1. Every wise woman buildeth her house: but the foolish plucketh it down with her hands.
1. La femme sage bâtit sa maison, Et la femme insensée la renverse de ses propres mains.
1. "MANORINA ny tranony ny vehivavy hendry rehetra; fa ny adala kosa dia mandrava ny tranony amin' ny tanany."
2. He that walketh in his uprightness feareth the LORD: but he that is perverse in his ways despiseth him.
2. Celui qui marche dans la droiture craint l`Éternel, Mais celui qui prend des voies tortueuses le méprise.
2. "Matahotra an' i Jehovah izay mandeha amin' ny fahitsiany; fa manamavo Azy kosa izay mivily lalana."
3. In the mouth of the foolish is a rod of pride: but the lips of the wise shall preserve them.
3. Dans la bouche de l`insensé est une verge pour son orgueil, Mais les lèvres des sages les gardent.
3. "Eo ambavan' ny adala misy tsorakazon' ny fiavonavonana; fa ny molotry ny hendry no hiaro ny tenany."
4. Where no oxen are, the crib is clean: but much increase is by the strength of the ox.
4. "S`il n`y a pas de boeufs, la crèche est vide; C`est à la vigueur des boeufs qu`on doit l`abondance des revenus."
4. "Raha tsy misy omby, dia foana ny fihinanam-bilona; fa be ny fitomboan-karena azo amin' ny herin' ny omby."
5. A faithful witness will not lie: but a false witness will utter lies.
5. Un témoin fidèle ne ment pas, Mais un faux témoin dit des mensonges.
5. "Ny vavolombelona mahatoky tsy mba handainga; fa ny vavolombelona tsy marina dia hilaza lainga tokoa."
6. A scorner seeketh wisdom, and findeth it not: but knowledge is easy unto him that understandeth.
6. Le moqueur cherche la sagesse et ne la trouve pas, Mais pour l`homme intelligent la science est chose facile.
6. "Mikatsaka fahendrena ny mpaniratsira fa tsy mahita; fa ny manan-tsaina mora mahazo fahalalana."
7. Go from the presence of a foolish man, when thou perceivest not in him the lips of knowledge.
7. "Éloigne-toi de l`insensé; Ce n`est pas sur ses lèvres que tu aperçois la science."
7. Mialà eo anatrehan' ny olona adala, fa tsy ho hitanao aminy ny molotry ny fahalalana.
8. The wisdom of the prudent is to understand his way: but the folly of fools is deceit.
8. "La sagesse de l`homme prudent, c`est l`intelligence de sa voie; La folie des insensés, c`est la tromperie."
8. "Ny mitandrina ny alehany no fahendren' ny mahira-tsaina; fa fitaka ny hadalan' ny adala."
9. Fools make a mock at sin: but among the righteous there is favour.
9. Les insensés se font un jeu du péché, Mais parmi les hommes droits se trouve la bienveillance.
9. "Ihomehezan' ny adala ny heloka; fa ao amin' ny marina no misy fankasitrahana."
10. The heart knoweth his own bitterness; and a stranger doth not intermeddle with his joy.
10. Le coeur connaît ses propres chagrins, Et un étranger ne saurait partager sa joie.
10. "Ny fo ihany no mahalala ny fangidiany; ary tsy raharahan' ny olon-kafa ny hafaliany."
11. The house of the wicked shall be overthrown: but the tabernacle of the upright shall flourish.
11. La maison des méchants sera détruite, Mais la tente des hommes droits fleurira.
11. "Horavana ny tranon' ny ratsy fanahy; fa hambinina ny lain' ny mahitsy."
12. There is a way which seemeth right unto a man, but the end thereof are the ways of death.
12. Telle voie paraît droite à un homme, Mais son issue, c`est la voie de la mort.
12. Misy lalana ataon' ny olona ho mahitsy, kanjo lalana mivarina any amin' ny fahafatesana no iafarany.
13. Even in laughter the heart is sorrowful; and the end of that mirth is heaviness.
13. Au milieu même du rire le coeur peut être affligé, Et la joie peut finir par la détresse.
13. Na dia mihomehy aza, dia ory ihany ny fo, ary ny faran' izany hafaliana izany dia alahelo.
14. The backslider in heart shall be filled with his own ways: and a good man shall be satisfied from himself.
14. Celui dont le coeur s`égare se rassasie de ses voies, Et l`homme de bien se rassasie de ce qui est en lui.
14. "Ny mihemotra am-po dia ho voky ny alehany; fa ny tsara fanahy kosa dia ho voky ny azy ihany."
15. The simple believeth every word: but the prudent man looketh well to his going.
15. L`homme simple croit tout ce qu`on dit, Mais l`homme prudent est attentif à ses pas.
15. "Mino ny teny rehetra ny kely saina; fa mandinika tsara ny diany ny mahira-tsaina."
16. A wise man feareth, and departeth from evil: but the fool rageth, and is confident.
16. Le sage a de la retenue et se détourne du mal, Mais l`insensé est arrogant et plein de sécurité.
16. "Ny hendry matahotra ka mivily tsy ho amin' ny ratsy; fa misafoaka ny adala, ka matokitoky foana."
17. He that is soon angry dealeth foolishly: and a man of wicked devices is hated.
17. Celui qui est prompt à la colère fait des sottises, Et l`homme plein de malice s`attire la haine.
17. "Izay malaky tezitra dia manao adaladala; ary ny olona izay mamoron-tsain-dratsy dia ankahalaina."
