1. And Samson went down to Timnath, and saw a woman in Timnath of the daughters of the Philistines.
1. Samson descendit à Thimna, et il y vit une femme parmi les filles des Philistins.
1. Ary Samsona nidina nankany Timna ka nahita vehivavy tao Timna avy tamin' ny zanakavavin' ny Filistina.
2. And he came up, and told his father and his mother, and said, I have seen a woman in Timnath of the daughters of the Philistines: now therefore get her for me to wife.
2. "Lorsqu`il fut remonté, il le déclara à son père et à sa mère, et dit: J`ai vu à Thimna une femme parmi les filles des Philistins; prenez-la maintenant pour ma femme."
2. "Ary niakatra izy, dia nilaza tamin-drainy sy reniny hoe: Efa nahita vehivavy tany Timna avy tamin' ny zanakavavin' ny Filistina aho; koa alao ho vadiko izy ankehitriny."
3. Then his father and his mother said unto him, Is there never a woman among the daughters of thy brethren, or among all my people, that thou goest to take a wife of the uncircumcised Philistines? And Samson said unto his father, Get her for me; for she pleaseth me well.
3. Son père et sa mère lui dirent: N`y a-t-il point de femme parmi les filles de tes frères et dans tout notre peuple, que tu ailles prendre une femme chez les Philistins, qui sont incirconcis? Et Samson dit à son père: Prends-la pour moi, car elle me plaît.
3. Fa hoy ny rainy sy ny reniny taminy: Moa tsy misy vehivavy mihitsy va eto amin' ny zanakavavin' ny rahalahinao, na ato amin' ny fireneko rehetra, no dia mandeha maka vady any amin' ny Filistina tsy mifora ianao? Dia hoy Samsona tamin-drainy: Izy no alao ho ahy, fa izy no mahafinaritra ahy tokoa.
4. But his father and his mother knew not that it was of the LORD, that he sought an occasion against the Philistines: for at that time the Philistines had dominion over Israel.
4. Son père et sa mère ne savaient pas que cela venait de l`Éternel: car Samson cherchait une occasion de dispute de la part des Philistins. En ce temps là, les Philistins dominaient sur Israël.
4. "Fa tsy fantatry ny rainy sy ny reniny fa avy tamin' i Jehovah izany, satria nitady izay hiadiany tamin' ny Filistina izy; fa ny Filistina no nanapaka ny Isiraely tamin' izany fotoana izany."
5. Then went Samson down, and his father and his mother, to Timnath, and came to the vineyards of Timnath: and, behold, a young lion roared against him.
5. Samson descendit avec son père et sa mère à Thimna. Lorsqu`ils arrivèrent aux vignes de Thimna, voici, un jeune lion rugissant vint à sa rencontre.
5. Dia nidina Samsona sy ny rainy aman-dreniny nankany Timna. Ary nony tonga tao amin' ny tanimboaloboka tany Timna izy, indro, nisy liona tanora, izay nierona taminy.
6. And the Spirit of the LORD came mightily upon him, and he rent him as he would have rent a kid, and he had nothing in his hand: but he told not his father or his mother what he had done.
6. "L`esprit de l`Éternel saisit Samson; et, sans avoir rien à la main, Samson déchira le lion comme on déchire un chevreau. Il ne dit point à son père et à sa mère ce qu`il avait fait."
6. "Dia nilatsaka tamin-kery tamin' i Samsona ny Fanahin' i Jehovah, ary ilay liona tanora dia nosamatsamahiny ohatra ny fanasamatsamaka zanak' osy, nefa tsy nisy na inona na inona teny an-tanany; ary tsy nambarany tamin' ny rainy, na tamin' ny reniny izay efa nataony."
7. And he went down, and talked with the woman; and she pleased Samson well.
7. Il descendit et parla à la femme, et elle lui plut.
7. "Dia nidina izy ka niresaka tamin-dravehivavy; ary nahafinaritra an' i Samsona tokoa izy."
8. And after a time he returned to take her, and he turned aside to see the carcase of the lion: and, behold, there was a swarm of bees and honey in the carcase of the lion.
