The Day of Atonement
1. And the LORD spake unto Moses after the death of the two sons of Aaron, when they offered before the LORD, and died;
1. L`Éternel parla à Moïse, après la mort des deux fils d`Aaron, qui moururent en se présentant devant l`Éternel.
1. "Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy taorian' ny fahafatesan' ny zanakalahin' i Arona roalahy, rehefa nanatitra teo anatrehan' i Jehovah, ka maty;"
2. And the LORD said unto Moses, Speak unto Aaron thy brother, that he come not at all times into the holy place within the vail before the mercy seat, which is upon the ark; that he die not: for I will appear in the cloud upon the mercy seat.
2. "L`Éternel dit à Moïse: Parle à ton frère Aaron, afin qu`il n`entre pas en tout temps dans le sanctuaire, au dedans du voile, devant le propitiatoire qui est sur l`arche, de peur qu`il ne meure; car j`apparaîtrai dans la nuée sur le propitiatoire."
2. "Dia hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Mitenena amin' i Arona rahalahinao mba tsy hiditra mandrakariva ao amin' ny fitoerana masina izy, dia ao anatin' ny efitra lamba, eo anoloan' ny rakotra fanaovam-panavotana, izay eo ambonin' ny fiara, mba tsy hahafaty azy; fa hiseho eo amin' ny rahona eo ambonin' ny rakotra fanaovam-panavotana Aho."
3. Thus shall Aaron come into the holy place: with a young bullock for a sin offering, and a ram for a burnt offering.
3. Voici de quelle manière Aaron entrera dans le sanctuaire. Il prendra un jeune taureau pour le sacrifice d`expiation et un bélier pour l`holocauste.
3. Ary izao no hoentin' i Arona ao amin' ny fitoerana masina: vantotr' ombilahy iray ho fanatitra noho ny ota sy ondrilahy iray ho fanatitra dorana.
4. He shall put on the holy linen coat, and he shall have the linen breeches upon his flesh, and shall be girded with a linen girdle, and with the linen mitre shall he be attired: these are holy garments; therefore shall he wash his flesh in water, and so put them on.
4. "Il se revêtira de la tunique sacrée de lin, et portera sur son corps des caleçons de lin; il se ceindra d`une ceinture de lin, et il se couvrira la tête d`une tiare de lin: ce sont les vêtements sacrés, dont il se revêtira après avoir lavé son corps dans l`eau."
4. "Akanjo lava masina amin' ny rongony no hiakanjoany, ary kalisaona amin' ny rongony no hataony manolo-koditra ary fehikibo rongony no hifehezany, ary satroka tiara amin' ny rongony no hisatrohany; fitafiana masina ireo; noho izany, handro amin' ny rano ny tenany vao hiakanjo ireo."
5. And he shall take of the congregation of the children of Israel two kids of the goats for a sin offering, and one ram for a burnt offering.
5. Il recevra de l`assemblée des enfants d`Israël deux boucs pour le sacrifice d`expiation et un bélier pour l`holocauste.
5. Ary haka amin' ny fiangonan' ny Zanak' Isiraely zanak' osilahy roa ho fanatitra noho ny ota izy sy ondrilahy iray ho fanatitra dorana.
6. And Aaron shall offer his bullock of the sin offering, which is for himself, and make an atonement for himself, and for his house.
6. Aaron offrira son taureau expiatoire, et il fera l`expiation pour lui et pour sa maison.
6. Dia hanolotra ny vantotr' ombilahin' ny fanatitra noho ny ota, izay ho an' ny tenany izy, ka hanao fanavotana ho an' ny tenany sy ho an' ny ankohonany.
7. And he shall take the two goats, and present them before the LORD at the door of the tabernacle of the congregation.
7. Il prendra les deux boucs, et il les placera devant l`Éternel, à l`entrée de la tente d`assignation.
7. Ary haka ny osilahy roa izy ka hasehony eo anatrehan' i Jehovah eo am-baravaran' ny tranolay fihaonana izany.
8. And Aaron shall cast lots upon the two goats; one lot for the LORD, and the other lot for the scapegoat.
8. Aaron jettera le sort sur les deux boucs, un sort pour l`Éternel et un sort pour Azazel.
8. Dia hanaovan' i Arona antsapaka ny osilahy roa: ny loka anankiray ho an' i Jehovah ary ny loka anankiray ho osilahy faditra.
