Samson's Marriage
1. But it came to pass within a while after, in the time of wheat harvest, that Samson visited his wife with a kid; and he said, I will go in to my wife into the chamber. But her father would not suffer him to go in.
1. Quelque temps après, à l`époque de la moisson des blés, Samson alla voir sa femme, et lui porta un chevreau. Il dit: Je veux entrer vers ma femme dans sa chambre. Mais le père de sa femme ne lui permit pas d`entrer.
1. "Ary izao no niseho, rehefa afaka kelikely, tamin' ny taom-pijinjana ny vary tritika, dia namangy ny vadiny nitondra zanak' osy Samsona; ary hoy izy: Hiditra ao amin' ny vadiko ao an' efitrano aho. Nefa tsy namela azy hiditra ny rain-dravehivavy."
2. And her father said, I verily thought that thou hadst utterly hated her; therefore I gave her to thy companion: is not her younger sister fairer than she? take her, I pray thee, instead of her.
2. J`ai pensé dit-il, que tu avais pour elle de la haine, et je l`ai donnée à ton compagnon. Est-ce que sa jeune soeur n`est pas plus belle qu`elle? Prends-la donc à sa place.
2. Ary hoy ny rain-dravehivavy: Noheveriko fa halanao tanteraka izy, ka dia nomeko ho an' ny namanao. Moa tsy tsara tarehy noho izy va ny zandriny? Masìna ianao, alao izy ho solony.
3. And Samson said concerning them, Now shall I be more blameless than the Philistines, though I do them a displeasure.
3. Samson leur dit: Cette fois je ne serai pas coupable envers les Philistins, si je leur fais du mal.
3. Dia hoy Samsona ny amin' izy ireo: Tsy hanan-tsiny aho izao, na dia hanisy ratsy ny Filistina aza.
4. And Samson went and caught three hundred foxes, and took firebrands, and turned tail to tail, and put a firebrand in the midst between two tails.
4. "Samson s`en alla. Il attrapa trois cents renards, et prit des flambeaux; puis il tourna queue contre queue, et mit un flambeau entre deux queues, au milieu."
4. "Dia nandeha Samsona ka nisambotra amboahaolo telonjato; dia naka zavatra hatao fanilo izy, ary nampifanendreny ny rambon' ny amboahaolo tsiroaroa avy ka nafehiny tao anelanelan' ny rambony roa ilay hatao fanilo."
5. And when he had set the brands on fire, he let them go into the standing corn of the Philistines, and burnt up both the shocks, and also the standing corn, with the vineyards and olives.
5. Il alluma les flambeaux, lâcha les renards dans les blés des Philistins, et embrasa les tas de gerbes, le blé sur pied, et jusqu`aux plantations d`oliviers.
5. Ary rehefa nampirehetiny ny fanilo, dia nalefany ho any amin' ny amboaram-barimbazahan’ny Filistina ireny, ka nandoro ny amboara sy izay mbola mitsangana, sy ny tanimboaloboka ary ny oliva.
6. Then the Philistines said, Who hath done this? And they answered, Samson, the son in law of the Timnite, because he had taken his wife, and given her to his companion. And the Philistines came up, and burnt her and her father with fire.
6. Les Philistins dirent: Qui a fait cela? On répondit: Samson, le gendre du Thimnien, parce que celui-ci lui a pris sa femme et l`a donnée à son compagnon. Et les Philistins montèrent, et ils la brûlèrent, elle et son père.
6. Ary hoy ny Filistina: Iza no nanao izao? Ary nisy nanao hoe: I Samsona vinanton' ilay Timnita, satria ny rafozany efa nanome ny vadiny ho an' ny sakaizany. koa niakatra ny Filistina ka nandoro an-dravehivavy sy ny ankohonan-drainy tamin' ny afo.
