A Prophecy Against Babylon

1. The burden of Babylon, which Isaiah the son of Amoz did see.
1. Oracle sur Babylone, révélé à Ésaïe, fils d`Amots.
1. Ny faminaniana ny amin' i Babylona, izay hitan' Isaia, zanak' i Amoza.
2. Lift ye up a banner upon the high mountain, exalt the voice unto them, shake the hand, that they may go into the gates of the nobles.
2. Sur une montagne nue dressez une bannière, Élevez la voix vers eux, Faites des signes avec la main, Et qu`ils franchissent les portes des tyrans!
2. Manangàna faneva eo amin' ny tendrombohitra avo ianareo, manandrata feo hiantso azy, hofay tanana izy hiditra amin' ny vavahadin' ny mendri-kaja.
3. I have commanded my sanctified ones, I have also called my mighty ones for mine anger, even them that rejoice in my highness.
3. J`ai donné des ordres à ma sainte milice, J`ai appelé les héros de ma colère, Ceux qui se réjouissent de ma grandeur.
3. Efa nandidy ny nohamasiniko aho, efa niantso ny lehilahy maheriko koa Aho, dia ireo miravoravo noho ny fahalehibiazako hahatanteraka ny fahatezerako.
4. The noise of a multitude in the mountains, like as of a great people; a tumultuous noise of the kingdoms of nations gathered together: the LORD of hosts mustereth the host of the battle.
4. "On entend une rumeur sur les montagnes, Comme celle d`un peuple nombreux; On entend un tumulte de royaumes, de nations rassemblées: L`Éternel des armées passe en revue l`armée qui va combattre."
4. Injany! ny horakoraka any an-tendrombohitra, tahaka ny an' ny vahoaka be! dia ny fitabataban' ny fanjakan' ny firenena efa tafatambatra! Jehovah, Tompon' ny maro, no manomana miaramila hiady,
5. They come from a far country, from the end of heaven, even the LORD, and the weapons of his indignation, to destroy the whole land.
5. Ils viennent d`un pays lointain, De l`extrémité des cieux: L`Éternel et les instruments de sa colère Vont détruire toute la contrée.
5. Izay avy any amin' ny tany lavitra, any amin' ny faravodilanitra, dia Jehovah sy ireo fitaovan' ny fahatezerany, hoenti-mandrava ny tany rehetra.
6. Howl ye; for the day of the LORD is at hand; it shall come as a destruction from the Almighty.
6. Gémissez, car le jour de l`Éternel est proche: Il vient comme un ravage du Tout Puissant.
6. Midradradradrà ianareo, fa efa antomotra ny andron' i Jehovah, ka tahaka ny loza tsy toha avy amin' ny Tsitoha no fiaviny.
7. Therefore shall all hands be faint, and every man's heart shall melt:
7. C`est pourquoi toutes les mains s`affaiblissent, Et tout coeur d`homme est abattu.
7. "Ary noho izany dia hiraviravy ny tanana rehetra, ary ho kivy ny fon' ny zanak' olombelona rehetra;"
8. And they shall be afraid: pangs and sorrows shall take hold of them; they shall be in pain as a woman that travaileth: they shall be amazed one at another; their faces shall be as flames.
8. "Ils sont frappés d`épouvante; Les spasmes et les douleurs les saisissent; Ils se tordent comme une femme en travail; Ils se regardent les uns les autres avec stupeur; Leurs visages sont enflammés."
8. "Ho toran-kovitra izy; fanaintainana sy fahoriana no hahazo azy, ka hijalijaly tahaka ny vehivavy mihetsi-jaza izy; samy ho talanjona izy ka hifampijery; mitarehin-delafo ny tarehiny."
9. Behold, the day of the LORD cometh, cruel both with wrath and fierce anger, to lay the land desolate: and he shall destroy the sinners thereof out of it.
9. Voici, le jour de l`Éternel arrive, Jour cruel, jour de colère et d`ardente fureur, Qui réduira la terre en solitude, Et en exterminera les pécheurs.
9. Indro, avy ny andron' i Jehovah, dia loza sy fahavinirana ary firehetan' ny fahatezerana, hanafoanana ny tany sy handringanana ny mpanota tsy ho ao.
10. For the stars of heaven and the constellations thereof shall not give their light: the sun shall be darkened in his going forth, and the moon shall not cause her light to shine.
10. Car les étoiles des cieux et leurs astres Ne feront plus briller leur lumière, Le soleil s`obscurcira dès son lever, Et la lune ne fera plus luire sa clarté.
10. "Fa ny kintan' ny lanitra, na dia ireo Telonohorefy aza, dia tsy hampamirapiratra ny fahazavany; ny masoandro ho maizina amin' ny iposahany; ary ny volana tsy hangarangarana."
11. And I will punish the world for their evil, and the wicked for their iniquity; and I will cause the arrogancy of the proud to cease, and will lay low the haughtiness of the terrible.
11. "Je punirai le monde pour sa malice, Et les méchants pour leurs iniquités; Je ferai cesser l`orgueil des hautains, Et j`abattrai l`arrogance des tyrans."
11. "Ary hofaiziko noho ny faharatsiany izao tontolo izao, ary ny ratsy fanahy noho ny helony; ary hatsahatro ny fireharehan' ny mpiavonavona, ary haetriko ny fiavonavonan' ny lozabe."
