An Army of Locusts
1. Blow ye the trumpet in Zion, and sound an alarm in my holy mountain: let all the inhabitants of the land tremble: for the day of the LORD cometh, for it is nigh at hand;
1. Sonnez de la trompette en Sion! Faites-la retentir sur ma montagne sainte! Que tous les habitants du pays tremblent! Car le jour de l`Éternel vient, car il est proche,
1. "Tsofy ao ziona ny anjomara! Ary mampanenoa fanairana ao an-tendrombohitro masina! Aoka hangovitra ny mponina rehetra amin' ny tany; fa avy ny andron' i Jehovah, efa antomotra izany;"
2. A day of darkness and of gloominess, a day of clouds and of thick darkness, as the morning spread upon the mountains: a great people and a strong; there hath not been ever the like, neither shall be any more after it, even to the years of many generations.
2. Jour de ténèbres et d`obscurité, Jour de nuées et de brouillards, Il vient comme l`aurore se répand sur les montagnes. Voici un peuple nombreux et puissant, Tel qu`il n`y en a jamais eu, Et qu`il n`y en aura jamais dans la suite des âges.
2. Dia andro maizina sy manjombona, andro mandrahona sy maizim-pito, toy ny maraina miely manerana ny tendrombohitra, dia firenena lehibe sy matanjaka, ka tsy nisy tahaka azy hatrizay hatrizay, sady tsy hisy tahaka azy intsony any aoriany hatramin' ny taonan' ny taranaka maro.
3. A fire devoureth before them; and behind them a flame burneth: the land is as the garden of Eden before them, and behind them a desolate wilderness; yea, and nothing shall escape them.
3. "Devant lui est un feu dévorant, Et derrière lui une flamme brûlante; Le pays était auparavant comme un jardin d`Éden, Et depuis, c`est un désert affreux: Rien ne lui échappe."
3. "Eo alohany misy afo mandevona, ary any aoriany misy lelafo mandoro; tahaka ny saha Edena ny tany eo alohany, fa ny ao aoriany kosa dia tahaka ny efitra foana, eny, tsy misy afaka handositra azy."
4. The appearance of them is as the appearance of horses; and as horsemen, so shall they run.
4. A les voir, on dirait des chevaux, Et ils courent comme des cavaliers.
4. "Mitarehin-tsoavaly ny tarehiny; ary tahaka ny firiotry ny mpitaingin-tsoavaly ny firiotrany."
5. Like the noise of chariots on the tops of mountains shall they leap, like the noise of a flame of fire that devoureth the stubble, as a strong people set in battle array.
5. A les entendre, on dirait un bruit de chars Sur le sommet des montagnes où ils bondissent, On dirait un pétillement de la flamme du feu, Quand elle consume le chaume. C`est comme une armée puissante Qui se prépare au combat.
5. Tahaka ny figorodon' ny kalesy any an-tampon' ny tendrombohitra no figorodon' ny fitsambikimbikiny, sy tahaka ny fipororotry ny lelafo eny amin' ny hain-tanety, ary tahaka ny firenena mahery voalamina hiady.
6. Before their face the people shall be much pained: all faces shall gather blackness.
6. Devant eux les peuples tremblent, Tous les visages pâlissent.
6. "Eo anoloany dia raiki-tahotra indrindra ny firenena; ny tarehy rehetra mivaloarika;"
7. They shall run like mighty men; they shall climb the wall like men of war; and they shall march every one on his ways, and they shall not break their ranks:
7. "Ils s`élancent comme des guerriers, Ils escaladent les murs comme des gens de guerre; Chacun va son chemin, Sans s`écarter de sa route."
7. "Hitsarapaka tahaka ny lehilahy mahery izy ary hananika ny manda tahaka ny mpiady, samy handroso amin' izay hitsiny ka tsy vaky laharana;"
8. Neither shall one thrust another; they shall walk every one in his path: and when they fall upon the sword, they shall not be wounded.
8. "Ils ne pressent point les uns les autres, Chacun garde son rang; Ils se précipitent au travers des traits Sans arrêter leur marche."
8. "Tsy hifanosika izy; fa samy handroso amin' izay hitsiny; na dia lavo eo amin' ny sabatra aza izy dia tsy ho voaratra."
9. They shall run to and fro in the city; they shall run upon the wall, they shall climb up upon the houses; they shall enter in at the windows like a thief.
