1. The word of the LORD that came to Joel the son of Pethuel.
1. La parole de l`Éternel qui fut adressée à Joël, fils de Pethuel.
1. Ny tenin' i Jehovah, izay tonga tamin'i Joela, zanak' i Petoela.
An Invasion of Locusts
2. Hear this, ye old men, and give ear, all ye inhabitants of the land. Hath this been in your days, or even in the days of your fathers?
2. Écoutez ceci, vieillards! Prêtez l`oreille, vous tous, habitants du pays! Rien de pareil est-il arrivé de votre temps, Ou du temps de vos pères?
2. Henoy izao, ry anti-panahy! Ary mandrenesa, ianareo mponina rehetra amin' ny tany! Moa mba efa nisy tamin' ny andronareo na tamin' ny andron' ny razanareo va izao?
3. Tell ye your children of it, and let your children tell their children, and their children another generation.
3. Racontez-le à vos enfants, Et que vos enfants le racontent à leurs enfants, Et leurs enfants à la génération qui suivra!
3. Lazao amin' ny zanakareo izao, ary aoka ny zanakareo hilaza amin' ny zanany kosa, ary ny zanak' ireo kosa indray amin' ny taranaka hafa.
4. That which the palmerworm hath left hath the locust eaten; and that which the locust hath left hath the cankerworm eaten; and that which the cankerworm hath left hath the caterpiller eaten.
4. "Ce qu`a laissé le gazam, la sauterelle l`a dévoré; Ce qu`a laissé la sauterelle, le jélek l`a dévoré; Ce qu`a laissé le jélek, le hasil l`a dévoré."
4. "Izay sisan' ny kijeja dia nohanin' ny koraika; ary izay sisan' ny koraika dia nohanin' ny valalavao; ary izay sisan' ny valalavao dia nohanin' ny sompanga."
5. Awake, ye drunkards, and weep; and howl, all ye drinkers of wine, because of the new wine; for it is cut off from your mouth.
5. Réveillez-vous, ivrognes, et pleurez! Vous tous, buveurs de vin, gémissez, Parce que le moût vous est enlevé de la bouche!
5. Mifohaza, ianareo mpimamo ka mitomania, ary midradradradrà, ianareo mpisotro divay rehetra, noho ny ranom-boaloboka, satria tapaka tsy ho amin' ny vavanareo izany.
6. For a nation is come up upon my land, strong, and without number, whose teeth are the teeth of a lion, and he hath the cheek teeth of a great lion.
6. Car un peuple est venu fondre sur mon pays, Puissant et innombrable. Il a les dents d`un lion, Les mâchoires d`une lionne.
6. "Fa misy firenena mahery sady tsy hita isa miakatra hamely ny taniko; ny nifiny dia nifin-diona, ary ny vazany dia vazan' ny liona lehibe."
7. He hath laid my vine waste, and barked my fig tree: he hath made it clean bare, and cast it away; the branches thereof are made white.
7. "Il a dévasté ma vigne; Il a mis en morceaux mon figuier, Il l`a dépouillé, abattu; Les rameaux de la vigne ont blanchi."
7. "Nataony simba tokoa ny voaloboko, ary nokikisany ny hazo aviaviko; nataony nakiky tokoa ireny ka nariany, dia tonga fotsy ny rantsany."
8. Lament like a virgin girded with sackcloth for the husband of her youth.
8. Lamente-toi, comme la vierge qui se revêt d`un sac Pour pleurer l`ami de sa jeunesse!
8. Midradradradrà toy ny virijina misikin-damba fisaonana noho ny amin' ny vadin' ny fahatanorany.
9. The meat offering and the drink offering is cut off from the house of the LORD; the priests, the LORD's ministers, mourn.
9. "Offrandes et libations disparaissent de la maison de l`Éternel; Les sacrificateurs, serviteurs de l`Éternel, sont dans le deuil."
9. "Efa tapaka tsy ho ao amin' ny tranon' i Jehovah ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina; mitomany ny mpisorona, mpanao asa fanompoana ho an' i Jehovah."
10. The field is wasted, the land mourneth; for the corn is wasted: the new wine is dried up, the oil languisheth.
10. "Les champs sont ravagés, La terre est attristée; Car les blés sont détruits, Le moût est tari, l`huile est desséchée."
10. Mariry ny saha, misaona ny tany, fa simba ny varimbazaha, ritra ny ranom-boaloboka, mihena ny diloilo.
11. Be ye ashamed, O ye husbandmen; howl, O ye vinedressers, for the wheat and for the barley; because the harvest of the field is perished.
11. Les laboureurs sont consternés, les vignerons gémissent, A cause du froment et de l`orge, Parce que la moisson des champs est perdue.
