The Future Glory of Zion
1. Sing, O barren, thou that didst not bear; break forth into singing, and cry aloud, thou that didst not travail with child: for more are the children of the desolate than the children of the married wife, saith the LORD.
1. Réjouis-toi, stérile, toi qui n`enfantes plus! Fais éclater ton allégresse et ta joie, toi qui n`as plus de douleurs! Car les fils de la délaissée seront plus nombreux Que les fils de celle qui est mariée, dit l`Éternel.
1. "Mihobia, ry momba, ianao izay tsy niteraka, eny, velomy ny hoby, ka manandrata feo, ianao izay tsy mba nihetsi-jaza; fa ny zanaky ny mpitondratena dia maro noho ny zanaky ny manan-bady, hoy Jehovah."
2. Enlarge the place of thy tent, and let them stretch forth the curtains of thine habitations: spare not, lengthen thy cords, and strengthen thy stakes;
2. "Élargis l`espace de ta tente; Qu`on déploie les couvertures de ta demeure: Ne retiens pas! Allonge tes cordages, Et affermis tes pieux!"
2. "Halalaho ny itoeran' ny lainao, ary aoka hohenjanina ny ambain-dainao, ka aza avela hisy hiketrona; halavao ny kofehinao ary aoreno mafy ny tsima-dainao;"
3. For thou shalt break forth on the right hand and on the left; and thy seed shall inherit the Gentiles, and make the desolate cities to be inhabited.
3. "Car tu te répandras à droite et à gauche; Ta postérité envahira des nations, Et peuplera des villes désertes."
3. Fa hitatra any amin' ny ankavanana sy any amin' ny ankavia ianao, ary ny taranakao hahazo ny jentilisa, ka dia hasiany mponina ny tanàna lao.
4. Fear not; for thou shalt not be ashamed: neither be thou confounded; for thou shalt not be put to shame: for thou shalt forget the shame of thy youth, and shalt not remember the reproach of thy widowhood any more.
4. "Ne crains pas, car tu ne seras point confondue; Ne rougis pas, car tu ne seras pas déshonorée; Mais tu oublieras la honte de ta jeunesse, Et tu ne te souviendras plus de l`opprobre de ton veuvage."
4. "Aza matahotra, fa tsy ho menatra ianao; ary aza mangaihay fa tsy havela ho afa-baraka ianao; fa ho hadinonao ny henatry ny fahatanoranao, ary tsy ho tsaroanao intsony ny tondromasonao fony mpitondratena."
5. For thy Maker is thine husband; the LORD of hosts is his name; and thy Redeemer the Holy One of Israel; The God of the whole earth shall he be called.
5. "Car ton créateur est ton époux: L`Éternel des armées est son nom; Et ton rédempteur est le Saint d`Israël: Il se nomme Dieu de toute la terre;"
5. "Fa ny Mpanao anao no Vadinao, Jehovah, Tompon' ny maro, no anarany; ary ny Iray Masin' ny isiraely no Mpanavotra anao, Andriamanitry ny tany rehetra no iantsoana Azy."
6. For the LORD hath called thee as a woman forsaken and grieved in spirit, and a wife of youth, when thou wast refused, saith thy God.
6. Car l`Éternel te rappelle comme une femme délaissée et au coeur attristé, Comme une épouse de la jeunesse qui a été répudiée, dit ton Dieu.
6. Fa Jehovah efa niantso anao izay tahaka ny vady efa nafoy sy ory am-panahy, ary tahaka ny vadin' ny fahatanorana fa efa napetraka, hoy Andriamanitrao.
7. For a small moment have I forsaken thee; but with great mercies will I gather thee.
7. "Quelques instants je t`avais abandonnée, Mais avec une grande affection je t`accueillerai;"
7. "Indray mipì-maso monja no nahafoizako anao; fa amin' ny indrafo lehibe kosa no hampodiako anao."
8. In a little wrath I hid my face from thee for a moment; but with everlasting kindness will I have mercy on thee, saith the LORD thy Redeemer.
8. Dans un instant de colère, je t`avais un moment dérobé ma face, Mais avec un amour éternel j`aurai compassion de toi, Dit ton rédempteur, l`Éternel.
8. Tamin' ny fahatezerana kely no nanafenako ny tavako taminao indray mipì-maso monja fa amin' ny fahatsaram-panahy mandrakizay kosa no hamindrako fo aminao, hoy Jehovah Mpanavotra anao.
9. For this is as the waters of Noah unto me: for as I have sworn that the waters of Noah should no more go over the earth; so have I sworn that I would not be wroth with thee, nor rebuke thee.