8. Quelque temps après, il se rendit de nouveau à Thimna pour la prendre, et se détourna pour voir le cadavre du lion. Et voici, il y avait un essaim d`abeilles et du miel dans le corps du lion.
8. "Ary rehefa afaka kelikely, dia niverina hampakatra azy Samsona ka nivily hizaha ny fatin' ilay liona; ary, indro, nisy renintantely nivangongo sy tantely tao amin' ilay fatin' ny liona."
9. And he took thereof in his hands, and went on eating, and came to his father and mother, and he gave them, and they did eat: but he told not them that he had taken the honey out of the carcase of the lion.
9. "Il prit entre ses mains le miel, dont il mangea pendant la route; et lorsqu`il fut arrivé près de son père et de sa mère, il leur en donna, et ils en mangèrent. Mais il ne leur dit pas qu`il avait pris ce miel dans le corps du lion."
9. "Ary nalain' i Samsona izany ka nentiny teny an-tanany, dia nihinana teny am-pandehanana izy; ary nankany amin' ny ray aman-dreniny izy, dia nanome azy ka nihinana izy mivady; nefa tsy nambarany taminy fa avy tao amin' ny fatin' ilay liona no nangalany ny tantely."
10. So his father went down unto the woman: and Samson made there a feast; for so used the young men to do.
10. Le père de Samson descendit chez la femme. Et là, Samson fit un festin, car c`était la coutume des jeunes gens.
10. "Dia nidina ho any amin-dravehivavy ny rain' i Samsona; ary nanao fanasana teo Samsona, fa izany no fanaon' ny zatovo."
11. And it came to pass, when they saw him, that they brought thirty companions to be with him.
11. Dès qu`on le vit, on invita trente compagnons qui se tinrent avec lui.
11. Ary izao no niseho, rehefa nahita azy izy mianakavy, dia nitondra namana telopolo lahy hitoetra ao aminy.
12. And Samson said unto them, I will now put forth a riddle unto you: if ye can certainly declare it me within the seven days of the feast, and find it out, then I will give you thirty sheets and thirty change of garments:
12. Samson leur dit: Je vais vous proposer une énigme. Si vous me l`expliquez pendant les sept jours du festin, et si vous la découvrez, je vous donnerai trente chemises et trente vêtements de rechange.
12. "Ary hoy Samsona tamin' ireo: hanao fampanonona aminareo aho ankehitriny; koa raha lazainareo amiko tokoa ny heviny ao anatin' ny hafitoana fanasana ka fantatrareo, dia homeko lobaka telopolo sy akanjo intelopolo miova ianareo."
13. But if ye cannot declare it me, then shall ye give me thirty sheets and thirty change of garments. And they said unto him, Put forth thy riddle, that we may hear it.
13. Mais si vous ne pouvez pas me l`expliquer, ce sera vous qui me donnerez trente chemises et trente vêtements de rechange. Ils lui dirent: Propose ton énigme, et nous l`écouterons.
13. Fa raha tsy mahalaza amiko kosa ianareo, dia homenareo lobaka telopolo sy akanjo intelopolo miova aho. Dia hoy izy ireo: Ataovy àry ny fampanonona mba hohenoinay.
14. And he said unto them, Out of the eater came forth meat, and out of the strong came forth sweetness. And they could not in three days expound the riddle.
14. Et il leur dit: De celui qui mange est sorti ce qui se mange, et du fort est sorti le doux. Pendant trois jours, ils ne purent expliquer l`énigme.
14. "Dia hoy Samsona taminy: Avy tao amin' ny mpihinana no nivoahan' ny hanina; ary avy tao amin' ny mahery no nivoahan' ny mamy. Dia tsy nahalaza ny fampanonona izy tao anatin' ny hateloana."
15. And it came to pass on the seventh day, that they said unto Samson's wife, Entice thy husband, that he may declare unto us the riddle, lest we burn thee and thy father's house with fire: have ye called us to take that we have? is it not so?
15. "Le septième jour, ils dirent à la femme de Samson: Persuade à ton mari de nous expliquer l`énigme; sinon, nous te brûlerons, toi et la maison de ton père. C`est pour nous dépouiller que vous nous avez invités, n`est-ce pas?"