11. "Aoka ho menatra ianareo, ry mpiasa tany; midradradradrà ianareo, ry mpamboatra tanimboaloboka, noho ny vary tritika sy ny vary hordea; fa majifa ny vokatry ny saha."
12. The vine is dried up, and the fig tree languisheth; the pomegranate tree, the palm tree also, and the apple tree, even all the trees of the field, are withered: because joy is withered away from the sons of men.
12. "La vigne est confuse, Le figuier languissant; Le grenadier, le palmier, le pommier, Tous les arbres des champs sont flétris... La joie a cessé parmi les fils de l`homme!"
12. "Maina ny voaloboka, malazo ny aviavy, ary malazo ny ampongabendanitra sy ny palma koa ary ny paoma aza, dia ny hazo rehetra any an-tsaha no malazo; satria malazo ny fifalian' ny zanak' olombelona."
13. Gird yourselves, and lament, ye priests: howl, ye ministers of the altar: come, lie all night in sackcloth, ye ministers of my God: for the meat offering and the drink offering is withholden from the house of your God.
13. Sacrificateurs, ceignez-vous et pleurez! Lamentez-vous, serviteurs de l`autel! Venez, passez la nuit revêtus de sacs, Serviteurs de mon Dieu! Car offrandes et libations ont disparu de la maison de votre Dieu.
13. "Misikìna sy mitomania, ianareo mpisorona; midradradradrà, ianareo mpanao asa fanompoana amin' ny alitara; andeha mandry amin' ny lamba fisaonana mandritra ny alina ianareo mpanao asa fanompoana ho an' Andriamanitro; fa tapaka tsy ho ao amin' ny tranon' Andriamanitrareo ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina."
14. Sanctify ye a fast, call a solemn assembly, gather the elders and all the inhabitants of the land into the house of the LORD your God, and cry unto the LORD.
14. Publiez un jeûne, une convocation solennelle! Assemblez les vieillards, tous les habitants du pays, Dans la maison de l`Éternel, votre Dieu, Et criez à l`Éternel!
14. Manamasìna ianareo fifadian-kanina, miantsoa fivoriana masina, angony ny loholona sy ny mponina rehetra amin' ny tany, ho ao an-tranon' i Jehovah Andriamanitrareo, ary andeha mitaraina amin' i Jehovah.
15. Alas for the day! for the day of the LORD is at hand, and as a destruction from the Almighty shall it come.
15. Ah! quel jour! Car le jour de l`Éternel est proche: Il vient comme un ravage du Tout Puissant.
15. Indrisy ny andro! Fa efa antomotra ny andron' i Jehovah, ka tahaka ny fandringanana avy amin' ny Tsitoha no fiaviny.
16. Is not the meat cut off before our eyes, yea, joy and gladness from the house of our God?
16. La nourriture n`est-elle pas enlevée sous nos yeux? La joie et l`allégresse n`ont-elles pas disparu de la maison de notre Dieu?
16. Moa tsy efa tapaka teo imasontsika va ny hanina, eny, ny fifaliana sy ny faharavoravoana tsy ho ao an-tranon' Andriamanitsika?
17. The seed is rotten under their clods, the garners are laid desolate, the barns are broken down; for the corn is withered.
17. "Les semences ont séché sous les mottes; Les greniers sont vides, Les magasins sont en ruines, Car il n`y a point de blé."
17. "Lo ao ambanin' ny baingan-tany ny voa, foana ny sompitra, mirodana ny trano fitehirizam-bokatra; fa nalazo ny varimbazaha."
18. How do the beasts groan! the herds of cattle are perplexed, because they have no pasture; yea, the flocks of sheep are made desolate.
18. "Comme les bêtes gémissent! Les troupeaux de boeufs sont consternés, Parce qu`ils sont sans pâturage; Et même les troupeaux de brebis sont en souffrance."
18. "Indrisy, ny fitoreon' ny biby! Very hevitra ny omby andiany, satria tsy misy ahitra ho azy; eny na dia ny andian' ny ondry aza dia foana."
19. O LORD, to thee will I cry: for the fire hath devoured the pastures of the wilderness, and the flame hath burned all the trees of the field.
19. C`est vers toi que je crie, ô Éternel! Car le feu a dévoré les plaines du désert, Et la flamme a brûlé tous les arbres des champs.
19. Jehovah ô, Ianao no hitarainako, fa efa levon' ny afo ny kijana any an' efitra, ary ny lelafo efa nandoro ny hazo rehetra any an-tsaha.
20. The beasts of the field cry also unto thee: for the rivers of waters are dried up, and the fire hath devoured the pastures of the wilderness.
20. "Les bêtes des champs crient aussi vers toi; Car les torrents sont à sec, Et le feu a dévoré les plaines du désert."
20. Ny biby any an-tsaha koa mitaraina aminao satria ritra ny renirano, ary efa levon' ny afo ny kijana any an' efitra.