Judgment and Salvation

1. I am sought of them that asked not for me; I am found of them that sought me not: I said, Behold me, behold me, unto a nation that was not called by my name.
1. "J`ai exaucé ceux qui ne demandaient rien, Je me suis laissé trouver par ceux qui ne me cherchaient pas; J`ai dit: Me voici, me voici! A une nation qui ne s`appelait pas de mon nom."
1. "Notadiavin' izay tsy naniry Ahy Aho sy hitan' izay tsy nitady Ahy; hoy Aho tamin' ny firenena izay tsy nantsoina tamin' ny anarako: Inty Aho, Inty Aho!"
2. I have spread out my hands all the day unto a rebellious people, which walketh in a way that was not good, after their own thoughts;
2. "J`ai tendu mes mains tous les jours vers un peuple rebelle, Qui marche dans une voie mauvaise, Au gré de ses pensées;"
2. Namelatra ny tanako mandritra ny andro Aho tamin' ny firenena miodina, izay mandeha amin' ny lalana tsy tsara araka ny fisainany ihany,
3. A people that provoketh me to anger continually to my face; that sacrificeth in gardens, and burneth incense upon altars of brick;
3. Vers un peuple qui ne cesse de m`irriter en face, Sacrifiant dans les jardins, Et brûlant de l`encens sur les briques:
3. Dia firenena izay nahatezitra Ahy mandrakariva na dia eo imasoko aza, izay manao fanatitra ao an-tanimboly, ary mandoro ditin-kazo manitra eny ambonin' ny alitara natao tamin' ny biriky.
4. Which remain among the graves, and lodge in the monuments, which eat swine's flesh, and broth of abominable things is in their vessels;
4. "Qui fait des sépulcres sa demeure, Et passe la nuit dans les cavernes, Mangeant de la chair de porc, Et ayant dans ses vases des mets impurs;"
4. Dia izay mipetraka any amin' ny fasana ary mitoetra mandritra ny alina ao am-pierena, sady mihinana henan-kisoa, ary ny ron' ny hena fahavetavetana no ao amin' ny loviany,
5. Which say, Stand by thyself, come not near to me; for I am holier than thou. These are a smoke in my nose, a fire that burneth all the day.
5. Qui dit: Retire-toi, Ne m`approche pas, car je suis saint!... De pareilles choses, c`est une fumée dans mes narines, C`est un feu qui brûle toujours.
5. Izay manao hoe: Mihataha, fa aza manakaiky ahy, fa izaho dia masina kokoa noho ianao, ireny dia setroka ao am-bavoroko, afo mirehitra mandritra ny andro.
6. Behold, it is written before me: I will not keep silence, but will recompense, even recompense into their bosom,
6. Voici ce que j`ai résolu par devers moi: Loin de me taire, je leur ferai porter la peine, Oui, je leur ferai porter la peine
6. Indro, izao no voasoratra eo anatrehako: Tsy hangina Aho mandra-pamaliko, eny mandra-pamaliko ho ao an-tratrany,
7. Your iniquities, and the iniquities of your fathers together, saith the LORD, which have burned incense upon the mountains, and blasphemed me upon the hills: therefore will I measure their former work into their bosom.
7. "De vos crimes, dit l`Éternel, et des crimes de vos pères, Qui ont brûlé de l`encens sur les montagnes, Et qui m`ont outragé sur les collines; Je leur mesurerai le salaire de leurs actions passées."
7. "Ny helokareo sy ny heloky ny razanareo miaraka, hoy Jehovah, dia izay olona nandoro ditin-kazo manitra teny an-tendrombohitra sy nanao blasfemia Ahy teny amin' ny havoana; noho izany hamatra ny asany teo aloha ho ao an-tratrany Aho."
8. Thus saith the LORD, As the new wine is found in the cluster, and one saith, Destroy it not; for a blessing is in it: so will I do for my servants' sakes, that I may not destroy them all.
8. Ainsi parle l`Éternel: Quand il se trouve du jus dans une grappe, On dit: Ne la détruis pas, Car il y a là une bénédiction! J`agirai de même, pour l`amour de mes serviteurs, Afin de ne pas tout détruire.
8. Izao no lazain' i Jehovah: Tahaka ny ranom-boaloboka hita ao an-tsampahony ka ataon' ny olona hoe: aza simbana, fa misy fitahiana ao anatiny, dia toy izany no hataoko noho ny amin' ny mpanompoko, ka tsy hanimba azy rehetra Aho.
9. And I will bring forth a seed out of Jacob, and out of Judah an inheritor of my mountains: and mine elect shall inherit it, and my servants shall dwell there.
