Judgment and Hope
1. Thus saith the LORD, The heaven is my throne, and the earth is my footstool: where is the house that ye build unto me? and where is the place of my rest?
1. Ainsi parle l`Éternel: Le ciel est mon trône, Et la terre mon marchepied. Quelle maison pourriez-vous me bâtir, Et quel lieu me donneriez-vous pour demeure?
1. "Izao no lazain' i Jehovah: Ny lanitra no sezafiandrianako, ary ny tany no fitoeran-tongotro; aiza ny trano izay hataonareo ho Ahy? Ary aiza ny fitoeran' ny fitsaharako?"
2. For all those things hath mine hand made, and all those things have been, saith the LORD: but to this man will I look, even to him that is poor and of a contrite spirit, and trembleth at my word.
2. Toutes ces choses, ma main les a faites, Et toutes ont reçu l`existence, dit l`Éternel. Voici sur qui je porterai mes regards: Sur celui qui souffre et qui a l`esprit abattu, Sur celui qui craint ma parole.
2. "Fa izao zavatra rehetra izao no nataon' ny tanako, ka dia ary izao rehetra izao hoy Jehovah; nefa izao no olona hotsinjoviko, dia izay mahantra sy torotoro fanahy sady mangovitra noho ny teniko."
3. He that killeth an ox is as if he slew a man; he that sacrificeth a lamb, as if he cut off a dog's neck; he that offereth an oblation, as if he offered swine's blood; he that burneth incense, as if he blessed an idol. Yea, they have chosen their own ways, and their soul delighteth in their abominations.
3. "Celui qui immole un boeuf est comme celui qui tuerait un homme, Celui qui sacrifie un agneau est comme celui qui romprait la nuque à un chien, Celui qui présente une offrande est comme celui qui répandrait du sang de porc, Celui qui brûle de l`encens est comme celui qui adorerait des idoles; Tous ceux-là se complaisent dans leurs voies, Et leur âme trouve du plaisir dans leurs abominations."
3. "Izay mamono omby dia ohatra ny mamono olona; izay mamono ondry hatao fanatitra dia ohatra ny manapaka ny vozon' alika; izay manatitra fanatitra hohanina dia ohatra ny manatitra ron-kisoa; izay mandoro ditin-kazo manim-pofona dia ohatra ny misaotra ny sampy. Eny, efa nifidy ny lalany izy, ka mifaly amin' ny fahavetavetany ny fanahiny."
4. I also will choose their delusions, and will bring their fears upon them; because when I called, none did answer; when I spake, they did not hear: but they did evil before mine eyes, and chose that in which I delighted not.
4. "Moi aussi, je me complairai dans leur infortune, Et je ferai venir sur eux ce qui cause leur effroi, Parce que j`ai appelé, et qu`ils n`ont point répondu, Parce que j`ai parlé, et qu`ils n`ont point écouté; Mais ils ont fait ce qui est mal à mes yeux, Et ils ont choisi ce qui me déplaît."
4. "Dia tahaka izany kosa no hifidianako ny fampahoriana azy, sy handatsaka ny tahony ho aminy, satria niantso Aho, fa tsy nisy namaly, niteny Aho, fa tsy nihaino izy; fa nanao izay ratsy teo imasoko izy, ary izay tsy sitrako no nofidiny."
5. Hear the word of the LORD, ye that tremble at his word; Your brethren that hated you, that cast you out for my name's sake, said, Let the LORD be glorified: but he shall appear to your joy, and they shall be ashamed.
5. Écoutez la parole de l`Éternel, Vous qui craignez sa parole. Voici ce que disent vos frères, Qui vous haïssent et vous repoussent A cause de mon nom: Que l`Éternel montre sa gloire, Et que nous voyions votre joie! -Mais ils seront confondus.
5. Mihainoa ny tenin' i Jehovah, ianareo izay mangovitra noho ny teniny! Hoy ny rahalahinareo izay mankahala anareo ka mandroaka anareo noho ny amin' ny anarako: hampiseho ny voninahiny anie Jehovah, fa hiseho ho fifalianareo Izy, ka ho menatra ireny.
6. A voice of noise from the city, a voice from the temple, a voice of the LORD that rendereth recompence to his enemies.
6. Une voix éclatante sort de la ville, Une voix sort du temple. C`est la voix de l`Éternel, Qui paie à ses ennemis leur salaire.
6. Injany! horakoraka avy any an-tanàna, ary feo avy ao amin' ny tempoly, dia feon' i Jehovah izay mamaly ny ataon' ny fahavalony.
7. Before she travailed, she brought forth; before her pain came, she was delivered of a man child.
7. "Avant d`éprouver les douleurs, Elle a enfanté; Avant que les souffrances lui vinssent, Elle a donné naissance à un fils."
7. "Fony mbola tsy nihetsi-jaza aza izy, dia niteraka; fony mbola tsy nanaintaina aza izy, dia velon-jazalahy."
8. Who hath heard such a thing? who hath seen such things? Shall the earth be made to bring forth in one day? or shall a nation be born at once? for as soon as Zion travailed, she brought forth her children.
