1. O give thanks unto the LORD, for he is good: for his mercy endureth for ever.
1. Louez l`Éternel, car il est bon, Car sa miséricorde dure à toujours!
1. "MISAORA an' i Jehovah, fa tsara Izy; fa maharitra mandrakizay ny famindrampony."
2. Let the redeemed of the LORD say so, whom he hath redeemed from the hand of the enemy;
2. Qu`ainsi disent les rachetés de l`Éternel, Ceux qu`il a délivrés de la main de l`ennemi,
2. "Aoka hanao izany ny navotan' i Jehovah, dia izay navotany tamin' ny tanan' ny fahavalony;"
3. And gathered them out of the lands, from the east, and from the west, from the north, and from the south.
3. Et qu`il a rassemblés de tous les pays, De l`orient et de l`occident, du nord et de la mer!
3. Sy nangoniny avy tany amin' ny tany maro, dia avy tany atsinanana sy andrefana ary tany avaratra sy atsimo.
4. They wandered in the wilderness in a solitary way; they found no city to dwell in.
4. Ils erraient dans le désert, ils marchaient dans la solitude, Sans trouver une ville où ils pussent habiter.
4. Nirenireny tany an' efitra ireny ka nanavatsava tany an-tany foana, ary tsy nahita tanàna honenana.
5. Hungry and thirsty, their soul fainted in them.
5. "Ils souffraient de la faim et de la soif; Leur âme était languissante."
5. Noana sy nangetaheta izy, reraka ny fanahiny tao anatiny.
6. Then they cried unto the LORD in their trouble, and he delivered them out of their distresses.
6. "Dans leur détresse, ils crièrent à l`Éternel, Et il les délivra de leurs angoisses;"
6. "Dia nitaraina tamin' i Jehovah ireo raha ory, ka novonjeny tamin' ny fahatereny;"
7. And he led them forth by the right way, that they might go to a city of habitation.
7. Il les conduisit par le droit chemin, Pour qu`ils arrivassent dans une ville habitable.
7. Dia nitarika azy tamin' ny lalana marina Izy, mba hankanesany any amin' ny tanàna honenana.
8. Oh that men would praise the LORD for his goodness, and for his wonderful works to the children of men!
8. Qu`ils louent l`Éternel pour sa bonté, Et pour ses merveilles en faveur des fils de l`homme!
8. E! aoka hidera an' i Jehovah ny olona noho ny fahatsarany sy ny asa mahagaga ataony amin' ny zanak' olombelona!
9. For he satisfieth the longing soul, and filleth the hungry soul with goodness.
9. Car il a satisfait l`âme altérée, Il a comblé de biens l`âme affamée.
9. Fa mahafapo ny fanahy mangetaheta Izy, ary ny fanahy noana dia vokisany soa.
10. Such as sit in darkness and in the shadow of death, being bound in affliction and iron;
10. Ceux qui avaient pour demeure les ténèbres et l`ombre de la mort Vivaient captifs dans la misère et dans les chaînes,
10. Izay nipetraka tao amin' ny maizina sy ny aloky ny fahafatesana, voafato-pahoriana sy vy,
11. Because they rebelled against the words of God, and contemned the counsel of the most High:
11. Parce qu`ils s`étaient révoltés contre les paroles de Dieu, Parce qu`ils avaient méprisé le conseil du Très Haut.
11. "Satria nandà ny tenin' Andriamanitra sady naniratsira ny anatry ny Avo Indrindra ireny;"
12. Therefore he brought down their heart with labour; they fell down, and there was none to help.
12. "Il humilia leur coeur par la souffrance; Ils succombèrent, et personne ne les secourut."
12. "Dia nampietreny tamin' ny fahoriana ny fony; ka lavo izy, nefa tsy nisy hamonjy;"
13. Then they cried unto the LORD in their trouble, and he saved them out of their distresses.
13. "Dans leur détresse, ils crièrent à l`Éternel, Et il les délivra de leurs angoisses;"
