1. Let brotherly love continue.
1. Persévérez dans l`amour fraternel.
1. Aoka haharitra ny fitiavana ny rahalahy.
2. Be not forgetful to entertain strangers: for thereby some have entertained angels unawares.
2. "N`oubliez pas l`hospitalité; car, en l`exerçant, quelques-uns ont logé des anges, sans le savoir."
2. "Aza manadino ny fampiantranoam-bahiny; fa tamin’izany dia nampiantrano anjely ny sasany nefa tsy fantany;"
3. Remember them that are in bonds, as bound with them; and them which suffer adversity, as being yourselves also in the body.
3. "Souvenez-vous des prisonniers, comme si vous étiez aussi prisonniers; de ceux qui sont maltraités, comme étant aussi vous-mêmes dans un corps."
3. Tsarovy izay mifatotra, ho toy ny miara-mifatotra aminy ianareo, ary izay ampahoriana, satria mbola eo amin’ny tena koa ianareo.
4. Marriage is honourable in all, and the bed undefiled: but whoremongers and adulterers God will judge.
4. Que le mariage soit honoré de tous, et le lit conjugal exempt de souillure, car Dieu jugera les impudiques et les adultères.
4. "Manana haja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana sy ny fandriana tsy voaloto; fa ny mpivarotena sy ny mpaka vadin’olona dia hotsarain’Andriamanitra."
5. Let your conversation be without covetousness; and be content with such things as ye have: for he hath said, I will never leave thee, nor forsake thee.
5. "Ne vous livrez pas à l`amour de l`argent; contentez-vous de ce que vous avez; car Dieu lui-même a dit: Je ne te délaisserai point, et je ne t`abandonnerai point."
5. "Aoka ny fitondrantenanareo tsy ho amin' ny fitiavam-bola, fa mianìna amin’izay anananareo; fa hoy Izy: “Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory.”"
6. So that we may boldly say, The Lord is my helper, and I will not fear what man shall do unto me.
6. "C`est donc avec assurance que nous pouvons dire: Le Seigneur est mon aide, je ne craindrai rien; Que peut me faire un homme?"
6. Ka dia sahy isika manao hoe: Jehovah no Mpamonjy ahy, ka tsy hatahotra izay hataon' ny olona amiko aho.
7. Remember them which have the rule over you, who have spoken unto you the word of God: whose faith follow, considering the end of their conversation.
7. "Souvenez-vous de vos conducteurs qui vous ont annoncé la parole de Dieu; considérez quelle a été la fin de leur vie, et imitez leur foi."
7. "Tsarovy ny mpitondra anareo, izay efa nitory ny tenin’Andriamanitra taminareo; hevero ny niafaran’ny fiainany, ka araho ny finoany."
8. Jesus Christ the same yesterday, and to day, and for ever.
8. Jésus Christ est le même hier, aujourd`hui, et éternellement.
8. Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.
9. Be not carried about with divers and strange doctrines. For it is a good thing that the heart be established with grace; not with meats, which have not profited them that have been occupied therein.
9. "Ne vous laissez pas entraîner par des doctrines diverses et étrangères; car il est bon que le coeur soit affermi par la grâce, et non par des aliments qui n`ont servi de rien à ceux qui s`y sont attachés."
9. Aza mety havilin’izay foto-pampianarana maro hafahafa ianareo. Fa tsara raha ampiorenina amin’ny fahasoavana ny fo, fa tsy amin’ny hanina, izay tsy mahasoa ny mahavatra azy.
10. We have an altar, whereof they have no right to eat which serve the tabernacle.
10. Nous avons un autel dont ceux qui font le service au tabernacle n`ont pas le pouvoir de manger.
10. Manana alitara isika, izay tsy ananan’ny mpanompo ny tabernakely fahefana hihinanana.
11. For the bodies of those beasts, whose blood is brought into the sanctuary by the high priest for sin, are burned without the camp.
11. Le corps des animaux, dont le sang est porté dans le sanctuaire par le souverain sacrificateur pour le péché, sont brûlés hors du camp.
11. Fa rehefa nentin’ny mpisoronabe niditra ho ao amin’ny fitoerana masina ho fanatitra noho ny ota ny ran’ny biby, dia nodorana teny ivelan’ny toby ny fatiny.
12. Wherefore Jesus also, that he might sanctify the people with his own blood, suffered without the gate.
12. C`est pour cela que Jésus aussi, afin de sanctifier le peuple par son propre sang, a souffert hors de la porte.
12. Ary amin’izany Jesosy koa dia niaritra teny ivelan’ny vavahady mba hahamasina ny olona amin’ny rany.
13. Let us go forth therefore unto him without the camp, bearing his reproach.
13. Sortons donc pour aller à lui, hors du camp, en portant son opprobre.
13. Koa aoka isika hivoaka hankeo aminy eo ivelan’ny toby, mitondra ny latsa izay nentiny.
14. For here have we no continuing city, but we seek one to come.
14. Car nous n`avons point ici-bas de cité permanente, mais nous cherchons celle qui est à venir.
14. Fa ety isika tsy manana tanàna maharitra, fa mitady ny ho avy.
15. By him therefore let us offer the sacrifice of praise to God continually, that is, the fruit of our lips giving thanks to his name.
