1. A false balance is abomination to the LORD: but a just weight is his delight.
1. La balance fausse est en horreur à l`Éternel, Mais le poids juste lui est agréable.
1. "NY mizana mandainga dia fahavetavetana amin' i Jehovah; fa ny lanja marina no ankasitrahany."
2. When pride cometh, then cometh shame: but with the lowly is wisdom.
2. "Quand vient l`orgueil, vient aussi l`ignominie; Mais la sagesse est avec les humbles."
2. "Raha tonga ny fiavonavonana, dia tonga ny fahamenarana; fa ao amin' ny manetry tena no misy fahendrena."
3. The integrity of the upright shall guide them: but the perverseness of transgressors shall destroy them.
3. L`intégrité des hommes droits les dirige, Mais les détours des perfides causent leur ruine.
3. "Ny fahitsian' ny mahitsy no hitarika azy; fa ny faharatsian' ny mpandika lalàna handringana azy."
4. Riches profit not in the day of wrath: but righteousness delivereth from death.
4. "Au jour de la colère, la richesse ne sert à rien; Mais la justice délivre de la mort."
4. "Ny harena dia tsy mahasoa amin' ny andro fahatezerana; fa ny fahamarinana manafaka amin' ny fahafatesana."
5. The righteousness of the perfect shall direct his way: but the wicked shall fall by his own wickedness.
5. La justice de l`homme intègre aplanit sa voie, Mais le méchant tombe par sa méchanceté.
5. "Ny fahamarinan' ny tsy misy tsiny hitarika ny alehany; fa ho lavon' ny haratsiany ihany ny ratsy fanahy."
6. The righteousness of the upright shall deliver them: but transgressors shall be taken in their own naughtiness.
6. La justice des hommes droits les délivre, Mais les méchants sont pris par leur malice.
6. "Ny fahamarinan' ny mahitsy hanafaka azy; fa ny mandika lalàna dia ho voafandriky ny faharatsiam-panahiny ihany."
7. When a wicked man dieth, his expectation shall perish: and the hope of unjust men perisheth.
7. A la mort du méchant, son espoir périt, Et l`attente des hommes iniques est anéantie.
7. "Rehefa maty ny ratsy fanahy dia ho foana ny fanantenany; ary ho foana ny fanantenan' ny olona tsy marina."
8. The righteous is delivered out of trouble, and the wicked cometh in his stead.
8. Le juste est délivré de la détresse, Et le méchant prend sa place.
8. Ny marina dia afahana amin' ny fahoriana, fa avy kosa ny ratsy fanahy hisolo azy.
9. An hypocrite with his mouth destroyeth his neighbour: but through knowledge shall the just be delivered.
9. Par sa bouche l`impie perd son prochain, Mais les justes sont délivrés par la science.
9. "Ny vavan' ny mpihatsaravelatsihy no animbany ny namany; fa ny fahalalana no hanafahana ny marina."
10. When it goeth well with the righteous, the city rejoiceth: and when the wicked perish, there is shouting.
10. "Quand les justes sont heureux, la ville est dans la joie; Et quand les méchants périssent, on pousse des cris d`allégresse."
10. "Raha miadana ny marina, dia ravoravo ny tanàna; ary raha ringana ny ratsy fanahy dia velona ny hoby."
11. By the blessing of the upright the city is exalted: but it is overthrown by the mouth of the wicked.
11. La ville s`élève par la bénédiction des hommes droits, Mais elle est renversée par la bouche des méchants.
11. "Ny fitahiana ny mahitsy no isandratan' ny tanàna; fa ny vavan' ny ratsy fanahy no aharavany."
12. He that is void of wisdom despiseth his neighbour: but a man of understanding holdeth his peace.
12. Celui qui méprise son prochain est dépourvu de sens, Mais l`homme qui a de l`intelligence se tait.
12. "Tsy manam-pahendrena izay manamavo ny namany; fa izay hendry dia mangina."
13. A talebearer revealeth secrets: but he that is of a faithful spirit concealeth the matter.
13. Celui qui répand la calomnie dévoile les secrets, Mais celui qui a l`esprit fidèle les garde.
13. "Izay mandehandeha manaratsy dia manambara zava-miafina; fa izay manana fanahy mahatoky dia manafina ny anton-javatra."
14. Where no counsel is, the people fall: but in the multitude of counsellors there is safety.
14. "Quand la prudence fait défaut, le peuple tombe; Et le salut est dans le grand nombre des conseillers."
14. "Raha tsy misy ny tolo-tsaina, dia ho rava ny firenena; fa amin' ny hamaroan' ny mpanolo-tsaina no hisian' ny fandriampahalemana."
15. He that is surety for a stranger shall smart for it: and he that hateth suretiship is sure.
15. Celui qui cautionne autrui s`en trouve mal, Mais celui qui craint de s`engager est en sécurité.
15. Hahita loza tokoa ny mianto-bahiny fa mitoetra tsy manana ahiahy ny tsy tia antoka.
16. A gracious woman retaineth honour: and strong men retain riches.
16. Une femme qui a de la grâce obtient la gloire, Et ceux qui ont de la force obtiennent la richesse.
16. "Mahazo dera ny vehivavy tsara fanahy; ary mahazo harena ny lehilahy mahery."
