The Nations Judged
1. For, behold, in those days, and in that time, when I shall bring again the captivity of Judah and Jerusalem,
1. Car voici, en ces jours, en ce temps-là, Quand je ramènerai les captifs de Juda et de Jérusalem,
1. Fa, indro, amin' ireo andro ireo sy amin' izany fotoana izany, raha hampodiko ny Joda sy Jerosalema avy amin' ny fahababoany,
2. I will also gather all nations, and will bring them down into the valley of Jehoshaphat, and will plead with them there for my people and for my heritage Israel, whom they have scattered among the nations, and parted my land.
2. "Je rassemblerai toutes les nations, Et je les ferai descendre dans la vallée de Josaphat; Là, j`entrerai en jugement avec elles, Au sujet de mon peuple, d`Israël, mon héritage, Qu`elles ont dispersé parmi les nations, Et au sujet de mon pays qu`elles se sont partagé."
2. Dia hangoniko koa ny firenena rehetra, ka hoentiko midina ao amin' ny lohasahan' i Josafata izy, ary ao no hifandaharako aminy noho ny amin' ny Isiraely, oloko sy lovako, izay naeliny tany amin' ny firenena ary nozarazarainy ny taniko.
3. And they have cast lots for my people; and have given a boy for an harlot, and sold a girl for wine, that they might drink.
3. "Ils ont tiré mon peuple au sort; Ils ont donné le jeune garçon pour une prostituée, Ils ont vendu la jeune fille pour du vin, et ils ont bu."
3. Sady nanaovany loka ny oloko, dia zazalahy no nataony takalon' ny vehivavy janga, ary zazavavy no namidiny divay mba hosotroiny.
4. Yea, and what have ye to do with me, O Tyre, and Zidon, and all the coasts of Palestine? will ye render me a recompence? and if ye recompense me, swiftly and speedily will I return your recompence upon your own head;
4. Que me voulez-vous, Tyr et Sidon, Et vous tous, districts des Philistins? Voulez-vous tirer vengeance de moi? Si vous voulez vous venger, Je ferai bien vite retomber votre vengeance sur vos têtes.
4. "Eny, ary inona no hataonareo amiko ry Tyro sy Sidona, ary ny sisin-tanin' i Palestina rehetra, hamaly ahy va ianareo?Ary raha mamaly ahy ianareo dia faingana dia faingana no hanatsingerenako eo an-dohanareo ny nataonareo;"
5. Because ye have taken my silver and my gold, and have carried into your temples my goodly pleasant things:
5. "Vous avez pris mon argent mon or; Et ce que j`avais de plus précieux et de plus beau, Vous l`avez emporté dans vos temples."
5. "Noho ny nakanareo ny volafotsiko sy ny volamenako, sy ny nitondranareo ny zava-tsoako mahafinaritra ho ao amin' ny tempolinareo;"
6. The children also of Judah and the children of Jerusalem have ye sold unto the Grecians, that ye might remove them far from their border.
6. Vous avez vendu les enfants de Juda et de Jérusalem aux enfants de Javan, Afin de les éloigner de leur territoire.
6. Ary ny zanak' i Joda sy ny zanak' i Jerosalema koa dia namidinareo tamin' ny Grika, mba hamindranareo azy lavitra hanalavitra ny fari-taniny.
7. Behold, I will raise them out of the place whither ye have sold them, and will return your recompence upon your own head:
7. Voici, je les ferai revenir du lieu où vous les avez vendus, Et je ferai retomber votre vengeance sur vos têtes.
7. Indro, hofohaziko izy hiala any amin' ny tany izay nahalafosanareo azy, ary hatsingeriko ho eo an-dohanareo ny ataonareo,
8. And I will sell your sons and your daughters into the hand of the children of Judah, and they shall sell them to the Sabeans, to a people far off: for the LORD hath spoken it.
8. "Je vendrai vos fils et vos filles aux enfants de Juda, Et ils les vendront aux Sabéens, nation lointaine; Car l`Éternel a parlé."
8. "Ka hamidiko ho lasan' ny zanak' i Joda kosa ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, ary hamidiny amin' ny Sabeana kosa ireny, dia ho an' izay firenena lavitra; fa Jehovah no efa niteny."
9. Proclaim ye this among the Gentiles; Prepare war, wake up the mighty men, let all the men of war draw near; let them come up:
9. Publiez ces choses parmi les nations! Préparez la guerre! Réveillez les héros! Qu`ils s`approchent, qu`ils montent, Tous les hommes de guerre!
9. "Antsoy any amin' ny jentilisa izany; manomàna ady, fohazy ny lehilahy mahery, aoka handroso ny mpiady rehetra, aoka hiakatra izy ireo;"
10. Beat your plowshares into swords, and your pruninghooks into spears: let the weak say, I am strong.
10. De vos hoyaux forgez des épées, Et de vos serpes des lances! Que le faible dise: Je suis fort!
10. "Tefeo ho sabatra ny fangadinareo, ary ho lefona ny antsinareo fanetezam-boaloboka; aoka ny osa hiteny hoe: Mahery aho."
11. Assemble yourselves, and come, all ye heathen, and gather yourselves together round about: thither cause thy mighty ones to come down, O LORD.
