Jesus Before Pilate
1. And straightway in the morning the chief priests held a consultation with the elders and scribes and the whole council, and bound Jesus, and carried him away, and delivered him to Pilate.
1. Dès le matin, les principaux sacrificateurs tinrent conseil avec les anciens et les scribes, et tout le sanhédrin. Après avoir lié Jésus, ils l`emmenèrent, et le livrèrent à Pilate.
1. ARY niaraka tamin' izay raha vao maraina ny andro, ny lohan' ny mpisorona sy ny loholona sy ny mpanoradalàna mbamin' ny Synedriona rehetra dia niara-nisaina ary namatotra an' i Jesosy ka nitondra Azy, dia nanolotra Azy teo amin' i Pilato.
2. And Pilate asked him, Art thou the King of the Jews? And he answering said unto him, Thou sayest it.
2. Pilate l`interrogea: Es-tu le roi des Juifs? Jésus lui répondit: Tu le dis.
2. Ary Pilato nanontany Azy hoe: Ianao va no Mpanjakan' ny Jiosy? Ary namaly Izy ka nanao taminy hoe: Voalazanao.
3. And the chief priests accused him of many things: but he answered nothing.
3. Les principaux sacrificateurs portaient contre lui plusieurs accusations.
3. "Ary ny lohan' ny mpisorona niampanga Azy zavatra maro; fa tsy namaly akory Izy."
4. And Pilate asked him again, saying, Answerest thou nothing? behold how many things they witness against thee.
4. Pilate l`interrogea de nouveau: Ne réponds-tu rien? Vois de combien de choses ils t`accusent.
4. Ary nanontany Azy indray Pilato hoe: Tsy mety mamaly akory va Ianao? He! izao hamaroan' ny zavatra iampangany Anao izao!
5. But Jesus yet answered nothing; so that Pilate marvelled.
5. Et Jésus ne fit plus aucune réponse, ce qui étonna Pilate.
5. Nefa Jesosy tsy mbola namaly na inona na inona ihany, ka dia gaga Pilato.
6. Now at that feast he released unto them one prisoner, whomsoever they desired.
6. A chaque fête, il relâchait un prisonnier, celui que demandait la foule.
6. Koa isaky ny avy ny andro firavoravoana dia fanaony ny mandefa mpigadra iray izay angatahin' ny olona.
7. And there was one named Barabbas, which lay bound with them that had made insurrection with him, who had committed murder in the insurrection.
7. Il y avait en prison un nommé Barabbas avec ses complices, pour un meurtre qu`ils avaient commis dans une sédition.
7. Ary nisy anankiray, ilay atao hoe Barabasy, nifatotra tao mbamin'ny mpikomy sasany, izay efa nahafaty olona tamin' ny fikomiana.
8. And the multitude crying aloud began to desire him to do as he had ever done unto them.
8. La foule, étant montée, se mit à demander ce qu`il avait coutume de leur accorder.
8. Ary niakatra ny vahoaka ka nanomboka nangataka azy hanao araka izay fanaony aminy.
9. But Pilate answered them, saying, Will ye that I release unto you the King of the Jews?
9. Pilate leur répondit: Voulez-vous que je vous relâche le roi des Juif?
9. Fa namaly azy Pilato ka nanao hoe: Tianareo va raha ny Mpanjakan' ny Jiosy no halefako ho anareo?
10. For he knew that the chief priests had delivered him for envy.
10. Car il savait que c`était par envie que les principaux sacrificateurs l`avaient livré.
10. Fa fantany fa fialonana no nanoloran' ny lohan' ny mpisorona Azy.
11. But the chief priests moved the people, that he should rather release Barabbas unto them.
11. Mais les chefs des sacrificateurs excitèrent la foule, afin que Pilate leur relâchât plutôt Barabbas.
11. Fa ny lohan' ny mpisorona nanetsika ny vahoaka, fa aleony Barabasy no alefa ho azy.
12. And Pilate answered and said again unto them, What will ye then that I shall do unto him whom ye call the King of the Jews?
12. Pilate, reprenant la parole, leur dit: Que voulez-vous donc que je fasse de celui que vous appelez le roi des Juifs?
12. Ary namaly Pilato ka nanao taminy indray hoe: Ka inona ary no hataoko amin' ilay ataonareo hoe: Mpanjakan' ny Jiosy?
13. And they cried out again, Crucify him.
13. Ils crièrent de nouveau: Crucifie-le!
13. Ary niantso mafy indray ny vahoaka hoe: Homboy amin' ny hazofijaliana Izy!
14. Then Pilate said unto them, Why, what evil hath he done? And they cried out the more exceedingly, Crucify him.
14. Pilate leur dit: Quel mal a-t-il fait? Et ils crièrent encore plus fort: Crucifie-le!
14. Ary hoy Pilato taminy: Fa inona moa no ratsy nataony? Nefa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Homboy amin' ny hazofijaliana Izy!
