A Levite and His Concubine
1. And it came to pass in those days, when there was no king in Israel, that there was a certain Levite sojourning on the side of mount Ephraim, who took to him a concubine out of Bethlehemjudah.
1. Dans ce temps où il n`y avait point de roi en Israël, un Lévite, qui séjournait à l`extrémité de la montagne d`Éphraïm, prit pour sa concubine une femme de Bethléhem de Juda.
1. Ary izao no niseho tamin' izany andro izany, raha tsy nisy mpanjaka teo amin' ny Isiraely, dia nisy Levita anankiray nivahiny tany an-tsisin' ny tendrombohitr' i Efraima, izay naka vaditsindrano avy any Betlehema-joda.
2. And his concubine played the whore against him, and went away from him unto her father's house to Bethlehemjudah, and was there four whole months.
2. Sa concubine lui fit infidélité, et elle le quitta pour aller dans la maison de son père à Bethléhem de Juda, où elle resta l`espace de quatre mois.
2. "Ary ny vaditsindranony nijangajanga sy nisintaka taminy ka nandao azy; ary nankany an-tranon-drainy any Betlehema-joda, dia nitoetra tao efa-bolana mipaka."
3. And her husband arose, and went after her, to speak friendly unto her, and to bring her again, having his servant with him, and a couple of asses: and she brought him into her father's house: and when the father of the damsel saw him, he rejoiced to meet him.
3. "Son mari se leva et alla vers elle, pour parler à son coeur et la ramener. Il avait avec lui son serviteur et deux ânes. Elle le fit entrer dans la maison de son père; et quand le père de la jeune femme le vit, il le reçut avec joie."
3. "Ary niainga ralehilahy vadiny ka nandeha nanaraka azy hanao teny malefaka taminy hampody azy ary nitondra ny mpanompony sy boriky roa; dia nampiantranoin-dravehivavy ho ao an-tranon-drainy izy, ka nony hitan' ny rain-dravehivavy ralehilahy, dia faly nihaona taminy izy."
4. And his father in law, the damsel's father, retained him; and he abode with him three days: so they did eat and drink, and lodged there.
4. Son beau-père, le père de la jeune femme, le retint trois jours chez lui. Ils mangèrent et burent, et ils y passèrent la nuit.
4. Ary nihazona azy ny rafozany, rain-drazazavavy ka nitoetra tao aminy hateloana izy, dia nihinana sy nisotro ary nandry tao izy ireo.
5. And it came to pass on the fourth day, when they arose early in the morning, that he rose up to depart: and the damsel's father said unto his son in law, Comfort thine heart with a morsel of bread, and afterward go your way.
5. "Le quatrième jour, ils se levèrent de bon matin, et le Lévite se disposait à partir. Mais le père de la jeune femme dit à son gendre: Prends un morceau de pain pour fortifier ton coeur; vous partirez ensuite."
5. Ary izao no niseho tamin' ny andro fahefatra, rehefa nifoha maraina koa izy ka niomana handeha, dia hoy ny rain-drazazavavy tamin' ny vinantony: Hatanjaho amin' ny mofo kely aloha ny fonao, ary rehefa afaka izany dia handeha ianareo.
6. And they sat down, and did eat and drink both of them together: for the damsel's father had said unto the man, Be content, I pray thee, and tarry all night, and let thine heart be merry.
6. Et ils s`assirent, et ils mangèrent et burent eux deux ensemble. Puis le père de la jeune femme dit au mari: Décide-toi donc à passer la nuit, et que ton coeur se réjouisse.
6. "Dia nipetraka izy ireo ka niara-nihinana sy nisotro; fa efa hoy ny rain-drazazavavy tamin-dralehilahy: Masìna ianao, mba maneke ny hijanona anio alina manontolo, ary aoka ho faly ny fonao."
7. And when the man rose up to depart, his father in law urged him: therefore he lodged there again.
7. "Le mari se levait pour s`en aller; mais, sur les instances de son beau-père, il passa encore la nuit."
7. Ary raha niomana handeha ralehilahy, dia nanery azy hitoetra ny rafozany, ka dia tafandriana tao indray izy.
8. And he arose early in the morning on the fifth day to depart: and the damsel's father said, Comfort thine heart, I pray thee. And they tarried until afternoon, and they did eat both of them.
8. "Le cinquième jour, il se leva de bon matin pour partir. Alors le père de la jeune femme dit: Fortifie ton coeur, je te prie; et restez jusqu`au déclin du jour. Et ils mangèrent eux deux."
8. "Dia nifoha maraina koa izy handeha nony tamin' ny andro fahadimy; fa hoy ny rain-drazazavavy: Masìna ianao, hatanjaho ny fonao. Dia nijanona mandra-pihilan' ny andro izy ireo, ary dia niara-nihinana izy roa lahy."
