1. Better is the poor that walketh in his integrity, than he that is perverse in his lips, and is a fool.
1. Mieux vaut le pauvre qui marche dans son intégrité, Que l`homme qui a des lèvres perverses et qui est un insensé.
1. TSARA ny mahantra izay mandeha amin' ny fahitsiany, noho izay miolakolaka amin' ny molony sady adala.
2. Also, that the soul be without knowledge, it is not good; and he that hasteth with his feet sinneth.
2. Le manque de science n`est bon pour personne, Et celui qui précipite ses pas tombe dans le péché.
2. "Koa, tsy tsara raha tsy manam-pahalalana ny fanahy; ary izay maimay manao dingana dia manota."
3. The foolishness of man perverteth his way: and his heart fretteth against the LORD.
3. La folie de l`homme pervertit sa voie, Et c`est contre l`Éternel que son coeur s`irrite.
3. Ny fahadalan' ny olona no mahasimba ny alehany, ka amin' i Jehovah no sosotra ny fony.
4. Wealth maketh many friends; but the poor is separated from his neighbour.
4. La richesse procure un grand nombre d`amis, Mais le pauvre est séparé de son ami.
4. "Mahamaro sakaiza ny harena; fa ny mahantra dia afoin' ny namany."
5. A false witness shall not be unpunished, and he that speaketh lies shall not escape.
5. Le faux témoin ne restera pas impuni, Et celui qui dit des mensonges n`échappera pas.
5. "Tsy ho afa-maina ny vavolombelona mandainga; ary izay miteny lainga tsy ho afa-mandositra."
6. Many will intreat the favour of the prince: and every man is a friend to him that giveth gifts.
6. Beaucoup de gens flattent l`homme généreux, Et tous sont les amis de celui qui fait des présents.
6. "Maro no mandambolambo andriana; ary ny olona rehetra samy misakaiza amin' izay manome zavatra."
7. All the brethren of the poor do hate him: how much more do his friends go far from him? he pursueth them with words, yet they are wanting to him.
7. "Tous les frères du pauvre le haïssent; Combien plus ses amis s`éloignent-ils de lui! Il leur adresse des paroles suppliantes, mais ils disparaissent."
7. "Ny mahantra dia halan' ny rahalahiny rehetra; koa mainka ny sakaizany tsy hanalavitra azy va? Mitady resaka amin' ireo izy fa tsy misy."
8. He that getteth wisdom loveth his own soul: he that keepeth understanding shall find good.
8. "Celui qui acquiert du sens aime son âme; Celui qui garde l`intelligence trouve le bonheur."
8. "Izay mihary fahendrena no tia ny fanahiny; izay mitandrina fahalalana no hahita soa."
9. A false witness shall not be unpunished, and he that speaketh lies shall perish.
9. Le faux témoin ne restera pas impuni, Et celui qui dit des mensonges périra.
9. Ny vavolombelona mandainga dia tsy maintsy hampijaliana, ary ny miteny lainga ho very.
10. Delight is not seemly for a fool; much less for a servant to have rule over princes.
10. "Il ne sied pas à un insensé de vivre dans les délices; Combien moins à un esclave de dominer sur des princes!"
10. Ny firavoravoana dia tsy tandrifiny ho an' ny adala, koa mainka izay hanapahan' ny mpanompo ny zanak' andriana.
11. The discretion of a man deferreth his anger; and it is his glory to pass over a transgression.
11. L`homme qui a de la sagesse est lent à la colère, Et il met sa gloire à oublier les offenses.
11. Ny fahendren' ny olona manindry ny fahatezerany, ary voninahitra ho azy ny tsy mamaly fahadisoana.
12. The king's wrath is as the roaring of a lion; but his favour is as dew upon the grass.
12. La colère du roi est comme le rugissement d`un lion, Et sa faveur est comme la rosée sur l`herbe.
12. "Ny fahatezeran' ny mpanjaka dia toy ny fieron' ny liona; fa ny fankasitrahany kosa dia toy ny ando amin' ny ahitra."
13. A foolish son is the calamity of his father: and the contentions of a wife are a continual dropping.
13. Un fils insensé est une calamité pour son père, Et les querelles d`une femme sont une gouttière sans fin.
13. "Ny zanaka adala mahabe fahoriana ny rainy; ary ny fifandirana ataon' ny vehivavy vady dia toy ny rano mijononoka mandrakariva."
14. House and riches are the inheritance of fathers: and a prudent wife is from the LORD.
14. On peut hériter de ses pères une maison et des richesses, Mais une femme intelligente est un don de l`Éternel.
14. "Trano sy harena no lova avy amin' ny ray; fa ny vady hendry kosa dia avy amin' i Jehovah."