9. "Il en sera pour moi comme des eaux de Noé: J`avais juré que les eaux de Noé ne se répandraient plus sur la terre; Je jure de même de ne plus m`irriter contre toi Et de ne plus te menacer."
9. Fa amiko izany dia tahaka ilay ranon' i Noa, ka toy ny nianianako fa tsy hanafotra ny tany intsony ilay ranon' i Noa, dia toy izany no ianianako fa tsy ho tezitra aminao na hiteny mafy anao intsony Aho.
10. For the mountains shall depart, and the hills be removed; but my kindness shall not depart from thee, neither shall the covenant of my peace be removed, saith the LORD that hath mercy on thee.
10. Quand les montagnes s`éloigneraient, Quand les collines chancelleraient, Mon amour ne s`éloignera point de toi, Et mon alliance de paix ne chancellera point, Dit l`Éternel, qui a compassion de toi.
10. Fa na dia hifindra aza ny tendrombohitra, ary na dia hihetsika aza ny havoana, tsy mba hiala aminao ny fahatsaram-panahiko, ary tsy hitsoaka ny faneken' ny fihavanako, hoy Jehovah Mpamindra fo aminao.
11. O thou afflicted, tossed with tempest, and not comforted, behold, I will lay thy stones with fair colours, and lay thy foundations with sapphires.
11. "Malheureuse, battue de la tempête, et que nul ne console! Voici, je garnirai tes pierres d`antimoine, Et je te donnerai des fondements de saphir;"
11. Ianao, ry ory izay afotofoton' ny tafio-drivotra sady tsy manana fampiononana, indro, izaho handatsaka ny vatonao amin' ny antimony sy hanorina ny fanambaninao amin' ny safira,
12. And I will make thy windows of agates, and thy gates of carbuncles, and all thy borders of pleasant stones.
12. Je ferai tes créneaux de rubis, Tes portes d`escarboucles, Et toute ton enceinte de pierres précieuses.
12. Ary hataoko agata ny varavarankelinao, sy karbonkolo ny vavahadinao, ary vatosoa avokoa ny fari-taninao manodidina.
13. And all thy children shall be taught of the LORD; and great shall be the peace of thy children.
13. Tous tes fils seront disciples de l`Éternel, Et grande sera la postérité de tes fils.
13. Ary ny zanakao rehetra dia ho samy efa nampianarin' i Jehovah, ka dia ho be ny fiadanan' ny zanakao.
14. In righteousness shalt thou be established: thou shalt be far from oppression; for thou shalt not fear: and from terror; for it shall not come near thee.
14. "Tu seras affermie par la justice; Bannis l`inquiétude, car tu n`as rien à craindre, Et la frayeur, car elle n`approchera pas de toi."
14. "Amin' ny fahamarinana no hampiorenana anao; ho lavitra ny fampahoriana ianao fa tsy hatahotra, ary ny fampahatahorana fa tsy hanakaiky anao izany."
15. Behold, they shall surely gather together, but not by me: whosoever shall gather together against thee shall fall for thy sake.
15. "Si l`on forme des complots, cela ne viendra pas de moi; Quiconque se liguera contre toi tombera sous ton pouvoir."
15. "Indro, hiara-mioko tokoa izy, nefa tsy avy amiko izany; ary na iza na iza miara-mioko hamely anao dia ho lavo noho ny aminao."
16. Behold, I have created the smith that bloweth the coals in the fire, and that bringeth forth an instrument for his work; and I have created the waster to destroy.
16. "Voici, j`ai créé l`ouvrier qui souffle le charbon au feu, Et qui fabrique une arme par son travail; Mais j`ai créé aussi le destructeur pour la briser."
16. "Indro, Izaho no nahary ny mpanefy izay mifofotra ny afo amin' ny arina ka mahavita fiasàna hanaovany ny asany; ary Izaho koa no nahary ny mpandringana mba handringana."
17. No weapon that is formed against thee shall prosper; and every tongue that shall rise against thee in judgment thou shalt condemn. This is the heritage of the servants of the LORD, and their righteousness is of me, saith the LORD.
17. "Toute arme forgée contre toi sera sans effet; Et toute langue qui s`élèvera en justice contre toi, Tu la condamneras. Tel est l`héritage des serviteurs de l`Éternel, Tel est le salut qui leur viendra de moi, Dit l`Éternel."
17. Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina, ary ny lela rehetra izay hiady aminao eo amin' ny fitsarana dia horesenao lahatra. Izany no lovan' ny mpanompon' i Jehovah sy fahamarinany avy amiko, hoy Jehovah.