12. I will make a man more precious than fine gold; even a man than the golden wedge of Ophir.
12. Je rendrai les hommes plus rares que l`or fin, Je les rendrai plus rares que l`or d`Ophir.
12. Dia hataoko ho sarobidy mihoatra noho ny volamena tsara ny olombelona. Eny, noho ny tena volamena avy any Ofira aza.
13. Therefore I will shake the heavens, and the earth shall remove out of her place, in the wrath of the LORD of hosts, and in the day of his fierce anger.
13. C`est pourquoi j`ébranlerai les cieux, Et la terre sera secouée sur sa base, Par la colère de l`Éternel des armées, Au jour de son ardente fureur.
13. Ary noho izany dia hampihorohoroiko ny lanitra, ary ny tany hientanentana hiala amin' ny fitoerany noho ny fahatezeran' i Jehovah, Tompon' ny maro, sy noho ny andro firehetan' ny fahatezerany.
14. And it shall be as the chased roe, and as a sheep that no man taketh up: they shall every man turn to his own people, and flee every one into his own land.
14. "Alors, comme une gazelle effarouchée, Comme un troupeau sans berger, Chacun se tournera vers son peuple, Chacun fuira vers son pays;"
14. Ary ho tahaka ny gazela hazaina ny olona sy ho tahaka ny ondry tsy misy mamory, ka dia samy ho lasa any amin' ny fireneny avy izy, ary samy handositra ho any amin' ny taniny avy.
15. Every one that is found shall be thrust through; and every one that is joined unto them shall fall by the sword.
15. Tous ceux qu`on trouvera seront percés, Et tous ceux qu`on saisira tomberont par l`épée.
15. Izay rehetra azo dia holefonina, ary izay rehetra tratra dia ho lavon' ny sabatra.
16. Their children also shall be dashed to pieces before their eyes; their houses shall be spoiled, and their wives ravished.
16. Leurs enfants seront écrasés sous leurs yeux, Leurs maisons seront pillées, et leurs femmes violées.
16. "Ary ny zanany madinika koa hotorotoroina eo imasony; ny tranony hobaboina, ary ny vadiny hosavihina."
17. Behold, I will stir up the Medes against them, which shall not regard silver; and as for gold, they shall not delight in it.
17. Voici, j`excite contre eux les Mèdes, Qui ne font point cas de l`argent, Et qui ne convoitent point l`or.
17. Indro, hampirisihiko hamely azy ny Mediana, izay manao ny volafotsy tsy ho zavatra ary tsy mankamamy ny volamena.
18. Their bows also shall dash the young men to pieces; and they shall have no pity on the fruit of the womb; their eye shall not spare children.
18. De leurs arcs ils abattront les jeunes gens, Et ils seront sans pitié pour le fruit des entrailles: Leur oeil n`épargnera point les enfants.
18. Ny tsipìkany koa handripaka ny zatovo, ary izay ateraky ny kibo tsy hamindrany fo, eny, na dia ny zaza aza tsy hiantran' ny masony.
19. And Babylon, the glory of kingdoms, the beauty of the Chaldees' excellency, shall be as when God overthrew Sodom and Gomorrah.
19. Et Babylone, l`ornement des royaumes, La fière parure des Chaldéens, Sera comme Sodome et Gomorrhe, que Dieu détruisit.
19. Ary Babylona, ravaky ny fanjakana maro, tabiha sy reharehan' ny Kaldeana, dia ho rava tahaka ny nandravan' Andriamanitra an' i Sodoma sy Gomora:
20. It shall never be inhabited, neither shall it be dwelt in from generation to generation: neither shall the Arabian pitch tent there; neither shall the shepherds make their fold there.
20. "Elle ne sera plus jamais habitée, Elle ne sera plus jamais peuplée; L`Arabe n`y dressera point sa tente, Et les bergers n`y parqueront point leurs troupeaux."
20. "Tsy honenana mandrakizay izy, ary tsy hitoerana intsony hatramin' ny taranaka fara mandimby; tsy hisy Arabo hanorin-day any, na mpiandry ondry hampandry ny ondriny any;"
21. But wild beasts of the desert shall lie there; and their houses shall be full of doleful creatures; and owls shall dwell there, and satyrs shall dance there.
21. Les animaux du désert y prendront leur gîte, Les hiboux rempliront ses maisons, Les autruches en feront leur demeure Et les boucs y sauteront.
21. "Fa ny biby dia any an' efitra no hitoetra any; ary ny tranony ho feno zava-manan' aina mampalahelo; ny vorondolo hitoetra any; ary ny osilahy no hitsambikimbikina any."
22. And the wild beasts of the islands shall cry in their desolate houses, and dragons in their pleasant palaces: and her time is near to come, and her days shall not be prolonged.
22. Les chacals hurleront dans ses palais, Et les chiens sauvages dans ses maisons de plaisance. Son temps est près d`arriver, Et ses jours ne se prolongeront pas.
22. "Ny biby dian' ny nosy no hifampierona ao amin' ny tranony lao, ary ny dragona ao amin' ny lapany mahafinaritra; ary efa antomotra ny fotoany, ary ny androny tsy hohalavaina."
<
>