9. And Aaron shall bring the goat upon which the LORD's lot fell, and offer him for a sin offering.
9. Aaron fera approcher le bouc sur lequel est tombé le sort pour l`Éternel, et il l`offrira en sacrifice d`expiation.
9. Ary Arona hitondra ny osilahy izay niharan' ny antsapaka ho an' i Jehovah, ka hanolotra izany ho fanatitra noho ny ota.
10. But the goat, on which the lot fell to be the scapegoat, shall be presented alive before the LORD, to make an atonement with him, and to let him go for a scapegoat into the wilderness.
10. Et le bouc sur lequel est tombé le sort pour Azazel sera placé vivant devant l`Éternel, afin qu`il serve à faire l`expiation et qu`il soit lâché dans le désert pour Azazel.
10. Fa ny osilahy izay niharan' ny an-tsapaka ho osilahy faditra, dia hapetraka velona eo anatrehan' i Jehovah, hanaovana fanavotana miaraka aminy, ary hamela azy handeha ho osilahy faditra any an' efitra.
11. And Aaron shall bring the bullock of the sin offering, which is for himself, and shall make an atonement for himself, and for his house, and shall kill the bullock of the sin offering which is for himself:
11. Aaron offrira son taureau expiatoire, et il fera l`expiation pour lui et pour sa maison. Il égorgera son taureau expiatoire.
11. "Ary Arona hitondra ny vantotr' ombilahin' ny fanatitra noho ny ota, izay ho an' ny tenany, ka hanao fanavotana ho azy sy ny ankohonany, dia hovonoiny ny vantotr' ombilahin' ny fanatitra noho ny ota, izay ho an' ny tenany;"
12. And he shall take a censer full of burning coals of fire from off the altar before the LORD, and his hands full of sweet incense beaten small, and bring it within the vail:
12. "Il prendra un brasier plein de charbons ardents ôtés de dessus l`autel devant l`Éternel, et de deux poignées de parfum odoriférants en poudre; il portera ces choses au delà du voile;"
12. Dia haka vain' afo eran' ny fitondran' afo avy amin' ny alitara eo anatrehan' i Jehovah izy, ary ditin-kazo mani-pofona voatorotoro madinika eran-tanandroa, ka hoentiny miditra ao anatin' ny efitra lamba.
13. And he shall put the incense upon the fire before the LORD, that the cloud of the incense may cover the mercy seat that is upon the testimony, that he die not:
13. il mettra le parfum sur le feu devant l`Éternel, afin que la nuée du parfum couvre le propitiatoire qui est sur le témoignage, et il ne mourra point.
13. Ary hataony eo amin' ny afo eo anatrehan' i Jehovah ny ditin-kazo manitra, ka hosaronan' ny setroky ny ditin-kazo ny rakotra fanaovam-panavotana, izay eo ambonin' ny Vavolombelona, mba tsy hahafaty azy.
14. And he shall take of the blood of the bullock, and sprinkle it with his finger upon the mercy seat eastward; and before the mercy seat shall he sprinkle of the blood with his finger seven times.
14. "Il prendra du sang du taureau, et il fera l`aspersion avec son doigt sur le devant du propitiatoire vers l`orient; il fera avec son doigt sept fois l`aspersion du sang devant le propitiatoire."
14. "Dia hangalany ny ràn' ny vantotr' ombilahy ka hafafin' ny fanondrony amin' ny rakotra fanaovam-panavotana eo amin' ny lafiny atsinanana; ary eo anoloan' ny rakotra fanaovam-panavotana dia hofafazany ny rà impito amin' ny fanondrony:"
15. Then shall he kill the goat of the sin offering, that is for the people, and bring his blood within the vail, and do with that blood as he did with the blood of the bullock, and sprinkle it upon the mercy seat, and before the mercy seat:
15. Il égorgera le bouc expiatoire pour le peuple, et il en portera le sang au delà du voile. Il fera avec ce sang comme il a fait avec le sang du taureau, il en fera l`aspersion sur le propitiatoire et devant le propitiatoire.
