The Plot Against Jesus

1. And it came to pass, when Jesus had finished all these sayings, he said unto his disciples,
1. Lorsque Jésus eut achevé tous ces discours, il dit à ses disciples:
1. Ary izao no niseho, rehefa vitan' i Jesosy izany teny rehetra izany, dia nilaza tamin' ny mpianany Izy hoe:
2. Ye know that after two days is the feast of the passover, and the Son of man is betrayed to be crucified.
2. Vous savez que la Pâque a lieu dans deux jours, et que le Fils de l`homme sera livré pour être crucifié.
2. Fantatrareo fa raha afaka indroa andro dia ho tonga ny andro firavoravoan' ny Paska, koa ny Zanak' olona dia havadika mba hohomboana amin' ny hazofijaliana.
3. Then assembled together the chief priests, and the scribes, and the elders of the people, unto the palace of the high priest, who was called Caiaphas,
3. "Alors les principaux sacrificateurs et les anciens du peuple se réunirent dans la cour du souverain sacrificateur, appelé Caïphe;"
3. Ary tamin' izany dia nivory ny lohan' ny mpisorona sy ny mpanoradalàna ary ny loholona tao amin' ny lapan' ny mpisoronabe izay atao hoe Kaiafa.
4. And consulted that they might take Jesus by subtilty, and kill him.
4. et ils délibérèrent sur les moyens d`arrêter Jésus par ruse, et de le faire mourir.
4. "Ary niara-nihevitra izy ireo hisambotra an' i Jesosy amin' ny fitaka ka hamono Azy;"
5. But they said, Not on the feast day, lest there be an uproar among the people.
5. Mais ils dirent: Que ce ne soit pas pendant la fête, afin qu`il n`y ait pas de tumulte parmi le peuple.
5. Kanefa hoy izy: Tsy amin' ny andro firavoravoana, fandrao hisy tabataba amin' ny olona.

Jesus Anointed at Bethany

6. Now when Jesus was in Bethany, in the house of Simon the leper,
6. Comme Jésus était à Béthanie, dans la maison de Simon le lépreux,
6. Ary nony tany Betania Jesosy, tao an-tranon' i Simona boka,
7. There came unto him a woman having an alabaster box of very precious ointment, and poured it on his head, as he sat at meat.
7. "une femme s`approcha de lui, tenant un vase d`albâtre, qui renfermait un parfum de grand prix; et, pendant qu`il était à table, elle répandit le parfum sur sa tête."
7. Dia nanatona Azy ny vehivavy anankiray nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra sarobidy loatra, ka naidiny tamin' ny lohany izany, raha nipetraka nihinana Izy.
8. But when his disciples saw it, they had indignation, saying, To what purpose is this waste?
8. Les disciples, voyant cela, s`indignèrent, et dirent: A quoi bon cette perte?
8. Fa nony nahita izany ny mpianany dia sosotra ka nanao hoe: Inona no anton'izao fandaniam-poana izao?
9. For this ointment might have been sold for much, and given to the poor.
9. On aurait pu vendre ce parfum très cher, et en donner le prix aux pauvres.
9. Fa azo namidy ho lafo be iny menaka manitra iny ka nomena ny mahantra.
10. When Jesus understood it, he said unto them, Why trouble ye the woman? for she hath wrought a good work upon me.
10. "Jésus, s`en étant aperçu, leur dit: Pourquoi faites-vous de la peine à cette femme? Elle a fait une bonne action à mon égard;"
10. Rehefa fantatr' i Jesosy izany, dia hoy Izy taminy: Nahoana ianareo no mampalahelo an-dravehivavy? fa asa soa no nataony tamiko.
11. For ye have the poor always with you; but me ye have not always.
11. car vous avez toujours des pauvres avec vous, mais vous ne m`avez pas toujours.
11. Fa ny mahantra dia eto aminareo mandrakariva, fa Izaho tsy mba ho eto aminareo mandrakariva.
12. For in that she hath poured this ointment on my body, she did it for my burial.
12. En répandant ce parfum sur mon corps, elle l`a fait pour ma sépulture.
12. Fa izy no nampidina izany menaka manitra izany tamin' ny tenako, dia ny hamboatra Ahy halevina no nanaovany izany.
13. Verily I say unto you, Wheresoever this gospel shall be preached in the whole world, there shall also this, that this woman hath done, be told for a memorial of her.
13. Je vous le dis en vérité, partout où cette bonne nouvelle sera prêchée, dans le monde entier, on racontera aussi en mémoire de cette femme ce qu`elle a fait.
13. Lazaiko aminareo marina tokoa: Na aiza na aiza manerana izao tontolo izao no hitoriana ity filazantsara ity, dia holazaina koa izay nataon-dravehivavy mba ho fahatsiarovana azy.