15. Slothfulness casteth into a deep sleep; and an idle soul shall suffer hunger.
15. La paresse fait tomber dans l`assoupissement, Et l`âme nonchalante éprouve la faim.
15. Ny hakamoana mahasondrian-tory, ary ho mosarena ny olona malaina.
16. He that keepeth the commandment keepeth his own soul; but he that despiseth his ways shall die.
16. "Celui qui garde ce qui est commandé garde son âme; Celui qui ne veille pas sur sa voie mourra."
16. "Mitandrina ny fanahiny izay mitandrina ny didy; fa izay tsy mihevitra ny alehany dia ho faty."
17. He that hath pity upon the poor lendeth unto the LORD; and that which he hath given will he pay him again.
17. Celui qui a pitié du pauvre prête à l`Éternel, Qui lui rendra selon son oeuvre.
17. "Izay miantra ny mahantra dia mampisambotra an' i Jehovah; ary izay nomeny dia honerany kosa."
18. Chasten thy son while there is hope, and let not thy soul spare for his crying.
18. "Châtie ton fils, car il y a encore de l`espérance; Mais ne désire point le faire mourir."
18. Faizo ny zanakao raha mbola misy azo antenaina, ary aoka tsy hanimba ny fanahinao ny tomaniny.
19. A man of great wrath shall suffer punishment: for if thou deliver him, yet thou must do it again.
19. "Celui que la colère emporte doit en subir la peine; Car si tu le libères, tu devras y revenir."
19. "Tsy maintsy hofaizina ny lozabe; fa na dia voavonjinao aza izy, dia mbola hanahirana anao ihany indray."
20. Hear counsel, and receive instruction, that thou mayest be wise in thy latter end.
20. Écoute les conseils, et reçois l`instruction, Afin que tu sois sage dans la suite de ta vie.
20. Henoy ny saina atolotra, ary raiso ny fananarana, mba ho hendry ianao amin' izay hiafaranao.
21. There are many devices in a man's heart; nevertheless the counsel of the LORD, that shall stand.
21. Il y a dans le coeur de l`homme beaucoup de projets, Mais c`est le dessein de l`Éternel qui s`accomplit.
21. Maro ny hevitra ao am-pon' ny olona fa ny toro-hevitr' i Jehovah kosa no ho tafatoetra.
22. The desire of a man is his kindness: and a poor man is better than a liar.
22. "Ce qui fait le charme d`un homme, c`est sa bonté; Et mieux vaut un pauvre qu`un menteur."
22. "Fifaliana amin' ny olona ny manisy soa; ary aleo ho mahantra toy izay ho mpandainga."
23. The fear of the LORD tendeth to life: and he that hath it shall abide satisfied; he shall not be visited with evil.
23. La crainte de l`Éternel mène à la vie, Et l`on passe la nuit rassasié, sans être visité par le malheur.
23. "Ny fahatahorana an' i Jehovah no ahazoana fiainana; izay manana an' izany dia tsy mba handry fotsy sady tsy hiharan-doza."
24. A slothful man hideth his hand in his bosom, and will not so much as bring it to his mouth again.
24. Le paresseux plonge sa main dans le plat, Et il ne la ramène pas à sa bouche.
24. Ny kamo dia manafina ny tanany ao an-tratrany ary ny hampakatra azy ho ao am-bavany dia tsy zakany.
25. Smite a scorner, and the simple will beware: and reprove one that hath understanding, and he will understand knowledge.
25. "Frappe le moqueur, et le sot deviendra sage; Reprends l`homme intelligent, et il comprendra la science."
25. "Kapohy ny mpaniratsira, dia ho hendry ny kely saina; ary anaro ny manan-tsaina, dia hahalala fahendrena izy."
26. He that wasteth his father, and chaseth away his mother, is a son that causeth shame, and bringeth reproach.
26. Celui qui ruine son père et qui met en fuite sa mère Est un fils qui fait honte et qui fait rougir.
26. Izay mitohatoha amin-drainy sy mandroaka ny reniny dia zanaka mahamenatra sy mahafa-baràka.
27. Cease, my son, to hear the instruction that causeth to err from the words of knowledge.
27. Cesse, mon fils, d`écouter l`instruction, Si c`est pour t`éloigner des paroles de la science.
27. Anaka, mitsahara tsy hihaino anatra izay mampanalavitra anao ny tenin' ny fahalalana.
28. An ungodly witness scorneth judgment: and the mouth of the wicked devoureth iniquity.
28. Un témoin pervers se moque de la justice, Et la bouche des méchants dévore l`iniquité.
28. "Ny vavolombelona tsy araka an' Andriamanitra dia maniratsira ny fitsarana; ary ny vavan' ny ratsy fanahy mitelina ny ratsy."
29. Judgments are prepared for scorners, and stripes for the back of fools.
29. Les châtiments sont prêts pour les moqueurs, Et les coups pour le dos des insensés.
29. Vonona ho an' ny mpaniratsira ny fanamelohana, ary ny kapoka ho amin' ny lamosin' ny adala.