9. Ils se répandent dans la ville, Courent sur les murailles, Montent sur les maisons, Entrent par les fenêtres comme un voleur.
9. Hifamoivoy eran' ny tanàna izy, hihazakazaka eny amin' ny manda izy, hananika ny trano izy, hiditra ao am-baravarankely toy ny mpangalatra izy.
10. The earth shall quake before them; the heavens shall tremble: the sun and the moon shall be dark, and the stars shall withdraw their shining:
10. Devant eux la terre tremble, Les cieux sont ébranlés, Le soleil et la lune s`obscurcissent, Et les étoiles retirent leur éclat.
10. "Eo anoloany dia hihorohoro ny tany, ary hihozongozona ny lanitra; ny masoandro sy ny volana ho tonga maizina, ary ny kintana tsy hamirapiratra."
11. And the LORD shall utter his voice before his army: for his camp is very great: for he is strong that executeth his word: for the day of the LORD is great and very terrible; and who can abide it?
11. "L`Éternel fait entendre sa voix devant son armée; Car son camp est immense, Et l`exécuteur de sa parole est puissant; Car le jour de l`Éternel est grand, il est terrible: Qui pourra le soutenir?"
11. "Ary Jehovah hanonona ny feony eo anoloan' ny miaramilany; fa lehibe indrindra ny tobiny, ary mahery izay manatanteraka ny teniny; fa lehibe sy mahatahotra indrindra ny andron' i Jehovah, ka iza no mahatanty izany?"
Rend Your Heart
12. Therefore also now, saith the LORD, turn ye even to me with all your heart, and with fasting, and with weeping, and with mourning:
12. Maintenant encore, dit l`Éternel, Revenez à moi de tout votre coeur, Avec des jeûnes, avec des pleurs et des lamentations!
12. Koa noho izany, ankehitriny, hoy Jehovah, miverena amiko amin' ny fonareo rehetra ary amin' ny fifadian-kanina sy ny fitomaniana, ary amin' ny fisaonana.
13. And rend your heart, and not your garments, and turn unto the LORD your God: for he is gracious and merciful, slow to anger, and of great kindness, and repenteth him of the evil.
13. "Déchirez vos coeurs et non vos vêtements, Et revenez à l`Éternel, votre Dieu; Car il est compatissant et miséricordieux, Lent à la colère et riche en bonté, Et il se repent des maux qu`il envoie."
13. "Ary ny fonareo no triatriaro, fa aza ny fitafianareo, ary miverena amin' i Jehovah Andriamanitrareo; fa mamindra fo sy miantra izy, mahari-po sady be famindrampo ary manenina ny amin' ny loza,"
14. Who knoweth if he will return and repent, and leave a blessing behind him; even a meat offering and a drink offering unto the LORD your God?
14. Qui sait s`il ne reviendra pas et ne se repentira pas, Et s`il ne laissera pas après lui la bénédiction, Des offrandes et des libations pour l`Éternel, votre Dieu?
14. "Iza no mahalala na mba hiverina ka hanenina ihany Izy, ary hamela fitahiana aoriany; dia fanatitra hohanina sy fanatitra aidina ho an' i Jehovah Andriamanitrareo?"
15. Blow the trumpet in Zion, sanctify a fast, call a solemn assembly:
15. Sonnez de la trompette en Sion! Publiez un jeûne, une convocation solennelle!
15. "Tsofy ao Ziona ny anjomara, ka manamasìna fifadian-kanina, miantsoa fivoriana masina;"
16. Gather the people, sanctify the congregation, assemble the elders, gather the children, and those that suck the breasts: let the bridegroom go forth of his chamber, and the bride out of her closet.
16. Assemblez le peuple, formez une sainte réunion! Assemblez les vieillards, Assemblez les enfants, Même les nourrissons à la mamelle! Que l`époux sorte de sa demeure, Et l`épouse de sa chambre!
16. "Angony ny vahoaka, manamasìna ny fiangonana, vorio ny loholona, angony ny ankizy madinika mbamin' ny zaza minono; aoka ny mpampakatra hiala ao an' efitranony, ary aoka ny ampakarina hiala ao an' efitra fandriany."
17. Let the priests, the ministers of the LORD, weep between the porch and the altar, and let them say, Spare thy people, O LORD, and give not thine heritage to reproach, that the heathen should rule over them: wherefore should they say among the people, Where is their God?
