keep thy righteous judgments.
106. Je jure, et je le tiendrai, D`observer les lois de ta justice.
106. Efa nianiana aho, ka hotanterahiko izany, fa hitandrina ny fitsaranao marina aho.
107. I am afflicted very much: quicken me, O LORD, according unto thy word.
107. Je suis bien humilié: Éternel, rends-moi la vie selon ta parole!
107. "Ampahoriana indrindra aho; Jehovah ô, velomy aho araka ny teninao."
108. Accept, I beseech thee, the freewill offerings of my mouth, O LORD, and teach me thy judgments.
108. Agrée, ô Éternel! les sentiments que ma bouche exprime, Et enseigne-moi tes lois!
108. Jehovah ô, enga anie mba hankasitrahanao ny fanati-tsitrapo aloaky ny vavako, ary ampianaro ahy ny fitsaranao.
109. My soul is continually in my hand: yet do I not forget thy law.
109. Ma vie est continuellement exposée, Et je n`oublie point ta loi.
109. "An-tenda ihany ny aiko mandrakariva; kanefa tsy manadino ny lalànao aho."
110. The wicked have laid a snare for me: yet I erred not from thy precepts.
110. Des méchants me tendent des pièges, Et je ne m`égare pas loin de tes ordonnances.
110. "Namela-pandrika haningotra ahy ny ratsy fanahy; kanefa tsy nania niala tamin' ny fitsipikao aho."
111. Thy testimonies have I taken as an heritage for ever: for they are the rejoicing of my heart.
111. Tes préceptes sont pour toujours mon héritage, Car ils sont la joie de mon coeur.
111. Efa noraisiko ho lovako mandrakizay ny teni-vavolombelonao, satria fifalian' ny foko izany.
112. I have inclined mine heart to perform thy statutes alway, even unto the end.
112. J`incline mon coeur à pratiquer tes statuts, Toujours, jusqu`à la fin.
112. Nampirisihiko ny foko hitandrina ny lalànao mandrakizay hatramin' ny farany.
113. I hate vain thoughts: but thy law do I love.
113. Je hais les hommes indécis, Et j`aime ta loi.
113. [SAMEKA.] Halako ny fisainam-poana, fa ny lalànao no tiako.
114. Thou art my hiding place and my shield: I hope in thy word.
114. "Tu es mon asile et mon bouclier; J`espère en ta promesse."
114. "Fiereko sy ampingako Ianao; ny teninao no antenaiko."
115. Depart from me, ye evildoers: for I will keep the commandments of my God.
115. Éloignez-vous de moi, méchants, Afin que j`observe les commandements de mon Dieu!
115. Mialà amiko ianareo mpanao ratsy, fa hitandrina ny didin' Andriamanitro aho.
116. Uphold me according unto thy word, that I may live: and let me not be ashamed of my hope.
116. Soutiens-moi selon ta promesse, afin que je vive, Et ne me rends point confus dans mon espérance!
116. Tohàno aho araka ny teninao, mba ho velona, ary aoka tsy ho menatra amin' ny fanantenako aho.
117. Hold thou me up, and I shall be safe: and I will have respect unto thy statutes continually.
117. Sois mon appui, pour que je sois sauvé, Et que je m`occupe sans cesse de tes statuts!
117. Tohàno aho mba ho voavonjy, ka ho faly hijery ny didinao mandrakariva.
118. Thou hast trodden down all them that err from thy statutes: for their deceit is falsehood.
118. Tu méprises tous ceux qui s`écartent de tes statuts, Car leur tromperie est sans effet.
118. "Ataonao tsinontsinona izay rehetra mania amin' ny didinao; fa famitahan-tena ihany ny laingany."
119. Thou puttest away all the wicked of the earth like dross: therefore I love thy testimonies.
119. "Tu enlèves comme de l`écume tous les méchants de la terre; C`est pourquoi j`aime tes préceptes."
119. "Arianao tahaka ny tain-drendrika ny ratsy fanahy rehetra amin' ny tany; izany no itiavako ny teni-vavolombelonao."