13. Dia nitaraina tamin' i Jehovah ireo raha ory, ka novonjeny tamin' ny fahatereny.
14. He brought them out of darkness and the shadow of death, and brake their bands in sunder.
14. Il les fit sortir des ténèbres et de l`ombre de la mort, Et il rompit leurs liens.
14. Nitondra azy nivoaka avy teo amin' ny maizina sy ny aloky ny fahafatesana Izy, ary notosany ny fatorany.
15. Oh that men would praise the LORD for his goodness, and for his wonderful works to the children of men!
15. Qu`ils louent l`Éternel pour sa bonté, Et pour ses merveilles en faveur des fils de l`homme!
15. E! aoka hidera an' i Jehovah ny olona noho ny fahatsarany sy ny asa mahagaga ataony amin' ny zanak' olombelona!
16. For he hath broken the gates of brass, and cut the bars of iron in sunder.
16. Car il a brisé les portes d`airain, Il a rompu les verrous de fer.
16. Fa nanorotoro ny varavarana varahina Izy, ary ny hidy vy nohenteriny.
17. Fools because of their transgression, and because of their iniquities, are afflicted.
17. Les insensés, par leur conduite coupable Et par leurs iniquités, s`étaient rendus malheureux.
17. Mitondra fahoriana ny adala noho ny fahadisoany sy ny helony:
18. Their soul abhorreth all manner of meat; and they draw near unto the gates of death.
18. Leur âme avait en horreur toute nourriture, Et ils touchaient aux portes de la mort.
18. Ankahalain' ny fanahiny ny hanina rehetra, ary manakaiky ny vavahadin' ny fahafatesana izy.
19. Then they cry unto the LORD in their trouble, and he saveth them out of their distresses.
19. "Dans leur détresse, ils crièrent à l`Éternel, Et il les délivra de leurs angoisses;"
19. Dia mitaraina amin' i Jehovah ireo raha ory, ka vonjeny amin' ny fahatereny.
20. He sent his word, and healed them, and delivered them from their destructions.
20. Il envoya sa parole et les guérit, Il les fit échapper de la fosse.
20. Nandefa ny teniny Izy ka nahasitrana azy, sady nanafaka azy tamin' ny fandringanana azy.
21. Oh that men would praise the LORD for his goodness, and for his wonderful works to the children of men!
21. Qu`ils louent l`Éternel pour sa bonté, Et pour ses merveilles en faveur des fils de l`homme!
21. E! aoka hidera an' i Jehovah ny olona noho ny fahatsarany, sy ny asa mahagaga ataony amin' ny zanak' olombelona!
22. And let them sacrifice the sacrifices of thanksgiving, and declare his works with rejoicing.
22. Qu`ils offrent des sacrifices d`actions de grâces, Et qu`ils publient ses oeuvres avec des cris de joie!
22. Ary aoka hanatitra fanati-pisaorana izy sy hilaza ny asany amin' ny fihobiana.
23. They that go down to the sea in ships, that do business in great waters;
23. Ceux qui étaient descendus sur la mer dans des navires, Et qui travaillaient sur les grandes eaux,
23. Izay midina any an-dranomasina ka mandeha an-tsambo sy manao raharaha any amin' ny rano lehibe,
24. These see the works of the LORD, and his wonders in the deep.
24. Ceux-là virent les oeuvres de l`Éternel Et ses merveilles au milieu de l`abîme.
24. No mahita ny asan' i Jehovah sy ny fahagagana ataony amin' ny rano lalina.
25. For he commandeth, and raiseth the stormy wind, which lifteth up the waves thereof.
25. Il dit, et il fit souffler la tempête, Qui souleva les flots de la mer.
25. "Fa mandidy sy manangana rivo-mahery Izy, izay mampisondrotra ny onjan-drano;"
26. They mount up to the heaven, they go down again to the depths: their soul is melted because of trouble.
26. "Ils montaient vers les cieux, ils descendaient dans l`abîme; Leur âme était éperdue en face du danger;"
26. "Miakatra hatramin' ny lanitra ny olona, ary midina hatramin' ny lalina; ny fanahiny levona noho ny fahoriana."
27. They reel to and fro, and stagger like a drunken man, and are at their wit's end.
27. Saisis de vertige, ils chancelaient comme un homme ivre, Et toute leur habileté était anéantie.
27. Mivoivoy mandroso sy miverina ireo sady mivembena toy ny mamo,
28. Then they cry unto the LORD in their trouble, and he bringeth them out of their distresses.
28. "Dans leur détresse, ils crièrent à l`Éternel, Et il les délivra de leurs angoisses;"
