The Sign of Immanuel
1. And it came to pass in the days of Ahaz the son of Jotham, the son of Uzziah, king of Judah, that Rezin the king of Syria, and Pekah the son of Remaliah, king of Israel, went up toward Jerusalem to war against it, but could not prevail against it.
1. "Il arriva, du temps d`Achaz, fils de Jotham, fils d`Ozias, roi de Juda, que Retsin, roi de Syrie, monta avec Pékach, fils de Remalia, roi d`Israël, contre Jérusalem, pour l`assiéger; mais il ne put l`assiéger."
1. Ary izao no niseho, tamin' ny andron' i Ahaza, zanak' i Jotama, zanak' i Ozia, mpanjakan' ny Joda, no niakaran-dRezina, mpanjakan' i Syria, sy Peka, zanak' i Remalia, mpanjakan' ny Isiraely hanafika an' i Jerosalema, nefa tsy nahafaka azy izy.
2. And it was told the house of David, saying, Syria is confederate with Ephraim. And his heart was moved, and the heart of his people, as the trees of the wood are moved with the wind.
2. On vint dire à la maison de David: Les Syriens sont campés en Éphraïm. Et le coeur d`Achaz et le coeur de son peuple furent agités, comme les arbres de la forêt sont agités par le vent.
2. Dia nambara tamin' ny taranak' i Davida hoe: Injao ny Syriana fa miray tetika amin' ny Efraima. Ary nirondròna ny fony sy ny fon' ny vahoaka, toy ny firondrònan' ny hazo any an' ala, raha asian' ny rivotra.
3. Then said the LORD unto Isaiah, Go forth now to meet Ahaz, thou, and Shearjashub thy son, at the end of the conduit of the upper pool in the highway of the fuller's field;
3. Alors l`Éternel dit à Ésaïe: Va à la rencontre d`Achaz, toi et Schear Jaschub, ton fils, vers l`extrémité de l`aqueduc de l`étang supérieur, sur la route du champ du foulon.
3. Ary hoy Jehovah tamin' Isaia: Mivoaha ianao sy Seara-jasoba zanakao hitsena an' i Ahaza eo amin' ny faran' ny lakan-drano amin' ny kamory ambony, eo amin' ny lalambe mankamin' ny sahan' ny mpamotsy lamba,
4. And say unto him, Take heed, and be quiet; fear not, neither be fainthearted for the two tails of these smoking firebrands, for the fierce anger of Rezin with Syria, and of the son of Remaliah.
4. Et dis-lui: Sois tranquille, ne crains rien, Et que ton coeur ne s`alarme pas, Devant ces deux bouts de tisons fumants, Devant la colère de Retsin et de la Syrie, et du fils de Remalia,
4. "Ka lazao aminy hoe: Mitandrema, ka aoka ho tony; aza matahotra, ary aoka tsy ho ketraka ny fonao noho ireto tapa-porohana roa midonaka ireto, dia ny firehetan'ny fahatezeran-dRezina sy Syria ary ny zanak' i Remalia."
5. Because Syria, Ephraim, and the son of Remaliah, have taken evil counsel against thee, saying,
5. De ce que la Syrie médite du mal contre toi, De ce qu`Éphraïm et le fils de Remalia disent:
5. Satria efa nanao saina hampidi-doza aminao Syria sy Efraima ary ny zanak' i Remalia ka nanao hoe:
6. Let us go up against Judah, and vex it, and let us make a breach therein for us, and set a king in the midst of it, even the son of Tabeal:
6. Montons contre Juda, assiégeons la ville, Et battons-la en brèche, Et proclamons-y pour roi le fils de Tabeel.
6. "Andeha isika hananika an' i Joda ka hampaharaiki-tahotra azy ary hanafaka azy ho antsika ka hanangana ny zanak' i Tabeala ho mpanjaka ao afovoany;"
7. Thus saith the Lord GOD, It shall not stand, neither shall it come to pass.
7. Ainsi parle le Seigneur, l`Éternel: Cela n`arrivera pas, cela n`aura pas lieu.
7. "Dia izao no lazain' i Jehovah Tompo: Tsy ho tanteraka izany, ary tsy hisy izany;"
8. For the head of Syria is Damascus, and the head of Damascus is Rezin; and within threescore and five years shall Ephraim be broken, that it be not a people.