Judas Agrees to Betray Jesus

14. Then one of the twelve, called Judas Iscariot, went unto the chief priests,
14. Alors l`un des douze, appelé Judas Iscariot, alla vers les principaux sacrificateurs,
14. Ary ny anankiray tamin' ny roa ambin' ny folo lahy, atao hoe Jodasy Iskariota, dia nankao amin' ny lohan' ny mpisorona,
15. And said unto them, What will ye give me, and I will deliver him unto you? And they covenanted with him for thirty pieces of silver.
15. et dit: Que voulez-vous me donner, et je vous le livrerai? Et ils lui payèrent trente pièces d`argent.
15. Ka nanao taminy hoe: Homenareo hoatrinona aho hanolorako Azy aminareo? Ary nifanaiky taminy sekely volafotsy telopolo homena azy izy ireo.
16. And from that time he sought opportunity to betray him.
16. Depuis ce moment, il cherchait une occasion favorable pour livrer Jésus.
16. Ary hatramin' izay no nitadiavany izay fotoana mahamety hahazoany mamadika Azy.

The Lord's Supper

17. Now the first day of the feast of unleavened bread the disciples came to Jesus, saying unto him, Where wilt thou that we prepare for thee to eat the passover?
17. Le premier jour des pains sans levain, les disciples s`adressèrent à Jésus, pour lui dire: Où veux-tu que nous te préparions le repas de la Pâque?
17. Ary tamin' ny voalohan' ny andro fihinanana ny mofo tsy misy lalivay dia nankeo amin' i Jesosy ny mpianatra ka nanao hoe: Aiza no tianao hamboarinay hihinananao ny Paska?
18. And he said, Go into the city to such a man, and say unto him, The Master saith, My time is at hand; I will keep the passover at thy house with my disciples.
18. "Il répondit: Allez à la ville chez un tel, et vous lui direz: Le maître dit: Mon temps est proche; je ferai chez toi la Pâque avec mes disciples."
18. "Ary hoy Izy: Mankanesa any an-tanàna ho any amin-dralehilahy, ka lazao aminy hoe: Hoy ny Mpampianatra: Efa akaiky ny fotoako; koa ato aminao Aho sy ny mpianatro no hitandrina ny Paska."
19. And the disciples did as Jesus had appointed them; and they made ready the passover.
19. Les disciples firent ce que Jésus leur avait ordonné, et ils préparèrent la Pâque.
19. Ary ny mpianatra dia nanao araka ny nasain' i Jesosy nataony ka namboatra ny Paska.
20. Now when the even was come, he sat down with the twelve.
20. Le soir étant venu, il se mit à table avec les douze.
20. Ary nony takariva ny andro, dia nipetraka nihinana Izy mbamin' ny roa ambin' ny folo lahy.
21. And as they did eat, he said, Verily I say unto you, that one of you shall betray me.
21. Pendant qu`ils mangeaient, il dit: Je vous le dis en vérité, l`un de vous me livrera.
21. Ary raha mbola nihinana Izy, dia hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny anankiray aminareo hamadika Ahy.
22. And they were exceeding sorrowful, and began every one of them to say unto him, Lord, is it I?
22. Ils furent profondément attristés, et chacun se mit à lui dire: Est-ce moi, Seigneur?
22. Dia nalahelo indrindra izy ireo, ka samy nanomboka nanontany Azy hoe: Moa izaho va izany, Tompoko?
