1. What shall we say then? Shall we continue in sin, that grace may abound?
1. Que dirons-nous donc? Demeurerions-nous dans le péché, afin que la grâce abonde?
1. Inona àry no holazaintsika? Mbola hitoetra amin' ny ota ihany va isika hitomboan' ny fahasoavana?
2. God forbid. How shall we, that are dead to sin, live any longer therein?
2. Loin de là! Nous qui sommes morts au péché, comment vivrions-nous encore dans le péché?
2. Sanatria izany! Hataontsika izay efa maty ny amin' ny ota ahoana no ho velona aminy ihany?
3. Know ye not, that so many of us as were baptized into Jesus Christ were baptized into his death?
3. Ignorez-vous que nous tous qui avons été baptisés en Jésus Christ, c`est en sa mort que nous avons été baptisés?
3. Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin' i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin' ny fahafatesany?
4. Therefore we are buried with him by baptism into death: that like as Christ was raised up from the dead by the glory of the Father, even so we also should walk in newness of life.
4. Nous avons donc été ensevelis avec lui par le baptême en sa mort, afin que, comme Christ est ressuscité des morts par la gloire du Père, de même nous aussi nous marchions en nouveauté de vie.
4. Noho izany, niara-nalevina taminy tamin' ny batisa ho amin' ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an' i Kristy tamin' ny maty tamin' ny voninahitry ny Ray no handehanantsika amin' ny fiainam-baovao.
5. For if we have been planted together in the likeness of his death, we shall be also in the likeness of his resurrection:
5. En effet, si nous sommes devenus une même plante avec lui par la conformité à sa mort, nous le serons aussi par la conformité à sa résurrection,
5. "Fa raha niara-nambolena taminy tamin' ny endriky ny fahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin' ny endriky ny fitsanganany tamin' ny maty;"
6. Knowing this, that our old man is crucified with him, that the body of sin might be destroyed, that henceforth we should not serve sin.
6. "sachant que notre vieil homme a été crucifié avec lui, afin que le corps du péché fût détruit, pour que nous ne soyons plus esclaves du péché;"
6. Fa fantatsika fa ny olontsika taloha dia niaraka nohomboana taminy hanimbana ny tenan' ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony.
7. For he that is dead is freed from sin.
7. car celui qui est mort est libre du péché.
7. Fa izay efa maty dia afaka amin' ny ota.
8. Now if we be dead with Christ, we believe that we shall also live with him:
8. Or, si nous sommes morts avec Christ, nous croyons que nous vivrons aussi avec lui,
8. "Ary raha niara-maty tamin' i Kristy isika, dia mino fa hiara-belona aminy koa isika;"
9. Knowing that Christ being raised from the dead dieth no more; death hath no more dominion over him.
9. "sachant que Christ ressuscité des morts ne meurt plus; la mort n`a plus de pouvoir sur lui."
9. "Ary fantatsika fa rehefa natsangana tamin' ny maty Kristy, dia tsy maty intsony Izy; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana."
10. For in that he died, he died unto sin once: but in that he liveth, he liveth unto God.
10. "Car il est mort, et c`est pour le péché qu`il est mort une fois pour toutes; il est revenu à la vie, et c`est pour Dieu qu`il vit."
10. "Fa ny amin' ny nahafatesany, dia maty ny amin' ny ota indray mandeha Izy; fa ny amin' ny ahavelomany kosa, dia velona ho an' Andriamanitra Izy."
11. Likewise reckon ye also yourselves to be dead indeed unto sin, but alive unto God through Jesus Christ our Lord.
11. Ainsi vous-mêmes, regardez-vous comme morts au péché, et comme vivants pour Dieu en Jésus Christ.
11. Ary aoka ho tahaka izany koa ianareo, ka ny tenanareo dia ataovy ho efa maty ny amin' ny ota, fa velona ho an' Andriamanitra amin' ny alalan' i Kristy Jesosy Tompontsika.
12. Let not sin therefore reign in your mortal body, that ye should obey it in the lusts thereof.
12. Que le péché ne règne donc point dans votre corps mortel, et n`obéissez pas à ses convoitises.
12. Koa aza avela hanjaka amin' ny tenanareo mety maty ny ota, hanarahanareo ny filàny.
13. Neither yield ye your members as instruments of unrighteousness unto sin: but yield yourselves unto God, as those that are alive from the dead, and your members as instruments of righteousness unto God.
13. "Ne livrez pas vos membres au péché, comme des instruments d`iniquité; mais donnez-vous vous-mêmes à Dieu, comme étant vivants de morts que vous étiez, et offrez à Dieu vos membres, comme des instruments de justice."
13. "Ary aza manolotra ny momba ny tenanareo ho amin' ny ota ho fiasàn' ny tsy fahamarinana; fa atolory ny tenanareo ho an' Andriamanitra, toy ny efa maty nefa velona, ary ny momba ny tenanareo ho fiasàn' ny fahamarinana ho an' Andriamanitra."