8. Car Damas est la tête de la Syrie, Et Retsin est la tête de Damas. (Encore soixante-cinq ans, Éphraïm ne sera plus un peuple.)
8. "Fa ny lohan' i Syria dia Damaskosy, ary ny lohan' i Damaskosy dia Rezina; ary ao anatin' ny dimy amby enimpolo taona dia ho rava Efraima, ka tsy ho vanon-ko firenena intsony."
9. And the head of Ephraim is Samaria, and the head of Samaria is Remaliah's son. If ye will not believe, surely ye shall not be established.
9. La Samarie est la tête d`Éphraïm, Et le fils de Remalia est la tête de la Samarie. Si vous ne croyez pas, Vous ne subsisterez pas.
9. Ary ny lohan' i Efraima dia Samaria, ary ny lohan' i Samaria dia ny zanak' i Remalia. Raha tsy mety mino ianareo, dia tsy ho tafatoetra mihitsy.
10. Moreover the LORD spake again unto Ahaz, saying,
10. L`Éternel parla de nouveau à Achaz, et lui dit:
10. Ary mbola niteny tamin' i Ahaza indray Jehovah ka nanao hoe:
11. Ask thee a sign of the LORD thy God; ask it either in the depth, or in the height above.
11. "Demande en ta faveur un signe à l`Éternel, ton Dieu; demande-le, soit dans les lieux bas, soit dans les lieux élevés."
11. "Mangataha famantarana amin' i Jehovah Andriamanitrao; eny, mangataha na ho avy amin' ny lalina ambany izany, na ho avy amin' ny avo ambony."
12. But Ahaz said, I will not ask, neither will I tempt the LORD.
12. Achaz répondit: Je ne demanderai rien, je ne tenterai pas l`Éternel.
12. Fa hoy Ahaza: Tsy hangataka aho, fa tsy haka fanahy an' i Jehovah.
13. And he said, Hear ye now, O house of David; Is it a small thing for you to weary men, but will ye weary my God also?
13. Ésaïe dit alors: Écoutez donc, maison de David! Est-ce trop peu pour vous de lasser la patience des hommes, Que vous lassiez encore celle de mon Dieu?
13. "Dia hoy Isaia: Mihainoa àry, ry taranak' i Davida; ataonareo ho zavatra kely foana moa ny hanasatra ny olona, no dia hanasatra an' Andriamanitra koa ianareo?"
14. Therefore the Lord himself shall give you a sign; Behold, a virgin shall conceive, and bear a son, and shall call his name Immanuel.
14. C`est pourquoi le Seigneur lui-même vous donnera un signe, Voici, la jeune fille deviendra enceinte, elle enfantera un fils, Et elle lui donnera le nom d`Emmanuel.
14. "Ary noho izany dia ny Tompo no hanome famantarana ho anareo: Indro, hanana anaka ny virijina ka hiteraka zazalahy; ary ny anarany hataony hoe Imanoela."
15. Butter and honey shall he eat, that he may know to refuse the evil, and choose the good.
15. Il mangera de la crème et du miel, Jusqu`à ce qu`il sache rejeter le mal et choisir le bien.
15. Rononomandry sy tantely no ho fihinany mandra-pahatonga azy hahay mandà ny ratsy ka hifidy ny tsara.
16. For before the child shall know to refuse the evil, and choose the good, the land that thou abhorrest shall be forsaken of both her kings.
16. Mais avant que l`enfant sache rejeter le mal et choisir le bien, Le pays dont tu crains les deux rois sera abandonné.
16. Fa mialoha ny hahaizan' ny zaza handà ny ratsy sy hifidy ny tsara, ny tany izay ankahalainao dia ho lao ka hilaozan' ireo mpanjakany roa.
17. The LORD shall bring upon thee, and upon thy people, and upon thy father's house, days that have not come, from the day that Ephraim departed from Judah; even the king of Assyria.
17. L`Éternel fera venir sur toi, Sur ton peuple et sur la maison de ton père, Des jours tels qu`il n`y en a point eu Depuis le jour où Éphraïm s`est séparé de Juda (Le roi d`Assyrie.)