9. "Je ferai sortir de Jacob une postérité, Et de Juda un héritier de mes montagnes; Mes élus posséderont le pays, Et mes serviteurs y habiteront."
9. "Hahatonga taranaka avy amin' i Jakoba Aho sy mpandova ny tendrombohitro avy amin' i Joda; ary ireo voafidiko no handova azy, eny, ny mpanompoko no honina ao."
10. And Sharon shall be a fold of flocks, and the valley of Achor a place for the herds to lie down in, for my people that have sought me.
10. Le Saron servira de pâturage au menu bétail, Et la vallée d`Acor servira de gîte au gros bétail, Pour mon peuple qui m`aura cherché.
10. Sarôna ho tonga fiandrasana ondry, ary ny lohasaha Akora ho fandrian' omby, ho an' ny oloko izay nitady Ahy.
11. But ye are they that forsake the LORD, that forget my holy mountain, that prepare a table for that troop, and that furnish the drink offering unto that number.
11. Mais vous, qui abandonnez l`Éternel, Qui oubliez ma montagne sainte, Qui dressez une table pour Gad, Et remplissez une coupe pour Meni,
11. Fa ny aminareo izay mahafoy an' i Jehovah sy manadino ny tendrombohitro masina sady mamelatra latabatra ho an' izany tafika izany, sy manome ny fanatitra aidina ho an' izany isa izany,
12. Therefore will I number you to the sword, and ye shall all bow down to the slaughter: because when I called, ye did not answer; when I spake, ye did not hear; but did evil before mine eyes, and did choose that wherein I delighted not.
12. "Je vous destine au glaive, Et vous fléchirez tous le genou pour être égorgés; Car j`ai appelé, et vous n`avez point répondu, J`ai parlé, et vous n`avez point écouté; Mais vous avez fait ce qui est mal à mes yeux, Et vous avez choisi ce qui me déplaît."
12. Dia hisaiko ho voan' ny sabatra ianareo ka hankohofina hovonoina avokoa, satria niantso Aho, fa tsy namaly ianareo, niteny Aho fa tsy nihaino ianareo, fa nanao izay ratsy eo imasoko, ary izay tsy sitrako no nofidinareo.
13. Therefore thus saith the Lord GOD, Behold, my servants shall eat, but ye shall be hungry: behold, my servants shall drink, but ye shall be thirsty: behold, my servants shall rejoice, but ye shall be ashamed:
13. "C`est pourquoi ainsi parle le Seigneur, l`Éternel: Voici, mes serviteurs mangeront, et vous aurez faim; Voici, mes serviteurs boiront, et vous aurez soif; Voici, mes serviteurs se réjouiront, et vous serez confondus;"
13. "Koa izao no lazain' i Jehovah Tompo: Indro, ny mpanompoko hihinana, fa ianareo kosa ho mosarena; indro, ny mpanompoko hisotro, fa ianareo kosa ho main-tenda; indro, ny mpanompoko hifaly, fa ianareo kosa ho menatra;"
14. Behold, my servants shall sing for joy of heart, but ye shall cry for sorrow of heart, and shall howl for vexation of spirit.
14. "Voici, mes serviteurs chanteront dans la joie de leur coeur; Mais vous, vous crierez dans la douleur de votre âme, Et vous vous lamenterez dans l`abattement de votre esprit."
14. Indro, ny mpanompoko hihoby noho ny faharavoam-po, fa ianareo kosa hitoloko noho ny alahelom-po sy hidradradradra noho ny alahelom-panahy.
15. And ye shall leave your name for a curse unto my chosen: for the Lord GOD shall slay thee, and call his servants by another name:
15. "Vous laisserez votre nom en imprécation à mes élus; Le Seigneur, l`Éternel, vous fera mourir, Et il donnera à ses serviteurs un autre nom."
15. "Ary hamela ny anaranareo ho fiozonana amin' ireo voafidiko ianareo, fa hahafaty anao Jehovah Tompo; ary ny mpanompony kosa dia hantsoiny amin' ny anarana hafa."
16. That he who blesseth himself in the earth shall bless himself in the God of truth; and he that sweareth in the earth shall swear by the God of truth; because the former troubles are forgotten, and because they are hid from mine eyes.
16. "Celui qui voudra être béni dans le pays Voudra l`être par le Dieu de vérité, Et celui qui jurera dans le pays Jurera par le Dieu de vérité; Car les anciennes souffrances seront oubliées, Elles seront cachées à mes yeux."
16. "Ka izay miarahaba tena ety ambonin' ny tany dia hiarahaba tena ao amin' Andriamanitry ny fahamarinana, ary izay mianiana ety ambonin' ny tany dia hianiana amin' Andriamanitry ny fahamasinana; satria efa hadino ny fahoriana taloha sady voafina amin' ny masoko izany."

