1. At the same time, saith the LORD, will I be the God of all the families of Israel, and they shall be my people.
1. En ce temps-là, dit l`Éternel, Je serai le Dieu de toutes les familles d`Israël, Et ils seront mon peuple.
1. Amin' izany andro izany, hoy Jehovah, dia ho Andriamanitry ny ankohonan' ny Isiraely rehetra Aho, ary izy ho oloko.
2. Thus saith the LORD, The people which were left of the sword found grace in the wilderness; even Israel, when I went to cause him to rest.
2. "Ainsi parle l`Éternel: Il a trouvé grâce dans le désert, Le peuple de ceux qui ont échappé au glaive; Israël marche vers son lieu de repos."
2. Izao no lazain' i Jehovah: Ny olona izay sisan' ny sabatra dia nahita fitia tany an' efitra, dia ny Isiraely, fony nandeha nanome fitsaharana ho azy Aho.
3. The LORD hath appeared of old unto me, saying, Yea, I have loved thee with an everlasting love: therefore with lovingkindness have I drawn thee.
3. "De loin l`Éternel se montre à moi: Je t`aime d`un amour éternel; C`est pourquoi je te conserve ma bonté."
3. Fony taloha no nisehoan' i Jehovah tamiko ka nanao hoe: Eny, fitiavana mandrakizay no nitiavako anao. Noho izany, tamin' ny famindrampo no nitarihako anao.
4. Again I will build thee, and thou shalt be built, O virgin of Israel: thou shalt again be adorned with thy tabrets, and shalt go forth in the dances of them that make merry.
4. Je te rétablirai encore, et tu seras rétablie, Vierge d`Israël! Tu auras encore tes tambourins pour parure, Et tu sortiras au milieu des danses joyeuses.
4. Mbola hanorina anao indray Aho, ka dia hiorina ianao, ry Isiraely virijina! Ary mbola hiravaka mitondra ny ampongatapakao ianao ka hivoaka amin' ny dihin' ny mifaly.
5. Thou shalt yet plant vines upon the mountains of Samaria: the planters shall plant, and shall eat them as common things.
5. "Tu planteras encore des vignes sur les montagnes de Samarie; Les planteurs planteront, et cueilleront les fruits."
5. "Mbola hanao tanimboaloboka ao amin' ny tendrombohitr' i Samaria ianao; ny mpamboly dia hamboly sady hihinana ny vokatra."
6. For there shall be a day, that the watchmen upon the mount Ephraim shall cry, Arise ye, and let us go up to Zion unto the LORD our God.
6. Car le jour vient où les gardes crieront sur la montagne d`Éphraïm:
6. Fa mbola hisy andro hiantsoan' ny mpitazana any amin' ny tany havoan' i Efraima hoe: Mitsangàna ianareo, ka andeha isika hiakatra any Ziona, ho any amin' i Jehovah Andriamanitsika.
7. For thus saith the LORD; Sing with gladness for Jacob, and shout among the chief of the nations: publish ye, praise ye, and say, O LORD, save thy people, the remnant of Israel.
7. Levez-vous, montons à Sion, vers l`Éternel, notre Dieu! Car ainsi parle l`Éternel: Poussez des cris de joie sur Jacob, Éclatez d`allégresse à la tête des nations! Élevez vos voix, chantez des louanges, et dites: Éternel, délivre ton peuple, le reste d`Israël!
7. "Fa izao no lazain' i Jehovah: Mihirà amin' ny fifaliana noho ny amin' i Jakoba, ary mihobia eo amin' ny lehiben' ny firenena; aelezonareo, deraonareo, ka ataovy hoe: Jehovah ô, vonjeo ny olonao, dia ny sisa amin' ny Isiraely."
8. Behold, I will bring them from the north country, and gather them from the coasts of the earth, and with them the blind and the lame, the woman with child and her that travaileth with child together: a great company shall return thither.
8. "Voici, je les ramène du pays du septentrion, Je les rassemble des extrémités de la terre; Parmi eux sont l`aveugle et le boiteux, La femme enceinte et celle en travail; C`est une grande multitude, qui revient ici."
8. "Indro, hitondra azy avy any amin' ny tany avaratra Aho sy hanangona azy avy any amin' ny sisin' ny tany, ary miaraka amin' izy ireo ny jamba sy ny mandringa, ny vehivavy manana anaka miaraka amin' izay mihetsi-jaza; irai-dia maharenina no hiverina aty."
9. They shall come with weeping, and with supplications will I lead them: I will cause them to walk by the rivers of waters in a straight way, wherein they shall not stumble: for I am a father to Israel, and Ephraim is my firstborn.
