1. Know ye not, brethren, (for I speak to them that know the law,) how that the law hath dominion over a man as long as he liveth?
1. Ignorez-vous, frères, -car je parle à des gens qui connaissent la loi, -que la loi exerce son pouvoir sur l`homme aussi longtemps qu`il vit?
1. Tsy fantatrareo va, ry rahalahy (fa miteny amin' izay mahalala ny lalàna aho), fa ny lalàna dia manapaka ny lehilahy, raha mbola velona izy?
2. For the woman which hath an husband is bound by the law to her husband so long as he liveth; but if the husband be dead, she is loosed from the law of her husband.
2. "Ainsi, une femme mariée est liée par la loi à son mari tant qu`il est vivant; mais si le mari meurt, elle est dégagée de la loi qui la liait à son mari."
2. "Fa ny vehivavy izay manambady dia fehezin' ny lalàna ho an' ny lahy, raha mbola velona ny lahy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka amin' ny lalàn' ny lahy izy."
3. So then if, while her husband liveth, she be married to another man, she shall be called an adulteress: but if her husband be dead, she is free from that law; so that she is no adulteress, though she be married to another man.
3. "Si donc, du vivant de son mari, elle devient la femme d`un autre homme, elle sera appelée adultère; mais si le mari meurt, elle est affranchie de la loi, de sorte qu`elle n`est point adultère en devenant la femme d`un autre."
3. "Koa raha mbola velona ny lahy, ka manambady olon-kafa ravehivavy, dia hatao hoe mpijangajanga izy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka amin' izany lalàna izany izy ka tsy mba mpijangajanga, na dia manambady olon-kafa aza."
4. Wherefore, my brethren, ye also are become dead to the law by the body of Christ; that ye should be married to another, even to him who is raised from the dead, that we should bring forth fruit unto God.
4. De même, mes frères, vous aussi vous avez été, par le corps de Christ, mis à mort en ce qui concerne la loi, pour que vous apparteniez à un autre, à celui qui est ressuscité des morts, afin que nous portions des fruits pour Dieu.
4. Ary amin' izany ianareo koa, ry rahalahiko, dia efa natao maty ny amin' ny lalàna noho ny tenan' i Kristy, mba ho vadin' ny hafa ianareo, dia Izay natsangana tamin' ny maty, mba hahavokarantsika ho an' Andriamanitra.
5. For when we were in the flesh, the motions of sins, which were by the law, did work in our members to bring forth fruit unto death.
5. Car, lorsque nous étions dans la chair, les passions des péchés provoquées par la loi agissaient dans nos membres, de sorte que nous portions des fruits pour la mort.
5. Fa fony tao amin' ny nofo isika, dia ny filàn' ny ota, izay nohetsehin' ny lalàna, no niasa tao amin' ny momba ny tenantsika hahavokatra ho amin' ny fahafatesana.
6. But now we are delivered from the law, that being dead wherein we were held; that we should serve in newness of spirit, and not in the oldness of the letter.
6. Mais maintenant, nous avons été dégagés de la loi, étant morts à cette loi sous laquelle nous étions retenus, de sorte que nous servons dans un esprit nouveau, et non selon la lettre qui a vieilli.
6. Fa ankehitriny dia efa afaka tamin' ny lalàna isika, satria maty tamin' izay nihazonana antsika, ka dia manompo amin' ny fanavaozam-panahy isika, fa tsy amin' ny soratra izay efa tranainy.
7. What shall we say then? Is the law sin? God forbid. Nay, I had not known sin, but by the law: for I had not known lust, except the law had said, Thou shalt not covet.
7. Que dirons-nous donc? La loi est-elle péché? Loin de là! Mais je n`ai connu le péché que par la loi. Car je n`aurais pas connu la convoitise, si la loi n`eût dit: Tu ne convoiteras point.
7. Inona àry no holazaintsika? Ota va ny lalàna? Sanatria izany! Kanefa tsy nahalala ny ota aho, raha tsy tamin' ny lalàna, satria tsy fantatro akory ny fitsiriritana, raha tsy ny lalàna no nanao hoe: Aza mitsiriritra
8. But sin, taking occasion by the commandment, wrought in me all manner of concupiscence. For without the law sin was dead.
8. "Et le péché, saisissant l`occasion, produisit en moi par le commandement toutes sortes de convoitises; car sans loi le péché est mort."
8. "Fa io didy io no nentin' ny ota nampihetsika ny fitsiriritana rehetra tato anatiko; fa maty ny ota, raha tsy misy ny lalàna."
9. For I was alive without the law once: but when the commandment came, sin revived, and I died.
9. "Pour moi, étant autrefois sans loi, je vivais; mais quand le commandement vint, le péché reprit vie, et moi je mourus."
9. "Ary izaho dia velona tsy nanan-dalàna taloha; fa rehefa tonga kosa ny didy, dia velona indray ny ota, ka dia maty aho."