17. Jehovah hahatonga aminao sy ny olonao ary ny mpianakavin-drainao,amin' ny alalan' ny mpanjakan' ny Asyria, izay andro tsy mbola nisy toa azy hatramin' ny andro nialan' i Efraima tamin' ny Joda.
18. And it shall come to pass in that day, that the LORD shall hiss for the fly that is in the uttermost part of the rivers of Egypt, and for the bee that is in the land of Assyria.
18. "En ce jour-là, l`Éternel sifflera les mouches Qui sont à l`extrémité des canaux de l`Égypte, Et les abeilles qui sont au pays d`Assyrie;"
18. "Ary izao no hiseho amin' izany andro izany: Jehovah hisiaka hiantso ny lalitra izay any amin' ny faran' ny onin' i Egypta sy ny renitantely, izay any amin' ny tany Asyria;"
19. And they shall come, and shall rest all of them in the desolate valleys, and in the holes of the rocks, and upon all thorns, and upon all bushes.
19. Elles viendront, et se poseront toutes dans les vallons désolés, Et dans les fentes des rochers, Sur tous les buissons, Et sur tous les pâturages.
19. Dia ho avy ireo, ka samy hipetraka amin' ny lohasaha lao, sy eny an-tsefa tsefaky ny harambato, sy eny amin' ny tsilo rehetra sy eny amin' ny kirihitr' ala rehetra.
20. In the same day shall the Lord shave with a razor that is hired, namely, by them beyond the river, by the king of Assyria, the head, and the hair of the feet: and it shall also consume the beard.
20. "En ce jour-là, le Seigneur rasera, avec un rasoir pris à louage Au delà du fleuve, Avec le roi d`Assyrie, La tête et le poil des pieds; Il enlèvera aussi la barbe."
20. "Amin' izany andro izany, ny Tompo hanaratra ny loha sy ny volon-tongotra amin' ny hareza nohofana any amoron' ny Ony, dia ny mpanjakan' i Asyria; ary ny volombava hokakasana amin' iny koa."
21. And it shall come to pass in that day, that a man shall nourish a young cow, and two sheep;
21. "En ce jour-là, Chacun entretiendra une jeune vache et deux brebis;"
21. "Ary izao no hiseho amin' izany andro izany: samy hiompy ombivavy kely sy ondry roa ny olona;"
22. And it shall come to pass, for the abundance of milk that they shall give he shall eat butter: for butter and honey shall every one eat that is left in the land.
22. Et il y aura une telle abondance de lait Qu`on mangera de la crème, Car c`est de crème et de miel que se nourriront Tous ceux qui seront restés dans le pays.
22. "Ary izao no hiseho, noho ny habetsahan' ny ronono azo avy amin' ireny dia hihinana dibera izy; fa dibera sy tantely no ho fihinan' ny olona sisa rehetra ao amin' ny tany."
23. And it shall come to pass in that day, that every place shall be, where there were a thousand vines at a thousand silverlings, it shall even be for briers and thorns.
23. En ce jour-là, Tout lieu qui contiendra mille ceps de vigne, Valant mille sicles d`argent, Sera livré aux ronces et aux épines:
23. Ary izao no hiseho amin' izany andro izany, ho rakotry ny hery sy ny tsilo ny tany rehetra izay nisy voaloboka arivo nahazoana sekely arivo.
24. With arrows and with bows shall men come thither; because all the land shall become briers and thorns.
24. On y entrera avec les flèches et avec l`arc, Car tout le pays ne sera que ronces et épines.
24. Zana-tsipìka sy tsipìka no hoentin' izay miditra ao, satria rakotry ny hery sy ny tsilo ny tany rehetra.
25. And on all hills that shall be digged with the mattock, there shall not come thither the fear of briers and thorns: but it shall be for the sending forth of oxen, and for the treading of lesser cattle.
25. Et toutes les montagnes que l`on cultivait avec la bêche Ne seront plus fréquentées, par crainte des ronces et des épines: On y lâchera le boeuf, et la brebis en foulera le sol.
25. "Ary ny tanety rehetra izay nohevoina tamin' ny angady dia tsy ho azonao diavina noho ny fahatahorana ny hery sy ny tsilo; fa ho falehan' ny omby sy ho fanitsakitsaky ny biby fiompy izany."