9. "Ils viennent en pleurant, et je les conduis au milieu de leurs supplications; Je les mène vers des torrents d`eau, Par un chemin uni où ils ne chancellent pas; Car je suis un père pour Israël, Et Éphraïm est mon premier-né."
9. "Amin' ny fitomaniana no hiaviany, ary amin' ny fifonany no hitondrako azy ary hoentiko ho eny amoron' ny renirano izy, amin' ny lalana mahitsy izay tsy hahatafintohina azy; fa Rain' Isiraely Aho, ary Efraima no lahimatoako."
10. Hear the word of the LORD, O ye nations, and declare it in the isles afar off, and say, He that scattered Israel will gather him, and keep him, as a shepherd doth his flock.
10. Nations, écoutez la parole de l`Éternel, Et publiez-la dans les îles lointaines! Dites: Celui qui a dispersé Israël le rassemblera, Et il le gardera comme le berger garde son troupeau.
10. Mihainoa ny tenin' i Jehovah ianareo ry firenena, ary ambarao any amin' ny nosy any lavitra any izany ka ataovy hoe: Izay nampiely ny Isiraely no hanangona azy sy hitandrina azy toy ny fitandrin' ny mpiandry ondry ny ondriny.
11. For the LORD hath redeemed Jacob, and ransomed him from the hand of him that was stronger than he.
11. Car l`Éternel rachète Jacob, Il le délivre de la main d`un plus fort que lui.
11. Fa Jehovah efa nanavotra an' i Jakoba sy efa nanafaka azy tamin' ny tanan' ny mahery noho izy.
12. Therefore they shall come and sing in the height of Zion, and shall flow together to the goodness of the LORD, for wheat, and for wine, and for oil, and for the young of the flock and of the herd: and their soul shall be as a watered garden; and they shall not sorrow any more at all.
12. "Ils viendront, et pousseront des cris de joie sur les hauteurs de Sion; Ils accourront vers les biens de l`Éternel, Le blé, le moût, l`huile, Les brebis et les boeufs; Leur âne sera comme un jardin arrosé, Et ils ne seront plus dans la souffrance."
12. "Noho izany dia ho avy ireny ka hihira ao amin' ny havoanan' i Ziona, ary hitanjozotra ho any amin' ny zava-tsoan' i Jehovah, dia ny varimbazaha sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo sy ny zanak' ondry ary ny zanak' omby; ary ny fanahiny ho toy ny tanimboly vonton-drano, ka tsy halahelo intsony mihitsy izy."
13. Then shall the virgin rejoice in the dance, both young men and old together: for I will turn their mourning into joy, and will comfort them, and make them rejoice from their sorrow.
13. "Alors les jeunes filles se réjouiront à la danse, Les jeunes hommes et les vieillards se réjouiront aussi; Je changerai leur deuil en allégresse, et je les consolerai; Je leur donnerai de la joie après leurs chagrins."
13. "Ary amin' izany dia ho faly amin' ny fandihizana ny virijina mbamin' ny zatovo sy ny antitra koa; fa hampodiko ho fifaliana ny fitomaniany, ka hampiononiko sy hampifaliko izy ho afaka alahelo."
14. And I will satiate the soul of the priests with fatness, and my people shall be satisfied with my goodness, saith the LORD.
14. Je rassasierai de graisse l`âme des sacrificateurs, Et mon peuple se rassasiera de mes biens, dit l`Éternel.
14. Dia hovokisako zava-matavy ny fanahin' ny mpisorona, ary ny oloko ho voky ny zava-tsoako hoy Jehovah.
15. Thus saith the LORD; A voice was heard in Ramah, lamentation, and bitter weeping; Rahel weeping for her children refused to be comforted for her children, because they were not.
15. "Ainsi parle l`Éternel: On entend des cris à Rama, Des lamentations, des larmes amères; Rachel pleure ses enfants; Elle refuse d`être consolée sur ses enfants, Car ils ne sont plus."
15. "Izao no lazain' i Jehovah: Nisy feo re tao Rama, dia fidradradradràna sy fitomaniana mangidy; nitomany ny zanany Rahely, ary tsy azo nampiononina izy noho ny amin' ny zanany, satria lany ritra ireny."
16. Thus saith the LORD; Refrain thy voice from weeping, and thine eyes from tears: for thy work shall be rewarded, saith the LORD; and they shall come again from the land of the enemy.