10. And the commandment, which was ordained to life, I found to be unto death.
10. Ainsi, le commandement qui conduit à la vie se trouva pour moi conduire à la mort.
10. Ary ny didy izay natao hahazoana fiainana, dia hitako fa nahatonga fahafatesana tamiko kosa.
11. For sin, taking occasion by the commandment, deceived me, and by it slew me.
11. Car le péché saisissant l`occasion, me séduisit par le commandement, et par lui me fit mourir.
11. Fa io didy io no nentin' ny ota namitaka sy nahafaty ahy.
12. Wherefore the law is holy, and the commandment holy, and just, and good.
12. La loi donc est sainte, et le commandement est saint, juste et bon.
12. Noho izany dia masina ny lalàna, ary masina ny didy, sady marina no tsara.
13. Was then that which is good made death unto me? God forbid. But sin, that it might appear sin, working death in me by that which is good; that sin by the commandment might become exceeding sinful.
13. Ce qui est bon a-t-il donc été pour moi une cause de mort? Loin de là! Mais c`est le péché, afin qu`il se manifestât comme péché en me donnant la mort par ce qui est bon, et que, par le commandement, il devînt condamnable au plus haut point.
13. "Koa ny tsara va no nahafaty ahy? Sanatria izany! Fa ny ota no nahafaty ahy, mba hiseho ho ota; fa ny tsara no nentiny nahafaty ahy, mba ho tonga ota indrindra ny ota noho ny nataon' ny lalàna."
14. For we know that the law is spiritual: but I am carnal, sold under sin.
14. "Nous savons, en effet, que la loi est spirituelle; mais moi, je suis charnel, vendu au péché."
14. "Fa fantatsika fa araka ny fanahy ny lalàna; fa izaho kosa nofo,namidy ho an' ny ota."
15. For that which I do I allow not: for what I would, that do I not; but what I hate, that do I.
15. Car je ne sais pas ce que je fais: je ne fais point ce que je veux, et je fais ce que je hais.
15. "Fa izay ataoko dia tsy fantatro; fa tsy izay sitrako no ataoko; fa izay halako no ataoko."
16. If then I do that which I would not, I consent unto the law that it is good.
16. Or, si je fais ce que je ne veux pas, je reconnais par là que la loi est bonne.
16. Fa raha manao ny tsy sitrako aho, dia manaiky fa tsara ny lalàna.
17. Now then it is no more I that do it, but sin that dwelleth in me.
17. Et maintenant ce n`est plus moi qui le fais, mais c`est le péché qui habite en moi.
17. Ary amin' izany tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato anatiko.
18. For I know that in me (that is, in my flesh,) dwelleth no good thing: for to will is present with me; but how to perform that which is good I find not.
18. Ce qui est bon, je le sais, n`habite pas en moi, c`est-à-dire dans ma chair: j`ai la volonté, mais non le pouvoir de faire le bien.
18. Fa fantatro fa tsy misy zavatra tsara mitoetra ato amiko (dia ato amin' ny nofoko), fa ato anatiko ihany ny fikasana, saingy ny hahatanteraka ny tsara no tsy ato.
19. For the good that I would I do not: but the evil which I would not, that I do.
19. Car je ne fais pas le bien que je veux, et je fais le mal que je ne veux pas.
19. "Fa tsy ny tsara izay sitrako no ataoko; fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko."
20. Now if I do that I would not, it is no more I that do it, but sin that dwelleth in me.
20. Et si je fais ce que je ne veux pas, ce n`est plus moi qui le fais, c`est le péché qui habite en moi.
20. Fa raha ny tsy sitrako no ataoko, dia tsy izaho intsony no manao izany fa ny ota izay mitoetra ato amiko.
21. I find then a law, that, when I would do good, evil is present with me.
21. Je trouve donc en moi cette loi: quand je veux faire le bien, le mal est attaché à moi.
21. Koa hitako izao lalàna izao: raha te-hanao ny tsara aho, dia ato amiko ihany ny ratsy.
22. For I delight in the law of God after the inward man:
22. "Car je prends plaisir à la loi de Dieu, selon l`homme intérieur;"
22. "Fa mankasitraka ny lalàn' Andriamanitra aho araka ny toetra anaty;"
23. But I see another law in my members, warring against the law of my mind, and bringing me into captivity to the law of sin which is in my members.
23. mais je vois dans mes membres une autre loi, qui lutte contre la loi de mon entendement, et qui me rend captif de la loi du péché, qui est dans mes membres.
23. Nefa mahita lalàna hafa amin' ny momba ny tenako aho, miady amin' ny lalàn' ny saiko ka mamabo ahy ho an' ny lalàn' ny ota izay ao amin' ny momba ny tenako.
24. O wretched man that I am! who shall deliver me from the body of this death?
24. Misérable que je suis! Qui me délivrera du corps de cette mort?...
24. Indrisy! olo-mahantra aho! Iza no hanafaka ahy amin' ny tenan' ity fahafatesana ity?
25. I thank God through Jesus Christ our Lord. So then with the mind I myself serve the law of God; but with the flesh the law of sin.
25. Grâces soient rendues à Dieu par Jésus Christ notre Seigneur!... Ainsi donc, moi-même, je suis par l`entendement esclave de la loi de Dieu, et je suis par la chair esclave de la loi du péché.
25. Misaotra an' Andriamanitra aho amin' ny alalan' i Jesosy Kristy Tompontsika. Koa raha ny amiko, dia mankatò ny lalàn' Andriamanitra aho amin' ny saiko, fa ny lalàn' ny ota kosa amin' ny nofoko.