23. And he answered and said, He that dippeth his hand with me in the dish, the same shall betray me.
23. Il répondit: Celui qui a mis avec moi la main dans le plat, c`est celui qui me livrera.
23. Ary Izy namaly ka nanao hoe: Izay miara-manatsoboka ny tanany amiko ao anatin' ny lovia, izy no hamadika Ahy.
24. The Son of man goeth as it is written of him: but woe unto that man by whom the Son of man is betrayed! it had been good for that man if he had not been born.
24. Le Fils de l`homme s`en va, selon ce qui est écrit de lui. Mais malheur à l`homme par qui le Fils de l`homme est livré! Mieux vaudrait pour cet homme qu`il ne fût pas né.
24. Ny Zanak' olona dia mandeha araka izay nanoratana Azy, nefa lozan' izay olona hahazoana ny Zanak' olona havadika! tsara ho an' izany olona izany raha tsy ary akory.
25. Then Judas, which betrayed him, answered and said, Master, is it I? He said unto him, Thou hast said.
25. Judas, qui le livrait, prit la parole et dit: Est-ce moi, Rabbi? Jésus lui répondit: Tu l`as dit.
25. Ary Jodasy, izay namadika Azy, dia namaly ka nanao hoe: Izaho va izany, Mpampianatra ô? Dia hoy izy taminy: Voalazanao.
26. And as they were eating, Jesus took bread, and blessed it, and brake it, and gave it to the disciples, and said, Take, eat; this is my body.
26. "Pendant qu`ils mangeaient, Jésus prit du pain; et, après avoir rendu grâces, il le rompit, et le donna aux disciples, en disant: Prenez, mangez, ceci est mon corps."
26. Ary raha mbola nihinana izy ireo, dia nandray mofo Jesosy, ka nony efa nisaotra Izy, dia novakiny ka natolony ny mpianatra, ary hoy Izy: Raiso, hano, ity no tenako.
27. And he took the cup, and gave thanks, and gave it to them, saying, Drink ye all of it;
27. "Il prit ensuite une coupe; et, après avoir rendu grâces, il la leur donna, en disant: Buvez-en tous;"
27. "Ary nandray ny kapoaka Izy, ka nisaotra, dia natolony azy ka nataony hoe: Sotroinareo rehetra ity;"
28. For this is my blood of the new testament, which is shed for many for the remission of sins.
28. car ceci est mon sang, le sang de l`alliance, qui est répandu pour plusieurs, pour la rémission des péchés.
28. "Fa ity no rako, dia ny amin' ny fanekena vaovao izay alatsako ho an' ny maro ho famelan-keloka;"
29. But I say unto you, I will not drink henceforth of this fruit of the vine, until that day when I drink it new with you in my Father's kingdom.
29. Je vous le dis, je ne boirai plus désormais de ce fruit de la vigne, jusqu`au jour où j`en boirai du nouveau avec vous dans le royaume de mon Père.
29. Fa lazaiko aminareo fa hatramin' izao dia tsy mba hisotro itony vokatry ny voaloboka itony intsony Aho mandra-piavin' ny andro hiarahako misotro izay vaovao aminareo any amin' ny fanjakan' ny Raiko.
30. And when they had sung an hymn, they went out into the mount of Olives.
30. Après voir chanté les cantiques, ils se rendirent à la montagne des oliviers.
30. Ary rehefa nihira fiderana izy ireo, dia lasa nankany amin' ny tendrombohitra Oliva.