14. For sin shall not have dominion over you: for ye are not under the law, but under grace.
14. Car le péché n`aura point de pouvoir sur vous, puisque vous êtes, non sous la loi, mais sous la grâce.
14. "Fa ny ota tsy hanan-kery aminareo; satria tsy mba ambanin' ny lalàna ianareo, fa ambanin' ny fahasoavana."
15. What then? shall we sin, because we are not under the law, but under grace? God forbid.
15. Quoi donc! Pécherions-nous, parce que nous sommes, non sous la loi, mais sous la grâce? Loin de là!
15. Ahoana àry? Hanota va isika, saingy tsy ambanin' ny lalàna, fa ambanin' ny fahasoavana? Sanatria izany!
16. Know ye not, that to whom ye yield yourselves servants to obey, his servants ye are to whom ye obey; whether of sin unto death, or of obedience unto righteousness?
16. Ne savez-vous pas qu`en vous livrant à quelqu`un comme esclaves pour lui obéir, vous êtes esclaves de celui à qui vous obéissez, soit du péché qui conduit à la mort, soit de l`obéissance qui conduit à la justice?
16. Tsy fantatrareo va, fa raha manolotena ho mpanompo ianareo na ho an' iza na ho an' iza dia mpanompon' izay arahinareo ianareo, na ny ota ho amin' ny fahafatesana, na ny fankatoavana ho amin' ny fahamarinana?
17. But God be thanked, that ye were the servants of sin, but ye have obeyed from the heart that form of doctrine which was delivered you.
17. Mais grâces soient rendues à Dieu de ce que, après avoir été esclaves du péché, vous avez obéi de coeur à la règle de doctrine dans laquelle vous avez été instruits.
17. Fa isaorana anie Andriamanitra, fa na dia efa mpanompon' ny ota aza ianareo, dia efa nankatò tao am-po ianareo ny fomban' ny foto-pampianarana natolotra anareo.
18. Being then made free from sin, ye became the servants of righteousness.
18. Ayant été affranchis du péché, vous êtes devenus esclaves de la justice. -
18. Ary rehefa natao afaka tamin' ny ota ianareo, dia tonga mpanompon' ny fahamarinana.
19. I speak after the manner of men because of the infirmity of your flesh: for as ye have yielded your members servants to uncleanness and to iniquity unto iniquity; even so now yield your members servants to righteousness unto holiness.
19. Je parle à la manière des hommes, à cause de la faiblesse de votre chair. -De même donc que vous avez livré vos membres comme esclaves à l`impureté et à l`iniquité, pour arriver à l`iniquité, ainsi maintenant livrez vos membres comme esclaves à la justice, pour arriver à la sainteté.
19. "Miteny araka ny fanaon' ny olona aho noho ny fahalemen' ny nofonareo; fa tahaka ny nanoloranareo ny momba ny tenanareo ho mpanompon' ny fahalotoana sy ny heloka hahatanteraka ny heloka, dia mba atolory ankehitriny toy izany koa ny momba ny tenanareo ho mpanompon' ny fahamarinana hahatongavana amin' ny fahamasinana."
20. For when ye were the servants of sin, ye were free from righteousness.
20. Car, lorsque vous étiez esclaves du péché, vous étiez libres à l`égard de la justice.
20. Fa fony mpanompon' ny ota ianareo, dia afaka tamin' ny fahamarinana.
21. What fruit had ye then in those things whereof ye are now ashamed? for the end of those things is death.
21. Quels fruits portiez-vous alors? Des fruits dont vous rougissez aujourd`hui. Car la fin de ces choses, c`est la mort.
21. Inona àry no vokatra azonareo fahiny tamin' izay zavatra mahamenatra anareo ankehitriny? fa fahafatesana no hiafaran' izany zavatra izany.
22. But now being made free from sin, and become servants to God, ye have your fruit unto holiness, and the end everlasting life.
22. Mais maintenant, étant affranchis du péché et devenus esclaves de Dieu, vous avez pour fruit la sainteté et pour fin la vie éternelle.
22. Fa ankehitriny, rehefa natao afaka tamin' ny ota ianareo ka efa tonga mpanompon' Andriamanitra, dia manana ny vokatrareo ho amin' ny fahamasinana, ary ny farany dia fiainana mandrakizay.
23. For the wages of sin is death; but the gift of God is eternal life through Jesus Christ our Lord.
23. "Car le salaire du péché, c`est la mort; mais le don gratuit de Dieu, c`est la vie éternelle en Jésus Christ notre Seigneur."
23. "Satria fahafatesana no tambin' ny ota; fa fiainana mandrakizay no fanomezan' Andriamanitra amin' ny alalan' i Jesosy Kristy Tompontsika."