16. "Ainsi parle l`Éternel: Retiens tes pleurs, Retiens les larmes de tes yeux; Car il y aura un salaire pour tes oeuvres, dit l`Éternel; Ils reviendront du pays de l`ennemi."
16. "Izao no lazain' i Jehovah: Atsaharo ny fitomanianao sy ny fandatsahanao ranomaso; fa hisy valiny tokoa ny asanao, hoy Jehovah; ary hody avy any amin' ny tanin' ny fahavalo ireny."
17. And there is hope in thine end, saith the LORD, that thy children shall come again to their own border.
17. "Il y a de l`espérance pour ton avenir, dit l`Éternel; Tes enfants reviendront dans leur territoire."
17. Ary misy fanantenana amin' ny fiafaranao, hoy Jehovah, fa ny zanakao hiverina ho any amin' ny taniny indray.
18. I have surely heard Ephraim bemoaning himself thus; Thou hast chastised me, and I was chastised, as a bullock unaccustomed to the yoke: turn thou me, and I shall be turned; for thou art the LORD my God.
18. "J`entends Éphraïm qui se lamente: Tu m`as châtié, et j`ai été châtié Comme un veau qui n`est pas dompté; Fais-moi revenir, et je reviendrai, Car tu es l`Éternel, mon Dieu."
18. "Efa reko tokoa Efraima nitomany ny tenany hoe: Nofaizanao aho, eny, nofaizana toy ny ombilahy kely tsy voafolaka; avereno aho, dia ho tafaverina, fa ianao no Jehovah Andriamanitro."
19. Surely after that I was turned, I repented; and after that I was instructed, I smote upon my thigh: I was ashamed, yea, even confounded, because I did bear the reproach of my youth.
19. "Après m`être détourné, j`éprouve du repentir; Et après avoir reconnu mes fautes, je frappe sur ma cuisse; Je suis honteux et confus, Car je porte l`opprobre de ma jeunesse. -"
19. "Nony efa niverina tokoa aho, dia nanenina; ary nony efa nampahafantarina aho, dia nitehaka ny feko aho; menatra aho, eny, mangaihay, satria mitondra tokoa ny latsan' ny fahatanorako."
20. Is Ephraim my dear son? is he a pleasant child? for since I spake against him, I do earnestly remember him still: therefore my bowels are troubled for him; I will surely have mercy upon him, saith the LORD.
20. "Éphraïm est-il donc pour moi un fils chéri, Un enfant qui fait mes délices? Car plus je parle de lui, plus encore son souvenir est en moi; Aussi mes entrailles sont émues en sa faveur: J`aurai pitié de lui, dit l`Éternel. -"
20. "Zanaka malalako va Efraima? Zaza mahafinaritra va izy? Fa hatramin' izay nitenenako namely azy, dia mbola mahatsiaro azy fatratra aho; koa onena azy ny ato anatiko; hamindra fo aminy tokoa aho, hoy Jehovah."
21. Set thee up waymarks, make thee high heaps: set thine heart toward the highway, even the way which thou wentest: turn again, O virgin of Israel, turn again to these thy cities.
21. Dresse des signes, place des poteaux, Prends garde à la route, au chemin que tu as suivi... Reviens, vierge d`Israël, Reviens dans ces villes qui sont à toi!
21. "Manangàna famantaran-dalana ho anao ianao, manorena tsangambato; saino tsara ny lalana efa voavoatra, dia ilay lalana efa nalehanao; miverena indray, ry Isiraely virijina, miverena indray ho amin' ireto tanànanao ireto."
22. How long wilt thou go about, O thou backsliding daughter? for the LORD hath created a new thing in the earth, A woman shall compass a man.
22. Jusques à quand seras-tu errante, Fille égarée? Car l`Éternel crée une chose nouvelle sur la terre: La femme recherchera l`homme.
22. Mandra-pahoviana no hirioriovanao, ry zanakavavy mpiodina? Fa Jehovah efa namorona zava-baovao amin' ny tany: Vehivavy no hanodidina lehilahy.
23. Thus saith the LORD of hosts, the God of Israel; As yet they shall use this speech in the land of Judah and in the cities thereof, when I shall bring again their captivity; The LORD bless thee, O habitation of justice, and mountain of holiness.
23. Ainsi parle l`Éternel des armées, le Dieu d`Israël: Voici encore ce que l`on dira dans le pays de Juda et dans ses villes, Quand j`aurai ramené leurs captifs: Que l`Éternel te bénisse, demeure de la justice, Montagne sainte!