Jesus Predicts Peter's Denial

31. Then saith Jesus unto them, All ye shall be offended because of me this night: for it is written, I will smite the shepherd, and the sheep of the flock shall be scattered abroad.
31. "Alors Jésus leur dit: Je serai pour vous tous, cette nuit, une occasion de chute; car il est écrit: Je frapperai le berger, et les brebis du troupeau seront dispersées."
31. "Ary tamin' izany dia hoy Jesosy taminy: Ianareo rehetra dia ho tafintohina noho ny amiko anio alina; fa voasoratra hoe: Hamely ny mpiandry Aho, dia hihahaka ny ondry andrasana."
32. But after I am risen again, I will go before you into Galilee.
32. Mais, après que je serai ressuscité, je vous précèderai en Galilée.
32. Fa rehefa atsangana indray Aho, dia hialoha anareo ho any Galilia.
33. Peter answered and said unto him, Though all men shall be offended because of thee, yet will I never be offended.
33. Pierre, prenant la parole, lui dit: Quand tu serais pour tous une occasion de chute, tu ne le seras jamais pour moi.
33. Fa namaly Petera ka nanao taminy hoe: Na dia ho tafintohina noho ny aminao aza ny olona rehetra, izaho tsy mba ho tafintohina mandrakizay.
34. Jesus said unto him, Verily I say unto thee, That this night, before the cock crow, thou shalt deny me thrice.
34. Jésus lui dit: Je te le dis en vérité, cette nuit même, avant que le coq chante, tu me renieras trois fois.
34. Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa fa anio alina, raha tsy mbola misy akoho maneno, dia handà Ahy intelo ianao.
35. Peter said unto him, Though I should die with thee, yet will I not deny thee. Likewise also said all the disciples.
35. Pierre lui répondit: Quand il me faudrait mourir avec toi, je ne te renierai pas. Et tous les disciples dirent la même chose.
35. Hoy Petera taminy: Na dia hiara-maty aminao aza aho, tsy mba handà Anao tokoa aho. Ary toy izany koa no nolazain' ny mpianatra rehetra.

