1. Praise ye the LORD. O give thanks unto the LORD; for he is good: for his mercy endureth for ever.
1. Louez l`Éternel! Louez l`Éternel, car il est bon, Car sa miséricorde dure à toujours!
1. "MIDERà an' i Jehovah. Misaora an' i Jehovah; fa tsara izy, sady maharitra mandrakizay ny famindrampony."
2. Who can utter the mighty acts of the LORD? who can shew forth all his praise?
2. Qui dira les hauts faits de l`Éternel? Qui publiera toute sa louange?
2. Iza no mahalaza ny asa mahery ataon' i Jehovah, na mahaseho ny fiderana azy rehetra?
3. Blessed are they that keep judgment, and he that doeth righteousness at all times.
3. Heureux ceux qui observent la loi, Qui pratiquent la justice en tout temps!
3. Sambatra izay mitandrina ny rariny ka manao ny marina mandrakariva.
4. Remember me, O LORD, with the favour that thou bearest unto thy people: O visit me with thy salvation;
4. Éternel, souviens-toi de moi dans ta bienveillance pour ton peuple! Souviens-toi de moi en lui accordant ton secours,
4. "Jehovah ô, tsarovy aho araka ny fankasitrahanao ny olonao; vangio amin' ny famonjenao aho,"
5. That I may see the good of thy chosen, that I may rejoice in the gladness of thy nation, that I may glory with thine inheritance.
5. Afin que je voie le bonheur de tes élus, Que je me réjouisse de la joie de ton peuple, Et que je me glorifie avec ton héritage!
5. Hahitako ny soa azon' ny voafidinao, hifaliako amin' ny fifalian' ny firenenao, Hiravoravoako miaraka amin' ny lovanao.
6. We have sinned with our fathers, we have committed iniquity, we have done wickedly.
6. Nous avons péché comme nos pères, Nous avons commis l`iniquité, nous avons fait le mal.
6. Efa nanota izahay mbamin' ny razanay, efa nanao izay meloka sy ratsy izahay.
7. Our fathers understood not thy wonders in Egypt; they remembered not the multitude of thy mercies; but provoked him at the sea, even at the Red sea.
7. Nos pères en Égypte ne furent pas attentifs à tes miracles, Ils ne se rappelèrent pas la multitude de tes grâces, Ils furent rebelles près de la mer, près de la mer Rouge.
7. "Tsy mba nahalala ny fahagagana nataonao tany Egypta ny razanay; tsy mba nahatsiaro ny habetsahan' ny famindramponao ireny, fa nampahatezitra azy teo amoron-dranomasina, dia teo amoron' ny Ranomasina Mena."
8. Nevertheless he saved them for his name's sake, that he might make his mighty power to be known.
8. Mais il les sauva à cause de son nom, Pour manifester sa puissance.
8. Kanefa namonjy azy ihany Izy noho ny anarany, mba hampahafantarany ny heriny lehibe.
9. He rebuked the Red sea also, and it was dried up: so he led them through the depths, as through the wilderness.
9. "Il menaça la mer Rouge, et elle se dessécha; Et il les fit marcher à travers les abîmes comme dans un désert."
9. "Dia noteneniny mafy koa ny Ranomasina Mena, ka tonga maina iny; dia nitarika azy tao amin' ny lalina Izy tahaka ny tany an' efitra."
10. And he saved them from the hand of him that hated them, and redeemed them from the hand of the enemy.
10. Il les sauva de la main de celui qui les haïssait, Il les délivra de la main de l`ennemi.
10. Ary namonjy azy tamin' ny tanan' ny mpandrafy azy Izy, ary nanavotra azy tamin' ny tanan' ny fahavalo.
11. And the waters covered their enemies: there was not one of them left.
11. Les eaux couvrirent leurs adversaires: Il n`en resta pas un seul.
11. Dia nosaronan' ny rano kosa ny rafiny, ka tsy nisy niangana na dia iray akory aza.
12. Then believed they his words; they sang his praise.
12. Et ils crurent à ses paroles, Ils chantèrent ses louanges.
12. Dia nino ny teniny izy ka nihira fiderana Azy.
13. They soon forgat his works; they waited not for his counsel:
13. Mais ils oublièrent bientôt ses oeuvres, Ils n`attendirent pas l`exécution de ses desseins.
13. Nalaky nanadino ny asany izy ka tsy niandry ny saina hatolony,
14. But lusted exceedingly in the wilderness, and tempted God in the desert.
14. Ils furent saisis de convoitise dans le désert, Et ils tentèrent Dieu dans la solitude.
14. Fa fatra-pila izy tany an' efitra, sady naka fanahy an' Andriamanitra tany an-tany foana.
15. And he gave them their request; but sent leanness into their soul.
15. "Il leur accorda ce qu`ils demandaient; Puis il envoya le dépérissement dans leur corps."
15. "Ary nomeny azy izay nilainy; kanefa nampahahiaziny ny fanahiny."