120. My flesh trembleth for fear of thee; and I am afraid of thy judgments.
120. Ma chair frissonne de l`effroi que tu m`inspires, Et je crains tes jugements.
120. Mipararetra ny nofoko noho ny fahatahorana anao, ary matahotra ny fitsaranao aho.
121. I have done judgment and justice: leave me not to mine oppressors.
121. J`observe la loi et la justice: Ne m`abandonne pas à mes oppresseurs!
121. "[AINA.] Nanaraka ny fitsarana sy fahamarinana aho; aza manolotra ahy ho amin' ny mpampahory ahy."
122. Be surety for thy servant for good: let not the proud oppress me.
122. Prends sous ta garantie le bien de ton serviteur, Ne me laisse pas opprimer par des orgueilleux!
122. "Meteza ho Mpiantoka ny mpanomponao amin' izay hahasoa azy; aza avela hampahory ahy ny mpirehareha."
123. Mine eyes fail for thy salvation, and for the word of thy righteousness.
123. Mes yeux languissent après ton salut, Et après la promesse de ta justice.
123. Pahina ny masoko miandry ny famonjenao sy ny tenin' ny fahamarinanao.
124. Deal with thy servant according unto thy mercy, and teach me thy statutes.
124. Agis envers ton serviteur selon ta bonté, Et enseigne-moi tes statuts!
124. "Manaova amin' ny mpanomponao araka ny famindramponao; ary ampianaro ahy ny didinao."
125. I am thy servant; give me understanding, that I may know thy testimonies.
125. Je suis ton serviteur: donne-moi l`intelligence, Pour que je connaisse tes préceptes!
125. Mpanomponao aho, omeo fahalalana aho, mba ho fantatro ny teni-vavolombelonao.
126. It is time for thee, LORD, to work: for they have made void thy law.
126. Il est temps que l`Éternel agisse: Ils transgressent ta loi.
126. Andro hiasanao izao, Jehovah ô, fa manao tsinontsinona ny lalànao ny olona.
127. Therefore I love thy commandments above gold; yea, above fine gold.
127. "C`est pourquoi j`aime tes commandements, Plus que l`or et que l`or fin;"
127. Izany no itiavako ny didinao noho ny volamena eny, noho ny volamena tsara.
128. Therefore I esteem all thy precepts concerning all things to be right; and I hate every false way.
128. C`est pourquoi je trouve justes toutes tes ordonnances, Je hais toute voie de mensonge.
128. "Izany no hiheverako ny fitsipikao rehetra ho marina amin' ny zavatra rehetra; ary halako ny lalan-diso rehetra."
129. Thy testimonies are wonderful: therefore doth my soul keep them.
129. Tes préceptes sont admirables: Aussi mon âme les observe.
129. [PE.] Mahagaga ny teni-vavolombelonao, ka dia mitandrina azy ny fanahiko.
130. The entrance of thy words giveth light; it giveth understanding unto the simple.
130. La révélation de tes paroles éclaire, Elle donne de l`intelligence aux simples.
130. "Mitondra fahazavana ny fidiran' ny teninao; manome fahalalana ny kely saina izany."
