1. James, a servant of God and of the Lord Jesus Christ, to the twelve tribes which are scattered abroad, greeting.
1. Jacques, serviteur de Dieu et du Seigneur Jésus Christ, aux douze tribus qui sont dans la dispersion, salut!
1. Jakoba, mpanompon’Andriamanitra sy Jesosy Kristy Tompo, mamangy ny foko roa ambin’ny folo monina any am-pielezana.
2. My brethren, count it all joy when ye fall into divers temptations;
2. Mes frères, regardez comme un sujet de joie complète les diverses épreuves auxquelles vous pouvez être exposés,
2. Ry rahalahiko, ataovy ho fifaliana avokoa, raha iharan' ny fakam-panahy samihafa ianareo,
3. Knowing this, that the trying of your faith worketh patience.
3. sachant que l`épreuve de votre foi produit la patience.
3. Satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.
4. But let patience have her perfect work, that ye may be perfect and entire, wanting nothing.
4. Mais il faut que la patience accomplisse parfaitement son oeuvre, afin que vous soyez parfaits et accomplis, sans faillir en rien.
4. Fa aoka ny faharetana hisy asa tanteraka, mba ho tanteraka sy feno ianareo, ka tsy hisy tsy ampy na inona na inona.
5. If any of you lack wisdom, let him ask of God, that giveth to all men liberally, and upbraideth not; and it shall be given him.
5. Si quelqu`un d`entre vous manque de sagesse, qu`il l`a demande à Dieu, qui donne à tous simplement et sans reproche, et elle lui sera donnée.
5. Raha misy ianareo tsy ampy fahendrena, aoka izy hangataka amin’Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an' ny olona rehetra sady tsy mandatsa, ary dia homena azy izany.
6. But let him ask in faith, nothing wavering. For he that wavereth is like a wave of the sea driven with the wind and tossed.
6. "Mais qu`il l`a demande avec foi, sans douter; car celui qui doute est semblable au flot de la mer, agité par le vent et poussé de côté et d`autre."
6. Nefa aoka hangataka amin’ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory, fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin’ny rivotra ka atopatopany.
7. For let not that man think that he shall receive any thing of the Lord.
7. Qu`un tel homme ne s`imagine pas qu`il recevra quelque chose du Seigneur:
7. Fa aoka tsy hanampo handray zavatra amin’ny Tompo izany olona izany:
8. A double minded man is unstable in all his ways.
8. c`est un homme irrésolu, inconstant dans toutes ses voies.
8. "Ny olona miroaroa saina dia miovaova amin’ny alehany rehetra;"
9. Let the brother of low degree rejoice in that he is exalted:
9. Que le frère de condition humble se glorifie de son élévation.
9. "Aoka ny rahalahy izay ambany hanao ny fisandratany ho reharehany;"
10. But the rich, in that he is made low: because as the flower of the grass he shall pass away.
10. "Que le riche, au contraire, se glorifie de son humiliation; car il passera comme la fleur de l`herbe."
10. Fa ny manan-karena kosa ny fietreny, satria ho levona tahaka ny vonin’ny ahitra izy.
11. For the sun is no sooner risen with a burning heat, but it withereth the grass, and the flower thereof falleth, and the grace of the fashion of it perisheth: so also shall the rich man fade away in his ways.
11. Le soleil s`est levé avec sa chaleur ardente, il a desséché l`herbe, sa fleur est tombée, et la beauté de son aspect a disparu: ainsi le riche se flétrira dans ses entreprises.
11. "Fa miposaka ny masoandro mbamin’ny hainandro mahamay, dia mampahalazo ny ahitra ka mihintsana ny voniny, ary levona ny hatsaran-tarehiny; dia toy izany koa ny ho fahalazon’ny mpanankarena amin’ny alehany."
12. Blessed is the man that endureth temptation: for when he is tried, he shall receive the crown of life, which the Lord hath promised to them that love him.
12. "Heureux l`homme qui supporte patiemment la tentation; car, après avoir été éprouvé, il recevra la couronne de vie, que le Seigneur a promise à ceux qui l`aiment."
12. "Sambatra izay olona maharitra fakampanahy; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satroboninahitry ny fiainana, izay nampanantenain’ny Tompo homena izay tia Azy."
13. Let no man say when he is tempted, I am tempted of God: for God cannot be tempted with evil, neither tempteth he any man:
13. Que personne, lorsqu`il est tenté, ne dise: C`est Dieu qui me tente. Car Dieu ne peut être tenté par le mal, et il ne tente lui-même personne.
13. "Raha misy alaim-panahy, aoka izy tsy hanao hoe: Andriamanitra no maka fanahy ahy; fa Andriamanitra tsy azon’ny ratsy alaim-panahy, sady tsy mba maka fanahy olona Izy;"
14. But every man is tempted, when he is drawn away of his own lust, and enticed.
14. Mais chacun est tenté quand il est attiré et amorcé par sa propre convoitise.
14. "Fa samy alaim-panahy ny olona, raha tarihin’ny filàny sy angoleny izy;"
15. Then when lust hath conceived, it bringeth forth sin: and sin, when it is finished, bringeth forth death.
15. "Puis la convoitise, lorsqu`elle a conçu, enfante le péché; et le péché, étant consommé, produit la mort."