15. "Dia hovonoiny ny osilahy izay hatao fanatitra noho ny ota ho an' ny olona, ka hoentiny miditra ao anatin' ny efitra lamba ny rany, dia hataony tahaka ny efa nataony tamin' ny ràn' ny vantotr' ombilahy ihany ka hafafiny eo amin' ny rakotra fanaovam-panavotana sy eo anoloany;"
16. And he shall make an atonement for the holy place, because of the uncleanness of the children of Israel, and because of their transgressions in all their sins: and so shall he do for the tabernacle of the congregation, that remaineth among them in the midst of their uncleanness.
16. C`est ainsi qu`il fera l`expiation pour le sanctuaire à cause des impuretés des enfants d`Israël et de toutes les transgressions par lesquelles ils ont péché. Il fera de même pour la tente d`assignation, qui est avec eux au milieu de leurs impuretés.
16. "Dia hanao fanavotana ho an' ny fitoerana masina izy noho ny fahalotoan' ny Zanak' Isiraely sy noho ny fahadisoany ao amin' ny fahotany rehetra; ary toy izany koa no hataony ho an' ny tranolay fihaonana, izay mitoetra eo aminy eo afovoan' ny fahalotoany."
17. And there shall be no man in the tabernacle of the congregation when he goeth in to make an atonement in the holy place, until he come out, and have made an atonement for himself, and for his household, and for all the congregation of Israel.
17. Il n`y aura personne dans la tente d`assignation lorsqu`il entrera pour faire l`expiation dans le sanctuaire, jusqu`à ce qu`il en sorte. Il fera l`expiation pour lui et pour sa maison, et pour toute l`assemblée d`Israël.
17. Ary aza avela hisy olona ao amin' ny tranolay fihaonana, raha miditra hanao fanavotana ao amin' ny fitoerana masina Arona, mandra-pivoakany avy nanao fanavotana ho an' ny tenany sy ho an' ny ankohonany ary ho an' ny fiangonan' Isiraely rehetra.
18. And he shall go out unto the altar that is before the LORD, and make an atonement for it; and shall take of the blood of the bullock, and of the blood of the goat, and put it upon the horns of the altar round about.
18. "En sortant, il ira vers l`autel qui est devant l`Éternel, et il fera l`expiation pour l`autel; il prendra du sang du taureau et du bouc, et il en mettra sur les cornes de l`autel tout autour."
18. "Ary hivoaka ho eo amin' ny alitara izay eo anatrehan' i Jehovah izy ka hanao fanavotana ho an' ny alitara; dia hangalany ny ràn' ny vantotr' ombilahy sy ny ràn' ny osilahy, ka hatentiny amin' ny tandroky ny alitara amin' ny lafiny manodidina."
19. And he shall sprinkle of the blood upon it with his finger seven times, and cleanse it, and hallow it from the uncleanness of the children of Israel.
19. "Il fera avec son doigt sept fois l`aspersion du sang sur l`autel; il le purifiera et le sanctifiera, à cause des impuretés des enfants d`Israël."
19. Dia hofafazany ny rà impito amin' ny fanondrony izy ka hodioviny sy hohamasininy ho afaka amin' ny fahalotoan' ny Zanak' Isiraely.
20. And when he hath made an end of reconciling the holy place, and the tabernacle of the congregation, and the altar, he shall bring the live goat:
20. Lorsqu`il aura achevé de faire l`expiation pour le sanctuaire, pour la tente d`assignation et pour l`autel, il fera approcher le bouc vivant.