Gethsemane

36. Then cometh Jesus with them unto a place called Gethsemane, and saith unto the disciples, Sit ye here, while I go and pray yonder.
36. Là-dessus, Jésus alla avec eux dans un lieu appelé Gethsémané, et il dit aux disciples: Asseyez-vous ici, pendant que je m`éloignerai pour prier.
36. Ary Jesosy mbamin' ny mpianany dia tonga tao amin' ny toerana anankiray atao hoe Getsemane, ary hoy Izy tamin' ny mpianatra: Mipetraha eto aloha ianareo raha mbola hankeroa hivavaka Aho.
37. And he took with him Peter and the two sons of Zebedee, and began to be sorrowful and very heavy.
37. Il prit avec lui Pierre et les deux fils de Zébédée, et il commença à éprouver de la tristesse et des angoisses.
37. Ary nitondra an'i Petera mbamin'izy roa lahy zanak' i Zebedio Izy, sady nanomboka nalahelo am-po sy ory indrindra.
38. Then saith he unto them, My soul is exceeding sorrowful, even unto death: tarry ye here, and watch with me.
38. "Il leur dit alors: Mon âme est triste jusqu`à la mort; restez ici, et veillez avec moi."
38. "Dia hoy Izy taminy: Fadiranovana loatra ny fanahiko, toy ny efa ho faty; mitoera eto, ka miaraha miaritory amiko."
39. And he went a little farther, and fell on his face, and prayed, saying, O my Father, if it be possible, let this cup pass from me: nevertheless not as I will, but as thou wilt.
39. Puis, ayant fait quelques pas en avant, il se jeta sur sa face, et pria ainsi: Mon Père, s`il est possible, que cette coupe s`éloigne de moi! Toutefois, non pas ce que je veux, mais ce que tu veux.
39. "Ary nony nandroso kelikely Izy, dia niankohoka ka nivavaka hoe: Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hoesorina amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao fa ny Anao."
40. And he cometh unto the disciples, and findeth them asleep, and saith unto Peter, What, could ye not watch with me one hour?
40. Et il vint vers les disciples, qu`il trouva endormis, et il dit à Pierre: Vous n`avez donc pu veiller une heure avec moi!
40. Ary nankeo amin' ny mpianatra Izy ka nahita azy matory, dia hoy Izy tamin' i Petera: Hay! tsy mahazaka ny miara-miari-tory amiko na dia ora iray ihany aza ianareo!
41. Watch and pray, that ye enter not into temptation: the spirit indeed is willing, but the flesh is weak.
41. "Veillez et priez, afin que vous ne tombiez pas dans la tentation; l`esprit es bien disposé, mais la chair est faible."
41. "Miareta tory sy mivavaha ianareo, mba tsy hidiranareo amin'ny fakampanahy; mety ihany ny fanahy fa ny nofo no malemy."
42. He went away again the second time, and prayed, saying, O my Father, if this cup may not pass away from me, except I drink it, thy will be done.
42. Il s`éloigna une seconde fois, et pria ainsi: Mon Père, s`il n`est pas possible que cette coupe s`éloigne sans que je la boive, que ta volonté soit faite!
42. Dia nandeha fanindroany Izy ka nivavaka nanao hoe: Raiko ô, raha tsy azo esorina amiko ity kapoaka ity, fa tsy maintsy hosotroiko, dia aoka ny sitraponao no hatao.
43. And he came and found them asleep again: for their eyes were heavy.
43. "Il revint, et les trouva encore endormis; car leurs yeux étaient appesantis."
43. Ary tonga Izy, dia nahita azy matory indray fa efa nilondolondo ny masony.
44. And he left them, and went away again, and prayed the third time, saying the same words.
44. Il les quitta, et, s`éloignant, il pria pour la troisième fois, répétant les mêmes paroles.
44. Ary nandao azy Izy ka lasa indray, dia nivavaka fanintelony ka nanao izany teny izany ihany.
45. Then cometh he to his disciples, and saith unto them, Sleep on now, and take your rest: behold, the hour is at hand, and the Son of man is betrayed into the hands of sinners.
45. Puis il alla vers ses disciples, et leur dit: Vous dormez maintenant, et vous vous reposez! Voici, l`heure est proche, et le Fils de l`homme est livré aux mains des pécheurs.
45. "Dia nankeo amin' ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe: Matoria àry ankehitriny, ka mialà sasatra ianareo; indro efa akaiky ny ora, ary ny Zanak' olona havadika ho eo an-tanan' ny mpanota."
46. Rise, let us be going: behold, he is at hand that doth betray me.
46. "Levez-vous, allons; voici, celui qui me livre s`approche."
46. "Mitsangàna, andeha isika; indro, fa efa akaiky ilay mamadika Ahy."