9. And when the man rose up to depart, he, and his concubine, and his servant, his father in law, the damsel's father, said unto him, Behold, now the day draweth toward evening, I pray you tarry all night: behold, the day groweth to an end, lodge here, that thine heart may be merry; and to morrow get you early on your way, that thou mayest go home.
9. "Le mari se levait pour s`en aller, avec sa concubine et son serviteur; mais son beau-père, le père de la jeune femme, lui dit: Voici, le jour baisse, il se fait tard, passez donc la nuit; voici, le jour est sur son déclin, passe ici la nuit, et que ton coeur se réjouisse; demain vous vous lèverez de bon matin pour vous mettre en route, et tu t`en iras à ta tente."
9. "Ary raha niainga handeha ralehilahy sy ny vaditsindranony ary ny mpanompony, dia hoy ny rafozany, rain-drazazavavy taminy: Indro, efa ho hariva ny andro izao, koa masìna ianao, mijanona re mandritra ny alina, indro, efa hifarana ny andro, ka mandria eto, mba hifalian' ny fonao; ary rahampitso dia hifoha maraina koa ianao, ka handeha hody."
10. But the man would not tarry that night, but he rose up and departed, and came over against Jebus, which is Jerusalem; and there were with him two asses saddled, his concubine also was with him.
10. Le mari ne voulut point passer la nuit, il se leva et partit. Il arriva jusque devant Jebus, qui est Jérusalem, avec les deux ânes bâtés et avec sa concubine.
10. "Fa tsy nety nijanona intsony ralehilahy tamin' izany alina izany, fa niainga ihany izy ka nandeha, dia tonga tandrifin' i Jebosa, Jerosalema izany; ary boriky roa samy voaisy lasely no teo aminy, ary ny vaditsindranony niaraka taminy koa."
11. And when they were by Jebus, the day was far spent; and the servant said unto his master, Come, I pray thee, and let us turn in into this city of the Jebusites, and lodge in it.
11. Lorsqu`ils furent près de Jebus, le jour avait beaucoup baissé. Le serviteur dit alors à son maître: Allons, dirigeons-nous vers cette ville des Jébusiens, et nous y passerons la nuit.
11. Ary rehefa mby teo akaiky an' i Jebosa izy, dia efa ho hariva ny andro, ka hoy ny mpanompony tamin' ny tompony: Masìna ianao, andeha hiakatra ato amin' ity tanànan' ny Jebosita ity isika ka handry ato.
12. And his master said unto him, We will not turn aside hither into the city of a stranger, that is not of the children of Israel; we will pass over to Gibeah.
12. Son maître lui répondit: Nous n`entrerons pas dans une ville d`étrangers, où il n`y a point d`enfants d`Israël, nous irons jusqu`à Guibea.
12. Fa hoy ny tompony taminy: Tsy hiakatra amin' ny tanànan' ny olona hafa firenena isika, fa handroso ihany ho any Gibea.
13. And he said unto his servant, Come, and let us draw near to one of these places to lodge all night, in Gibeah, or in Ramah.
13. Il dit encore à son serviteur: Allons, approchons-nous de l`un de ces lieux, Guibea ou Rama, et nous y passerons la nuit.
13. Dia hoy izy tamin' ny mpanompony: Andeha isika hankamin' ny anankiray amin' ireto tanàna ireto, dia any Gibea, na any Rama, ka handry mandritra ny alina any.
14. And they passed on and went their way; and the sun went down upon them when they were by Gibeah, which belongeth to Benjamin.
14. Ils continuèrent à marcher, et le soleil se coucha quand ils furent près de Guibea, qui appartient à Benjamin.
14. "Dia nandroso izy ka nandeha; ary raha mbola teo akaiky an' i Gibea izay an' ny Benjamina izy, dia nilentika ny masoandro."
15. And they turned aside thither, to go in and to lodge in Gibeah: and when he went in, he sat him down in a street of the city: for there was no man that took them into his house to lodging.
15. Ils se dirigèrent de ce côté pour aller passer la nuit à Guibea. Le Lévite entra, et il s`arrêta sur la place de la ville. Il n`y eut personne qui les reçût dans sa maison pour qu`ils y passassent la nuit.
15. "Ka dia nivily teo izy handeha handry any Gibea; ary raha niakatra izy dia nipetraka teo amin' ny lalamben' ny tanàna; fa tsy nisy olona nampiantrano azy handry tao an-tranony."
16. And, behold, there came an old man from his work out of the field at even, which was also of mount Ephraim; and he sojourned in Gibeah: but the men of the place were Benjamites.