8. Qui a jamais entendu pareille chose? Qui a jamais vu rien de semblable? Un pays peut-il naître en un jour? Une nation est-elle enfantée d`un seul coup? A peine en travail, Sion a enfanté ses fils!
8. Iza akory no efa nandre zavatra toy izany? Iza no efa nahita zavatra toy izany? Hisy tany hateraka indray andro va, na firenena azo atao indray miteraka? Fa raha vao narary hiteraka Ziona, dia velon-jaza izy.
9. Shall I bring to the birth, and not cause to bring forth? saith the LORD: shall I cause to bring forth, and shut the womb? saith thy God.
9. "Ouvrirais-je le sein maternel, Pour ne pas laisser enfanter? dit l`Éternel; Moi, qui fais naître, Empêcherais-je d`enfanter? dit ton Dieu."
9. "Izaho moa hahatonga ho eo amin' ny fiterahana ka tsy hampiteraka va? hoy Jehovah; Izaho hampiteraka, nefa hampikombona indray va? hoy Andriamanitrao."
10. Rejoice ye with Jerusalem, and be glad with her, all ye that love her: rejoice for joy with her, all ye that mourn for her:
10. "Réjouissez-vous avec Jérusalem, Faites d`elle le sujet de votre allégresse, Vous tous qui l`aimez; Tressaillez avec elle de joie, Vous tous qui menez deuil sur elle;"
10. "Miaraha mifaly amin' i Jerosalema, ary miravoravoa aminy ianareo rehetra izay tia azy; aoka hiara-mifaly aminy tokoa ianareo rehetra izay malahelo noho ny aminy,"
11. That ye may suck, and be satisfied with the breasts of her consolations; that ye may milk out, and be delighted with the abundance of her glory.
11. Afin que vous soyez nourris et rassasiés Du lait de ses consolations, Afin que vous savouriez avec bonheur La plénitude de sa gloire.
11. Mba hinonoanareo sy hivokisanareo amin' ny nonony mahafaly. Eny, mba higoka hianareo ka hiravoravo amin' ny haben' ny voninahiny.
12. For thus saith the LORD, Behold, I will extend peace to her like a river, and the glory of the Gentiles like a flowing stream: then shall ye suck, ye shall be borne upon her sides, and be dandled upon her knees.
12. "Car ainsi parle l`Éternel: Voici, je dirigerai vers elle la paix comme un fleuve, Et la gloire des nations comme un torrent débordé, Et vous serez allaités; Vous serez portés sur les bras, Et caressés sur les genoux."
12. "Fa izao no lazain' i Jehovah: Indro hitarihako fiadanana tahaka ny ony izy ary ny voninahitry ny jentilisa tahaka ny renirano tondraka; ka hinono ianareo, ary hosakelehina ianareo sady hohindrahindraina eo ambony lohalika."
13. As one whom his mother comforteth, so will I comfort you; and ye shall be comforted in Jerusalem.
13. "Comme un homme que sa mère console, Ainsi je vous consolerai; Vous serez consolés dans Jérusalem."
13. "Tahaka ny olona ampiononin-dreniny no hampiononako anareo; eny, ao Jerosalema no hampiononana anareo."
14. And when ye see this, your heart shall rejoice, and your bones shall flourish like an herb: and the hand of the LORD shall be known toward his servants, and his indignation toward his enemies.
14. "Vous le verrez, et votre coeur sera dans la joie, Et vos os reprendront de la vigueur comme l`herbe; L`Éternel manifestera sa puissance envers ses serviteurs, Mais il fera sentir sa colère à ses ennemis."
14. "Dia hahita izany ianareo, ka ho faly ny fonareo, ary ny taolanareo ho tsara fitombo tahaka ny ahi-maitso; ary ny tanan' i Jehovah dia ataony ho fantatry ny mpanompony, fa ho tezitra amin' ny fahavalony kosa Izy."
15. For, behold, the LORD will come with fire, and with his chariots like a whirlwind, to render his anger with fury, and his rebuke with flames of fire.
15. "Car voici, l`Éternel arrive dans un feu, Et ses chars sont comme un tourbillon; Il convertit sa colère en un brasier, Et ses menaces en flammes de feu."
15. Fa, indro, Jehovah ho avy amin' ny afo, ary tahaka ny tadio ny kalesiny, mba hanao famaliana amin' ny fahatezerany mirehitra sy ny fitenenany mafy amin' ny lelafo.
16. For by fire and by his sword will the LORD plead with all flesh: and the slain of the LORD shall be many.
16. "C`est par le feu que l`Éternel exerce ses jugements, C`est par son glaive qu`il châtie toute chair; Et ceux que tuera l`Éternel seront en grand nombre."
16. "Fa ny afo sy ny sabany no hoentin' i Jehovah hifandahatra amin' ny nofo rehetra; ary ho maro ny voaringan' i Jehovah."
17. They that sanctify themselves, and purify themselves in the gardens behind one tree in the midst, eating swine's flesh, and the abomination, and the mouse, shall be consumed together, saith the LORD.
