Further Benefits of Wisdom

1. My son, forget not my law; but let thine heart keep my commandments:
1. "Mon fils, n`oublie pas mes enseignements, Et que ton coeur garde mes préceptes;"
1. "ANAKA, aza manadino ny lalàko; fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko;"
2. For length of days, and long life, and peace, shall they add to thee.
2. Car ils prolongeront les jours et les années de ta vie, Et ils augmenteront ta paix.
2. Fa andro lava sy fahelavelona ary fiadanana no hanampiny ho anao.
3. Let not mercy and truth forsake thee: bind them about thy neck; write them upon the table of thine heart:
3. "Que la bonté et la fidélité ne t`abandonnent pas; Lie-les à ton cou, écris-les sur la table de ton coeur."
3. "Aoka tsy handao anao ny famindrampo sy ny fahamarinana; afehezo eo am-bozonao izany; ary soraty eo amin' ny vatofisaky ny fonao;"
4. So shalt thou find favour and good understanding in the sight of God and man.
4. Tu acquerras ainsi de la grâce et une raison saine, Aux yeux de Dieu et des hommes.
4. Ka dia hahazo fitia sy fahalalana tsara eo anatrehan' Andriamanitra sy ny olona ianao.
5. Trust in the LORD with all thine heart; and lean not unto thine own understanding.
5. "Confie-toi en l`Éternel de tout ton coeur, Et ne t`appuie pas sur ta sagesse;"
5. "Matokia an' i Jehovah amin' ny fonao rehetra, fa aza miankina amin' ny fahalalanao manokana;"
6. In all thy ways acknowledge him, and he shall direct thy paths.
6. Reconnais-le dans toutes tes voies, Et il aplanira tes sentiers.
6. Maneke Azy amin' ny alehanao rehetra, fa Izy hitarika ny lalanao.
7. Be not wise in thine own eyes: fear the LORD, and depart from evil.
7. Ne sois point sage à tes propres yeux, Crains l`Éternel, et détourne-toi du mal:
7. "Aza manao anao ho hendry; matahora an' i Jehovah ary mialà amin' ny ratsy."
8. It shall be health to thy navel, and marrow to thy bones.
8. Ce sera la santé pour tes muscles, Et un rafraîchissement pour tes os.
8. Dia ho fahasalamana ho an' ny foitrao izany ary tsoka ho an' ny taolanao.
9. Honour the LORD with thy substance, and with the firstfruits of all thine increase:
9. Honore l`Éternel avec tes biens, Et avec les prémices de tout ton revenu:
9. "Mankalazà an' i Jehovah amin' ny fanananao sy amin' ny voaloham-bokatrao rehetra;"
10. So shall thy barns be filled with plenty, and thy presses shall burst out with new wine.
10. Alors tes greniers seront remplis d`abondance, Et tes cuves regorgeront de moût.
10. Ka dia ho feno mitafotafo ny fitehirizam-bokatrao ary hihoatra ny ranomboalobokao eo amin' ny vata fanantazanao.
11. My son, despise not the chastening of the LORD; neither be weary of his correction:
11. "Mon fils, ne méprise pas la correction de l`Éternel, Et ne t`effraie point de ses châtiments;"
11. Anaka, aza manamavo ny famaizan' i Jehovah, ary aza tofoka amin' ny fanitsiany.
12. For whom the LORD loveth he correcteth; even as a father the son in whom he delighteth.
12. Car l`Éternel châtie celui qu`il aime, Comme un père l`enfant qu`il chérit.
12. "Fa izay tian' i Jehovah no ahitsiny; dia tahaka ny ataon' ny ray amin' ny zanaka tiany."
13. Happy is the man that findeth wisdom, and the man that getteth understanding.
13. Heureux l`homme qui a trouvé la sagesse, Et l`homme qui possède l`intelligence!
13. Sambatra izay olona mahita fahendrena sy izay olona mahazo fahalalana.
14. For the merchandise of it is better than the merchandise of silver, and the gain thereof than fine gold.
14. "Car le gain qu`elle procure est préférable à celui de l`argent, Et le profit qu`on en tire vaut mieux que l`or;"
14. Fa ny fandrantoana azy dia tsara noho ny fandrantoana volafotsy, ary ny tombom-barotra aminy dia mihoatra noho ny volamena tsara.
15. She is more precious than rubies: and all the things thou canst desire are not to be compared unto her.
15. Elle est plus précieuse que les perles, Elle a plus de valeur que tous les objets de prix.
15. "Sarobidy noho ny robia izy; ary izay rehetra irinao dia tsy azo ampitahaina aminy."
16. Length of days is in her right hand; and in her left hand riches and honour.
16. "Dans sa droite est une longue vie; Dans sa gauche, la richesse et la gloire."
16. "Andro lava no eo an-tanany ankavanana; ary harena sy voninahitra no eo an-tanany ankavia."
17. Her ways are ways of pleasantness, and all her paths are peace.
17. Ses voies sont des voies agréables, Et tous ses sentiers sont paisibles.
17. Lalana mahafinaritra ny lalany, ary fiadanana ny alehany rehetra.
18. She is a tree of life to them that lay hold upon her: and happy is every one that retaineth her.
18. Elle est un arbre de vie pour ceux qui la saisissent, Et ceux qui la possèdent sont heureux.
18. "Hazon' aina ho an' izay mifikitra aminy izy; ary sambatra izay rehetra mitana azy."