7. And Samson said unto them, Though ye have done this, yet will I be avenged of you, and after that I will cease.
7. Samson leur dit: Est-ce ainsi que vous agissez? Je ne cesserai qu`après m`être vengé de vous.
7. "Ary hoy Samsona taminy: Koa satria nanao izany ianareo, dia mbola hamaly anareo aho; ary aorian' izany, vao hitsahatra aho."
8. And he smote them hip and thigh with a great slaughter: and he went down and dwelt in the top of the rock Etam.
8. "Il les battit rudement, dos et ventre; puis il descendit, et se retira dans la caverne du rocher d`Étam."
8. "Dia namely azy izy ka nahatapaka ranjo sy fe ary nahafaty be dia be; dia nidina izy ka nitoetra teo an-tsefatsefak' ilay harambato mitresaka any Etama."
9. Then the Philistines went up, and pitched in Judah, and spread themselves in Lehi.
9. Alors les Philistins se mirent en marche, campèrent en Juda, et s`étendirent jusqu`à Léchi.
9. Ary niakatra ny Filistina, dia nitoby teo amin' ny Joda ka niely tany Lehy.
10. And the men of Judah said, Why are ye come up against us? And they answered, To bind Samson are we come up, to do to him as he hath done to us.
10. Les hommes de Juda dirent: Pourquoi êtes-vous montés contre nous? Ils répondirent: Nous sommes montés pour lier Samson, afin de le traiter comme il nous a traités.
10. Ary hoy ny lehilahy amin' ny Joda: Nahoana no miakatra hamely anay ianareo? Dia hoy izy: Hamatotra an' i Samsona no niakaranay, mba hanao aminy tahaka izay efa nataony taminay.
11. Then three thousand men of Judah went to the top of the rock Etam, and said to Samson, Knowest thou not that the Philistines are rulers over us? what is this that thou hast done unto us? And he said unto them, As they did unto me, so have I done unto them.
11. Sur quoi trois mille hommes de Juda descendirent à la caverne du rocher d`Étam, et dirent à Samson: Ne sais-tu pas que les Philistins dominent sur nous? Que nous as-tu donc fait? Il leur répondit: Je les ai traités comme il m`ont traité.
11. Dia nandeha ny lehilahy telo arivo tamin' ny Joda nankany amin' ilay tsefatsefaky ny harambato mitresaka any Etama ka nanao tamin' i Samsona hoe: Tsy fantatrao va fa manapaka antsika ny Filistina? Inona izao nataonao taminay izao? Dia hoy izy taminy: Araka izay nataony tamiko no mba nataoko taminy.
12. And they said unto him, We are come down to bind thee, that we may deliver thee into the hand of the Philistines. And Samson said unto them, Swear unto me, that ye will not fall upon me yourselves.
12. Ils lui dirent: Nous sommes descendus pour te lier, afin de te livrer entre les mains des Philistins. Samson leur dit: Jurez-moi que vous ne me tuerez pas.
12. Dia hoy izy ireo taminy: Hamatotra anao no nidinanay, mba hatolotray ho eo an-tanan' ny Filistina ianao. Dia hoy Samsona taminy: Mianiàna amiko àry fa tsy hamely ahy ianareo.
13. And they spake unto him, saying, No; but we will bind thee fast, and deliver thee into their hand: but surely we will not kill thee. And they bound him with two new cords, and brought him up from the rock.
13. "Ils lui répondirent: Non; nous voulons seulement te lier et te livrer entre leurs mains, mais nous ne te ferons pas mourir. Et ils le lièrent avec deux cordes neuves, et le firent sortir du rocher."
13. Dia niteny taminy izy ireo ka nanao hoe: Tsia, fa hamatotra anao fotsiny ihany izahay ka hanolotra anao eo an-tanany fa tsy hamono anao tsy akory izahay. Dia namatotra azy tamin' ny mahazaka roa vaovao izy ka nitondra azy niala tamin' ilay harambato.