Jesus Arrested

47. And while he yet spake, lo, Judas, one of the twelve, came, and with him a great multitude with swords and staves, from the chief priests and elders of the people.
47. Comme il parlait encore, voici, Judas, l`un des douze, arriva, et avec lui une foule nombreuse armée d`épées et de bâtons, envoyée par les principaux sacrificateurs et par les anciens du peuple.
47. Ary raha mbola niteny Izy, indro, avy Jodasy, izay isan' ny roa ambin' ny folo lahy, mbamin' ny vahoaka betsaka niaraka taminy, nitondra sabatra sy langilangy, nirahin' ny lohan' ny mpisorona sy ny loholona.
48. Now he that betrayed him gave them a sign, saying, Whomsoever I shall kiss, that same is he: hold him fast.
48. "Celui qui le livrait leur avait donné ce signe: Celui que je baiserai, c`est lui; saisissez-le."
48. "Ary ilay namadika Azy nanome famantarana ny olona ka nanao hoe: Izay horohako no Izy; sambory Izy."
49. And forthwith he came to Jesus, and said, Hail, master; and kissed him.
49. Aussitôt, s`approchant de Jésus, il dit: Salut, Rabbi! Et il le baisa.
49. Ary niaraka tamin' izay dia nanatona an' i Jesosy izy ka nanao hoe: Finaritra, Mpampianatra ô, dia nanoroka Azy.
50. And Jesus said unto him, Friend, wherefore art thou come? Then came they, and laid hands on Jesus, and took him.
50. Jésus lui dit: Mon ami, ce que tu es venu faire, fais-le. Alors ces gens s`avancèrent, mirent la main sur Jésus, et le saisirent.
50. Fa hoy Jesosy taminy: Ry sakaiza, haninona eto ianao? Dia nanatona ny olona ka nisambotra an' i Jesosy sy nitana Azy.
51. And, behold, one of them which were with Jesus stretched out his hand, and drew his sword, and struck a servant of the high priest's, and smote off his ear.
51. "Et voici, un de ceux qui étaient avec Jésus étendit la main, et tira son épée; il frappa le serviteur du souverain sacrificateur, et lui emporta l`oreille."
51. Ary, indro, ny anankiray tamin' izay nomba an' i Jesosy naninjitra ny tanany, dia nanatsoaka ny sabany ka nikapa ny mpanompon' ny mpisoronabe ary nahafaka ny sofiny.
52. Then said Jesus unto him, Put up again thy sword into his place: for all they that take the sword shall perish with the sword.
52. "Alors Jésus lui dit: Remets ton épée à sa place; car tous ceux qui prendront l`épée périront par l`épée."
52. "Fa hoy Jesosy taminy: Ampidiro amin' ny tranony ny sabatrao; fa izay rehetra mandray sabatra dia hovonoina amin' ny sabatra."
53. Thinkest thou that I cannot now pray to my Father, and he shall presently give me more than twelve legions of angels?
53. Penses-tu que je ne puisse pas invoquer mon Père, qui me donnerait à l`instant plus de douze légions d`anges?
53. Ary ataonao va fa tsy mahazo mangataka amin' ny Raiko Aho, dia haniraka anjely tsy omby roa ambin' ny folo legiona ho ety amiko Izy ankehitriny?
54. But how then shall the scriptures be fulfilled, that thus it must be?
54. Comment donc s`accompliraient les Écritures, d`après lesquelles il doit en être ainsi?
54. Raha izany, dia hatao ahoana no hahatanteraka ny Soratra Masina, izay milaza fa tsy maintsy ho tonga izany?
55. In that same hour said Jesus to the multitudes, Are ye come out as against a thief with swords and staves for to take me? I sat daily with you teaching in the temple, and ye laid no hold on me.
55. En ce moment, Jésus dit à la foule: Vous êtes venus, comme après un brigand, avec des épées et des bâtons, pour vous emparer de moi. J`étais tous les jours assis parmi vous, enseignant dans le temple, et vous ne m`avez pas saisi.
55. Ary tamin' izany ora izany dia niteny tamin' ny vahoaka Jesosy hoe: Mivoaka mitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy toy ny hisambotra mpangalatra va ianareo? Isan' andro dia nipetraka nampianatra teo amin' ny tempoly Aho, nefa tsy nisambotra Ahy ianareo.
56. But all this was done, that the scriptures of the prophets might be fulfilled. Then all the disciples forsook him, and fled.
56. Mais tout cela est arrivé afin que les écrits des prophètes fussent accomplis. Alors tous les disciples l`abandonnèrent, et prirent la fuite.
56. Fa izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay voasoratry ny mpaminany. Ary tamin' izany dia nandao Azy ny mpianatra rehetra ka nandositra.