15. "Ary izao no niseho, tamin' ny andro fahafito, dia hoy izy ireo tamin' ny vadin' i Samsona: Taomy ny vadinao hilaza ny fampanonona aminay, fandrao hodoranay amin' ny afo ianao sy ny ankohonan-drainao; efa nanasa anay va ianareo hoentinareo mifafa izay anananay? Moa tsy izany va?"
16. And Samson's wife wept before him, and said, Thou dost but hate me, and lovest me not: thou hast put forth a riddle unto the children of my people, and hast not told it me. And he said unto her, Behold, I have not told it my father nor my mother, and shall I tell it thee?
16. "La femme de Samson pleurait auprès de lui, et disait: Tu n`as pour moi que de la haine, et tu ne m`aimes pas; tu as proposé une énigme aux enfants de mon peuple, et tu ne me l`as point expliquée! Et il lui répondait: Je ne l`ai expliquée ni à mon père ni à ma mère; est-ce à toi que je l`expliquerais?"
16. "Ary ny vadin' i Samsona dia nitomany teo anatrehany ka nanao hoe: Halanao aho, fa tsy tianao tsy akory; efa nanao fampanonona tamin' ny zanaky ny fireneko ianao, nefa tsy nolazainao tamiko ny heviny. Ary hoy izy taminy :Indro, na dia ny Ray sy ny Reniko aza tsy nilazako azy, ka ianao va no hilazako?"
17. And she wept before him the seven days, while their feast lasted: and it came to pass on the seventh day, that he told her, because she lay sore upon him: and she told the riddle to the children of her people.
17. "Elle pleura auprès de lui pendant les sept jours que dura leur festin; et le septième jour, il la lui expliqua, car elle le tourmentait. Et elle donna l`explication de l`énigme aux enfants de son peuple."
17. "Dia nitomany teo anatrehany nandritra ny hafitoana izay naharetan' ny fanasana ravehivavy; ary izao no niseho, tamin' ny andro fahafito dia nolazain' i Samsona tamin-dravehivavy, satria nitorikisina taminy izy; ary ravehivavy kosa nilaza ny fampanonona tamin' ny zanaky ny fireneny."
18. And the men of the city said unto him on the seventh day before the sun went down, What is sweeter than honey? And what is stronger than a lion? And he said unto them, If ye had not plowed with my heifer, ye had not found out my riddle.
18. Les gens de la ville dirent à Samson le septième jour, avant le coucher du soleil: Quoi de plus doux que le miel, et quoi de plus fort que le lion? Et il leur dit: Si vous n`aviez pas labouré avec ma génisse, vous n`auriez pas découvert mon énigme.
18. "Ary nony tamin' ny andro fahafito, raha tsy mbola maty ny masoandro, dia hoy ny lehilahy tao an-tanàna tamin' i Samsona: Inona no mamy noho ny tantely; ary inona no mahery noho ny liona? Ary hoy kosa izy taminy: Raha tsy nampiasa ny ombivavikeliko ianareo, dia tsy ho nahalala ny fampanonona nataoko."
19. And the Spirit of the LORD came upon him, and he went down to Ashkelon, and slew thirty men of them, and took their spoil, and gave change of garments unto them which expounded the riddle. And his anger was kindled, and he went up to his father's house.
19. L`esprit de l`Éternel le saisit, et il descendit à Askalon. Il y tua trente hommes, prit leurs dépouilles, et donna les vêtements de rechange à ceux qui avaient expliqué l`énigme. Il était enflammé de colère, et il monta à la maison de son père.
19. Dia nilatsaka tamin' i Samsona ny Fanahin' i Jehovah ka nidina nankany Askelona izy, dia namono telopolo lahy tao, ary naka ny fananany, ka nalainy ny fitafian' ireo ary nomeny ho an' izay nilaza ny fampanonona. Dia nirehitra ny fahatezeran' i Samsona, ka niakatra nankany amin' ny tranon-drainy izy.
20. But Samson's wife was given to his companion, whom he had used as his friend.
20. Sa femme fut donnée à l`un de ses compagnons, avec lequel il était lié.
20. Fa ny vadin' i Samsona dia lasan' ny ny namany, izay efa nataony sakaizany.
<
>