15. And so Pilate, willing to content the people, released Barabbas unto them, and delivered Jesus, when he had scourged him, to be crucified.
15. "Pilate, voulant satisfaire la foule, leur relâcha Barabbas; et, après avoir fait battre de verges Jésus, il le livra pour être crucifié."
15. Ary te-hahazo sitraka tamin' ny vahoaka Pilato, ka dia nandefa an' i Barabasy ho azy, fa nanolotra an' i Jesosy, rehefa avy nikapoka Azy, mba hohomboana amin' ny hazofijaliana.
The Soldiers Mock Jesus
16. And the soldiers led him away into the hall, called Praetorium; and they call together the whole band.
16. Les soldats conduisirent Jésus dans l`intérieur de la cour, c`est-à-dire, dans le prétoire, et ils assemblèrent toute la cohorte.
16. Ary nitondra an' i Jesosy ho eo an-kianja izay atao hoe Pretoria ny miaramila, sady nanangona ny miaramila namany rehetra.
17. And they clothed him with purple, and platted a crown of thorns, and put it about his head,
17. Ils le revêtirent de pourpre, et posèrent sur sa tête une couronne d`épines, qu`ils avaient tressée.
17. Ary dia nampitafy Azy lamba volomparasy izy, sady nandrandrana satroka tsilo, ka nasatrony ny lohany.
18. And began to salute him, Hail, King of the Jews!
18. Puis ils se mirent à le saluer: Salut, roi des Juifs!
18. Ary dia niarahaba Azy izy hoe: Arahaba, ry Mpanjakan' ny Jiosy!
19. And they smote him on the head with a reed, and did spit upon him, and bowing their knees worshipped him.
19. Et ils lui frappaient la tête avec un roseau, crachaient sur lui, et, fléchissant les genoux, ils se prosternaient devant lui.
19. Ary dia nikapoka ny lohany tamin' ny volotara izy sady nandrora Azy, dia nandohalika sy niankohoka teo anatrehany.
20. And when they had mocked him, they took off the purple from him, and put his own clothes on him, and led him out to crucify him.
20. Après s`être ainsi moqués de lui, ils lui ôtèrent la pourpre, lui remirent ses vêtements, et l`emmenèrent pour le crucifier.
20. "Ary rehefa naneso Azy izy, dia nanala ilay lamba volomparasy teny aminy, ka nampitafiny Azy indray ny fitafiany; ary dia nentiny hohomboana amin' ny hazofijaliana Izy."
The Crucifixion
21. And they compel one Simon a Cyrenian, who passed by, coming out of the country, the father of Alexander and Rufus, to bear his cross.
21. "Ils forcèrent à porter la croix de Jésus un passant qui revenait des champs, Simon de Cyrène, père d`Alexandre et de Rufus;"
21. Ary Simona Kyreniana (rain' i Aleksandro sy Rofosy), izay nandalo avy tany an-tsaha, no notereny hitondra ny hazofijaliany.
22. And they bring him unto the place Golgotha, which is, being interpreted, The place of a skull.
22. et ils conduisirent Jésus au lieu nommé Golgotha, ce qui signifie lieu du crâne.
22. Ary Jesosy dia nentiny teo amin' ny tany Golgota, izany hoe, raha adika, Fitoeran-karandoha.
23. And they gave him to drink wine mingled with myrrh: but he received it not.
23. Ils lui donnèrent à boire du vin mêlé de myrrhe, mais il ne le prit pas.
23. "Dia notolorany divay miharo miora Izy hosotroiny; nefa tsy nety nisotro Izy."
24. And when they had crucified him, they parted his garments, casting lots upon them, what every man should take.
24. Ils le crucifièrent, et se partagèrent ses vêtements, en tirant au sort pour savoir ce que chacun aurait.
24. Ary rehefa voahombony tamin' ny hazofijaliana Izy, dia nanaovany antsapaka no fizara ny fitafiany, hahitany izay ho azony avy.
