The Birth of Samson
1. And the children of Israel did evil again in the sight of the LORD; and the LORD delivered them into the hand of the Philistines forty years.
1. "Les enfants d`Israël firent encore ce qui déplaît à l`Éternel; et l`Éternel les livra entre les mains des Philistins, pendant quarante ans."
1. Ary ny Zanak' Isiraely nanao izay ratsy teo imason' i Jehovah indray, ka dia natolotr' i Jehovah teo an-tanan' ny Filistina efapolo taona izy.
2. And there was a certain man of Zorah, of the family of the Danites, whose name was Manoah; and his wife was barren, and bare not.
2. Il y avait un homme de Tsorea, de la famille des Danites, et qui s`appelait Manoach. Sa femme était stérile, et n`enfantait pas.
2. "Ary nisy lehilahy avy tany Zora amin' ny ankohonan' ny Danita, Manoa no anarany; ary momba ny vadiny ka tsy niteraka."
3. And the angel of the LORD appeared unto the woman, and said unto her, Behold now, thou art barren, and bearest not: but thou shalt conceive, and bear a son.
3. "Un ange de l`Éternel apparut à la femme, et lui dit: Voici, tu es stérile, et tu n`as point d`enfants; tu deviendras enceinte, et tu enfanteras un fils."
3. "Ary Ilay Anjelin' i Jehovah niseho tamin-dravehivavy ka nanao taminy hoe: Indro, ankehitriny, momba ianao ka tsy niteraka; nefa hanana anaka ianao ka hiteraka zazalahy."
4. Now therefore beware, I pray thee, and drink not wine nor strong drink, and eat not any unclean thing:
4. Maintenant prends bien garde, ne bois ni vin ni liqueur forte, et ne mange rien d`impur.
4. Koa mitandrema ianao ankehitriny, ka aza misotro divay na toaka, ary aza mihinana akory izay zava-padina.
5. For, lo, thou shalt conceive, and bear a son; and no razor shall come on his head: for the child shall be a Nazarite unto God from the womb: and he shall begin to deliver Israel out of the hand of the Philistines.
5. "Car tu vas devenir enceinte et tu enfanteras un fils. Le rasoir ne passera point sur sa tête, parce que cet enfant sera consacré à Dieu dès le ventre de sa mère; et ce sera lui qui commencera à délivrer Israël de la main des Philistins."
5. "Fa, indro, hanana anaka ianao ka hiteraka zazalahy, ary tsy hokasihin-kareza ny lohany; fa ho Nazirita ho an' Andriamanitra hatrany an-kibo ny zaza; ary izy no hanomboka hanafaka ny Isiraely amin' ny tanan' ny Filistina."
6. Then the woman came and told her husband, saying, A man of God came unto me, and his countenance was like the countenance of an angel of God, very terrible: but I asked him not whence he was, neither told he me his name:
6. "La femme alla dire à son mari; Un homme de Dieu est venu vers moi, et il avait l`aspect d`un ange de Dieu, un aspect redoutable. Je ne lui ai pas demandé d`où il était, et il ne m`a pas fait connaître son nom."
6. Dia nandeha ravehivavy ka nilaza tamin' ny vadiny hoe: Nisy lehilahin' Andriamanitra tonga tamiko, ary nahatahotra indrindra ny fijery azy, tahaka ny fijery Ilay Anjelin' Andriamanitra, ka tsy nanontany azy izay niaviany aho, ary tsy nambarany ahy ny anarany.
7. But he said unto me, Behold, thou shalt conceive, and bear a son; and now drink no wine nor strong drink, neither eat any unclean thing: for the child shall be a Nazarite to God from the womb to the day of his death.
7. "Mais il m`a dit: Tu vas devenir enceinte, et tu enfanteras un fils; et maintenant ne bois ni vin ni liqueur forte, et ne mange rien d`impur, parce que cet enfant sera consacré à Dieu dès le ventre de sa mère jusqu`au jour de sa mort."
7. "Ary hoy izy tamiko: Indro, hanana anaka ianao ka hiteraka zazalahy; koa ankehitriny dia aza misotro divay na toaka ianao, ary aza mihinana akory izay zava-padina; fa ho Nazirita ho an' Andriamanitra ny zaza hatrany an-kibo ka ambara-pahafatiny."
8. Then Manoah intreated the LORD, and said, O my Lord, let the man of God which thou didst send come again unto us, and teach us what we shall do unto the child that shall be born.
8. Manoach fit cette prière à l`Éternel: Ah! Seigneur, que l`homme de Dieu que tu as envoyé vienne encore vers nous, et qu`il nous enseigne ce que nous devons faire pour l`enfant qui naîtra!