New Heavens and a New Earth

17. For, behold, I create new heavens and a new earth: and the former shall not be remembered, nor come into mind.
17. "Car je vais créer de nouveaux cieux Et une nouvelle terre; On ne se rappellera plus les choses passées, Elles ne reviendront plus à l`esprit."
17. "Fa, indro, mahary lanitra vaovao sy tany vaovao Aho; ka dia tsy hotsarovana ny taloha, na ho mby ao an-tsaina akory aza."
18. But be ye glad and rejoice for ever in that which I create: for, behold, I create Jerusalem a rejoicing, and her people a joy.
18. "Réjouissez-vous plutôt et soyez à toujours dans l`allégresse, A cause de ce que je vais créer; Car je vais créer Jérusalem pour l`allégresse, Et son peuple pour la joie."
18. "Fa mifalia kosa sy miravoravoa mandrakizay, satria mahary izany Aho; fa, indro, mahary an' i Jerosalema ho fifaliana Aho ary ny olony ho firavoravoana."
19. And I will rejoice in Jerusalem, and joy in my people: and the voice of weeping shall be no more heard in her, nor the voice of crying.
19. "Je ferai de Jérusalem mon allégresse, Et de mon peuple ma joie; On n`y entendra plus Le bruit des pleurs et le bruit des cris."
19. "Dia ho faly amin' i Jerosalema Aho sy ho ravoravo amin' ny oloko; ary ny feo mitomany tsy ho re any intsony, na ny feo mitaraina."
20. There shall be no more thence an infant of days, nor an old man that hath not filled his days: for the child shall die an hundred years old; but the sinner being an hundred years old shall be accursed.
20. "Il n`y aura plus ni enfants ni vieillards Qui n`accomplissent leurs jours; Car celui qui mourra à cent ans sera jeune, Et le pécheur âgé de cent ans sera maudit."
20. "Ary tsy hisy zaza bodo na anti-panahy any izay tsy hahafeno ny androny; fa ny zaza tsy ho faty raha tsy efa zato taona, fa ny mpanota na dia efa zato taona aza dia hozonina."
21. And they shall build houses, and inhabit them; and they shall plant vineyards, and eat the fruit of them.
21. "Ils bâtiront des maisons et les habiteront; Ils planteront des vignes et en mangeront le fruit."
21. "Hanao trano ny olona ka hitoetra ao; ary hamboly tanimboaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy."
22. They shall not build, and another inhabit; they shall not plant, and another eat: for as the days of a tree are the days of my people, and mine elect shall long enjoy the work of their hands.
22. "Ils ne bâtiront pas des maisons pour qu`un autre les habite, Ils ne planteront pas des vignes pour qu`un autre en mange le fruit; Car les jours de mon peuple seront comme les jours des arbres, Et mes élus jouiront de l`oeuvre de leurs mains."
22. "Tsy hanao trano hitoeran' olon-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin' ny olon-kafa; fa ho tahaka ny andron' ny hazo ny andron' ny oloko, ary ireo voafidiko dia hanaram-po amin' ny asan' ny tanany."
23. They shall not labour in vain, nor bring forth for trouble; for they are the seed of the blessed of the LORD, and their offspring with them.
23. "Ils ne travailleront pas en vain, Et ils n`auront pas des enfants pour les voir périr; Car ils formeront une race bénie de l`Éternel, Et leurs enfants seront avec eux."
23. "Tsy hisasatra foana izy, na hitera-jaza ho tratry ny fahoriana; fa taranaka notahian' i Jehovah izy mbamin' ny terany koa miaraka aminy."
24. And it shall come to pass, that before they call, I will answer; and while they are yet speaking, I will hear.
24. "Avant qu`ils m`invoquent, je répondrai; Avant qu`ils aient cessé de parler, j`exaucerai."
24. Ary izao no hiseho, raha tsy mbola miantso izy, dia hamaly Aho, ary raha mbola miteny izy, dia hihaino Aho.
25. The wolf and the lamb shall feed together, and the lion shall eat straw like the bullock: and dust shall be the serpent's meat. They shall not hurt nor destroy in all my holy mountain, saith the LORD.
25. Le loup et l`agneau paîtront ensemble, Le lion, comme le boeuf, mangera de la paille, Et le serpent aura la poussière pour nourriture. Il ne se fera ni tort ni dommage Sur toute ma montagne sainte, Dit l`Éternel.
25. "Ny amboadia sy ny zanak' ondry hiara-komana, ary ny liona hihina-mololo tahaka ny omby, ary ny menarana, dia vovoka no ho fihinany; ary tsy handratra na hanimba eran' ny tendrombohitro masina izy, hoy Jehovah."
<
>