16. "Et voici, un vieillard revenait le soir de travailler aux champs; cet homme était de la montagne d`Éphraïm, il séjournait à Guibea, et les gens du lieu étaient Benjamites."
16. "Ary, indro, nisy lehilahy anti-panahy avy niasa tany an-tsaha nony hariva, sady olona avy any an-tendrombohitr' i Efraima koa izy, saingy nivahiny tany Gibea; fa ny lehilahy tao amin' izany tany izany dia Benjamita."
17. And when he had lifted up his eyes, he saw a wayfaring man in the street of the city: and the old man said, Whither goest thou? and whence comest thou?
17. Il leva les yeux, et vit le voyageur sur la place de la ville. Et le vieillard lui dit: Où vas-tu, et d`où viens-tu?
17. Ary rehefa nanopy ny masony izy dia nahita vahiny teo an-dalamben' ny tanàna, dia hoy ilay lahiantitra: Hankaiza moa ianao? ary avy taiza?
18. And he said unto him, We are passing from Bethlehemjudah toward the side of mount Ephraim; from thence am I: and I went to Bethlehemjudah, but I am now going to the house of the LORD; and there is no man that receiveth me to house.
18. Il lui répondit: Nous allons de Bethléhem de Juda jusqu`à l`extrémité de la montagne d`Éphraïm, d`où je suis. J`étais allé à Bethléhem de Juda, et je me rends à la maison de l`Éternel. Mais il n`y a personne qui me reçoive dans sa demeure.
18. "Dia hoy izy taminy: Avy tany Betlehema-joda izahay ka hankany antsisin' ny tendrombohitr' i Efraima, fa any no tany niaviako; ary nankany Betlehema-joda aho, fa ho any an-tranon' i Jehovah aho izao; ary tsy misy olona mampiantrano ahy."
19. Yet there is both straw and provender for our asses; and there is bread and wine also for me, and for thy handmaid, and for the young man which is with thy servants: there is no want of any thing.
19. "Nous avons cependant de la paille et du fourrage pour nos ânes; nous avons aussi du pain et du vin pour moi, pour ta servante, et pour le garçon qui est avec tes serviteurs. Il ne nous manque rien."
19. "Kanefa misy mololo sy hanina ihany ho an' ny bibinay, sady misy mofo sy divay ho ahy sy ny mpanompovavinao ary ho an' ny zatovo izay manaraka ny mpanomponao; tsy misy zavatra ilainay intsony."
20. And the old man said, Peace be with thee; howsoever let all thy wants lie upon me; only lodge not in the street.
20. Le vieillard dit: Que la paix soit avec toi! Je me charge de tous tes besoins, tu ne passeras pas la nuit sur la place.
20. Ary hoy ilay lahiantitra: Fiadanana anie ho anao: aoka ho adidiko izay rehetra ilainao, fa aza mandry eto an-dalambe.
21. So he brought him into his house, and gave provender unto the asses: and they washed their feet, and did eat and drink.
21. "Il les fit entrer dans sa maison, et il donna du fourrage aux ânes. Les voyageurs se lavèrent les pieds; puis ils mangèrent et burent."
21. "Dia nitondra azy tany an-tranony izy ka nampihinana ny boriky; dia nanasa tongotra izy ireo ka nihinana sy nisotro."
22. Now as they were making their hearts merry, behold, the men of the city, certain sons of Belial, beset the house round about, and beat at the door, and spake to the master of the house, the old man, saying, Bring forth the man that came into thine house, that we may know him.
22. Pendant qu`ils étaient à se réjouir, voici, les hommes de la ville, gens pervers, entourèrent la maison, frappèrent à la porte, et dirent au vieillard, maître de la maison: Fais sortir l`homme qui est entré chez toi, pour que nous le connaissions.
22. Ary raha mbola nampifaly ny fony izy ireo, indreo, ny lehilahy sasany tao an-tanàna izay zanak' i Beliala, nanodidina ny trano ka nandondòna mafy ny varavarana ary niteny tamin' ilay lahiantitra tompon-trano hoe: Avoahy ny lehilahy izay niditra tato an-tranonao mba hahalalanay azy.
23. And the man, the master of the house, went out unto them, and said unto them, Nay, my brethren, nay, I pray you, do not so wickedly; seeing that this man is come into mine house, do not this folly.
23. "Le maître de la maison, se présentant à eux, leur dit: Non, mes frères, ne faites pas le mal, je vous prie; puisque cet homme est entré dans ma maison, ne commettez pas cette infamie."
23. "Dia nivoaka nankeo aminy ralehilahy tompon-trano ka nanao taminy hoe: Tsia, ry rahalahiko, masìna ianareo, aza manao ratsy; fa tonga ato an-tranoko ity lehilahy ity, koa aza manao izany fahadalana izany ianareo."