131. I opened my mouth, and panted: for I longed for thy commandments.
131. J`ouvre la bouche et je soupire, Car je suis avide de tes commandements.
131. Nitanatana vava aho ka nihanahana, satria ny didinao no niriko fatratra.
132. Look thou upon me, and be merciful unto me, as thou usest to do unto those that love thy name.
132. Tourne vers moi ta face, et aie pitié de moi, Selon ta coutume à l`égard de ceux qui aiment ton nom!
132. Todiho aho ka mamindrà fo amiko, araka ny tokony ho anjaran' izay tia ny anaranao.
133. Order my steps in thy word: and let not any iniquity have dominion over me.
133. Affermis mes pas dans ta parole, Et ne laisse aucune iniquité dominer sur moi!
133. Ampioreno amin' ny teninao ny diako, ary aza avela hisy hanapaka ahy ny faharatsiana.
134. Deliver me from the oppression of man: so will I keep thy precepts.
134. Délivre-moi de l`oppression des hommes, Afin que je garde tes ordonnances!
134. Afaho amin' ny fampahorian' ny olona aho, dia hitandrina ny fitsipikao.
135. Make thy face to shine upon thy servant; and teach me thy statutes.
135. Fais luire ta face sur ton serviteur, Et enseigne-moi tes statuts!
135. "Ampamirapirato amin' ny mpanomponao ny tavanao; ary ampianaro ahy ny didinao."
136. Rivers of waters run down mine eyes, because they keep not thy law.
136. Mes yeux répandent des torrents d`eaux, Parce qu`on n`observe point ta loi.
136. Rano mandriaka no mijononoka amin' ny masoko noho ny tsy fitandreman' ny olona ny lalànao.
137. Righteous art thou, O LORD, and upright are thy judgments.
137. "Tu es juste, ô Éternel! Et tes jugements sont équitables;"
137. [TSADE.] Marina Ianao, Jehovah ô, ary mahitsy ny fitsaranao.
138. Thy testimonies that thou hast commanded are righteous and very faithful.
138. Tu fondes tes préceptes sur la justice Et sur la plus grande fidélité.
138. Efa voadidinao amin' ny fahamarinana sy ny fahatokiana indrindra ny teni-vavolombelonao.
139. My zeal hath consumed me, because mine enemies have forgotten thy words.
139. Mon zèle me consume, Parce que mes adversaires oublient tes paroles.
139. Naharìtra aina ahy ny zotom-poko, satria nanadino ny teninao ny fahavaloko.
140. Thy word is very pure: therefore thy servant loveth it.
140. Ta parole est entièrement éprouvée, Et ton serviteur l`aime.
140. Tena madio ny teninao, ka dia tian' ny mpanomponao izany.
141. I am small and despised: yet do not I forget thy precepts.
141. "Je suis petit et méprisé; Je n`oublie point tes ordonnances."
141. "Kely sy atao tsinontsinona aho; nefa tsy hadinoiko ny fitsipikao."
142. Thy righteousness is an everlasting righteousness, and thy law is the truth.
142. Ta justice est une justice éternelle, Et ta loi est la vérité.
142. Ny fahamarinanao dia fahamarinana mandrakizay, ary ny lalànao no fahamarinana.
143. Trouble and anguish have taken hold on me: yet thy commandments are my delights.
143. La détresse et l`angoisse m`atteignent: Tes commandements font mes délices.
143. "Fahoriana sy fanahiana no mahazo ahy; nefa ny didinao no firavoravoako."
144. The righteousness of thy testimonies is everlasting: give me understanding, and I shall live.
144. Tes préceptes sont éternellement justes: Donne-moi l`intelligence, pour que je vive!
144. "Ny fahamarinan' ny teni-vavolombelonao dia mandrakizay; omeo fahalalana aho dia ho velona."
145. I cried with my whole heart; hear me, O LORD: I will keep thy statutes.
145. Je t`invoque de tout mon coeur: exauce-moi, Éternel, Afin que je garde tes statuts!
145. "[KOFA.] Tamin' ny foko rehetra no nitarainako; henoy aho, Jehovah ô; ny lalànao no hotandremako."
146. I cried unto thee; save me, and I shall keep thy testimonies.
146. Je t`invoque: sauve-moi, Afin que j`observe tes préceptes!
146. Nitaraina taminao aho: Vonjeo aho, dia hitandrina ny teni-vavolombelonao.
147. I prevented the dawning of the morning, and cried: I hoped in thy word.
147. "Je devance l`aurore et je crie; J`espère en tes promesses."
147. "Raha tsy mbola nazava ratsy ny andro, dia nitaraina aho; ny teninao no antenaiko."