19. The LORD by wisdom hath founded the earth; by understanding hath he established the heavens.
19. "C`est par la sagesse que l`Éternel a fondé la terre, C`est par l`intelligence qu`il a affermi les cieux;"
19. Fahendrena no nanorenan' i Jehovah ny tany ary fahalalana no nampitoerany ny lanitra.
20. By his knowledge the depths are broken up, and the clouds drop down the dew.
20. C`est par sa science que les abîmes se sont ouverts, Et que les nuages distillent la rosée.
20. Ny fahalalany no entiny mampiboiboika ny rano any amin' ny lalina sy ampitetevany ando avy amin' ny rahona.
21. My son, let not them depart from thine eyes: keep sound wisdom and discretion:
21. Mon fils, que ces enseignements ne s`éloignent pas de tes yeux, Garde la sagesse et la réflexion:
21. "Anaka, aoka tsy hiala amin' ny masonao izany; tehirizo ny tena fahendrena sy ny fahaiza-misafidy amim-pahendrena;"
22. So shall they be life unto thy soul, and grace to thy neck.
22. Elles seront la vie de ton âme, Et l`ornement de ton cou.
22. Ka dia ho ain' ny fanahinao izany ary ho fahasoavana eo amin' ny vozonao.
23. Then shalt thou walk in thy way safely, and thy foot shall not stumble.
23. Alors tu marcheras avec assurance dans ton chemin, Et ton pied ne heurtera pas.
23. Dia handroso amin-toky ianao, ka tsy ho tafintohina ny tongotrao.
24. When thou liest down, thou shalt not be afraid: yea, thou shalt lie down, and thy sleep shall be sweet.
24. "Si tu te couches, tu seras sans crainte; Et quand tu seras couché, ton sommeil sera doux."
24. "Tsy hatahotra ianao, raha mandry; eny, handry ianao, ary ho mamy ny torimasonao."
25. Be not afraid of sudden fear, neither of the desolation of the wicked, when it cometh.
25. "Ne redoute ni une terreur soudaine, Ni une attaque de la part des méchants;"
25. Aza manahy ny tahotra avy tampoka, na ny fandringanana ny ratsy fanahy raha tonga izany.
26. For the LORD shall be thy confidence, and shall keep thy foot from being taken.
26. Car l`Éternel sera ton assurance, Et il préservera ton pied de toute embûche.
26. Fa Jehovah no ho tokinao ka hiambina ny tongotrao tsy ho voafandrika.
27. Withhold not good from them to whom it is due, when it is in the power of thine hand to do it.
27. Ne refuse pas un bienfait à celui qui y a droit, Quand tu as le pouvoir de l`accorder.
27. Aza mamihina ny soa amin' izay tokony homena azy raha azon' ny tananao atao ihany.
28. Say not unto thy neighbour, Go, and come again, and to morrow I will give; when thou hast it by thee.
28. Ne dis pas à ton prochain: Va et reviens, Demain je donnerai! quand tu as de quoi donner.
28. "Aza manao amin' ny namanao hoe: Mandehana, ka avia indray, fa rahampitso no homeko; kanefa manana ihany ianao."
29. Devise not evil against thy neighbour, seeing he dwelleth securely by thee.
29. Ne médite pas le mal contre ton prochain, Lorsqu`il demeure tranquillement près de toi.
29. Aza mamoron-kevi-dratsy hamelezana ny namanao ianao raha mitoetra matoky eo aminao izy.
30. Strive not with a man without cause, if he have done thee no harm.
30. Ne conteste pas sans motif avec quelqu`un, Lorsqu`il ne t`a point fait de mal.
30. Aza miadiady foana aman' olona raha tsy mbola nanisy ratsy anao izy.
31. Envy thou not the oppressor, and choose none of his ways.
31. Ne porte pas envie à l`homme violent, Et ne choisis aucune de ses voies.
31. Aza mialona ny olon-dozabe, na mifidy izay lalany akory,
32. For the froward is abomination to the LORD: but his secret is with the righteous.
32. "Car l`Éternel a en horreur les hommes pervers, Mais il est un ami pour les hommes droits;"
32. "Satria fahavetavetana eo imason' i Jehovah ny maniasia; fa ny zava-miafiny dia ao amin' ny marina."
33. The curse of the LORD is in the house of the wicked: but he blesseth the habitation of the just.
33. "La malédiction de l`Éternel est dans la maison du méchant, Mais il bénit la demeure des justes;"
33. "Ny ozon' i Jehovah dia ao an-tranon' ny ratsy fanahy; fa ny fonenan' ny marina dia tahiany kosa."
34. Surely he scorneth the scorners: but he giveth grace unto the lowly.
34. "Il se moque des moqueurs, Mais il fait grâce aux humbles;"
34. Ny mpaniratsira dia ataony tsinontsinona tokoa, fa omeny fahasoavana ny mpandefitra.
35. The wise shall inherit glory: but shame shall be the promotion of fools.
35. Les sages hériteront la gloire, Mais les insensés ont la honte en partage.
35. Handova voninahitra ny hendry, fa henatra no ho fisandratan' ny adala.
<
>