Assyria, the LORD's Instrument
1. Moreover the LORD said unto me, Take thee a great roll, and write in it with a man's pen concerning Mahershalalhashbaz.
1. L`Éternel me dit: Prends une grande table, et écris dessus, d`une manière intelligible: Qu`on se hâte de piller, qu`on se précipite sur le butin.
1. Ary hoy koa Jehovah tamiko: Mangalà fàfana lehibe, ka soraty ao aminy amin' ny fanoratan' ny olona ny amin' i Mahera-salala-hasi-baza.
2. And I took unto me faithful witnesses to record, Uriah the priest, and Zechariah the son of Jeberechiah.
2. Je pris avec moi des témoins dignes de foi, le sacrificateur Urie, et Zacharie, fils de Bérékia.
2. Ary naka vavolombelona mahatoky aho handrakitra izany dia Oria mpisorona sy Zakaria zanakalahin' i Jeberekia.
3. And I went unto the prophetess; and she conceived, and bare a son. Then said the LORD to me, Call his name Mahershalalhashbaz.
3. "Je m`étais approché de la prophétesse; elle conçut, et elle enfanta un fils. L`Éternel me dit: Donne-lui pour nom Maher Schalal Chasch Baz."
3. "Ary nankany amin' ny mpaminanivavy aho; dia nanana anaka izy ka niteraka zazalahy. Ary hoy Jehovah tamiko: aoka ny anarany hataonao hoe: Mahera-salala-hasi-baza."
4. For before the child shall have knowledge to cry, My father, and my mother, the riches of Damascus and the spoil of Samaria shall be taken away before the king of Assyria.
4. Car, avant que l`enfant sache dire: Mon père! ma mère! on emportera devant le roi d`Assyrie les richesses de Damas et le butin de Samarie.
4. Fa raha tsy mbola mahay manonona hoe Idada na Ineny ny zaza dia hobaboina eo anatrehan' ny mpanjakan' i Asyria ny haren' i Damaskosy sy ny fananan' i Samaria.
5. The LORD spake also unto me again, saying,
5. L`Éternel me parla encore, et me dit:
5. Ary Jehovah dia mbola niteny tamiko indray hoe:
6. Forasmuch as this people refuseth the waters of Shiloah that go softly, and rejoice in Rezin and Remaliah's son;
6. Parce que ce peuple a méprisé les eaux de Siloé qui coulent doucement Et qu`il s`est réjoui au sujet de Retsin et du fils de Remalia, Voici, le Seigneur va faire monter
6. Satria ity firenena ity mandà ny rano Siloa izay misononoka ary mifaly amin-dRezina sy ny zanak' i Remalia,
7. Now therefore, behold, the Lord bringeth up upon them the waters of the river, strong and many, even the king of Assyria, and all his glory: and he shall come up over all his channels, and go over all his banks:
7. "contre eux Les puissantes et grandes eaux du fleuve (Le roi d`Assyrie et toute sa gloire); Il s`élèvera partout au-dessus de son lit, Et il se répandra sur toutes ses rives;"
7. "Dia, indro, hampiakarin' ny Tompo hanafotra azy ny rano be sady manonja amin' ny Ony, dia ny mpanjakan' i Asyria sy ny voninahiny rehetra; ary ny masondranony rehetra ho tondraka, ary ny morony rehetra hihoarany;"
8. And he shall pass through Judah; he shall overflow and go over, he shall reach even to the neck; and the stretching out of his wings shall fill the breadth of thy land, O Immanuel.
8. Il pénétrera dans Juda, il débordera et inondera, Il atteindra jusqu`au cou. Le déploiement de ses ailes Remplira l`étendue de ton pays, ô Emmanuel!
8. Dia hamakivaky ny Joda izy ka hanafotra sady mbola hisondrotra ihany, mandra-pahatongany havozona, ary ny fampivelarany ny elany dia hanenika ny sakan' ny taninao, ry Imanoela ô!
9. Associate yourselves, O ye people, and ye shall be broken in pieces; and give ear, all ye of far countries: gird yourselves, and ye shall be broken in pieces; gird yourselves, and ye shall be broken in pieces.
9. "Poussez des cris de guerre, peuples! et vous serez brisés; Prêtez l`oreille, vous tous qui habitez au loin! Préparez-vous au combat, et vous serez brisés; Préparez-vous au combat, et vous serez brisés."
9. "Mivondròna ianareo, ry vahoaka, fa ho torotoro ianareo; ary mihainoa, ry tany lavitra rehetra, fa ho torotoro ianareo, misikìna ianareo, fa ho torotoro ianareo, eny, misikìna ianareo fa ho torotoro ianareo."
10. Take counsel together, and it shall come to nought; speak the word, and it shall not stand: for God is with us.
10. "Formez des projets, et ils seront anéantis; Donnez des ordres, et ils seront sans effet: Car Dieu est avec nous."
10. "Miaraha maka saina, fa ho tsinontsinona izany; lazao ny teny fa tsy ho tanteraka izany; fa aminay Andriamanitra."
Fear God
11. For the LORD spake thus to me with a strong hand, and instructed me that I should not walk in the way of this people, saying,
11. Ainsi m`a parlé l`Éternel, quand sa main me saisit, Et qu`il m`avertit de ne pas marcher dans la voie de ce peuple:
11. Fa izao no nolazain' i Jehovah tamiko, raha nanindry ahy mafy ny tanany, ka nanariny tsy handeha amin' ny falehan' ity firenena ity aho hoe:
12. Say ye not, A confederacy, to all them to whom this people shall say, A confederacy; neither fear ye their fear, nor be afraid.