23. Izao no lazain' i Jehovah, Tompon' ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Mbola holazaina indray ao amin' ny tanin' ny Joda sy ao amin' ny tanànany izao teny izao, raha hampodiko avy amin' ny fahababoany izy: Hotahian' i Jehovah anie ianao ry fonenan' ny fahamarinana, sy ry tendrombohitry ny fahamasinana !
24. And there shall dwell in Judah itself, and in all the cities thereof together, husbandmen, and they that go forth with flocks.
24. Là s`établiront Juda et toutes ses villes, Les laboureurs et ceux qui conduisent les troupeaux.
24. Ary honina any Joda sy any amin' ny tanànany rehetra manodidina ny mpiasa tany sy ireo mpilasy mitondra andian' ondry aman' osy.
25. For I have satiated the weary soul, and I have replenished every sorrowful soul.
25. Car je rafraîchirai l`âme altérée, Et je rassasierai toute âme languissante.
25. Fa ny fanahy ana dia novokisako ary ny fanahy malahelo rehetra dia nofenoiko indray.
26. Upon this I awaked, and beheld; and my sleep was sweet unto me.
26. "Là-dessus je me suis réveillé, et j`ai regardé; Mon sommeil m`avait été agréable."
26. Ary tamin' izay dia nahatsiaro aho ka nahita, ary mamiko ny torimasoko.
27. Behold, the days come, saith the LORD, that I will sow the house of Israel and the house of Judah with the seed of man, and with the seed of beast.
27. Voici, les jours viennent, dit l`Éternel, Où j`ensemencerai la maison d`Israël et la maison de Juda D`une semence d`hommes et d`une semence de bêtes.
27. Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, ka hafafiko eo amin' ny taranak' olombelona sy ny taranaky ny biby ny taranak' Isiraely sy ny taranak' i Joda.
28. And it shall come to pass, that like as I have watched over them, to pluck up, and to break down, and to throw down, and to destroy, and to afflict; so will I watch over them, to build, and to plant, saith the LORD.
28. Et comme j`ai veillé sur eux Pour arracher, abattre, détruire, ruiner et faire du mal, Ainsi je veillerai sur eux pour bâtir et pour planter, Dit l`Éternel.
28. Ary izao no hiseho, toy ny niambenako azy hongontana sy hazera sy harodana sy horavana ary hampahorina, dia toy izany no hiambenako azy haorina sy hambolena kosa, hoy Jehovah.
29. In those days they shall say no more, The fathers have eaten a sour grape, and the children's teeth are set on edge.
29. En ces jours-là, on ne dira plus: Les pères ont mangé des raisins verts, Et les dents des enfants en ont été agacées.
29. Amin' izany andro izany, dia tsy hanao intsony izy hoe: Ny ray no nihinana voaloboka maharikivy, ka ny nifin' ny zanany no madilo.
30. But every one shall die for his own iniquity: every man that eateth the sour grape, his teeth shall be set on edge.
30. "Mais chacun mourra pour sa propre iniquité; Tout homme qui mangera des raisins verts, Ses dents en seront agacées."
30. "Fa ny olona rehetra samy ho fatin' ny helony avy; izay rehetra homana ny voaloboka maharikivy, dia izy ihany no hadilo nify."
31. Behold, the days come, saith the LORD, that I will make a new covenant with the house of Israel, and with the house of Judah:
31. Voici, les jours viennent, dit l`Éternel, Où je ferai avec la maison d`Israël et la maison de Juda Une alliance nouvelle,
31. Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hanaovako fanekena vaovao amin' ny taranak' Isiraely sy ny taranak' i Joda,
32. Not according to the covenant that I made with their fathers in the day that I took them by the hand to bring them out of the land of Egypt; which my covenant they brake, although I was an husband unto them, saith the LORD:
32. Non comme l`alliance que je traitai avec leurs pères, Le jour où je les saisis par la main Pour les faire sortir du pays d`Égypte, Alliance qu`ils ont violée, Quoique je fusse leur maître, dit l`Éternel.
32. "Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin' ny razany tamin' ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta; fa izy ireny dia nivadika ny fanekeko, nefa izaho no Vadiny, hoy Jehovah."
33. But this shall be the covenant that I will make with the house of Israel; After those days, saith the LORD, I will put my law in their inward parts, and write it in their hearts; and will be their God, and they shall be my people.
33. "Mais voici l`alliance que je ferai avec la maison d`Israël, Après ces jours-là, dit l`Éternel: Je mettrai ma loi au dedans d`eux, Je l`écrirai dans leur coeur; Et je serai leur Dieu, Et ils seront mon peuple."
