Jephthah and Ephraim

1. And the men of Ephraim gathered themselves together, and went northward, and said unto Jephthah, Wherefore passedst thou over to fight against the children of Ammon, and didst not call us to go with thee? we will burn thine house upon thee with fire.
1. Les hommes d`Éphraïm se rassemblèrent, partirent pour le nord, et dirent à Jephthé: Pourquoi es-tu allé combattre les fils d`Ammon sans nous avoir appelés à marcher avec toi? Nous voulons incendier ta maison et te brûler avec elle.
1. Ary nivory ny lehilahy amin' ny Efraima, dia nandeha nianavaratra ka nanao tamin' i Jefta hoe: Nahoana no nandeha niady tamin' ny taranak' i Amona ianao ka tsy mba niantso anay hiaraka aminao? Hodoranay amin' ny afo ianao sy ny tranonao.
2. And Jephthah said unto them, I and my people were at great strife with the children of Ammon; and when I called you, ye delivered me not out of their hands.
2. "Jephthé leur répondit: Nous avons eu de grandes contestations, moi et mon peuple, avec les fils d`Ammon; et quand je vous ai appelés, vous ne m`avez pas délivré de leurs mains."
2. Fa hoy Jefta taminy: Izaho sy ny oloko efa nanana ady mafy tamin' ny taranak' i Amona, ary raha niantso anareo aho, dia tsy namonjy ahy tamin' ny tanany ianareo.
3. And when I saw that ye delivered me not, I put my life in my hands, and passed over against the children of Ammon, and the LORD delivered them into my hand: wherefore then are ye come up unto me this day, to fight against me?
3. Voyant que tu ne venais pas à mon secours, j`ai exposé ma vie, et j`ai marché contre les fils d`Ammon. L`Éternel les a livrés entre mes mains. Pourquoi donc aujourd`hui montez-vous contre moi pour me faire la guerre?
3. Ary rehefa hitako fa tsy namonjy ahy ianareo, dia nanao ny aiko tsy ho zavatra aho ka nandeha niady tamin' ny taranak' i Amona, ary natolotr' i Jehovah teo an-tanako izy, koa nahoana ianareo no miakatra aty amiko anio hiady amiko?
4. Then Jephthah gathered together all the men of Gilead, and fought with Ephraim: and the men of Gilead smote Ephraim, because they said, Ye Gileadites are fugitives of Ephraim among the Ephraimites, and among the Manassites.
4. Jephthé rassembla tous les hommes de Galaad, et livra bataille à Éphraïm. Les hommes de Galaad battirent Éphraïm, parce que les Éphraïmites disaient: Vous êtes des fugitifs d`Éphraïm! Galaad est au milieu d`Éphraïm, au milieu de Manassé!
4. "Ary Jefta dia namory ny lehilahy rehetra amin' ny Gileada ka niady tamin' ny Efraima; ary dia namely ny Efraima ny lehilahy amin' ny Gileada, satria hoy ireo: Ianareo Gileadita dia mpandositra avy amin' ny Efraima eo amin' ny taranak' i Efraima sy Manase."
5. And the Gileadites took the passages of Jordan before the Ephraimites: and it was so, that when those Ephraimites which were escaped said, Let me go over; that the men of Gilead said unto him, Art thou an Ephraimite? If he said, Nay;
5. Galaad s`empara des gués du Jourdain du côté d`Éphraïm. Et quand l`un des fuyards d`Éphraïm disait: Laissez-moi passer! les hommes de Galaad lui demandaient: Es-tu Éphraïmite? Il répondait: Non.
5. "Dia novonjen' ny Gileada ny fitàna any Jordana mankany amin' ny Efraima; ary nony niteny ny mpandositra avy amin' ny Efraima nanao hoe: Aoka mba hita aho; dia hoy ny lehilahy amin' ny Gileada taminy: Efraimita va ianao? ary raha hoy izy: Tsia,"
6. Then said they unto him, Say now Shibboleth: and he said Sibboleth: for he could not frame to pronounce it right. Then they took him, and slew him at the passages of Jordan: and there fell at that time of the Ephraimites forty and two thousand.
6. Ils lui disaient alors: Hé bien, dis Schibboleth. Et il disait Sibboleth, car il ne pouvait pas bien prononcer. Sur quoi les hommes de Galaad le saisissaient, et l`égorgeaient près des gués du Jourdain. Il périt en ce temps-là quarante-deux mille hommes d`Éphraïm.
6. "Dia hoy izy ireo taminy: Tonòny ary ny hoe Shiboleta, fa hoy kosa izy Siboleta, satria tsy nahay nanonona izany marina izy. Dia nisambotra azy ireo ka namono azy teo amin' ny fitàna ao Jordana; ary nahafatesana roa arivo sy efatra alina ny Efraimita tamin' izany andro izany."
7. And Jephthah judged Israel six years. Then died Jephthah the Gileadite, and was buried in one of the cities of Gilead.
7. "Jephthé fut juge en Israël pendant six ans; puis Jephthé, le Galaadite, mourut, et fut enterré dans l`une des villes de Galaad."
7. Dia nitsara ny Isiraely enin-taona Jefta. Ary maty Jefta Gileadita ka nalevina tao amin' ny tanàna anankiray any Gileada.