18. The simple inherit folly: but the prudent are crowned with knowledge.
18. Les simples ont en partage la folie, Et les hommes prudents se font de la science une couronne.
18. "Ny kely saina dia handova fahadalana; fa ny mahira-tsaina ho satroham-boninahitra fahalalana."
19. The evil bow before the good; and the wicked at the gates of the righteous.
19. Les mauvais s`inclinent devant les bons, Et les méchants aux portes du juste.
19. Ny ratsy fanahy dia miondrika eo anoloan' ny tsara fanahy, ary ny meloka dia eo am-bavahadin' ny marina.
20. The poor is hated even of his own neighbour: but the rich hath many friends.
20. Le pauvre est odieux même à son ami, Mais les amis du riche sont nombreux.
20. "Mankahala ny mahantra, na dia ny namany aza; fa maro ny sakaizan' ny manankarena."
21. He that despiseth his neighbour sinneth: but he that hath mercy on the poor, happy is he.
21. Celui qui méprise son prochain commet un péché, Mais heureux celui qui a pitié des misérables!
21. "Izay manao tsinontsinona ny namany dia manota; fa sambatra izay mamindra fo amin' ny mahantra."
22. Do they not err that devise evil? but mercy and truth shall be to them that devise good.
22. Ceux qui méditent le mal ne s`égarent-ils pas? Mais ceux qui méditent le bien agissent avec bonté et fidélité.
22. Tsy mivily va izay manao ny ratsy? fa famindrampo sy fahamarinana no ho an' izay manao ny tsara.
23. In all labour there is profit: but the talk of the lips tendeth only to penury.
23. Tout travail procure l`abondance, Mais les paroles en l`air ne mènent qu`à la disette.
23. "Misy valiny avokoa ny fisasarana rehetra; fa mitondra ho amin' ny fahantrana ny molotra mibedibedy foana."
24. The crown of the wise is their riches: but the foolishness of fools is folly.
24. "La richesse est une couronne pour les sages; La folie des insensés est toujours de la folie."
24. Satroboninahitry ny hendry ny hareny, fa ny fahadalan' ny adala dia hadalana ihany.
25. A true witness delivereth souls: but a deceitful witness speaketh lies.
25. Le témoin véridique délivre des âmes, Mais le trompeur dit des mensonges.
25. "Ny vavolombelona marina dia mamonjy ain' olona; fa ny vavolombelona mamitaka dia milaza lainga."
26. In the fear of the LORD is strong confidence: and his children shall have a place of refuge.
26. Celui qui craint l`Éternel possède un appui ferme, Et ses enfants ont un refuge auprès de lui.
26. "Misy fahatokiana be ao amin' ny fahatahorana an' i Jehovah; ary ny zanany hahazo fialofana."
27. The fear of the LORD is a fountain of life, to depart from the snares of death.
27. La crainte de l`Éternel est une source de vie, Pour détourner des pièges de la mort.
27. Ny fahatahorana an' i Jehovah no loharanon' aina, hanalavirana ny fandriky ny fahafatesana.
28. In the multitude of people is the king's honour: but in the want of people is the destruction of the prince.
28. "Quand le peuple est nombreux, c`est la gloire d`un roi; Quand le peuple manque, c`est la ruine du prince."
28. "Ny fahabetsahan' ny vahoaka no voninahitry ny mpanjaka; fa ny havitsiany kosa no fandravana ny mpanapaka."
29. He that is slow to wrath is of great understanding: but he that is hasty of spirit exalteth folly.
29. Celui qui est lent à la colère a une grande intelligence, Mais celui qui est prompt à s`emporter proclame sa folie.
29. "Be fahalalana izay mahatsindry fo; fa mampiseho ny fahadalany ny malaky tezitra."
30. A sound heart is the life of the flesh: but envy the rottenness of the bones.
30. Un coeur calme est la vie du corps, Mais l`envie est la carie des os.
30. "Ny fo salama no fiainan' ny nofo; fa ny fitsiriritana dia lò ao anatin' ny taolana."
31. He that oppresseth the poor reproacheth his Maker: but he that honoureth him hath mercy on the poor.
31. "Opprimer le pauvre, c`est outrager celui qui l`a fait; Mais avoir pitié de l`indigent, c`est l`honorer."
31. "Izay mampahory ny mahantra, dia manala baràka ny Mpanao azy; fa manome voninahitra Azy kosa ny mamindra fo amin' ny mahantra."
32. The wicked is driven away in his wickedness: but the righteous hath hope in his death.
32. Le méchant est renversé par sa méchanceté, Mais le juste trouve un refuge même en sa mort.
32. "Roahina noho ny haratsiany ny ratsy fanahy; fa ny marina manana fanantenana na dia amin' ny fahafatesana aza."
33. Wisdom resteth in the heart of him that hath understanding: but that which is in the midst of fools is made known.
33. Dans un coeur intelligent repose la sagesse, Mais au milieu des insensés elle se montre à découvert.
33. "Ny fahendrena dia mitoetra ao am-pon' ny manan-tsaina; fa izay ao anatin' ny adala kosa dia miharihary."
34. Righteousness exalteth a nation: but sin is a reproach to any people.
34. La justice élève une nation, Mais le péché est la honte des peuples.
34. "Ny fahamarinana manandratra ny firenena; fa ny ota kosa dia fahafaham-baràka amin' ny olona."
35. The king's favour is toward a wise servant: but his wrath is against him that causeth shame.
35. La faveur du roi est pour le serviteur prudent, Et sa colère pour celui qui fait honte.
35. "Ny fankasitrahan' ny mpanjaka dia amin' ny mpanompo hendry; fa ny fahatezerany kosa amin' ny manao izay mahamenatra."
<
>