Before the Sanhedrin

57. And they that had laid hold on Jesus led him away to Caiaphas the high priest, where the scribes and the elders were assembled.
57. Ceux qui avaient saisi Jésus l`emmenèrent chez le souverain sacrificateur Caïphe, où les scribes et les anciens étaient assemblés.
57. Ary izay efa nisambotra an' i Jesosy dia nitondra Azy ho any amin' i Kaiafa mpisoronabe, izay nivorian' ny mpanoradalàna sy ny loholona.
58. But Peter followed him afar off unto the high priest's palace, and went in, and sat with the servants, to see the end.
58. Pierre le suivit de loin jusqu`à la cour du souverain sacrificateur, y entra, et s`assit avec les serviteurs, pour voir comment cela finirait.
58. "Ary Petera nanaraka Azy teny lavidavitra eny hatrany amin' ny kianjan' ny mpisoronabe; ary niditra izy, dia niara-nipetraka tamin' ny mpanompo mba hahita izay hiafarany."
59. Now the chief priests, and elders, and all the council, sought false witness against Jesus, to put him to death;
59. Les principaux sacrificateurs et tout le sanhédrin cherchaient quelque faux témoignage contre Jésus, suffisant pour le faire mourir.
59. Ary ny lohan' ny mpisorona, sy ny loholona mbamin' ny Synedriona rehetra nitady teny hoentiny hiampangana lainga an' i Jesosy mba hamonoany Azy.
60. But found none: yea, though many false witnesses came, yet found they none. At the last came two false witnesses,
60. Mais ils n`en trouvèrent point, quoique plusieurs faux témoins se fussent présentés. Enfin, il en vint deux, qui dirent:
60. Fa tsy nahita ireo, eny, na dia maro aza ny vavolombelona mandainga tonga teo, dia tsy nahita izy ireo. Ary nony farany dia nisy vavolombelona mandainga roa lahy tonga teo,
61. And said, This fellow said, I am able to destroy the temple of God, and to build it in three days.
61. Celui-ci a dit: Je puis détruire le temple de Dieu, et le rebâtir en trois jours.
61. Izay nanao hoe: ity lehilahy ity nanao hoe: Mahay mandrava ny tempolin' Andriamanitra Aho sy manangana azy amin' ny hateloana.
62. And the high priest arose, and said unto him, Answerest thou nothing? what is it which these witness against thee?
62. Le souverain sacrificateur se leva, et lui dit: Ne réponds-tu rien? Qu`est-ce que ces hommes déposent contre toi?
62. Dia nitsangana ny mpisoronabe ka nanao taminy hoe: Tsy mety mamaly akory va Ianao? Inona no iampangan' ireto Anao?
63. But Jesus held his peace. And the high priest answered and said unto him, I adjure thee by the living God, that thou tell us whether thou be the Christ, the Son of God.
63. Jésus garda le silence. Et le souverain sacrificateur, prenant la parole, lui dit: Je t`adjure, par le Dieu vivant, de nous dire si tu es le Christ, le Fils de Dieu.
63. Nefa tsy niteny Jesosy. Dia namaly ny mpisoronabe ka nanao taminy hoe: Ampianianiko amin' Andriamanitra velona Ianao hilaza aminay, raha Ianao no Kristy Zanak' Andriamanitra.
64. Jesus saith unto him, Thou hast said: nevertheless I say unto you, Hereafter shall ye see the Son of man sitting on the right hand of power, and coming in the clouds of heaven.
64. Jésus lui répondit: Tu l`as dit. De plus, je vous le déclare, vous verrez désormais le Fils de l`homme assis à la droite de la puissance de Dieu, et venant sur les nuées du ciel.
64. "Hoy Jesosy taminy: Voalazanao; ary koa, lazaiko aminareo: Hatramin' izao dia ho hitanareo ny Zanak' olona mipetraka eo amin' ny tanana ankavanan' ny Hery sy avy eo amin' ny rahon' ny lanitra."
65. Then the high priest rent his clothes, saying, He hath spoken blasphemy; what further need have we of witnesses? behold, now ye have heard his blasphemy.
65. Alors le souverain sacrificateur déchira ses vêtements, disant: Il a blasphémé! Qu`avons-nous encore besoin de témoins? Voici, vous venez d`entendre son blasphème. Que vous en semble?
65. Ary tamin' izany ny mpisoronabe dia nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: Efa niteny blasfemia Izy, ahoana no mbola ilàntsika vavolombelona indray? indro, efa renareo ny blasfemiany.
66. What think ye? They answered and said, He is guilty of death.
66. Ils répondirent: Il mérite la mort.
66. Ahoana no hevitrareo? Ary ireo namaly ka nanao hoe: Mendrika hohelohina ho faty Izy.
67. Then did they spit in his face, and buffeted him; and others smote him with the palms of their hands,
67. Là-dessus, ils lui crachèrent au visage, et lui donnèrent des coups de poing et des soufflets en disant:
67. "Dia nororany ny tavany ka nasiany totohondry Izy; ary ny sasany namely tehamaina Azy,"
68. Saying, Prophesy unto us, thou Christ, Who is he that smote thee?
68. "Christ, prophétise; dis-nous qui t`a frappé."
68. Ka nanao hoe: Maminania aminay, ry Kristy, iza no namely Anao?