16. They envied Moses also in the camp, and Aaron the saint of the LORD.
16. Ils se montrèrent, dans le camp, jaloux contre Moïse, Contre Aaron, le saint de l`Éternel.
16. Dia nialona an' i Mosesy tany an-toby koa izy ireo sady nialona an' i Arona, olo-masin' i Jehovah.
17. The earth opened and swallowed up Dathan, and covered the company of Abiram.
17. "La terre s`ouvrit et engloutit Dathan, Et elle se referma sur la troupe d`Abiram;"
17. Nisokatra ny tany, dia nitelina an' i Datana ka nanarona ny antokon' i Abirama.
18. And a fire was kindled in their company; the flame burned up the wicked.
18. Le feu embrasa leur troupe, La flamme consuma les méchants.
18. "Dia nisy afo nirehitra tamin' ny antokony; lelafo no nandoro ny ratsy fanahy."
19. They made a calf in Horeb, and worshipped the molten image.
19. Ils firent un veau en Horeb, Ils se prosternèrent devant une image de fonte,
19. Nanao ombilahy kely tany Horeba izy ka niankohoka teo anoloan' ny sarin-javatra an' idina.
20. Thus they changed their glory into the similitude of an ox that eateth grass.
20. Ils échangèrent leur gloire Contre la figure d`un boeuf qui mange l`herbe.
20. Ary ny voninahiny dia natakalony sarin' ny omby mihinana ahitra.
21. They forgat God their saviour, which had done great things in Egypt;
21. Ils oublièrent Dieu, leur sauveur, Qui avait fait de grandes choses en Égypte,
21. Nohadinoiny Andriamanitra, Mpamonjy azy, Izay efa nanao zava-dehibe tany Egypta,
22. Wondrous works in the land of Ham, and terrible things by the Red sea.
22. Des miracles dans le pays de Cham, Des prodiges sur la mer Rouge.
22. Dia fahagagana tany amin' ny tanin' i Hama sy zava-mahatahotra teo amin' ny Ranomasina Mena.
23. Therefore he said that he would destroy them, had not Moses his chosen stood before him in the breach, to turn away his wrath, lest he should destroy them.
23. "Et il parla de les exterminer; Mais Moïse, son élu, se tint à la brèche devant lui, Pour détourner sa fureur et l`empêcher de les détruire."
23. Koa nilaza izy fa nikasa handringana azy, raha tsy Mosesy voafidiny no nandroso hijoro tamin' ny banga teo anatrehany, hampiala ny fahatezerana mba tsy handringanany azy.
24. Yea, they despised the pleasant land, they believed not his word:
24. "Ils méprisèrent le pays des délices; Ils ne crurent pas à la parole de l`Éternel,"
24. "Eny, nanamavo ny tany mahafinaritra ireo, sady tsy mba nino ny teniny;"
25. But murmured in their tents, and hearkened not unto the voice of the LORD.
25. Ils murmurèrent dans leurs tentes, Ils n`obéirent point à sa voix.
25. "Fa nimonomonona tany an-dainy ka tsy nihaino ny feon' i Jehovah;"
26. Therefore he lifted up his hand against them, to overthrow them in the wilderness:
26. Et il leva la main pour jurer De les faire tomber dans le désert,
26. Dia nanandratra ny tanany Izy hanohitra ireo, mba hampiampatrampatra azy any an' efitra.
27. To overthrow their seed also among the nations, and to scatter them in the lands.
27. De faire tomber leur postérité parmi les nations, Et de les disperser au milieu des pays.
27. Ary hampiampatrampatra koa ny taranany any amin' ny firenena, ary hampihahakahaka azy any amin' ny tany maro.
28. They joined themselves also unto Baalpeor, and ate the sacrifices of the dead.
28. Ils s`attachèrent à Baal Peor, Et mangèrent des victimes sacrifiées aux morts.
28. Nikambana tamin' i Bala Peora koa ireo ka nihinana ny fanatitra ho an' ny maty,
29. Thus they provoked him to anger with their inventions: and the plague brake in upon them.
29. Ils irritèrent l`Éternel par leurs actions, Et une plaie fit irruption parmi eux.
29. Dia nampahatezitra an' i Jehovah tamin' ny nataony, ka dia namely azy tampoka ny areti-mandringana.
30. Then stood up Phinehas, and executed judgment: and so the plague was stayed.
30. "Phinées se leva pour intervenir, Et la plaie s`arrêta;"
30. "Fa nitsangana nandroso Finehasa ka nanao fitsarana; dia nitsahatra ny areti-mandringana."