24. Behold, here is my daughter a maiden, and his concubine; them I will bring out now, and humble ye them, and do with them what seemeth good unto you: but unto this man do not so vile a thing.
24. "Voici, j`ai une fille vierge, et cet homme a une concubine; je vous les amènerai dehors; vous les déshonorerez, et vous leur ferez ce qu`il vous plaira. Mais ne commettez pas sur cet homme une action aussi infâme."
24. Indreto, ny zanako vavy virijina sy ny vaditsindranon-dralehilahy, ireo no hoentiko mivoaka ankehitriny ka ampietreo izy, ary ataovy aminy izay sitrakareo, fa ity lehilahy ity dia aza anaovanareo izany zava-dratsy indrindra izany.
25. But the men would not hearken to him: so the man took his concubine, and brought her forth unto them; and they knew her, and abused her all the night until the morning: and when the day began to spring, they let her go.
25. "Ces gens ne voulurent point l`écouter. Alors l`homme prit sa concubine, et la leur amena dehors. Ils la connurent, et ils abusèrent d`elle toute la nuit jusqu`au matin; puis ils la renvoyèrent au lever de l`aurore."
25. "Fa tsy nety nihaino azy ireo lehilahy ireo, ka dia nalain-dralehilahy ilay vadi-tsindranony ka navoakany taminy teo ala-trano dia nahalala azy ireo ka nanao faharatsiana taminy mandritra ny alina mandra-pahamarain' ny andro; ary rehefa hiposaka ny masoandro, vao nalefany handeha izy."
26. Then came the woman in the dawning of the day, and fell down at the door of the man's house where her lord was, till it was light.
26. Vers le matin, cette femme alla tomber à l`entrée de la maison de l`homme chez qui était son mari, et elle resta là jusqu`au jour.
26. Ary rehefa ho maraina ny andro, dia tonga ravehivavy, ka lavo teo am-baravaran' ny tranon-dralehilahy, izay nitoeran' ny vadiny, ka nivalandòtra teo mandra-pahazavan' ny andro.
27. And her lord rose up in the morning, and opened the doors of the house, and went out to go his way: and, behold, the woman his concubine was fallen down at the door of the house, and her hands were upon the threshold.
27. Et le matin, son mari se leva, ouvrit la porte de la maison, et sortit pour continuer son chemin. Mais voici, la femme, sa concubine, était étendue à l`entrée de la maison, les mains sur le seuil.
27. "Dia nifoha maraina ralehilahy ka namoha ny varavaran' ny trano, dia nivoaka handeha tamin' ny lalan-kalehany; ary, indro, ravehivavy vaditsindranony miampatra eo am-baravaran' ny trano, ary ny tanany eo amin' ny tokonana."
28. And he said unto her, Up, and let us be going. But none answered. Then the man took her up upon an ass, and the man rose up, and gat him unto his place.
28. Il lui dit: Lève-toi, et allons-nous-en. Elle ne répondit pas. Alors le mari la mit sur un âne, et partit pour aller dans sa demeure.
28. "Ary hoy ralehilahy taminy: Mitsangàna, andeha isika. Kanjo tsy nisy namaly. Dia nobetain-dralehilahy izy ka nasampiny teo amin' ny borikiny; dia niainga izy handeha ho any amin' ny fonenany."
29. And when he was come into his house, he took a knife, and laid hold on his concubine, and divided her, together with her bones, into twelve pieces, and sent her into all the coasts of Israel.
29. Arrivé chez lui, il prit un couteau, saisit sa concubine, et la coupa membre par membre en douze morceaux, qu`il envoya dans tout le territoire d`Israël.
29. Ary rehefa tonga tao an-tranony izy, dia naka antsy, ka norasainy ny fatin' ny vaditsindranony, dia norasainy araka ny famavanin' ny taolana ho roa ambin' ny folo toko, ka nampitondrainy eran' ny tanin' ny Isiraely rehetra.
30. And it was so, that all that saw it said, There was no such deed done nor seen from the day that the children of Israel came up out of the land of Egypt unto this day: consider of it, take advice, and speak your minds.
30. "Tous ceux qui virent cela dirent: Jamais rien de pareil n`est arrivé et ne s`est vu depuis que les enfants d`Israël sont montés du pays d`Égypte jusqu`à ce jour; prenez la chose à coeur, consultez-vous, et parlez!"
30. "Ary izao no zava-nisy, fa izay rehetra nahita izany dia nanao hoe: Tsy nisy zavatra natao, na hita toy izany hatramin' ny andro niakaran' ny Zanak' Isiraely avy tany amin' ny tany Egypta ka mandraka androany; hevero izany, samia maka saina, ka ambarao ny hevitrareo."