17. Ceux qui se sanctifient et se purifient dans les jardins, Au milieu desquels ils vont un à un, Qui mangent de la chair de porc, Des choses abominables et des souris, Tous ceux-là périront, dit l`Éternel.
17. Izay manamasina ny tenany sy manadio ny tenany ao an-tanimboly ao ambadiky ny hazo eo afovoany, ary mihinana henan-kisoa sy ny zava-betaveta ary ny totozy dia hiaraka ho levona avokoa, hoy Jehovah.
18. For I know their works and their thoughts: it shall come, that I will gather all nations and tongues; and they shall come, and see my glory.
18. "Je connais leurs oeuvres et leurs pensées. Le temps est venu de rassembler toutes les nations Et toutes les langues; Elles viendront et verront ma gloire."
18. "Fa Izaho dia mahalala ny asany sy ny heviny, ho avy ny hamoriako ny firenena rehetra sy ny samy hafa fiteny; dia ho avy ireo ka hahita ny voninahitro."
19. And I will set a sign among them, and I will send those that escape of them unto the nations, to Tarshish, Pul, and Lud, that draw the bow, to Tubal, and Javan, to the isles afar off, that have not heard my fame, neither have seen my glory; and they shall declare my glory among the Gentiles.
19. "Je mettrai un signe parmi elles, Et j`enverrai leurs réchappés vers les nations, A Tarsis, à Pul et à Lud, qui tirent de l`arc, A Tubal et à Javan, Aux îles lointaines, Qui jamais n`ont entendu parler de moi, Et qui n`ont pas vu ma gloire; Et ils publieront ma gloire parmi les nations."
19. Ary hasiako famantarana eo aminy ary izay afaka mandositra dia hirahiko ho any amin' ny firenena, dia ho any Tarsisy sy Pola ary Loda izay manenjana tsipìka, ary ho any Tobala sy Javana, dia ho any amin' ireo nosy lavitra izay tsy mbola nandre ny lazako na nahita ny voninahitro, ary hitory ny voninahitro any amin' ny Jentilisa izy.
20. And they shall bring all your brethren for an offering unto the LORD out of all nations upon horses, and in chariots, and in litters, and upon mules, and upon swift beasts, to my holy mountain Jerusalem, saith the LORD, as the children of Israel bring an offering in a clean vessel into the house of the LORD.
20. Ils amèneront tous vos frères du milieu de toutes les nations, En offrande à l`Éternel, Sur des chevaux, des chars et des litières, Sur des mulets et des dromadaires, A ma montagne sainte, A Jérusalem, dit l`Éternel, Comme les enfants d`Israël apportent leur offrande, Dans un vase pur, A la maison de l`Éternel.
20. Ary ireo hitondra ho fanatitra ho an' i Jehovah ny rahalahinareo rehetra avy any amin' ny firenena rehetra mitaingin-tsoavaly sy ao anaty kalesy sy filanjana ary mitaingina mole sy biby haingam-pandeha ho any Jerosalema tendrombohitro masina, hoy Jehovah, dia tahaka ny zanak' Isiraely mitondra fanatitra ao anatin' ny vilia madio ho ao an-tranon' i Jehovah.
21. And I will also take of them for priests and for Levites, saith the LORD.
21. Et je prendrai aussi parmi eux Des sacrificateurs, des Lévites, dit l`Éternel.
21. Ary avy amin' ireo aza no hakako ho mpisorona sy Levita, hoy Jehovah.
22. For as the new heavens and the new earth, which I will make, shall remain before me, saith the LORD, so shall your seed and your name remain.
22. Car, comme les nouveaux cieux Et la nouvelle terre que je vais créer Subsisteront devant moi, dit l`Éternel, Ainsi subsisteront votre postérité et votre nom.
22. Fa tahaka ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao, izay hataoko, no haharitra eo anatrehako, hoy Jehovah, dia toy izany ny haharetan' ny taranakareo sy ny anaranareo.
23. And it shall come to pass, that from one new moon to another, and from one sabbath to another, shall all flesh come to worship before me, saith the LORD.
23. A chaque nouvelle lune et à chaque sabbat, Toute chair viendra se prosterner devant moi, dit l`Éternel.
23. Ary izao no hiseho, isaky ny voaloham-bolana sy isan-tsabata dia ho avy ny nofo rehetra hiankohoka eo anatrehako, hoy Jehovah.
24. And they shall go forth, and look upon the carcases of the men that have transgressed against me: for their worm shall not die, neither shall their fire be quenched; and they shall be an abhorring unto all flesh.
24. "Et quand on sortira, on verra Les cadavres des hommes qui se sont rebellés contre moi; Car leur ver ne mourra point, et leur feu ne s`éteindra point; Et ils seront pour toute chair un objet d`horreur."
24. "Ary hivoaka izy ireny ka hijery ny fatin' ny olona izay efa niodina tamiko; fa ny kankany tsy ho faty, ary ny afony tsy hovonoina, ary hataon' ny nofo rehetra ho fahavetavetana ireo."