1. There is an evil which I have seen under the sun, and it is common among men:
1. Il est un mal que j`ai vu sous le soleil, et qui est fréquent parmi les hommes.
1. Misy ratsy efa hitako aty ambanin'ny masoandro, ary izany dia fahita eo amin' ny olombelona:
2. A man to whom God hath given riches, wealth, and honour, so that he wanteth nothing for his soul of all that he desireth, yet God giveth him not power to eat thereof, but a stranger eateth it: this is vanity, and it is an evil disease.
2. Il y a tel homme à qui Dieu a donné des richesses, des biens, et de la gloire, et qui ne manque pour son âme de rien de ce qu`il désire, mais que Dieu ne laisse pas maître d`en jouir, car c`est un étranger qui en jouira. C`est là une vanité et un mal grave.
2. "Dia olona izay nomen' Andriamanitra harena, fananana sy voninahitra, ka tsy misy tsy ananany na inona na inona iriny, nefa tsy omen' Andriamanitra fahefana hihinana amin' izany izy, fa olon-kafa no homana azy; zava-poana sy ratsy mahory izany."
3. If a man beget an hundred children, and live many years, so that the days of his years be many, and his soul be not filled with good, and also that he have no burial; I say, that an untimely birth is better than he.
3. Quand un homme aurait cent fils, vivrait un grand nombre d`années, et que les jours de ses années se multiplieraient, si son âme ne s`est point rassasiée de bonheur, et si de plus il n`a point de sépulture, je dis qu`un avorton est plus heureux que lui.
3. Na dia misy olona miteraka zaza zato aza sady tratrantitra, ka efa maro ny andro niainany, nefa tsy mba voky soa ny fanahiny, sady tsy mba alevina akory izy, dia hoy aho: ny tsy tonga volana dia tsara kokoa noho izy.
4. For he cometh in with vanity, and departeth in darkness, and his name shall be covered with darkness.
4. "Car il est venu en vain, il s`en va dans les ténèbres, et son nom reste couvert de ténèbres;"
4. Fa zava-poana no niaviany, ary mandeha ao amin' ny maizina izy, ka ho voasaron' ny haizina ny anarany.
5. Moreover he hath not seen the sun, nor known any thing: this hath more rest than the other.
5. "il n`a point vu, il n`a point connu le soleil; il a plus de repos que cet homme."
5. "Ary tsy nahita masoandro koa izy, na nahalala zavatra akory; mahita fitsaharana kokoa noho ilay anankiray izy."
6. Yea, though he live a thousand years twice told, yet hath he seen no good: do not all go to one place?
6. Et quand celui-ci vivrait deux fois mille ans, sans jouir du bonheur, tout ne va-t-il pas dans un même lieu?
6. Eny, na dia velona arivo taona indroa aza izy, nefa tsy nahita soa, tsy ho any amin' ny fitoerana iray ihany va no alehan' izy rehetra?
7. All the labour of man is for his mouth, and yet the appetite is not filled.
7. Tout le travail de l`homme est pour sa bouche, et cependant ses désirs ne sont jamais satisfaits.
7. Ny fisasarana rehetra ataon' ny olona dia ho an' ny vavany ihany, nefa tsy mety afa-po ny faniriany.
8. For what hath the wise more than the fool? what hath the poor, that knoweth to walk before the living?
8. Car quel avantage le sage a-t-il sur l`insensé? quel avantage a le malheureux qui sait se conduire en présence des vivants?
8. Fa inona no soa azon' ny hendry noho ny adala? Inona no azon' ny mahantra izay mahay mitondra tena eo anatrehan' ny velona?
9. Better is the sight of the eyes than the wandering of the desire: this is also vanity and vexation of spirit.
9. Ce que les yeux voient est préférable à l`agitation des désirs: c`est encore là une vanité et la poursuite du vent.
9. Ny fahitan' ny maso dia mahafinaritra kokoa noho ny firenirenin' ny faniriana. Zava-poana sy misambo-drivotra koa izany.
10. That which hath been is named already, and it is known that it is man: neither may he contend with him that is mightier than he.
10. "Ce qui existe a déjà été appelé par son nom; et l`on sait que celui qui est homme ne peut contester avec un plus fort que lui."
10. "Izay efa nisy, dia efa voatonona anarana rahateo, ary fantatra fa olona izy; ary izy dia tsy mahazo mifandahatra amin' izay mahery noho izy."
11. Seeing there be many things that increase vanity, what is man the better?
11. S`il y a beaucoup de choses, il y a beaucoup de vanités: quel avantage en revient-il à l`homme?
11. Fa maro ny zavatra mahabe ny zava-poana, koa inona no soa azon' ny olona?
12. For who knoweth what is good for man in this life, all the days of his vain life which he spendeth as a shadow? for who can tell a man what shall be after him under the sun?
12. Car qui sait ce qui est bon pour l`homme dans la vie, pendant le nombre des jours de sa vie de vanité, qu`il passe comme une ombre? Et qui peut dire à l`homme ce qui sera après lui sous le soleil?
12. Fa iza no mahalala izay mahasoa ny olona amin' izao fiainana izao, amin' ny andro rehetra amin' ny fiainany mandalo foana izay lanìny toy ny aloka? Fa iza no mahalaza amin' ny olona izay zavatra ho avy any aoriany aty ambany masoandro?