15. Par lui, offrons sans cesse à Dieu un sacrifice de louange, c`est-a-dire le fruit de lèvres qui confessent son nom.
15. Koa aoka isika hanatitra ny fanati-piderana amin’ny alalany ho an’Andriamanitra mandrakariva, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany.
16. But to do good and to communicate forget not: for with such sacrifices God is well pleased.
16. Et n`oubliez pas la bienfaisance et la libéralité, car c`est à de tels sacrifices que Dieu prend plaisir.
16. "Fa aza manadino hanao soa sy hizara; fa fanatitra toy izany no sitrak’Andriamanitra."
17. Obey them that have the rule over you, and submit yourselves: for they watch for your souls, as they that must give account, that they may do it with joy, and not with grief: for that is unprofitable for you.
17. "Obéissez à vos conducteurs et ayez pour eux de la déférence, car ils veillent sur vos âmes comme devant en rendre compte; qu`il en soit ainsi, afin qu`ils le fassent avec joie, et non en gémissant, ce qui vous ne serait d`aucun avantage."
17. "Mankatoava ny mpitondra anareo, ka maneke azy; fa miambina ny fanahinareo izy araka izay tokony hataon’ny olona mbola hampamoahina, mba hanaovany izany amin’ny fifaliana, fa tsy amin’ny fisentoana; fa tsy hahasoa anareo izany."
18. Pray for us: for we trust we have a good conscience, in all things willing to live honestly.
18. "Priez pour nous; car nous croyons avoir une bonne conscience, voulant en toutes choses nous bien conduire."
18. Mivavaha ho anay: fa matoky izahay fa manana fieritreretana tsara ka te-hitondra tena tsara amin’ny zavatra rehetra.
19. But I beseech you the rather to do this, that I may be restored to you the sooner.
19. C`est avec instance que je vous demande de le faire, afin que je vous sois rendu plus tôt.
19. Nefa mainka miangavy anareo hanao izany aho, mba hampodina faingampaingana kokoa ho aminareo.
20. Now the God of peace, that brought again from the dead our Lord Jesus, that great shepherd of the sheep, through the blood of the everlasting covenant,
20. Que le Dieu de paix, qui a ramené d`entre les morts le grand pasteur des brebis, par le sang d`une alliance éternelle, notre Seigneur Jésus,
20. Ary Andriamanitry ny fiadanana, Izay nitondra niala amin' ny maty an' i Jesosy Tompontsika,Ilay Mpiandry ondry lehibe amin’ny ran’ny fanekena mandrakizay,
21. Make you perfect in every good work to do his will, working in you that which is wellpleasing in his sight, through Jesus Christ; to whom be glory for ever and ever. Amen.
21. vous rende capables de toute bonne oeuvre pour l`accomplissement de sa volonté, et fasse en vous ce qui lui est agréable, par Jésus Christ, auquel soit la gloire aux siècles des siècles! Amen!
21. "Izy anie hahatanteraka anareo amin’ny asa tsara rehetra hanao ny sitrapony ka hiasa ao anatinareo izay ankasitrahana eo imasony amin’ny alalan' i Jesosy Kristy; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena."
22. And I beseech you, brethren, suffer the word of exhortation: for I have written a letter unto you in few words.
22. Je vous prie, frères, de supporter ces paroles d`exhortation, car je vous ai écrit brièvement.
22. "Ary miangavy anareo aho, ry rahalahiko, zakao ny teny fananarana; fa efa nanoratra epistily fohifohy ihany ho anareo aho."
23. Know ye that our brother Timothy is set at liberty; with whom, if he come shortly, I will see you.
23. "Sachez que notre frère Timothée a été relâché; s`il vient bientôt, j`irai vous voir avec lui."
23. "Aoka ho fantatrareo fa efa afaka Timoty rahalahintsika; koa raha tàhiny handeha faingana izy, dia hiaraka aminy hamangy anareo aho."
24. Salute all them that have the rule over you, and all the saints. They of Italy salute you.
24. Saluez tous vos conducteurs, et tous les saints. Ceux d`Italie vous saluent.
24. Manaova veloma izay rehetra mpitondra anareo sy ny olona masina rehetra. Izay avy any Italia dia manao veloma anareo.
25. Grace be with you all. Amen.
25. Que la grâce soit avec vous tous! Amen!
25. Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana. Amena. (Nosoratan’i Timoty tany Italia ho an’ny Hebreo).