17. The merciful man doeth good to his own soul: but he that is cruel troubleth his own flesh.
17. L`homme bon fait du bien à son âme, Mais l`homme cruel trouble sa propre chair.
17. "Manisy soa ny fanahiny ihany ny olona mamindra fo; fa ny lozabe mampahory ny nofony ihany."
18. The wicked worketh a deceitful work: but to him that soweth righteousness shall be a sure reward.
18. Le méchant fait un gain trompeur, Mais celui qui sème la justice a un salaire véritable.
18. "Manao asa misy fitaka ny ratsy fanahy; fa izay mamafy fahamarinana no mahazo izay tena valiny tokoa."
19. As righteousness tendeth to life: so he that pursueth evil pursueth it to his own death.
19. Ainsi la justice conduit à la vie, Mais celui qui poursuit le mal trouve la mort.
19. Toy ny fahamarinana mankamin' ny fiainana, dia toy izany izay fatra-panaraka ny ratsy dia mankamin' ny fahafatesana.
20. They that are of a froward heart are abomination to the LORD: but such as are upright in their way are his delight.
20. Ceux qui ont le coeur pervers sont en abomination à l`Éternel, Mais ceux dont la voie est intègre lui sont agréables.
20. Fahavetavetana eo imason' i Jehovah izay meloka am-po fa ankasitrahany kosa izay mandeha tsy misy tsiny.
21. Though hand join in hand, the wicked shall not be unpunished: but the seed of the righteous shall be delivered.
21. Certes, le méchant ne restera pas impuni, Mais la postérité des justes sera sauvée.
21. "Azo ifandraisan-tanana fa tsy maintsy faizina ny ratsy fanahy; fa ny taranaky ny marina hafahana."
22. As a jewel of gold in a swine's snout, so is a fair woman which is without discretion.
22. Un anneau d`or au nez d`un pourceau, C`est une femme belle et dépourvue de sens.
22. Toy ny kavim-bolamena eo amin' ny oron-kisoa ny vehivavy tsara tarehy tsy manam-pahendrena.
23. The desire of the righteous is only good: but the expectation of the wicked is wrath.
23. "Le désir des justes, c`est seulement le bien; L`attente des méchants, c`est la fureur."
23. "Ny soa ihany no irin' ny marina; fa fahatezerana no fanantenan' ny ratsy fanahy."
24. There is that scattereth, and yet increaseth; and there is that withholdeth more than is meet, but it tendeth to poverty.
24. "Tel, qui donne libéralement, devient plus riche; Et tel, qui épargne à l`excès, ne fait que s`appauvrir."
24. "Misy mizara, nefa mitombo ihany; ary misy fatra-pamihina, nefa tonga mahantra ihany."
25. The liberal soul shall be made fat: and he that watereth shall be watered also himself.
25. L`âme bienfaisante sera rassasiée, Et celui qui arrose sera lui-même arrosé.
25. "Izay olona malala-tanana hohatavezina; ary izay manondraka dia mba ho tondrahana koa."
26. He that withholdeth corn, the people shall curse him: but blessing shall be upon the head of him that selleth it.
26. Celui qui retient le blé est maudit du peuple, Mais la bénédiction est sur la tête de celui qui le vend.
26. Izay mamihina ny varimbazahany dia ozonin' ny olona fa fitahiana no ho amin' ny lohan' izay mivarotra izany.
27. He that diligently seeketh good procureth favour: but he that seeketh mischief, it shall come unto him.
27. Celui qui recherche le bien s`attire de la faveur, Mais celui qui poursuit le mal en est atteint.
27. Izay fatra-pikatsaka ny tsara no mitady fankasitrahana, fa izay mitady ny ratsy dia hiharan' izany.
28. He that trusteth in his riches shall fall; but the righteous shall flourish as a branch.
28. Celui qui se confie dans ses richesses tombera, Mais les justes verdiront comme le feuillage.
28. "Izay matoky ny hareny dia ho lavo; fa ny marina hamololona tahaka ny sampana."
29. He that troubleth his own house shall inherit the wind: and the fool shall be servant to the wise of heart.
29. Celui qui trouble sa maison héritera du vent, Et l`insensé sera l`esclave de l`homme sage.
29. "Izay mampahory ny ankohonany dia handova rivotra; ary ny adala dia tonga mpanompon' ny hendry am-po."
30. The fruit of the righteous is a tree of life; and he that winneth souls is wise.
30. Le fruit du juste est un arbre de vie, Et le sage s`empare des âmes.
30. Ny vokatry ny marina dia hazon' aina, ary izay mahataona olona dia hendry.
31. Behold, the righteous shall be recompensed in the earth: much more the wicked and the sinner.
31. "Voici, le juste reçoit sur la terre une rétribution; Combien plus le méchant et le pécheur!"
31. Indro, ny marina aza dia valiana ety an-tany, koa mainka fa ny ratsy fanahy sy ny mpanota.
<
>