8. Ary Manoa nangataka tamin' i Jehovah ka nanao hoe: Ry Tompoko ô, aoka hiseho aminay indray ny lehilahin' Andriamanitra, ilay efa nirahinao, ka hampianatra anay ny hitondranay ny zaza izay ho teraka.
9. And God hearkened to the voice of Manoah; and the angel of God came again unto the woman as she sat in the field: but Manoah her husband was not with her.
9. Dieu exauça la prière de Manoach, et l`ange de Dieu vint encore vers la femme. Elle était assise dans un champ, et Manoach, son mari, n`était pas avec elle.
9. "Ary Andriamanitra nihaino ny feon' i Manoa, ka dia nankany amin-dravehivavy indray Ilay Anjelin' Andriamanitra, raha tany an-tsaha izy; fa Manoa vadiny tsy teo aminy."
10. And the woman made haste, and ran, and shewed her husband, and said unto him, Behold, the man hath appeared unto me, that came unto me the other day.
10. Elle courut promptement donner cette nouvelle à son mari, et lui dit: Voici, l`homme qui était venu l`autre jour vers moi m`est apparu.
10. Dia nihazakazaka faingana ravehivavy ka nanambara tamin' ny vadiny hoe: Indro, niseho tamiko indray ny lehilahy izay tonga tamiko tamin' ilay indray andro.
11. And Manoah arose, and went after his wife, and came to the man, and said unto him, Art thou the man that spakest unto the woman? And he said, I am.
11. Manoach se leva, suivit sa femme, alla vers l`homme, et lui dit: Est-ce toi qui as parlé à cette femme? Il répondit: C`est moi.
11. Dia nitsangana Manoa ka nandeha nanaraka ny vadiny dia nankany amin-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Ianao moa ilay lehilahy niteny tamin-dravehivavy? Dia hoy Izy: Eny, Izaho no Izy.
12. And Manoah said, Now let thy words come to pass. How shall we order the child, and how shall we do unto him?
12. Manoach dit: Maintenant, si ta parole s`accomplit, que faudra-t-il observer à l`égard de l`enfant, et qu`y aura-t-il à faire?
12. Dia hoy Manoa: Aoka ho t-nteraka ilay teninao. Ahoana ange no hitondranay ny zaza, ary ahoana no hataonay aminy?
13. And the angel of the LORD said unto Manoah, Of all that I said unto the woman let her beware.
13. L`ange de l`Éternel répondit à Manoach: La femme s`abstiendra de tout ce que je lui ai dit.
13. Ary hoy Ilay Anjelin' i Jehovah tamin' i Manoa: Izay rehetra efa nolazaiko tamin-dravehivavy dia aoka hotandremany avokoa.
14. She may not eat of any thing that cometh of the vine, neither let her drink wine or strong drink, nor eat any unclean thing: all that I commanded her let her observe.
14. "Elle ne goûtera d`aucun produit de la vigne, elle ne boira ni vin ni liqueur forte, et elle ne mangera rien d`impur; elle observera tout ce que je lui ai prescrit."
14. "Izay rehetra avy amin' ny voaloboka dia aza avela hohaniny, ary aza avela hisotro divay na toaka izy, na hihinana akory izay zava-padina; izay rehetra nandidiako azy dia aoka hotandremany avokoa."
15. And Manoah said unto the angel of the LORD, I pray thee, let us detain thee, until we shall have made ready a kid for thee.
15. Manoach dit à l`ange de l`Éternel: Permets-nous de te retenir, et de t`apprêter un chevreau.
15. Ary hoy Manoa tamin' Ilay Anjelin' i Jehovah: Masìna Ianao, aoka mba hotananay ianao mandra-pamboatray zanak' osy ho Anao.
16. And the angel of the LORD said unto Manoah, Though thou detain me, I will not eat of thy bread: and if thou wilt offer a burnt offering, thou must offer it unto the LORD. For Manoah knew not that he was an angel of the LORD.
16. "L`ange de l`Éternel répondit à Manoach: Quand tu me retiendrais, je ne mangerais pas de ton mets; mais si tu veux faire un holocauste, tu l`offriras à l`Éternel. Manoach ne savait point que ce fût un ange de l`Éternel."
16. "Dia hoy Ilay Anjelin' i Jehovah tamin' i Manoa: Na dia tananao aza aho, tsy mba hihinana amin' ny haninao Aho tsy akory; fa raha hanolotra fanatitra dorana ianao, dia tokony ho amin' i Jehovah no hanoloranao izany; fa tsy fantatr' i Manoa ho Anjelin' i Jehovah izy."