14. And when he came unto Lehi, the Philistines shouted against him: and the Spirit of the LORD came mightily upon him, and the cords that were upon his arms became as flax that was burnt with fire, and his bands loosed from off his hands.
14. Lorsqu`il arriva à Léchi, les Philistins poussèrent des cris à sa rencontre. Alors l`esprit de l`Éternel le saisit. Les cordes qu`il avait aux bras devinrent comme du lin brûlé par le feu, et ses liens tombèrent de ses mains.
14. "Ary raha tonga tany Lehy izy, dia nanakora azy ny Filistina; ary ny Fanahin' i Jehovah nilatsaka tamin-kery taminy, dia tonga tahaka ny rongony izay nodorana tamin' ny afo ny mahazaka teny amin' ny sandriny ary afaka tamin' ny tanany ny fatorana."
15. And he found a new jawbone of an ass, and put forth his hand, and took it, and slew a thousand men therewith.
15. Il trouva une mâchoire d`âne fraîche, il étendit sa main pour la prendre, et il en tua mille hommes.
15. Ary nahita valanoranom-boriky vaovao izy, dia naninjitra ny tanany naka azy, ka iny no namonoany arivo lahy.
16. And Samson said, With the jawbone of an ass, heaps upon heaps, with the jaw of an ass have I slain a thousand men.
16. "Et Samson dit: Avec une mâchoire d`âne, un monceau, deux monceaux; Avec une mâchoire d`âne, j`ai tué mille hommes."
16. "Ary hoy Samsona: tamin' ny valanoranom-boriky no nivangongoan' ny antontany; tamin' ny valanoranom-boriky no nahafatesako arivo lahy."
17. And it came to pass, when he had made an end of speaking, that he cast away the jawbone out of his hand, and called that place Ramathlehi.
17. Quand il eut achevé de parler, il jeta de sa main la mâchoire. Et l`on appela ce lieu Ramath Léchi.
17. "Ary izao no niseho, rehefa nitsahatra niteny izy, dia nariany ilay valanoranom-boriky teny an-tanany; ary ny anaran' izany tany izany dia nataony hoe Ramata-lehy."
18. And he was sore athirst, and called on the LORD, and said, Thou hast given this great deliverance into the hand of thy servant: and now shall I die for thirst, and fall into the hand of the uncircumcised?
18. "Pressé par la soif, il invoqua l`Éternel, et dit: C`est toi qui a permis par la main de ton serviteur cette grande délivrance; et maintenant mourrais je de soif, et tomberais-je entre les mains des incirconcis?"
18. "Ary nangetaheta indrindra izy, dia nitaraina tamin' i Jehovah ka nanao hoe: Ianao no nanome izao fanafahana lehibe izao tamin' ny tanan' ny mpanomponao; ary ankehitriny ho fatin-ketaheta va aho, ka hianjera ho eo an-tanan' ny tsy mifora?"
19. But God clave an hollow place that was in the jaw, and there came water thereout; and when he had drunk, his spirit came again, and he revived: wherefore he called the name thereof Enhakkore, which is in Lehi unto this day.
19. "Dieu fendit la cavité du rocher qui est à Léchi, et il en sortit de l`eau. Samson but, son esprit se ranima, et il reprit vie. C`est de là qu`on a appelé cette source En Hakkoré; elle existe encore aujourd`hui à Léchi."
19. "Fa nampitresahin' Andriamanitra ny toerana hoboka teo amin' ilay valanorano ka niboiboika teo ny rano; ary rehefa nisotro izy, dia nody indray ny ainy ka velona izy; koa izany na nanaovany ny anarany hoe En-hakore, izay any Lehy mandraka androany."
20. And he judged Israel in the days of the Philistines twenty years.
20. Samson fut juge en Israël, au temps des Philistins, pendant vingt ans.
20. Dia nitsara ny Isiraely roapolo taona tamin' ny andron' ny Filistina izy.