28. Dia mitaraina amin' i Jehovah izy noho ny fahoriany, ka mampiala azy tamin' ny fahatereny izy.
29. He maketh the storm a calm, so that the waves thereof are still.
29. Il arrêta la tempête, ramena le calme, Et les ondes se turent.
29. Manony ny rivotra mahery Izy ka mitsahatra ny onjan-drano.
30. Then are they glad because they be quiet; so he bringeth them unto their desired haven.
30. Ils se réjouirent de ce qu`elles s`étaient apaisées, Et l`Éternel les conduisit au port désiré.
30. Dia faly ireo, satria mitsahatra izany, ka entiny ho amin' ny fitodiana niriny izy.
31. Oh that men would praise the LORD for his goodness, and for his wonderful works to the children of men!
31. Qu`ils louent l`Éternel pour sa bonté, Et pour ses merveilles en faveur des fils de l`homme!
31. E! aoka hidera an' i Jehovah ny olona noho ny fahatsarany sy ny asa mahagaga ataony amin' ny zanak' olombelona!
32. Let them exalt him also in the congregation of the people, and praise him in the assembly of the elders.
32. Qu`ils l`exaltent dans l`assemblée du peuple, Et qu`ils le célèbrent dans la réunion des anciens!
32. Aoka hanandratra Azy koa eo amin' ny fiangonan' ny olona izy, ary hidera Azy eo amin' ny fivorian' ny loholona.
33. He turneth rivers into a wilderness, and the watersprings into dry ground;
33. Il change les fleuves en désert, Et les sources d`eaux en terre desséchée,
33. Mampody ny ony ho efitra Izy ary ny loharano ho tany mangentana,
34. A fruitful land into barrenness, for the wickedness of them that dwell therein.
34. Le pays fertile en pays salé, A cause de la méchanceté de ses habitants.
34. Ny tany mahavokatra ho tanin-tsira, noho ny faharatsian' ny mponina eo.
35. He turneth the wilderness into a standing water, and dry ground into watersprings.
35. Il change le désert en étang, Et la terre aride en sources d`eaux,
35. Mampody ny efitra ho rano monina Izy sy ny tany maina ho loharano,
36. And there he maketh the hungry to dwell, that they may prepare a city for habitation;
36. "Et il y établit ceux qui sont affamés. Ils fondent une ville pour l`habiter;"
36. "Ary amponeniny eo izay noana, mba hanamboatra tanàna honenana;"
37. And sow the fields, and plant vineyards, which may yield fruits of increase.
37. Ils ensemencent des champs, plantent des vignes, Et ils en recueillent les produits.
37. Ary hamafy eny an-tsaha izy sady hamboly tanimboaloboka, ka hahazo vokatra be.
38. He blesseth them also, so that they are multiplied greatly; and suffereth not their cattle to decrease.
38. Il les bénit, et ils deviennent très nombreux, Et il ne diminue point leur bétail.
38. Dia mitahy azy koa Izy mba hitomboany betsaka, ka tsy avelany hihavitsy ny biby fiompiny.
39. Again, they are minished and brought low through oppression, affliction, and sorrow.
39. "Sont-ils amoindris et humiliés Par l`oppression, le malheur et la souffrance;"
39. Fa mihakely sy mietry indray izy noho ny fampahoriana sy ny loza ary ny alahelo.
40. He poureth contempt upon princes, and causeth them to wander in the wilderness, where there is no way.
40. Verse-t-il le mépris sur les grands, Les fait-il errer dans des déserts sans chemin,
40. Mampidina fanamavoana amin' ny mpanapaka Jehovah, ka mampirenireny azy any an' efitra izay tsy misy lalana.
41. Yet setteth he the poor on high from affliction, and maketh him families like a flock.
41. Il relève l`indigent et le délivre de la misère, Il multiplie les familles comme des troupeaux.
41. Fa manandratra ny malahelo ho afa-pahoriana kosa Izy, ka mahamaro mianakavy azy toy ny ondry andiany.
42. The righteous shall see it, and rejoice: and all iniquity shall stop her mouth.
42. Les hommes droits le voient et se réjouissent, Mais toute iniquité ferme la bouche.
42. "Hahita izany ny marina ka hiravoravo; fa hikombom-bava kosa ny ratsy fanahy rehetra."
43. Whoso is wise, and will observe these things, even they shall understand the lovingkindness of the LORD.
43. Que celui qui est sage prenne garde à ces choses, Et qu`il soit attentif aux bontés de l`Éternel.
43. Izay hendry dia aoka hahafantatra izany ka hahalala ny indrafon' i Jehovah.
<
>