1. Through desire a man, having separated himself, seeketh and intermeddleth with all wisdom.
1. Celui qui se tient à l`écart cherche ce qui lui plaît, Il s`irrite contre tout ce qui est sage.
1. NY olona manava-tena, dia mikatsaka sy mitsabaka, araka ny faniriany, amin' ny fahendrena rehetra.
2. A fool hath no delight in understanding, but that his heart may discover itself.
2. Ce n`est pas à l`intelligence que l`insensé prend plaisir, C`est à la manifestation de ses pensées.
2. Ny adala tsy mba finaritra amin' ny fahalalana fa te haneho izay ao am-pony.
3. When the wicked cometh, then cometh also contempt, and with ignominy reproach.
3. "Quand vient le méchant, vient aussi le mépris; Et avec la honte, vient l`opprobre."
3. "Raha avy ny ratsy fanahy, dia avy ny fanamavoana; ary miaraka amin' ny fahafaham-baràka ny henatra."
4. The words of a man's mouth are as deep waters, and the wellspring of wisdom as a flowing brook.
4. "Les paroles de la bouche d`un homme sont des eaux profondes; La source de la sagesse est un torrent qui jaillit."
4. Rano lalina ny teny aloaky ny vavan' ny olona, ary ny loharanom-pahendrena dia toy ny sakelidrano miboiboika.
5. It is not good to accept the person of the wicked, to overthrow the righteous in judgment.
5. Il n`est pas bon d`avoir égard à la personne du méchant, Pour faire tort au juste dans le jugement.
5. Tsy mety raha manaiky ny ratsy fanahy mba handresy ny marina amin' ny fitsarana.
6. A fool's lips enter into contention, and his mouth calleth for strokes.
6. Les lèvres de l`insensé se mêlent aux querelles, Et sa bouche provoque les coups.
6. Ny molotry ny adala dia manatona ny fifandirana ary mihantsy kapoka ny vavany.
7. A fool's mouth is his destruction, and his lips are the snare of his soul.
7. La bouche de l`insensé cause sa ruine, Et ses lèvres sont un piège pour son âme.
7. Ny vavan' ny adala no fandringanana azy ary ny molony ihany no fandriky ny fanahiny.
8. The words of a talebearer are as wounds, and they go down into the innermost parts of the belly.
8. Les paroles du rapporteur sont comme des friandises, Elles descendent jusqu`au fond des entrailles.
8. Ny tenin' ny mpitati-bolana dia toy ny ratra, ka mikorotsaka ao anaty kibo indrindra.
9. He also that is slothful in his work is brother to him that is a great waster.
9. Celui qui se relâche dans son travail Est frère de celui qui détruit.
9. Izay malaina amin' ny asany dia rahalahin' ny tena mpanimba.
10. The name of the LORD is a strong tower: the righteous runneth into it, and is safe.
10. "Le nom de l`Éternel est une tour forte; Le juste s`y réfugie, et se trouve en sûreté."
10. "Ny anaran' i Jehovah dia tilikambo mafy; ny marina mihazakazaka ho ao aminy ka voaro."
11. The rich man's wealth is his strong city, and as an high wall in his own conceit.
11. "La fortune est pour le riche une ville forte; Dans son imagination, c`est une haute muraille."
11. Ny haren' ny manankarena no vohitra mafy ho azy, ary raha araka ny heviny, dia toa manda avo izany.
12. Before destruction the heart of man is haughty, and before honour is humility.
12. "Avant la ruine, le coeur de l`homme s`élève; Mais l`humilité précède la gloire."
12. Ny fireharehan' ny fon' ny olona no mialoha ny fahasimbana fa ny fanetren-tena kosa mialoha ny voninahitra.
13. He that answereth a matter before he heareth it, it is folly and shame unto him.
13. Celui qui répond avant d`avoir écouté Fait un acte de folie et s`attire la confusion.
13. Izay mamaly teny mialohan' ny hihainoany dia hadalana sy henatra ho azy izany.
14. The spirit of a man will sustain his infirmity; but a wounded spirit who can bear?
14. "L`esprit de l`homme le soutient dans la maladie; Mais l`esprit abattu, qui le relèvera?"
14. "Ny faharariany dia zakan' ny fanahin' ny olona ihany; fa ny fanahy kivy, iza no mahazaka izany?"
15. The heart of the prudent getteth knowledge; and the ear of the wise seeketh knowledge.
15. Un coeur intelligent acquiert la science, Et l`oreille des sages cherche la science.
15. "Ny fon' ny manan-tsaina mahazo fahalalana; ary ny sofin' ny hendry mitady izany."
16. A man's gift maketh room for him, and bringeth him before great men.
16. Les présents d`un homme lui élargissent la voie, Et lui donnent accès auprès des grands.
16. Ny fanomezan' ny olona mahalalaka ny alehany, ary mitondra azy ho eo anatrehan' ny lehibe.
17. He that is first in his own cause seemeth just; but his neighbour cometh and searcheth him.
17. "Le premier qui parle dans sa cause paraît juste; Vient sa partie adverse, et on l`examine."
17. Izay mandahatra voalohany no toa marina fa nony avy kosa ny andaniny ka manadihady azy.
18. The lot causeth contentions to cease, and parteth between the mighty.
18. Le sort fait cesser les contestations, Et décide entre les puissants.
18. Ny antsapaka mampitsahatra ny ady ary mampisaraka ny samy mahery.
19. A brother offended is harder to be won than a strong city: and their contentions are like the bars of a castle.
19. Des frères sont plus intraitables qu`une ville forte, Et leurs querelles sont comme les verrous d`un palais.
19. Ny mampionona ny rahalahy voaisy ratsy dia sarotra noho ny mahafaka vohitra mafy, ary ny fifandirana aminy dia tahaka ny hidin' ny lapan' ny mpanjaka.
20. A man's belly shall be satisfied with the fruit of his mouth; and with the increase of his lips shall he be filled.
20. C`est du fruit de sa bouche que l`homme rassasie son corps, C`est du produit de ses lèvres qu`il se rassasie.
20. Ny vokatry ny vavan' ny olona no mahavoky soa azy ary ny vokatry ny molony no mahavoky azy.
21. Death and life are in the power of the tongue: and they that love it shall eat the fruit thereof.
21. "La mort et la vie sont au pouvoir de la langue; Quiconque l`aime en mangera les fruits."
21. "Ny fahafatesana sy ny fiainana dia samy ao amin' ny herin' ny lela; ary izay tia azy dia hihinana ny vokany."
22. Whoso findeth a wife findeth a good thing, and obtaineth favour of the LORD.
22. "Celui qui trouve une femme trouve le bonheur; C`est une grâce qu`il obtient de l`Éternel."
22. Izay lehilahy mahazo vady dia mahazo zava-tsoa sady mahita sitraka amin' i Jehovah.
23. The poor useth intreaties; but the rich answereth roughly.
23. Le pauvre parle en suppliant, Et le riche répond avec dureté.
23. Fitarainana no ataon' ny mahantra, fa ny manankarena kosa dia mamaly mahery.
24. A man that hath friends must shew himself friendly: and there is a friend that sticketh closer than a brother.
24. Celui qui a beaucoup d`amis les a pour son malheur, Mais il est tel ami plus attaché qu`un frère.
24. "Ny olona izay manana namana, dia tsy maintsy mampiseho ny tenany ho tia firahalahiana; ary misy namana izay mifikitra noho ny rahalahy aza."
<
>