17. Qu`entre le portique et l`autel Pleurent les sacrificateurs, Serviteurs de l`Éternel, Et qu`ils disent: Éternel, épargne ton peuple! Ne livre pas ton héritage à l`opprobre, Aux railleries des nations! Pourquoi dirait-on parmi les peuples: Où est leur Dieu?
17. "Eo anelanelan' ny lavarangana fidirana sy ny alitara no aoka hitomanian' ny mpisorona mpanao asa fanompoana ho an' i Jehovah, ka hanao hoe: Iantrao ny olonao Jehovah ô, ary aza atolotra ho latsa ny lovanao, ka hotapahin' ny jentilisa; nahoana no hataony any amin' ny firenena hoe: Aiza ny Andriamaniny?"
The LORD's Answer
18. Then will the LORD be jealous for his land, and pity his people.
18. L`Éternel est ému de jalousie pour son pays, Et il épargne son peuple.
18. Ary Jehovah dia ho saro-piaro ny taniny sady hiantra ny olony.
19. Yea, the LORD will answer and say unto his people, Behold, I will send you corn, and wine, and oil, and ye shall be satisfied therewith: and I will no more make you a reproach among the heathen:
19. "L`Éternel répond, il dit à son peuple: Voici, je vous enverrai du blé, Du moût et de l`huile, Et vous en serez rassasiés; Et je ne vous livrerai plus à l`opprobre parmi les nations."
19. "Eny, Jehovah hamaly ka hanao amin' ny olony hoe: Indro, hanatitra varimbazaha sy divay sy diloilo ho anareo Aho, ka dia ho vokin' izany ianareo; ary tsy havelako ho latsa eny amin' ny jentilisa intsony ianareo;"
20. But I will remove far off from you the northern army, and will drive him into a land barren and desolate, with his face toward the east sea, and his hinder part toward the utmost sea, and his stink shall come up, and his ill savour shall come up, because he hath done great things.
20. "J`éloignerai de vous l`ennemi du nord, Je le chasserai vers une terre aride et déserte, Son avant-garde dans la mer orientale, Son arrière-garde dans la mer occidentale; Et son infection se répandra, Sa puanteur s`élèvera dans les airs, Parce qu`il a fait de grandes choses."
20. "Fa ilay tafika avy any avaratra dia hampanalaviriko anareo, ka horoahiko ho amin' ny tany karankaina sy mariry; ny loha-lalany ho any amin' ny ranomasina atsinanana ary ny vodi-lalany ho any amin' ny ranomasina andrefana; ary ny hamaimboany hiakatra, ary ny fofon-dratsiny hisondrotra; fa efa nanao zava-dehibe izy."
21. Fear not, O land; be glad and rejoice: for the LORD will do great things.
21. Terre, ne crains pas, Sois dans l`allégresse et réjouis-toi, Car l`Éternel fait de grandes choses!
21. Aza matahotra, ry tany, miravoravoa sy mifalia, fa hanao zava-dehibe Jehovah.
22. Be not afraid, ye beasts of the field: for the pastures of the wilderness do spring, for the tree beareth her fruit, the fig tree and the vine do yield their strength.
22. Bêtes des champs, ne craignez pas, Car les plaines du désert reverdiront, Car les arbres porteront leurs fruits, Le figuier et la vigne donneront leurs richesses.
22. Aza matahotra, ry biby any an-tsaha, fa mihamaitso ny kijana any an' efitra, mamoa ny hazo, ary vokatra ny hazo aviavy sy ny voaloboka.
23. Be glad then, ye children of Zion, and rejoice in the LORD your God: for he hath given you the former rain moderately, and he will cause to come down for you the rain, the former rain, and the latter rain in the first month.
23. Et vous, enfants de Sion, soyez dans l`allégresse et réjouissez-vous En l`Éternel, votre Dieu, Car il vous donnera la pluie en son temps, Il vous enverra la pluie de la première et de l`arrière-saison, Comme autrefois.
23. Ary ianareo, ry zanak' i Ziona mifalia sy miravoravoa amin' i Jehovah Andriamanitrareo, fa nanome anareo ny loha-orana onony Izy, dia handatsaka ranonorana ho anareo Izy, dia ny loha-orana sy ny fara-orana amin' ny volana voalohany.
