1. Boast not thyself of to morrow; for thou knowest not what a day may bring forth.
1. Ne te vante pas du lendemain, Car tu ne sais pas ce qu`un jour peut enfanter.
1. "AZA mirehareha ny amin' ny ho ampitso ianao; fa tsy fantatrao izay avoaky ny andro."
2. Let another man praise thee, and not thine own mouth; a stranger, and not thine own lips.
2. Qu`un autre te loue, et non ta bouche, Un étranger, et non tes lèvres.
2. "Aoka ny olon-kafa no hidera anao, fa tsy ny vavanao; aoka ny vahiny, fa tsy ny molotrao."
3. A stone is heavy, and the sand weighty; but a fool's wrath is heavier than them both.
3. La pierre est pesante et le sable est lourd, Mais l`humeur de l`insensé pèse plus que l`un et l`autre.
3. "Mavesatra ny vato, ary mavesa-danja ny fasika; fa ny fahasosoran' ny adala dia manoatra noho izy roa tonta."
4. Wrath is cruel, and anger is outrageous; but who is able to stand before envy?
4. La fureur est cruelle et la colère impétueuse, Mais qui résistera devant la jalousie?
4. "Masiaka ny fahavinirana, ary misafoaka ny fahatezerana; fa iza no mahajanona eo anoloan' ny fahasaro-piaro?"
5. Open rebuke is better than secret love.
5. Mieux vaut une réprimande ouverte Qu`une amitié cachée.
5. Aleo anatra imaso toy izay fitia afenina.
6. Faithful are the wounds of a friend; but the kisses of an enemy are deceitful.
6. Les blessures d`un ami prouvent sa fidélité, Mais les baisers d`un ennemi sont trompeurs.
6. "Azo itokiana hahasoa ny ratra ataon' ny sakaiza; fa tena fitaka ny fanorohan' ny fahavalo."
7. The full soul loatheth an honeycomb; but to the hungry soul every bitter thing is sweet.
7. Celui qui est rassasié foule aux pieds le rayon de miel, Mais celui qui a faim trouve doux tout ce qui est amer.
7. "Hitsakitsahan' ny voky na dia ny toho-tantely aza; fa mamy amin' ny noana na dia ny zava-mangidy rehetra aza."
8. As a bird that wandereth from her nest, so is a man that wandereth from his place.
8. Comme l`oiseau qui erre loin de son nid, Ainsi est l`homme qui erre loin de son lieu.
8. Toy ny voronkely miala amin' ny akaniny ka mirenireny, dia toy izany ny olona izay mirenireny miala amin' ny fonenany.
9. Ointment and perfume rejoice the heart: so doth the sweetness of a man's friend by hearty counsel.
9. L`huile et les parfums réjouissent le coeur, Et les conseils affectueux d`un ami sont doux.
9. Ny diloilo sy ny zava-manitra dia mahafaly ny fo, ary ny hamamin' ny sakaiza dia avy amin' ny hamamin' ny ana-panahy ataony.
10. Thine own friend, and thy father's friend, forsake not; neither go into thy brother's house in the day of thy calamity: for better is a neighbour that is near than a brother far off.
10. "N`abandonne pas ton ami et l`ami de ton père, Et n`entre pas dans la maison de ton frère au jour de ta détresse; Mieux vaut un voisin proche qu`un frère éloigné."
10. "Aza mahafoy ny sakaizanao, na ny sakaizan-drainao, ary aza mankany amin' ny tranon' ny rahalahinao amin' ny andro fahorianao; fa tsara ny namana miara-monina noho ny rahalahy lavitra."
11. My son, be wise, and make my heart glad, that I may answer him that reproacheth me.
11. Mon fils, sois sage, et réjouis mon coeur, Et je pourrai répondre à celui qui m`outrage.
11. Anaka, hendre, ka ampifalio ny foko, mba hamaliako izay miteny ratsy ahy.
12. A prudent man foreseeth the evil, and hideth himself; but the simple pass on, and are punished.
12. "L`homme prudent voit le mal et se cache; Les simples avancent et sont punis."
12. "Ny mahira-tsaina mahatazana ny loza ka miery; fa ny kely saina kosa mandroso ka voa."
13. Take his garment that is surety for a stranger, and take a pledge of him for a strange woman.
13. "Prends son vêtement, car il a cautionné autrui; Exige de lui des gages, à cause des étrangers."