17. And Manoah said unto the angel of the LORD, What is thy name, that when thy sayings come to pass we may do thee honour?
17. Et Manoach dit à l`ange de l`Éternel: Quel est ton nom, afin que nous te rendions gloire, quand ta parole s`accomplira?
17. Dia hoy Manoa tamin' Ilay Anjelin' i Jehovah: Iza moa no anaranao, mba hanomezanay voninahitra Anao rehefa tanteraka ny teninao?
18. And the angel of the LORD said unto him, Why askest thou thus after my name, seeing it is secret?
18. L`ange de l`Éternel lui répondit: Pourquoi demandes-tu mon nom? Il est merveilleux.
18. Ary hoy Ilay Anjelin' i Jehovah taminy: Nahoana no manontany ny anarako ianao? fa zava-miafina izany.
19. So Manoah took a kid with a meat offering, and offered it upon a rock unto the LORD: and the angel did wonderously; and Manoah and his wife looked on.
19. Manoach prit le chevreau et l`offrande, et fit un sacrifice à l`Éternel sur le rocher. Il s`opéra un prodige, pendant que Manoach et sa femme regardaient.
19. "Dia naka zanak' osy sy ny fanatitra hohanina Manoa ka nanolotra izany teo ambonin' ny vatolampy ho an' i Jehovah; ary Ilay Anjely nanao zava-mahagaga ka nijery teo Manoa sy ny vadiny."
20. For it came to pass, when the flame went up toward heaven from off the altar, that the angel of the LORD ascended in the flame of the altar. And Manoah and his wife looked on it, and fell on their faces to the ground.
20. Comme la flamme montait de dessus l`autel vers le ciel, l`ange de l`Éternel monta dans la flamme de l`autel. A cette vue, Manoach et sa femme tombèrent la face contre terre.
20. Fa izao no niseho, raha niakatra ho amin' ny lanitra ny lelafo avy teo amin' ny alitara, dia niakatra tao anatin' ny lelafo avy teo amin' ny alitara Ilay Anjelin' i Jehovah. Ary nijery izany Manoa sy ny vadiny ka dia niankohoka tamin' ny tany.
21. But the angel of the LORD did no more appear to Manoah and to his wife. Then Manoah knew that he was an angel of the LORD.
21. L`ange de l`Éternel n`apparut plus à Manoach et à sa femme. Alors Manoach comprit que c`était l`ange de l`Éternel,
21. "Ary tsy niseho tamin' i Manoa sy ny vadiny intsony Ilay Anjelin' i Jehovah; dia fantatr' i Manoa fa Anjelin' i Jehovah Izy."
22. And Manoah said unto his wife, We shall surely die, because we have seen God.
22. et il dit à sa femme: Nous allons mourir, car nous avons vu Dieu.
22. Dia hoy Manoa tamin' ny vadiny: Ho faty tokoa isika satria efa nahita an' Andriamanitra.
23. But his wife said unto him, If the LORD were pleased to kill us, he would not have received a burnt offering and a meat offering at our hands, neither would he have shewed us all these things, nor would as at this time have told us such things as these.
23. Sa femme lui répondit: Si l`Éternel eût voulu nous faire mourir, il n`aurait pas pris de nos mains l`holocauste et l`offrande, il ne nous aurait pas fait voir tout cela, et il ne nous aurait pas maintenant fait entendre pareilles choses.
23. Fa hoy ny vadiny taminy: Raha sitrak' i Jehovah ny hahafaty antsika, dia tsy ho nety nandray fanatitra dorana sy fanatitra hohanina tamin' ny tanantsika akory Izy, ary tsy naneho antsika izao zavatra rehetra izao, na nilaza tamintsika izay zavatra tahaka izao ankehitriny izao.
24. And the woman bare a son, and called his name Samson: and the child grew, and the LORD blessed him.
24. La femme enfanta un fils, et lui donna le nom de Samson. L`enfant grandit, et l`Éternel le bénit.
24. "Ary niteraka zazalahy ravehivavy, ka ny anarany nataony hoe Samsona; dia nitombo ny zaza, ary Jehovah nitahy azy."
25. And the Spirit of the LORD began to move him at times in the camp of Dan between Zorah and Eshtaol.
25. Et l`esprit de l`Éternel commença à l`agiter à Machané Dan, entre Tsorea et Eschthaol.
25. Dia niantomboka nanindry azy tsindraindray ny Fanahin' i Jehovah tao an-tobin' i Dana teo anelanelan' i Zora sy Estaola.