25. And it was the third hour, and they crucified him.
25. C`était la troisième heure, quand ils le crucifièrent.
25. Ary tamin' ny ora fahatelo no nanomboany Azy tamin' ny hazofijaliana.
26. And the superscription of his accusation was written over, THE KING OF THE JEWS.
26. L`inscription indiquant le sujet de sa condamnation portait ces mots: Le roi des Juifs.
26. Ary ny soratra milaza ny nanamelohana Azy dia voasoratra teo amboniny hoe: Ny Mpanjakan' ny Jiosy.
27. And with him they crucify two thieves; the one on his right hand, and the other on his left.
27. Ils crucifièrent avec lui deux brigands, l`un à sa droite, et l`autre à sa gauche.
27. "Ary niaraka taminy dia nisy jiolahy roa nohomboana tamin' ny hazofijaliana; ny anankiray teo amin' ny ankavanany, ary ny anankiray teo amin' ny ankaviany."
28. And the scripture was fulfilled, which saith, And he was numbered with the transgressors.
28. Ainsi fut accompli ce que dit l`Écriture: Il a été mis au nombre des malfaiteurs.
28. Dia tanteraka ny Soratra Masina izay manao hoe: Ary natao ho isan' ny mpanota Izy.
29. And they that passed by railed on him, wagging their heads, and saying, Ah, thou that destroyest the temple, and buildest it in three days,
29. Les passants l`injuriaient, et secouaient la tête, en disant: Hé! toi qui détruis le temple, et qui le rebâtis en trois jours,
29. Ary izay nandalo dia niteny ratsy Azy sady nihifikifi-doha ka nanao hoe: Hià! ry Ilay maharava ny tempoly sy mahatsangana azy amin' ny hateloana,
30. Save thyself, and come down from the cross.
30. sauve-toi toi-même, en descendant de la croix!
30. Vonjeo ny tenanao, ka midìna hiala amin' ny hazofijaliana.
31. Likewise also the chief priests mocking said among themselves with the scribes, He saved others; himself he cannot save.
31. Les principaux sacrificateurs aussi, avec les scribes, se moquaient entre eux, et disaient: Il a sauvé les autres, et il ne peut se sauver lui-même!
31. Ary toy izany koa no faneson' ny lohan' ny mpisorona, fa niresaka izy sy ny mpanoradalàna nanao hoe: Namonjy ny sasany Izy, fa ny tenany tsy hainy vonjena.
32. Let Christ the King of Israel descend now from the cross, that we may see and believe. And they that were crucified with him reviled him.
32. Que le Christ, le roi d`Israël, descende maintenant de la croix, afin que nous voyions et que nous croyions! Ceux qui étaient crucifiés avec lui l`insultaient aussi.
32. Aoka Kristy, Mpanjakan' ny Isiraely, hidina hiala amin' ny hazofijaliana ankehitriny mba ho hitantsika ka hinoantsika. Ary ireo niaraka nohomboana taminy tamin' ny hazofijaliana dia naneso Azy koa.
The Death of Jesus
33. And when the sixth hour was come, there was darkness over the whole land until the ninth hour.
33. La sixième heure étant venue, il y eut des ténèbres sur toute la terre, jusqu`à la neuvième heure.
33. Ary nony tamin' ny ora fahenina, dia tonga maizina ny tany rehetra, ka naharitra hatramin' ny ora fahasivy izany.
34. And at the ninth hour Jesus cried with a loud voice, saying, Eloi, Eloi, lama sabachthani? which is, being interpreted, My God, my God, why hast thou forsaken me?
34. Et à la neuvième heure, Jésus s`écria d`une voix forte: Éloï, Éloï, lama sabachthani? ce qui signifie: Mon Dieu, mon Dieu, pourquoi m`as-tu abandonné?
34. Ary tamin' ny ora fahasivy dia niantso tamin' ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe: Eloy, Eloy, lamà sabaktany! izany hoe, raha adika: “Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Ianao”.
35. And some of them that stood by, when they heard it, said, Behold, he calleth Elias.
35. Quelques-uns de ceux qui étaient là, l`ayant entendu, dirent: Voici, il appelle Élie.
35. Ary ny sasany izay nijanona teo, raha nandre izany, dia nanao hoe: Indro, miantso an' i Elia Izy.
36. And one ran and filled a spunge full of vinegar, and put it on a reed, and gave him to drink, saying, Let alone; let us see whether Elias will come to take him down.
36. Et l`un d`eux courut remplir une éponge de vinaigre, et, l`ayant fixée à un roseau, il lui donna à boire, en disant: Laissez, voyons si Élie viendra le descendre.
36. Ary ny anankiray nihazakazaka, dia nanatsoboka sipaonjy tamin' ny vinaingitra, ka notohiziny tamin' ny volotara, dia natohony hosotroin' i Jesosy, fa hoy izy: Aoka hizahantsika raha ho avy hampidina Azy Elia.
