Habakkuk's Prayer
1. A prayer of Habakkuk the prophet upon Shigionoth.
1. Prière d`Habakuk, le prophète. (Sur le mode des complaintes.)
1. Ny fivavak' i Habakoka mpaminany. Araka ny Sigionota.
2. O LORD, I have heard thy speech, and was afraid: O LORD, revive thy work in the midst of the years, in the midst of the years make known; in wrath remember mercy.
2. Éternel, j`ai entendu ce que tu as annoncé, je suis saisi de crainte. Accomplis ton oeuvre dans le cours des années, ô Éternel! Dans le cours des années manifeste-la! Mais dans ta colère souviens-toi de tes compassions!
2. "Jehovah ô, efa reko ny teninao, ka raiki-tahotra aho, Jehovah ô, velomy ny asanao eo an-tenatenan' ny taona, ataovy fantatra ao an-tenatenan' ny taona izany; ao amin' ny fahatezeranao dia tsarovy ny indrafo."
3. God came from Teman, and the Holy One from mount Paran. Selah. His glory covered the heavens, and the earth was full of his praise.
3. Dieu vient de Théman, Le Saint vient de la montagne de Paran... Pause. Sa majesté couvre les cieux, Et sa gloire remplit la terre.
3. Tamy avy any Temana Andriamanitra, ny Iray Masina avy any an-tendrombohitra Parana. [Sela.] Manarona ny lanitra ny voninahiny, ary manenika ny tany ny fiderana Azy.
4. And his brightness was as the light; he had horns coming out of his hand: and there was the hiding of his power.
4. "C`est comme l`éclat de la lumière; Des rayons partent de sa main; Là réside sa force."
4. "Ary ny famirapiratany dia toy ny fahazavana; misy tandroka mivoaka avy amin' ny tanany; ary ao no fieren' ny heriny."
5. Before him went the pestilence, and burning coals went forth at his feet.
5. Devant lui marche la peste, Et la peste est sur ses traces.
5. Eo alohany no andehanan' ny areti-mandringana, ary arina mirehitra no mivoaka avy eo an-tongony.
6. He stood, and measured the earth: he beheld, and drove asunder the nations; and the everlasting mountains were scattered, the perpetual hills did bow: his ways are everlasting.
6. "Il s`arrête, et de l`oeil il mesure la terre; Il regarde, et il fait trembler les nations; Les montagnes éternelles se brisent, Les collines antiques s`abaissent; Les sentiers d`autrefois s`ouvrent devant lui."
6. "Nijanona Izy ka nandrefy ny tany; mijery Izy ka nampangovitra ny firenena, ary torotoro ny tendrombohitra mandrakizay, nietry ny havoana fahagola; ny lalany dia mandrakizay."
7. I saw the tents of Cushan in affliction: and the curtains of the land of Midian did tremble.
7. Je vois dans la détresse les tentes de l`Éthiopie, Et les tentes du pays de Madian sont dans l`épouvante.
7. Nahita ny lain' i Kosana azom-pahoriana aho, sady nipararetra ny ambain-dain' ny tany Midiana.
8. Was the LORD displeased against the rivers? was thine anger against the rivers? was thy wrath against the sea, that thou didst ride upon thine horses and thy chariots of salvation?
8. L`Éternel est-il irrité contre les fleuves? Est-ce contre les fleuves que s`enflamme ta colère, Contre la mer que se répand ta fureur, Pour que tu sois monté sur tes chevaux, Sur ton char de victoire?
8. Moa amin' ny ony va no irehetan' ny fahatezeran' i Jehovah? Amin' ny ony va no ahatezeranao, na amin' ny ranomasina va no ahasosoranao, no dia mitaingina ny soavalinao sy ny kalesim-pamonjenao Ianao?
9. Thy bow was made quite naked, according to the oaths of the tribes, even thy word. Selah. Thou didst cleave the earth with rivers.
9. "Ton arc est mis à nu; Les malédictions sont les traits de ta parole... Pause. Tu fends la terre pour donner cours aux fleuves."
9. Nalan-tsarona ny tsipìkanao, araka ny fianianan' ny firenena dia ny teninao. [Sela.] Namakivaky ny tany Ianao mba hisy ony.
10. The mountains saw thee, and they trembled: the overflowing of the water passed by: the deep uttered his voice, and lifted up his hands on high.
10. "A ton aspect, les montagnes tremblent; Des torrents d`eau se précipitent; L`abîme fait entendre sa voix, Il lève ses mains en haut."
10. "Nahita Anao ny tendrombohitra ka toran-kovitra; nandalo ny fihoaran' ny rano tondraka; namoa-peo ny lalina sady nananga-tanana ho amin' ny avo."