12. "N`appelez pas conjuration tout ce que ce peuple appelle conjuration; Ne craignez pas ce qu`il craint, et ne soyez pas effrayés."
12. "Aza mba lazainareo ho tetika fikomiana izay lazain' ity firenena ity ho tetika fikomiana; ary aza matahotra izay atahorany, na mangovitra ianareo."
13. Sanctify the LORD of hosts himself; and let him be your fear, and let him be your dread.
13. C`est l`Éternel des armées que vous devez sanctifier, C`est lui que vous devez craindre et redouter.
13. "Jehovah, Tompon' ny maro, no hamasino; ary aoka Izy no hatahoranareo, ary izy ihany no hangovitanareo."
14. And he shall be for a sanctuary; but for a stone of stumbling and for a rock of offence to both the houses of Israel, for a gin and for a snare to the inhabitants of Jerusalem.
14. Et il sera un sanctuaire, Mais aussi une pierre d`achoppement, Un rocher de scandale pour les deux maisons d`Israël, Un filet et un piège Pour les habitants de Jérusalem.
14. Dia ho fitoerana masina ho anareo Izy, fa ho vato mahatafintohina sy ho vato mahasolafaka kosa amin' ny firenena roa amin' ny Isiraely, sady ho fandrika sy ho tonta amin' ny mponina any Jerosalema.
15. And many among them shall stumble, and fall, and be broken, and be snared, and be taken.
15. "Plusieurs trébucheront; Ils tomberont et se briseront, Ils seront enlacés et pris."
15. Ary maro ao aminy no ho tafintohina sady ho lavo sy ho ringana ary ho voafandrika sy ho voasambotra.
16. Bind up the testimony, seal the law among my disciples.
16. Enveloppe cet oracle, Scelle cette révélation, parmi mes disciples. -
16. Fehezo ny teni-vavolombelona, ary asio tombo-kase ny lalàna eo amin' ny mpianatro.
17. And I will wait upon the LORD, that hideth his face from the house of Jacob, and I will look for him.
17. "J`espère en l`Éternel, Qui cache sa face à la maison de Jacob; Je place en lui ma confiance."
17. Ary izaho hiandry an' i Jehovah, izay manafina ny tavany amin' ny taranak'i Jakoba, ka hanantena azy ihany aho.
18. Behold, I and the children whom the LORD hath given me are for signs and for wonders in Israel from the LORD of hosts, which dwelleth in mount Zion.
18. Voici, moi et les enfants que l`Éternel m`a donnés, Nous sommes des signes et des présages en Israël, De la part de l`Éternel des armées, Qui habite sur la montagne de Sion.
18. Indreto, izaho sy ireo zaza nomen' i Jehovah ahy, dia ho famantarana sy fahagagana ao amin' ny Isiraely avy amin' i Jehovah, Tompon' ny maro, Izay monina ao an-tendrombohitra Ziona.
19. And when they shall say unto you, Seek unto them that have familiar spirits, and unto wizards that peep, and that mutter: should not a people seek unto their God? for the living to the dead?
19. Si l`on vous dit: Consultez ceux qui évoquent les morts et ceux qui prédisent l`avenir, Qui poussent des sifflements et des soupirs, Répondez: Un peuple ne consultera-t-il pas son Dieu? S`adressera-t-il aux morts en faveur des vivants?
19. "Ary raha lazainy aminareo hoe: Milà saina amin' ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao sikidy, izay mitsiatsiaka sy miboeriboerika; moa tsy Andriamaniny va no tokony hilàn' ny olona saina? Fa hila saina amin' ny maty ho an' ny velona va izy?"
20. To the law and to the testimony: if they speak not according to this word, it is because there is no light in them.
20. A la loi et au témoignage! Si l`on ne parle pas ainsi, Il n`y aura point d`aurore pour le peuple.
20. Ho amin' ny lalàna sy ny teni-vavolombelona ihany! Raha tsy miteny araka izao teny izao izy dia satria tsy misy fahazavana ao aminy.
21. And they shall pass through it, hardly bestead and hungry: and it shall come to pass, that when they shall be hungry, they shall fret themselves, and curse their king and their God, and look upward.
21. "Il sera errant dans le pays, accablé et affamé; Et, quand il aura faim, il s`irritera, Maudira son roi et son Dieu, Et tournera les yeux en haut;"
21. "Ary samy hivezivezy amin' ny tany izy rehetra sady mahantra no mosarena; ary izao no hiseho, rehefa mosarena izy dia ho sosotra ka hanozona ny mpanjakany sy ny Andriamaniny, ary dia hiandrandra."
22. And they shall look unto the earth; and behold trouble and darkness, dimness of anguish; and they shall be driven to darkness.
22. Puis il regardera vers la terre, Et voici, il n`y aura que détresse, obscurité et de sombres angoisses: Il sera repoussé dans d`épaisses ténèbres.
22. Ary hijery ny tany izy, ka indro, fahoriana sy fahamaizinana ary manjombona mahafadiranovana, ary horoahina ho any amin' ny haizim-pito izy.