Invitation to the Thirsty
1. Ho, every one that thirsteth, come ye to the waters, and he that hath no money; come ye, buy, and eat; yea, come, buy wine and milk without money and without price.
1. Vous tous qui avez soif, venez aux eaux, Même celui qui n`a pas d`argent! Venez, achetez et mangez, Venez, achetez du vin et du lait, sans argent, sans rien payer!
1. He! ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa amin' ny rano, ary ianareo izay tsy manam-bola, avia, mividiana ka homàna! Eny, avia, mividiana divay sy ronono, nefa tsy amim-bola, na amin-karena.
2. Wherefore do ye spend money for that which is not bread? and your labour for that which satisfieth not? hearken diligently unto me, and eat ye that which is good, and let your soul delight itself in fatness.
2. Pourquoi pesez-vous de l`argent pour ce qui ne nourrit pas? Pourquoi travaillez-vous pour ce qui ne rassasie pas? Écoutez-moi donc, et vous mangerez ce qui est bon, Et votre âme se délectera de mets succulents.
2. Nahoana ianareo no mandany vola amin' izay tsy hanina, ary ny vokatry ny fisasaranareo amin' izay tsy mahavoky? Mihainoa dia mihainoa Ahy, ka hano izay tsara, dia aoka hiravoravo amin' ny matavy ny fanahinareo.
3. Incline your ear, and come unto me: hear, and your soul shall live; and I will make an everlasting covenant with you, even the sure mercies of David.
3. Prêtez l`oreille, et venez à moi, Écoutez, et votre âme vivra: Je traiterai avec vous une alliance éternelle, Pour rendre durables mes faveurs envers David.
3. "Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa aty amiko, mihainoa, dia ho velona ny fanahinareo; ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho, dia ny famindrampo azo antoka nampanantenaina an' i Davida."
4. Behold, I have given him for a witness to the people, a leader and commander to the people.
4. Voici, je l`ai établi comme témoin auprès des peuples, Comme chef et dominateur des peuples.
4. Indro, nataoko vavolombelona ho an' ny firenena Izy, ho mpanapaka sy komandy amin' ny firenena.
5. Behold, thou shalt call a nation that thou knowest not, and nations that knew not thee shall run unto thee because of the LORD thy God, and for the Holy One of Israel; for he hath glorified thee.
5. Voici, tu appelleras des nations que tu ne connais pas, Et les nations qui ne te connaissent pas accourront vers toi, A cause de l`Éternel, ton Dieu, Du Saint d`Israël, qui te glorifie.
5. Indro, firenena izay tsy fantatrao no hantsoinao, ary firenena izay tsy nahalala Anao no hihazakazaka ho aminao, noho ny amin' i Jehovah Andriamanitrao sy ny Iray Masin' ny Isiraely, fa nomeny voninahitra Ianao.
6. Seek ye the LORD while he may be found, call ye upon him while he is near:
6. "Cherchez l`Éternel pendant qu`il se trouve; Invoquez-le, tandis qu`il est près."
6. Mitadiava an' i Jehovah, dieny mbola hita Izy, miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy.
7. Let the wicked forsake his way, and the unrighteous man his thoughts: and let him return unto the LORD, and he will have mercy upon him; and to our God, for he will abundantly pardon.
7. "Que le méchant abandonne sa voie, Et l`homme d`iniquité ses pensées; Qu`il retourne à l`Éternel, qui aura pitié de lui, A notre Dieu, qui ne se lasse pas de pardonner."
7. "Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; ary aoka hiverina ho amin' i Jehovah ireny, fa hamindra fo aminy Izy, eny, ho amin' Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy."
8. For my thoughts are not your thoughts, neither are your ways my ways, saith the LORD.
8. Car mes pensées ne sont pas vos pensées, Et vos voies ne sont pas mes voies, Dit l`Éternel.
8. Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo, ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah.
9. For as the heavens are higher than the earth, so are my ways higher than your ways, and my thoughts than your thoughts.
9. Autant les cieux sont élevés au-dessus de la terre, Autant mes voies sont élevées au-dessus de vos voies, Et mes pensées au-dessus de vos pensées.
9. Fa tahaka ny haavon' ny lanitra noho ny tany no haavon' ny lalako noho ny lalanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitratreo.
10. For as the rain cometh down, and the snow from heaven, and returneth not thither, but watereth the earth, and maketh it bring forth and bud, that it may give seed to the sower, and bread to the eater:
10. Comme la pluie et la neige descendent des cieux, Et n`y retournent pas Sans avoir arrosé, fécondé la terre, et fait germer les plantes, Sans avoir donné de la semence au semeur Et du pain à celui qui mange,
10. Fa toy ny ranonorona sy ny oram-panala milatsaka avy any an-danitra ka tsy miverina any, raha tsy efa nahavonto ny tany ka nampitsimoka sy nampahavokatra azy, mba hahatonga voa ho an' ny mpamafy sy hanina ho an' ny mpihinana:
11. So shall my word be that goeth forth out of my mouth: it shall not return unto me void, but it shall accomplish that which I please, and it shall prosper in the thing whereto I sent it.
11. Ainsi en est-il de ma parole, qui sort de ma bouche: Elle ne retourne point à moi sans effet, Sans avoir exécuté ma volonté Et accompli mes desseins.
11. Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako: tsy hiverina amiko foana izany raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary hambinina amin' izay ampandehanako azy.
12. For ye shall go out with joy, and be led forth with peace: the mountains and the hills shall break forth before you into singing, and all the trees of the field shall clap their hands.
12. "Oui, vous sortirez avec joie, Et vous serez conduits en paix; Les montagnes et les collines éclateront d`allégresse devant vous, Et tous les arbres de la campagne battront des mains."
12. "Fa amin' ny fifaliana no hivoahanareo, ary amin' ny fiadanana no hitondrana anareo; ny tendrombohitra sy ny havoana ho velon-kira eo anoloanareo, ary ny hazo rehetra any an-tsaha hiteha-tanana."
13. Instead of the thorn shall come up the fir tree, and instead of the brier shall come up the myrtle tree: and it shall be to the LORD for a name, for an everlasting sign that shall not be cut off.
13. "Au lieu de l`épine s`élèvera le cyprès, Au lieu de la ronce croîtra le myrte; Et ce sera pour l`Éternel une gloire, Un monument perpétuel, impérissable."
13. "Ny hazo kypreso haniry ho solon' ny tsilo, ary ny myrta ho solon' ny sampivato; ary ho anarana ho an' i Jehovah izany, dia ho famantarana mandrakizay izay tsy hoesorina."