31. And that was counted unto him for righteousness unto all generations for evermore.
31. Cela lui fut imputé à justice, De génération en génération pour toujours.
31. Ary nisaina ho fahamarinany izany hatramin' ny taranaka fara mandimby.
32. They angered him also at the waters of strife, so that it went ill with Moses for their sakes:
32. "Ils irritèrent l`Éternel près des eaux de Meriba; Et Moïse fut puni à cause d`eux,"
32. "Nampahatezitra an' i Jehovah koa teo anilan' ny ranon' i Meriba ireo, ka nisy nanjo an' i Mosesy noho ny nataon' ireo;"
33. Because they provoked his spirit, so that he spake unadvisedly with his lips.
33. Car ils aigrirent son esprit, Et il s`exprima légèrement des lèvres.
33. Fa nampahatezitra ny Fanahiny ireo, ka dia nihoa-bava Mosesy.
34. They did not destroy the nations, concerning whom the LORD commanded them:
34. Ils ne détruisirent point les peuples Que l`Éternel leur avait ordonné de détruire.
34. "Tsy naringany ny firenena izay nasain' i Jehovah naringany;"
35. But were mingled among the heathen, and learned their works.
35. Ils se mêlèrent avec les nations, Et ils apprirent leurs oeuvres.
35. Fa nifangaro tamin' ny jentilisa izy ka nianatra ny fanaony.
36. And they served their idols: which were a snare unto them.
36. "Ils servirent leurs idoles, Qui furent pour eux un piège;"
36. Dia nanompo ny sampiny izy, ka nody fandrika ho azy izany.
37. Yea, they sacrificed their sons and their daughters unto devils,
37. Ils sacrifièrent leurs fils Et leurs filles aux idoles,
37. Eny, nanao fanatitra ny zanany lahy sy ny zanany vavy ho an' ny devoly ireo,
38. And shed innocent blood, even the blood of their sons and of their daughters, whom they sacrificed unto the idols of Canaan: and the land was polluted with blood.
38. Ils répandirent le sang innocent, Le sang de leurs fils et de leurs filles, Qu`ils sacrifièrent aux idoles de Canaan, Et le pays fut profané par des meurtres.
38. "Ary nandatsaka rà marina izy, dia ny ràn' ny zanany lahy sy ny zanany vavy izay nataony fanatitra ho an' ny sampin' i Kanana; ka dia voaloto tamin' ny rà ny tany."
39. Thus were they defiled with their own works, and went a whoring with their own inventions.
39. Ils se souillèrent par leurs oeuvres, Ils se prostituèrent par leurs actions.
39. Koa ny asany ihany no nandoto azy, ary nahatonga azy ho mpijangajanga ny nataony.
40. Therefore was the wrath of the LORD kindled against his people, insomuch that he abhorred his own inheritance.
40. La colère de l`Éternel s`enflamma contre son peuple, Et il prit en horreur son héritage.
40. Noho izany, nirehitra tamin' ny olona ny fahatezeran' i Jehovah, ka nankahalainy ny lovany.
41. And he gave them into the hand of the heathen; and they that hated them ruled over them.
41. "Il les livra entre les mains des nations; Ceux qui les haïssaient dominèrent sur eux;"
41. "Dia nanolotra azy teo an-tanan' ny jentilisa Izy; ka dia izay nankahala azy no nanapaka azy."
42. Their enemies also oppressed them, and they were brought into subjection under their hand.
42. Leurs ennemis les opprimèrent, Et ils furent humiliés sous leur puissance.
42. Ary nampahory azy ny fahavalony, ka naetriny tambanin' ny tanany izy.
43. Many times did he deliver them; but they provoked him with their counsel, and were brought low for their iniquity.
43. "Plusieurs fois il les délivra; Mais ils se montrèrent rebelles dans leurs desseins, Et ils devinrent malheureux par leur iniquité."
43. Imbetsaka izy no nanafaka azy, nefa nampahatezitra Azy tamin' ny fisainany izy, ka nietry ireo noho ny helony.
44. Nevertheless he regarded their affliction, when he heard their cry:
44. Il vit leur détresse, Lorsqu`il entendit leurs supplications.
44. "Kanefa nijery ny fahoriany ihany izy raha nandre ny fitarainany;"
45. And he remembered for them his covenant, and repented according to the multitude of his mercies.
45. "Il se souvint en leur faveur de son alliance;"
45. Dia nahatsiaro ny fanekeny Izy ka nanenina araka ny haben' ny famindrampony.
46. He made them also to be pitied of all those that carried them captives.
46. Il eut pitié selon sa grande bonté, Et il excita pour eux la compassion De tous ceux qui les retenaient captifs.
46. Dia nataony nahita famindrampo ireny tamin' izay rehetra namabo azy.
47. Save us, O LORD our God, and gather us from among the heathen, to give thanks unto thy holy name, and to triumph in thy praise.
47. Sauve-nous, Éternel, notre Dieu! Et rassemble-nous du milieu des nations, Afin que nous célébrions ton saint nom, Et que nous mettions notre gloire à te louer!
47. Vonjeo izahay, ry Jehovah Andriamanitray ô, ka angony avy any amin' ny jentilisa, mba hisaoranay ny anaranao masina sy handresenay amin' ny fiderana anao.
48. Blessed be the LORD God of Israel from everlasting to everlasting: and let all the people say, Amen. Praise ye the LORD.
48. Béni soit l`Éternel, le Dieu d`Israël, d`éternité en éternité! Et que tout le peuple dise: Amen! Louez l`Éternel!
48. "Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hatramin' ny taloha indrindra ka ho mandrakizay; ary aoka ny olona rehetra hanao hoe: Amena, Miderà an' i Jehovah."