13. Alao ny lambany fa efa niantoka olon-kafa izy, ary tano ho solon' ny vehivavy jejo niantohany izy.
14. He that blesseth his friend with a loud voice, rising early in the morning, it shall be counted a curse to him.
14. Si l`on bénit son prochain à haute voix et de grand matin, Cela est envisagé comme une malédiction.
14. Izay mifoha maraina koa ka misaotra ny sakaizany amin' ny feo mahery, dia isaina ho fanozonana izany.
15. A continual dropping in a very rainy day and a contentious woman are alike.
15. Une gouttière continue dans un jour de pluie Et une femme querelleuse sont choses semblables.
15. Ny fijononoky ny rano amin' ny andro manoram-be sy ny vehivavy tia ady dia sahala.
16. Whosoever hideth her hideth the wind, and the ointment of his right hand, which bewrayeth itself.
16. Celui qui la retient retient le vent, Et sa main saisit de l`huile.
16. Izay misakana azy dia toy ny misakana ny rivotra, sady toy ny mamihina diloilo ny tanany ankavanana.
17. Iron sharpeneth iron; so a man sharpeneth the countenance of his friend.
17. Comme le fer aiguise le fer, Ainsi un homme excite la colère d`un homme.
17. Ny vy maharanitra ny vy, toy izany, ny olona maharanitra ny tarehin' ny sakaizany.
18. Whoso keepeth the fig tree shall eat the fruit thereof: so he that waiteth on his master shall be honoured.
18. Celui qui soigne un figuier en mangera le fruit, Et celui qui garde son maître sera honoré.
18. "Izay miaro aviavy dia hihinana ny voany; ary izay miambina ny tompony dia homem-boninahitra."
19. As in water face answereth to face, so the heart of man to man.
19. Comme dans l`eau le visage répond au visage, Ainsi le coeur de l`homme répond au coeur de l`homme.
19. Toy ny tandindona eny anaty rano izay mifanaraka amin' ny tarehy, dia toy izany no ifanahafan' ny fon' ny olona amin' ny an' olona.
20. Hell and destruction are never full; so the eyes of man are never satisfied.
20. "Le séjour des morts et l`abîme sont insatiables; De même les yeux de l`homme sont insatiables."
20. Ny helo sy ny fandringanana dia tsy mety voky, dia toy izany no tsy ahafa-po mihitsy ny mason' ny olona.
21. As the fining pot for silver, and the furnace for gold; so is a man to his praise.
21. "Le creuset est pour l`argent, et le fourneau pour l`or; Mais un homme est jugé d`après sa renommée."
21. Ny memy ho an' ny volafotsy, ny fatana fandrendrehana ho an' ny volamena, ary ny toetry ny olona dia fantatra amin' izay iderana azy.
22. Though thou shouldest bray a fool in a mortar among wheat with a pestle, yet will not his foolishness depart from him.
22. Quand tu pilerais l`insensé dans un mortier, Au milieu des grains avec le pilon, Sa folie ne se séparerait pas de lui.
22. Na dia miara-totoinao ny fanoto amin' ny varimbazaha ao an-daona aza ny adala, dia tsy mba hiala aminy tsy akory ny hadalany.
23. Be thou diligent to know the state of thy flocks, and look well to thy herds.
23. "Connais bien chacune de tes brebis, Donne tes soins à tes troupeaux;"
23. Mazotoa mamantatra tsara ny tarehin' ny ondry aman' osinao, ary miahia tsara ny andian' ny bibinao.
24. For riches are not for ever: and doth the crown endure to every generation?
24. Car la richesse ne dure pas toujours, Ni une couronne éternellement.
24. "Fa ny harena tsy ho mandrakizay; ary moa haharitra ho amin' ny taranaka rehetra ny satroboninahitra?"
25. The hay appeareth, and the tender grass sheweth itself, and herbs of the mountains are gathered.
25. Le foin s`enlève, la verdure paraît, Et les herbes des montagnes sont recueillies.
25. Maniry ny ahitra ka mitsiry ny solofony ary angonina ny zava-maniry any an-tendrombohitra,
26. The lambs are for thy clothing, and the goats are the price of the field.
26. "Les agneaux sont pour te vêtir, Et les boucs pour payer le champ;"
26. Ny zanak' ondry dia ahazoana fitafiana ho anao, ary ny osilahy no ividianana ny saha.
27. And thou shalt have goats' milk enough for thy food, for the food of thy household, and for the maintenance for thy maidens.
27. Le lait des chèvres suffit à ta nourriture, à celle de ta maison, Et à l`entretien de tes servantes.
27. Ary ho ampy hosotroinao ny rononon' osy sy hanina ho an' ny ankohonanao, sady hiveloman' ny ankizivavinao.
<
>