11. Hâtez-vous et venez, vous toutes, nations d`alentour, Et rassemblez-vous! Là, ô Éternel, fais descendre tes héros!
11. "Mivoria ianareo, ka avia, ry jentilisa rehetra, miangòna avy any amin' ny manodidina rehetra; dia ento ao ny maherinao Jehovah ô."
12. Let the heathen be wakened, and come up to the valley of Jehoshaphat: for there will I sit to judge all the heathen round about.
12. Que les nations se réveillent, et qu`elles montent Vers la vallée de Josaphat! Car là je siégerai pour juger toutes les nations d`alentour.
12. "Aoka hifoha ny jentilisa ka hiakatra ho ao amin' ny Lohasahan' i Josafata; fa ao no hipetrahako hitsara ny jentilisa rehetra avy eny amin' ny manodidina."
13. Put ye in the sickle, for the harvest is ripe: come, get you down; for the press is full, the fats overflow; for their wickedness is great.
13. Saisissez la faucille, Car la moisson est mûre! Venez, foulez, Car le pressoir est plein, Les cuves regorgent! Car grande est leur méchanceté,
13. "Arosoy ny fijinjana, fa masaka ny vokatra; avia ianareo, ka manosihose, fa feno ny famiazam-boaloboka, mihoatra ny vata fanantazana, fa be ny faharatsiany."
14. Multitudes, multitudes in the valley of decision: for the day of the LORD is near in the valley of decision.
14. "C`est une multitude, une multitude, Dans la vallée du jugement; Car le jour de l`Éternel est proche, Dans la vallée du jugement."
14. "Vahoaka sesehena, vahoaka sesehena ao amin' ny lohasahan' ny fanapahan-kevitra; fa antomotra ny andron' i Jehovah ao an-dohasahan' ny fanapahan-kevitra."
15. The sun and the moon shall be darkened, and the stars shall withdraw their shining.
15. Le soleil et la lune s`obscurcissent, Et les étoiles retirent leur éclat.
15. Ny masoandro sy ny volana ho tonga maizina, ary ny kintana tsy hamirapiratra.
16. The LORD also shall roar out of Zion, and utter his voice from Jerusalem; and the heavens and the earth shall shake: but the LORD will be the hope of his people, and the strength of the children of Israel.
16. "De Sion l`Éternel rugit, De Jérusalem il fait entendre sa voix; Les cieux et la terre sont ébranlés. Mais l`Éternel est un refuge pour son peuple, Un abri pour les enfants d`Israël."
16. "Hierona ao Ziona koa Jehovah, ary hampikotroka ny feony ao Jerosalema; ka hihorohoro ny tany aman-danitra; fa Jehovah no ho fanantenan' ny olony, sy hery ho an' ny zanak' Isiraely."
Blessings for God's People
17. So shall ye know that I am the LORD your God dwelling in Zion, my holy mountain: then shall Jerusalem be holy, and there shall no strangers pass through her any more.
17. Et vous saurez que je suis l`Éternel, votre Dieu, Résidant à Sion, ma sainte montagne. Jérusalem sera sainte, Et les étrangers n`y passeront plus.
17. "Ary dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay monina ao Ziona, tendrombohitro masina; dia ho masina Jerosalema, ary ny hafa firenena tsy mba handeha hamaky eo intsony."
18. And it shall come to pass in that day, that the mountains shall drop down new wine, and the hills shall flow with milk, and all the rivers of Judah shall flow with waters, and a fountain shall come forth of the house of the LORD, and shall water the valley of Shittim.
18. "En ce temps-là, le moût ruissellera des montagnes, Le lait coulera des collines, Et il y aura de l`eau dans tous les torrents de Juda; Une source sortira aussi de la maison de l`Éternel, Et arrosera la vallée de Sittim."
18. Ary izao no hiseho amin' izany andro izany, hipoipoitra ranom-boaloboka ny tendrombohitra ary handriaka ronono ny havoana, ary ho tondraka rano ny reniranon' i Joda rehetra, ary hisy loharano hivoaka avy ao an-tranon' i Jehovah ka handena ny lohasahan' i Sitima.
19. Egypt shall be a desolation, and Edom shall be a desolate wilderness, for the violence against the children of Judah, because they have shed innocent blood in their land.
19. L`Égypte sera dévastée, Édom sera réduit en désert, A cause des violences contre les enfants de Juda, Dont ils ont répandu le sang innocent dans leur pays.
19. Egypta kosa ho tonga tany lao, ary Edoma ho efitra foana, noho ny fampahoriana ny taranak' i Joda, dia ny nandatsahany rà marina teo amin' ny taniny.
20. But Judah shall dwell for ever, and Jerusalem from generation to generation.
20. Mais Juda sera toujours habité, Et Jérusalem, de génération en génération.
20. Fa Joda honenana mandrakizay, ary Jerosalema hatramin' ny taranaka fara mandimby.
21. For I will cleanse their blood that I have not cleansed: for the LORD dwelleth in Zion.
21. Je vengerai leur sang que je n`ai point encore vengé, Et L`Éternel résidera dans Sion.
21. "Ary hodioviko ny rany izay tsy mbola nodioviko; fa Jehovah monina ao Ziona."