15. "Koa ny filàna, rehefa torontoronina, dia miteraka ota; ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana."
16. Do not err, my beloved brethren.
16. Nous vous y trompez pas, mes frères bien-aimés:
16. Aza manao fahadisoana, ry rahalahy malalako.
17. Every good gift and every perfect gift is from above, and cometh down from the Father of lights, with whom is no variableness, neither shadow of turning.
17. toute grâce excellente et tout don parfait descendent d`en haut, du Père des lumières, chez lequel il n`y a ni changement ni ombre de variation.
17. Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony ka midina avy amin’ny Rain’ny fanazavana, Izay tsy misy fiovaovana na aloky ny fihodinana.
18. Of his own will begat he us with the word of truth, that we should be a kind of firstfruits of his creatures.
18. Il nous a engendrés selon sa volonté, par la parole de vérité, afin que nous soyons en quelque sorte les prémices de ses créatures.
18. Tamin’ny sitrapony no niterahany antsika tamin’ny teny fahamarinana, mba ho santatry ny zavatra noforoniny isika.
19. Wherefore, my beloved brethren, let every man be swift to hear, slow to speak, slow to wrath:
19. "Sachez-le, mes frères bien-aimés. Ainsi, que tout homme soit prompt à écouter, lent à parler, lent à se mettre en colère;"
19. "Noho izany, ry rahalahy malalako, aoka ny olona rehetra halady hihaino, ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra;"
20. For the wrath of man worketh not the righteousness of God.
20. car la colère de l`homme n`accomplit pas la justice de Dieu.
20. Fa ny fahatezeran' ny olona tsy ahefana izay marina eo imason’Andriamanitra.
21. Wherefore lay apart all filthiness and superfluity of naughtiness, and receive with meekness the engrafted word, which is able to save your souls.
21. C`est pourquoi, rejetant toute souillure et tout excès de malice, recevez avec douceur la parole qui a été planté en vous, et qui peut sauver vos âmes.
21. Koa ario ny fahalotoana rehetra sy ny ditra mihoapampana, ary ekeo amin’ny fahalemem-panahy ny teny nambolena, izay mahavonjy ny fanahinareo.
22. But be ye doers of the word, and not hearers only, deceiving your own selves.
22. Mettez en pratique la parole, et ne vous bornez pas à l`écouter, en vous trompant vous-mêmes par de faux raisonnements.
22. Fa aoka ho mpanatanteraka ny teny ianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo.
23. For if any be a hearer of the word, and not a doer, he is like unto a man beholding his natural face in a glass:
23. Car, si quelqu`un écoute la parole et ne la met pas en pratique, il est semblable à un homme qui regarde dans un miroir son visage naturel,
23. "Fa raha misy mpihaino ny teny, nefa tsy mpanatanteraka, dia toy ny olona mizaha ny tarehiny eo amin’ny fitaratra izy;"
24. For he beholdeth himself, and goeth his way, and straightway forgetteth what manner of man he was.
24. et qui, après s`être regardé, s`en va, et oublie aussitôt quel il était.
24. Fa mijery ny tenany izy, dia lasa, ary miaraka amin’izay dia hadinony ny tarehiny.
25. But whoso looketh into the perfect law of liberty, and continueth therein, he being not a forgetful hearer, but a doer of the work, this man shall be blessed in his deed.
25. Mais celui qui aura plongé les regards dans la loi parfaite, la loi de la liberté, et qui aura persévéré, n`étant pas un auditeur oublieux, mais se mettant à l`oeuvre, celui-là sera heureux dans son activité.
25. Fa izay mandinika ny lalàna tanteraka dia ny lalàn’ny fahafahana, ka maharitra amin’izany, raha tsy mpihaino mpanadino, fa mpanao ny asa, dia ho sambatra amin’ny asany izany olona izany.
26. If any man among you seem to be religious, and bridleth not his tongue, but deceiveth his own heart, this man's religion is vain.
26. Si quelqu`un croit être religieux, sans tenir sa langue en bride, mais en trompant son coeur, la religion de cet homme est vaine.
26. Raha misy manao azy ho mpivavaka, nefa tsy mamehy ny vavany, fa mamitaka ny fony, dia zava-poana ny fivavahan’izany olona izany.
27. Pure religion and undefiled before God and the Father is this, To visit the fatherless and widows in their affliction, and to keep himself unspotted from the world.
27. La religion pure et sans tache, devant Dieu notre Père, consiste à visiter les orphelins et les veuves dans leurs afflictions, et à se préserver des souillures du monde.
27. Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan’Andriamanitra sady Ray: ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany, sy ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao.
<
>