148. Mine eyes prevent the night watches, that I might meditate in thy word.
148. Je devance les veilles et j`ouvre les yeux, Pour méditer ta parole.
148. Nialoha ny fiambenana amin' ny alina ny masoko, mba hisaintsainako ny teninao.
149. Hear my voice according unto thy lovingkindness: O LORD, quicken me according to thy judgment.
149. Écoute ma voix selon ta bonté! Rends-moi la vie selon ton jugement!
149. Henoy ny feoko araka ny indrafonao, Jehovah ô, velomy aho araka ny fitsaranao.
150. They draw nigh that follow after mischief: they are far from thy law.
150. Ils s`approchent, ceux qui poursuivent le crime, Ils s`éloignent de la loi.
150. "Efa manakaiky izay fatra-panaraka ny ratsy; lavitra ny lalànao ireny."
151. Thou art near, O LORD; and all thy commandments are truth.
151. Tu es proche, ô Éternel! Et tous tes commandements sont la vérité.
151. Akaiky Ianao, Jehovah ô, ary fahamarinana ny didinao rehetra.
152. Concerning thy testimonies, I have known of old that thou hast founded them for ever.
152. Dès longtemps je sais par tes préceptes Que tu les as établis pour toujours.
152. Efa fantatro ela ny amin' ny teni-vavolombelonao, fa nampitoerinao ho mandrakizay ireny.
153. Consider mine affliction, and deliver me: for I do not forget thy law.
153. Vois ma misère, et délivre-moi! Car je n`oublie point ta loi.
153. [RESY.] Jereo ny fahoriako, ka afaho aho, fa ny lalànao tsy mba hadinoiko.
154. Plead my cause, and deliver me: quicken me according to thy word.
154. "Défends ma cause, et rachète-moi; Rends-moi la vie selon ta promesse!"
154. "Soloy vava aho, ka vonjeo; velomy aho araka ny teninao."
155. Salvation is far from the wicked: for they seek not thy statutes.
155. Le salut est loin des méchants, Car ils ne recherchent pas tes statuts.
155. Lavitra ny ratsy fanahy ny famonjena, satria ny didinao tsy tadiaviny.
156. Great are thy tender mercies, O LORD: quicken me according to thy judgments.
156. Tes compassions sont grandes, ô Éternel! Rends-moi la vie selon tes jugements!
156. "Lehibe ny antranao, Jehovah ô; velomy aho araka ny fitsaranao."
157. Many are my persecutors and mine enemies; yet do I not decline from thy testimonies.
157. "Mes persécuteurs et mes adversaires sont nombreux; Je ne m`écarte point de tes préceptes,"
157. Maro ny mpanenjika ahy sy ny fahavaloko, nefa tsy mba miala amin' ny teni-vavolombelonao aho.
158. I beheld the transgressors, and was grieved; because they kept not thy word.
158. Je vois avec dégoût des traîtres Qui n`observent pas ta parole.
158. "Nijery ny mpandika lalàna aho, dia nalahelo; satria tsy nitandrina ny teninao izy ireny."
159. Consider how I love thy precepts: quicken me, O LORD, according to thy lovingkindness.
159. Considère que j`aime tes ordonnances: Éternel, rends-moi la vie selon ta bonté!
159. "Endrey manao ahoana ny fitiavako ny fitsipikao; velomy aho, Jehovah ô, araka ny antranao."
160. Thy word is true from the beginning: and every one of thy righteous judgments endureth for ever.
160. Le fondement de ta parole est la vérité, Et toutes les lois de ta justice sont éternelles.
160. Ny teninao dia marina hatrany am-piandohana, ary ny fitsaranao marina rehetra dia maharitra mandrakizay.
161. Princes have persecuted me without a cause: but my heart standeth in awe of thy word.
161. "Des princes me persécutent sans cause; Mais mon coeur ne tremble qu`à tes paroles."
161. "[SINA.] Nanenjika ahy tsy ahoan-tsy ahoana ny mpanapaka; nefa ny teninao no atahoran' ny foko."