33. "Fa izao no ho fanekena hataoko amin' ny taranak' Isiraely: Rehefa afaka izany andro izany hoy Jehovah, dia hataoko ao anatiny ny lalàko sady hosoratako ao am-pony; ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko."
34. And they shall teach no more every man his neighbour, and every man his brother, saying, Know the LORD: for they shall all know me, from the least of them unto the greatest of them, saith the LORD: for I will forgive their iniquity, and I will remember their sin no more.
34. "Celui-ci n`enseignera plus son prochain, Ni celui-là son frère, en disant: Connaissez l`Éternel! Car tous me connaîtront, Depuis le plus petit jusqu`au plus grand, dit l`Éternel; Car je pardonnerai leur iniquité, Et je ne me souviendrai plus de leur péché."
34. "Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy intsony izy hoe: Mahalalà an' i Jehovah; fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra. Hatramin' ny kely indrindra ka hatramin' ny lehibe indrindra, hoy Jehovah; fa havelako ny helony, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany."
35. Thus saith the LORD, which giveth the sun for a light by day, and the ordinances of the moon and of the stars for a light by night, which divideth the sea when the waves thereof roar; The LORD of hosts is his name:
35. Ainsi parle l`Éternel, qui a fait le soleil pour éclairer le jour, Qui a destiné la lune et les étoiles à éclairer la nuit, Qui soulève la mer et fait mugir ses flots, Lui dont le nom est l`Éternel des armées:
35. Izao no lazain' i Jehovah, izay manome ny masoandro ho fahazavana amin' ny antoandro ary ny filahatry ny volana sy ny kintana ho fahazavana amin' ny alina, izay mampisaraka ny ranomasina, rehefa mirohondrohona ny onjany, Jehovah, Tompon' ny maro, no anarany:
36. If those ordinances depart from before me, saith the LORD, then the seed of Israel also shall cease from being a nation before me for ever.
36. Si ces lois viennent à cesser devant moi, dit l`Éternel, La race d`Israël aussi cessera pour toujours d`être une nation devant moi.
36. Raha miova eo anoloako izany filahatra izany, hoy Jehovah, dia hitsahatra tsy ho firenena eo anatrehako mandrakizay kosa ny taranak' Isiraely.
37. Thus saith the LORD; If heaven above can be measured, and the foundations of the earth searched out beneath, I will also cast off all the seed of Israel for all that they have done, saith the LORD.
37. Ainsi parle l`Éternel: Si les cieux en haut peuvent être mesurés, Si les fondements de la terre en bas peuvent être sondés, Alors je rejetterai toute la race d`Israël, A cause de tout ce qu`ils ont fait, dit l`Éternel.
37. Izao no lazain' i Jehovah: Raha azo refesina ny lanitra ambony, ary azo fantarina ny fanorenan' ny tany ambany, Izaho kosa hanary ny taranak' Isiraely rehetra noho izay rehetra nataony, hoy Jehovah.
38. Behold, the days come, saith the LORD, that the city shall be built to the LORD from the tower of Hananeel unto the gate of the corner.
38. Voici, les jours viennent, dit l`Éternel, Où la ville sera rebâtie à l`honneur de l`Éternel, Depuis la tour de Hananeel jusqu`à la porte de l`angle.
38. Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hanorenana ny tanàna indray ho an' i Jehovah hatramin' ny tilikambon' i Hananela ka hatramin' ny vavahady an-jorony.
39. And the measuring line shall yet go forth over against it upon the hill Gareb, and shall compass about to Goath.
39. Le cordeau s`étendra encore vis-à-vis, Jusqu`à la colline de Gareb, Et fera un circuit du côté de Goath.
39. "Ary ny famolaina dia mbola hohenjaniko mahitsy hatreo an-tampon' ny havoana Gareba, dia hasangodina ho any Goa;"
40. And the whole valley of the dead bodies, and of the ashes, and all the fields unto the brook of Kidron, unto the corner of the horse gate toward the east, shall be holy unto the LORD; it shall not be plucked up, nor thrown down any more for ever.
40. Toute la vallée des cadavres et de la cendre, Et tous les champs jusqu`au torrent de Cédron, Jusqu`à l`angle de la porte des chevaux à l`orient, Seront consacrés à l`Éternel, Et ne seront plus à jamais ni renversés ni détruits.
40. Ary ny lohasaham-paty sy lavenona rehetra sy ny saha rehetra hatramin' ny sakelidrano Kidrona ka hatramin' ny zoron' ny vavahadin-tsoavaly atsinanana dia ho masina ho an' i Jehovah, tsy hongotana na horavana intsony izy mandrakizay.
<
>