37. And Jesus cried with a loud voice, and gave up the ghost.
37. Mais Jésus, ayant poussé un grand cri, expira.
37. Ary niantso tamin' ny feo mahery Jesosy, dia nanolotra ny fanahiny.
38. And the veil of the temple was rent in twain from the top to the bottom.
38. Le voile du temple se déchira en deux, depuis le haut jusqu`en bas.
38. Ary ny efitra lamba tao amin' ny tempoly dia triatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany.
39. And when the centurion, which stood over against him, saw that he so cried out, and gave up the ghost, he said, Truly this man was the Son of God.
39. Le centenier, qui était en face de Jésus, voyant qu`il avait expiré de la sorte, dit: Assurément, cet homme était Fils de Dieu.
39. Ary ny kapiteny izay nijanona tandrifiny, rehefa nahita Azy niantso toy izany raha nanolotra ny fanahiny, dia nanao hoe: Marina tokoa fa Ilay Zanak' Andriamanitra io Lehilahy io.
40. There were also women looking on afar off: among whom was Mary Magdalene, and Mary the mother of James the less and of Joses, and Salome;
40. Il y avait aussi des femmes qui regardaient de loin. Parmi elles étaient Marie de Magdala, Marie, mère de Jacques le mineur et de Joses, et Salomé,
40. "Ary nisy vehivavy koa nitsinjo teny lavidavitra eny, ary isan' ireny Maria Magdalena, sy Maria renin' i Jakoba kely sy Josesy ary Salome;"
41. (Who also, when he was in Galilee, followed him, and ministered unto him;) and many other women which came up with him unto Jerusalem.
41. qui le suivaient et le servaient lorsqu`il était en Galilée, et plusieurs autres qui étaient montées avec lui à Jérusalem.
41. (Izay nanaraka Azy ka nanompo Azy fony Izy tany Galilia) mbamin' ny vehivavy maro koa izay niara-niakatra taminy tany Jerosalema.
The Burial of Jesus
42. And now when the even was come, because it was the preparation, that is, the day before the sabbath,
42. Le soir étant venu, comme c`était la préparation, c`est-à-dire, la veille du sabbat, -
42. Ary nony tonga ny hariva, satria andro fiomanana ny andro, dia ny andro alohan' ny sabata,
43. Joseph of Arimathaea, an honourable counsellor, which also waited for the kingdom of God, came, and went in boldly unto Pilate, and craved the body of Jesus.
43. arriva Joseph d`Arimathée, conseiller de distinction, qui lui-même attendait aussi le royaume de Dieu. Il osa se rendre vers Pilate, pour demander le corps de Jésus.
43. "Dia avy Josefa avy any Arimatia, lehilahy manankaja, izay isan' ny Synedriona sady niandry ny fanjakan' Andriamanitra koa; ary sahy niditra tao amin' i Pilato izy, ka nangataka fatratra ny fatin' i Jesosy."
44. And Pilate marvelled if he were already dead: and calling unto him the centurion, he asked him whether he had been any while dead.
44. "Pilate s`étonna qu`il fût mort si tôt; fit venir le centenier et lui demanda s`il était mort depuis longtemps."
44. Ary gaga Pilato raha maty sahady Jesosy, ka dia niantso ny kapiteny hankao aminy izy, ary nanontaniany azy na efa maty ela Izy, na tsia.
45. And when he knew it of the centurion, he gave the body to Joseph.
45. S`en étant assuré par le centenier, il donna le corps à Joseph.
45. Ary rehefa nahare tamin' ny kapiteny izy, dia nomeny an' i Josefa ny faty.
46. And he bought fine linen, and took him down, and wrapped him in the linen, and laid him in a sepulchre which was hewn out of a rock, and rolled a stone unto the door of the sepulchre.
46. Et Joseph, ayant acheté un linceul, descendit Jésus de la croix, l`enveloppa du linceul, et le déposa dans un sépulcre taillé dans le roc. Puis il roula une pierre à l`entrée du sépulcre.
46. Ary nividy hariry madinika izy, dia nampidininy ny fatin' i Jesosy ka nofonosiny hariry madinika, ary naleviny tao amin' ny fasana, izay nolavahana tamin' ny vatolampy, dia nanakodia vato ho eo amin' ny varavaran' ny fasana izy.
47. And Mary Magdalene and Mary the mother of Joses beheld where he was laid.
47. Marie de Magdala, et Marie, mère de Joses, regardaient où on le mettait.
47. Ary Maria Magdalena sy Maria, renin' i Josesy, dia nijery izay nametrahany Azy.