Peter Disowns Jesus

69. Now Peter sat without in the palace: and a damsel came unto him, saying, Thou also wast with Jesus of Galilee.
69. Cependant, Pierre était assis dehors dans la cour. Une servante s`approcha de lui, et dit: Toi aussi, tu étais avec Jésus le Galiléen.
69. Ary Petera nipetraka teo ivelany, teo an-kianja, dia nanatona Azy ny ankizivavy anankiray ka nanao hoe: Ianao koa nomba an' i Jesosy ilay Galiliana.
70. But he denied before them all, saying, I know not what thou sayest.
70. Mais il le nia devant tous, disant: Je ne sais ce que tu veux dire.
70. Fa nandà teo anatrehan' izy rehetra izy ka nanao hoe: Tsy fantatro izay lazainao.
71. And when he was gone out into the porch, another maid saw him, and said unto them that were there, This fellow was also with Jesus of Nazareth.
71. "Comme il se dirigeait vers la porte, une autre servante le vit, et dit à ceux qui se trouvaient là; Celui-ci était aussi avec Jésus de Nazareth."
71. Ary nony niala ho eo an-davarangana izy, dia nahita azy koa ny ankizivavy anankiray ka nilaza tamin' izay teo hoe: ity lehilahy ity koa nomba an' i Jesosy avy any Nazareta.
72. And again he denied with an oath, I do not know the man.
72. Il le nia de nouveau, avec serment: Je ne connais pas cet homme.
72. Ary nandà indray tamin' ny fianianana izy ka nanao hoe: Tsy fantatro izany lehilahy izany.
73. And after a while came unto him they that stood by, and said to Peter, Surely thou also art one of them; for thy speech bewrayeth thee.
73. Peu après, ceux qui étaient là, s`étant approchés, dirent à Pierre: Certainement tu es aussi de ces gens-là, car ton langage te fait reconnaître.
73. "Ary nony afaka kelikely dia nanatona izay nijanona teo ka nanao tamin' i Petera hoe: Marina tokoa fa naman' ireny ianao; fa ny fiteninao miampanga anao."
74. Then began he to curse and to swear, saying, I know not the man. And immediately the cock crew.
74. Alors il se mit à faire des imprécations et à jurer: Je ne connais pas cet homme. Aussitôt le coq chanta.
74. "Dia nanomboka niozona sy nianiana izy ka nanao hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy izany; ary niaraka tamin' izay dia nisy akoho naneno."
75. And Peter remembered the word of Jesus, which said unto him, Before the cock crow, thou shalt deny me thrice. And he went out, and wept bitterly.
75. Et Pierre se souvint de la parole que Jésus avait dite: Avant que le coq chante, tu me renieras trois fois. Et étant sorti, il pleura amèrement.
75. Ary Petera nahatsiaro ny tenin' i Jesosy, izay nolazainy taminy hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno, dia handà Ahy intelo ianao. Ary rehefa nivoaka teny ivelany izy, dia nitomany fatratra.
<
>