20. "Ary rehefa vita ny fampihavanana ny fitoerana masina sy ny tranolay fihaonana ary ny alitara, dia hoentiny ny osilahy velona;"
21. And Aaron shall lay both his hands upon the head of the live goat, and confess over him all the iniquities of the children of Israel, and all their transgressions in all their sins, putting them upon the head of the goat, and shall send him away by the hand of a fit man into the wilderness:
21. "Aaron posera ses deux mains sur la tête du bouc vivant, et il confessera sur lui toutes les iniquités des enfants d`Israël et toutes les transgressions par lesquelles ils ont péché; il les mettra sur la tête du bouc, puis il le chassera dans le désert, à l`aide d`un homme qui aura cette charge."
21. "Dia hapetrak' i Arona amin' ny lohan' ny osilahy velona ny tanany roa, ka hekeny eo amboniny ny heloky ny Zanak' Isiraely rehetra sy ny fandikan-dalànany amin' ny fahotany rehetra, dia hametraka izany eo amin' ny lohan' ny osilahy izy, ka hampandeha azy hoentin' ny lehilahy voaomana hankany an' efitra;"
22. And the goat shall bear upon him all their iniquities unto a land not inhabited: and he shall let go the goat in the wilderness.
22. "Le bouc emportera sur lui toutes leurs iniquités dans une terre désolée; il sera chassé dans le désert."
22. Ary hoentin' ny osilahy any amin' ny tany tsy honenana ny helok' izy rehetra, dia alefany any an' efitra ny osilahy.
23. And Aaron shall come into the tabernacle of the congregation, and shall put off the linen garments, which he put on when he went into the holy place, and shall leave them there:
23. "Aaron entrera dans la tente d`assignation; il quittera les vêtements de lin qu`il avait mis en entrant dans le sanctuaire, et il les déposera là."
23. Dia hiditra ao amin' ny tranolay fihaonana Arona, ary hanala ny fitafiana rongony izay niakanjoany raha niditra tao amin' ny fitoerana masina izy, ka hamela azy ao.
24. And he shall wash his flesh with water in the holy place, and put on his garments, and come forth, and offer his burnt offering, and the burnt offering of the people, and make an atonement for himself, and for the people.
24. Il lavera son corps avec de l`eau dans un lieu saint, et reprendra ses vêtements. Puis il sortira, offrira son holocauste et l`holocauste du peuple, et fera l`expiation pour lui et pour le peuple.
24. Dia hanasa ny tenany amin' ny rano ao amin' ny fitoerana masina izy, ka hitafy ny fitafiany, ary hivoaka ka hanolotra ny fanatitra dorany sy ny fanatitra dorana ho an' ny olona, dia hanao fanavotana ho an' ny tenany sy ny olona.
25. And the fat of the sin offering shall he burn upon the altar.
25. Il brûlera sur l`autel la graisse de la victime expiatoire.
25. Ary ny saboran' ny fanatitra noho ny ota dia hodorany eo ambony alitara.
26. And he that let go the goat for the scapegoat shall wash his clothes, and bathe his flesh in water, and afterward come into the camp.
26. "Celui qui aura chassé le bouc pour Azazel lavera ses vêtements, et lavera son corps dans l`eau; après cela, il rentrera dans le camp."
26. Ary ilay nandefa ny osilahy ho osilahy faditra, dia hanasa ny fitafiany sy hampandro ny tenany amin' ny rano ary aorian' izay vao hiditra ao an-toby izy.
27. And the bullock for the sin offering, and the goat for the sin offering, whose blood was brought in to make atonement in the holy place, shall one carry forth without the camp; and they shall burn in the fire their skins, and their flesh, and their dung.
27. On emportera hors du camp le taureau expiatoire et le bouc expiatoire dont on a porté le sang dans le sanctuaire pour faire l`expiation, et l`on brûlera au feu leurs peaux, leur chair et leurs excréments.
27. "Ary ny vantotr' ombilahy ho fanatitra noho ny ota sy ny osilahy ho fanatitra noho ny ota, izay efa nentiny teo amin' ny fitoerana masina ny rany hanaovana fanavotana, dia hoentina mivoaka eny ivelan' ny toby; ary hodorany amin' ny afo ny hodiny sy ny henany ary ny tain-drorohany."