162. I rejoice at thy word, as one that findeth great spoil.
162. Je me réjouis de ta parole, Comme celui qui trouve un grand butin.
162. Iravoravoako ny teninao, tahaka ny mahazo babo be.
163. I hate and abhor lying: but thy law do I love.
163. "Je hais, je déteste le mensonge; J`aime ta loi."
163. "Halako sady tsy tiako ny lainga; fa ny lalànao no tiako."
164. Seven times a day do I praise thee because of thy righteous judgments.
164. Sept fois le jour je te célèbre, A cause des lois de ta justice.
164. Impito isan' andro no iderako anao, noho ny fitsaranao marina.
165. Great peace have they which love thy law: and nothing shall offend them.
165. Il y a beaucoup de paix pour ceux qui aiment ta loi, Et il ne leur arrive aucun malheur.
165. Be fiadanana izay tia ny lalànao, ary tsy hisy hahatafintohina azy.
166. LORD, I have hoped for thy salvation, and done thy commandments.
166. J`espère en ton salut, ô Éternel! Et je pratique tes commandements.
166. Jehovah ô, efa niandry ny famonjenao aho, ary nanatanteraka ny didinao.
167. My soul hath kept thy testimonies; and I love them exceedingly.
167. Mon âme observe tes préceptes, Et je les aime beaucoup.
167. "Nitandrina ny teni-vavolombelonao ny fanahiko; ary tiako indrindra ireny."
168. I have kept thy precepts and thy testimonies: for all my ways are before thee.
168. Je garde tes ordonnances et tes préceptes, Car toutes mes voies sont devant toi.
168. "Nitandrina ny fitsipikao sy ny teni-vavolombelonao aho; fa ny lalako rehetra dia eo anatrehanao."
169. Let my cry come near before thee, O LORD: give me understanding according to thy word.
169. Que mon cri parvienne jusqu`à toi, ô Éternel! Donne-moi l`intelligence, selon ta promesse!
169. "[TAO.] Aoka ho tonga eo anatrehanao ny fitarainako Jehovah ô; omeo fahalalana aho araka ny teninao."
170. Let my supplication come before thee: deliver me according to thy word.
170. Que ma supplication arrive jusqu`à toi! Délivre-moi, selon ta promesse!
170. "Aoka ho tonga eo anatrehanao ny fifonako; afaho aho araka ny teninao."
171. My lips shall utter praise, when thou hast taught me thy statutes.
171. Que mes lèvres publient ta louange! Car tu m`enseignes tes statuts.
171. Hiboiboika fiderana ny molotro, rehefa ampianarinao ny lalànao aho.
172. My tongue shall speak of thy word: for all thy commandments are righteousness.
172. Que ma langue chante ta parole! Car tous tes commandements sont justes.
172. Hilaza ny teninao ny lelako, fa ny didinao rehetra dia ny fahamarinana.
173. Let thine hand help me; for I have chosen thy precepts.
173. Que ta main me soit en aide! Car j`ai choisi tes ordonnances.
173. Aoka hamonjy ahy ny tananao, fa efa nifidy ny fitsipikao aho.
174. I have longed for thy salvation, O LORD; and thy law is my delight.
174. Je soupire après ton salut, ô Éternel! Et ta loi fait mes délices.
174. "Efa manina ny famonjenao aho, Jehovah ô; ary ny lalànao no firavoravoako."
175. Let my soul live, and it shall praise thee; and let thy judgments help me.
175. Que mon âme vive et qu`elle te loue! Et que tes jugements me soutiennent!
175. Aoka ho velona ny fanahiko, dia hidera Anao izy, ary aoka hamonjy ahy ny fitsaranao.
176. I have gone astray like a lost sheep; seek thy servant; for I do not forget thy commandments.
176. "Je suis errant comme une brebis perdue; cherche ton serviteur, Car je n`oublie point tes commandements."
176. "Efa nania tahaka ny ondry aho, tadiavo ny mpanomponao; fa ny didinao tsy mba hadinoiko."
<
>