Ibzan, Elon and Abdon

8. And after him Ibzan of Bethlehem judged Israel.
8. Après lui, Ibtsan de Bethléhem fut juge en Israël.
8. Ary Ibzana, avy any Betlehema, no nitsara ny Isiraely nandimby an' i Jefta.
9. And he had thirty sons, and thirty daughters, whom he sent abroad, and took in thirty daughters from abroad for his sons. And he judged Israel seven years.
9. "Il eut trente fils, il maria trente filles au dehors, et il fit venir pour ses fils trente filles du dehors. Il fut juge en Israël pendant sept ans;"
9. Ary nanana zanakalahy telopolo sy zanakavavy telopolo izy, izay nampanambadiny tany ivelany, ary zazavavy telopolo kosa no nampidiriny ho an' ny zanany lahy. Ary nitsara ny Isiraely fito taona izy.
10. Then died Ibzan, and was buried at Bethlehem.
10. puis Ibtsan mourut, et fut enterré à Bethléhem.
10. Dia maty Ibzana ka nalevina tany Betlehema.
11. And after him Elon, a Zebulonite, judged Israel; and he judged Israel ten years.
11. "Après lui, Élon de Zabulon fut juge en Israël. Il fut juge en Israël pendant dix ans;"
11. "Ary Elona Zebolonita no nitsara nandimby azy; ary nitsara ny Isiraely folo taona izy."
12. And Elon the Zebulonite died, and was buried in Aijalon in the country of Zebulun.
12. puis Élon de Zabulon mourut, et fut enterré à Ajalon, dans le pays de Zabulon.
12. Dia maty Elona Zebolonita ka nalevina tany Aialona ao amin' ny tanin' ny Zebolona.
13. And after him Abdon the son of Hillel, a Pirathonite, judged Israel.
13. Après lui, Abdon, fils d`Hillel, le Pirathonite, fut juge en Israël.
13. Ary Abdona, zanak' i Elela, avy any Piratona, no nitsara ny Isiraely nandimby azy.
14. And he had forty sons and thirty nephews, that rode on threescore and ten ass colts: and he judged Israel eight years.
14. "Il eut quarante fils et trente petits-fils, qui montaient sur soixante dix ânons. Il fut juge en Israël pendant huit ans;"
14. Ary nanana zanakalahy efapolo sy zafy telopolo izay nitaingina zana-boriky fitopolo izy ary nitsara ny Isiraely valo taona.
15. And Abdon the son of Hillel the Pirathonite died, and was buried in Pirathon in the land of Ephraim, in the mount of the Amalekites.
15. puis Abdon, fils d`Hillel, le Pirathonite, mourut, et fut enterré à Pirathon, dans le pays d`Éphraïm, sur la montagne des Amalécites.
15. Ary maty Abdona, zanak' i Elela, avy any Piratona, ka nalevina tany Piratona any amin' ny tanin' ny Efraima any amin' ny tendrombohitry ny Amalekita.
<
>