28. And he that burneth them shall wash his clothes, and bathe his flesh in water, and afterward he shall come into the camp.
28. "Celui qui les brûlera lavera ses vêtements, et lavera son corps dans l`eau; après cela, il rentrera dans le camp."
28. Ary izay mandoro ireo dia hanasa ny fitafiany sy hampandro ny tenany amin' ny rano, ka aorian' izany vao hiditra ao an-toby izy.
29. And this shall be a statute for ever unto you: that in the seventh month, on the tenth day of the month, ye shall afflict your souls, and do no work at all, whether it be one of your own country, or a stranger that sojourneth among you:
29. C`est ici pour vous une loi perpétuelle: au septième mois, le dixième jour du mois, vous humilierez vos âmes, vous ne ferez aucun ouvrage, ni l`indigène, ni l`étranger qui séjourne au milieu de vous.
29. Ary izao no ho lalàna mandrakizay ho anareo: amin' ny andro fahafolo amin' ny volana fahafito dia hampahory ny fanahinareo ianareo, ka tsy hanao raharaha akory, na ny tompon-tany, na ny vahiny izay mivahiny eo aminareo.
30. For on that day shall the priest make an atonement for you, to cleanse you, that ye may be clean from all your sins before the LORD.
30. Car en ce jour on fera l`expiation pour vous, afin de vous purifier: vous serez purifiés de tous vos péchés devant l`Éternel.
30. Fa amin' izany andro izany no hanaovan' ny mpisorona fanavotana ho anareo, hanadiovana anareo mba hadio ianareo ho afaka amin' ny otanareo rehetra eo anatrehan' i Jehovah.
31. It shall be a sabbath of rest unto you, and ye shall afflict your souls, by a statute for ever.
31. Ce sera pour vous un sabbat, un jour de repos, et vous humilierez vos âmes. C`est une loi perpétuelle.
31. "Ho sabata fitsaharana ho anareo izany, ka hampahory ny fanahinareo ianareo; ho lalàna mandrakizay izany."
32. And the priest, whom he shall anoint, and whom he shall consecrate to minister in the priest's office in his father's stead, shall make the atonement, and shall put on the linen clothes, even the holy garments:
32. "L`expiation sera faite par le sacrificateur qui a reçu l`onction et qui a été consacré pour succéder à son père dans le sacerdoce; il se revêtira des vêtements de lin, des vêtements sacrés."
32. "Ary ny mpisorona izay hohosorana sy hatokana hanao ny asan' ny mpisorona hisolo ny rainy, dia hanao fanavotana, ka hitafy fitafiana rongony izy, dia ny fitafiana masina;"
33. And he shall make an atonement for the holy sanctuary, and he shall make an atonement for the tabernacle of the congregation, and for the altar, and he shall make an atonement for the priests, and for all the people of the congregation.
33. Il fera l`expiation pour le sanctuaire de sainteté, il fera l`expiation pour la tente d`assignation et pour l`autel, et il fera l`expiation pour les sacrificateurs et pour tout le peuple de l`assemblée.
33. "Dia hanao fanavotana ho an' ny fitoerana masina izy, sy ho an' ny tranolay fihaonana sy ny alitara; ary hanao fanavotana ho an' ny mpisorona sy ny olona rehetra amin' ny fiangonana izy."
34. And this shall be an everlasting statute unto you, to make an atonement for the children of Israel for all their sins once a year. And he did as the LORD commanded Moses.
34. Ce sera pour vous une loi perpétuelle: il se fera une fois chaque année l`expiation pour les enfants d`Israël, à cause de leurs péchés. On fit ce que l`Éternel avait ordonné à Moïse.
34. Ary ho lalàna mandrakizay ho anareo izany, hanaovana fanavotana ho an' ny Zanak' Isiraely indray mandeha isan-taona ny amin' ny fahotany. Dia nataon' i Arona izany araka izay nandidian' i Jehovah an' i Mosesy.