24. And the floors shall be full of wheat, and the vats shall overflow with wine and oil.
24. Les aires se rempliront de blé, Et les cuves regorgeront de moût et d`huile.
24. Dia ho feno varimbazaha ny famoloana ary hihoatra ny vata fanantazana ny divay sy ny diloilo.
25. And I will restore to you the years that the locust hath eaten, the cankerworm, and the caterpiller, and the palmerworm, my great army which I sent among you.
25. Je vous remplacerai les années Qu`ont dévorées la sauterelle, Le jélek, le hasil et le gazam, Ma grande armée que j`avais envoyée contre vous.
25. Ary honerako ho anareo ny taona nohanin' ny valala, dia ny koraika sy sy ny sompanga ary ny kijeja, izay miaramilako betsaka nalefako hamely anareo.
26. And ye shall eat in plenty, and be satisfied, and praise the name of the LORD your God, that hath dealt wondrously with you: and my people shall never be ashamed.
26. "Vous mangerez et vous vous rassasierez, Et vous célébrerez le nom de l`Éternel, votre Dieu, Qui aura fait pour vous des prodiges; Et mon peuple ne sera plus jamais dans la confusion."
26. "Ary hihinana be dia be ianareo ka ho voky, dia hidera ny anaran' i Jehovah Andriamanitrareo izay nanao zava-mahagaga taminareo; ary tsy ho menatra mandrakizay ny oloko."
27. And ye shall know that I am in the midst of Israel, and that I am the LORD your God, and none else: and my people shall never be ashamed.
27. Et vous saurez que je suis au milieu d`Israël, Que je suis l`Éternel, votre Dieu, et qu`il n`y en a point d`autre, Et mon peuple ne sera plus jamais dans la confusion.
27. "Dia ho fantatrareo fa ao afovoan' ny Isiraely Aho, ary Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, fa tsy misy hafa; ary tsy ho menatra mandrakizay ny oloko."
The Day of the LORD
28. And it shall come to pass afterward, that I will pour out my spirit upon all flesh; and your sons and your daughters shall prophesy, your old men shall dream dreams, your young men shall see visions:
28. "Après cela, je répandrai mon esprit sur toute chair; Vos fils et vos filles prophétiseront, Vos vieillards auront des songes, Et vos jeunes gens des visions."
28. "Ary izao no hiseho rehefa afaka izany, handatsaka ny Fanahiko amin' ny nofo rehetra Aho; dia haminany ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, ny lahiantitrareo hanonofy, ny zatovonareo hahita fahitana,"
29. And also upon the servants and upon the handmaids in those days will I pour out my spirit.
29. Même sur les serviteurs et sur les servantes, Dans ces jours-là, je répandrai mon esprit.
29. Ary ny mpanompolahy sy mpanompovavy koa dia handatsahako ny Fanahiko amin' izany andro izany.
30. And I will shew wonders in the heavens and in the earth, blood, and fire, and pillars of smoke.
30. "Je ferai paraître des prodiges dans les cieux et sur la terre, Du sang, du feu, et des colonnes de fumée;"
30. Ary hanisy fahagagana eny amin' ny lanitra sy ety amin' ny tany Aho, dia rà sy afo ary andrin-tsetroka.
31. The sun shall be turned into darkness, and the moon into blood, before the great and the terrible day of the LORD come.
31. Le soleil se changera en ténèbres, Et la lune en sang, Avant l`arrivée du jour de l`Éternel, De ce jour grand et terrible.
31. Ny masoandro hampodina ho haizina, ary ny volana ho ra, alohan' ny hahatongavan' ny andron' i Jehovah, izay sady lehibe no mahatsiravina.
32. And it shall come to pass, that whosoever shall call on the name of the LORD shall be delivered: for in mount Zion and in Jerusalem shall be deliverance, as the LORD hath said, and in the remnant whom the LORD shall call.
32. "Alors quiconque invoquera le nom de l`Éternel sera sauvé; Le salut sera sur la montagne de Sion et à Jérusalem, Comme a dit l`Éternel, Et parmi les réchappés que l`Éternel appellera."
32. "Ary izao no hiseho, na iza na iza no hiantso ny anaran' i Jehovah dia ho afaka; fa ao an-tendrombohitra Ziona sy any Jerosalema dia hisy fanafahana, araka izay efa nolazain' i Jehovah, ary amin' izay sisa hantsoin' i Jehovah."