11. The sun and moon stood still in their habitation: at the light of thine arrows they went, and at the shining of thy glittering spear.
11. Le soleil et la lune s`arrêtent dans leur demeure, A la lumière de tes flèches qui partent, A la clarté de ta lance qui brille.
11. "Nijanona teo amin' ny fitoerany ny masoandro sy ny volana; noho ny fahazavan' ny zana-tsipìkanao sy ny fanelatselatry ny lefonao mamirapiratra no nandehanany."
12. Thou didst march through the land in indignation, thou didst thresh the heathen in anger.
12. Tu parcours la terre dans ta fureur, Tu écrases les nations dans ta colère.
12. "Amin' ny fahatezeranao no anitsahanao ny tany; amin' ny fahaviniranao no anosihosenao ny jentilisa."
13. Thou wentest forth for the salvation of thy people, even for salvation with thine anointed; thou woundedst the head out of the house of the wicked, by discovering the foundation unto the neck. Selah.
13. "Tu sors pour délivrer ton peuple, Pour délivrer ton oint; Tu brises le faîte de la maison du méchant, Tu la détruis de fond en comble. Pause."
13. Nivoaka ho amin' ny famonjena ny olonao Ianao, dia famonjena amin' ny alalan' ny voahosotrao, torotoroinao ny tapenaky ny tranon' ny ratsy fanahy, ka ahariharinao ny fanorenana hatrany an-katoka. [Sela.]
14. Thou didst strike through with his staves the head of his villages: they came out as a whirlwind to scatter me: their rejoicing was as to devour the poor secretly.
14. Tu perces de tes traits la tête de ses chefs, Qui se précipitent comme la tempête pour me disperser, Poussant des cris de joie, Comme s`ils dévoraient déjà le malheureux dans leur repaire.
14. "Ny tehiny ihany no anaboroahanao ny lehiben' ny tanànany; avy toy ny tadio hamely ahy izy; toa ny mifaly handany mangingina ny ory izy."
15. Thou didst walk through the sea with thine horses, through the heap of great waters.
15. Avec tes chevaux tu foules la mer, La boue des grandes eaux.
15. Nitety ny ranomasina amin' ny soavalinao Ianao, dia eny amin' ny rano be miavovona.
16. When I heard, my belly trembled; my lips quivered at the voice: rottenness entered into my bones, and I trembled in myself, that I might rest in the day of trouble: when he cometh up unto the people, he will invade them with his troops.
16. J`ai entendu... Et mes entrailles sont émues. A cette voix, mes lèvres frémissent, Mes os se consument, Et mes genoux chancellent: En silence je dois attendre le jour de la détresse, Le jour où l`oppresseur marchera contre le peuple.
16. "Nony nandre aho, dia nandevilevy ny kiboko, ny molotro nipararetra noho ny feo; azon' ny fahalovana ny taolako ka nangovitra tato anatiko mba hitsaharako amin' ny andro fahoriana; rehefa hiakatra ho amin' ny olona izy, dia hanenika ireo amin' ny andiany maro."
17. Although the fig tree shall not blossom, neither shall fruit be in the vines; the labour of the olive shall fail, and the fields shall yield no meat; the flock shall be cut off from the fold, and there shall be no herd in the stalls:
17. "Car le figuier ne fleurira pas, La vigne ne produira rien, Le fruit de l`olivier manquera, Les champs ne donneront pas de nourriture; Les brebis disparaîtront du pâturage, Et il n`y aura plus de boeufs dans les étables."
17. Fa na dia tsy hamontsina aza ny hazo aviavy, ary tsy hisy voany ny voaloboka, na dia handiso fanantenana aza ny oliva, ary tsy hahavokatra hohanina ny saha, na dia hoesorina tsy ho ao am-bala aza ny andiam-biby fiompy, ary tsy hisy omby ao am-pahitra:
18. Yet I will rejoice in the LORD, I will joy in the God of my salvation.
18. Toutefois, je veux me réjouir en l`Éternel, Je veux me réjouir dans le Dieu de mon salut.
18. Dia mbola hifaly amin' i Jehovah ihany aho, sy hiravoravo amin' Andriamanitry ny famonjena ahy.
19. The LORD God is my strength, and he will make my feet like hinds' feet, and he will make me to walk upon mine high places. To the chief singer on my stringed instruments.
19. "L`Éternel, le Seigneur, est ma force; Il rend mes pieds semblables à ceux des biches, Et il me fait marcher sur mes lieux élevés. Au chefs des chantres. Avec instruments à cordes."
19. Jehovah Tompo no tanjako, ary hanao ny tongotro ho toy ny an' ny dieravavy Izy ka hampandeha ahy ho amin' ny fitoerako avo. Ho an' ny mpiventy hira ampiarahina amin' ny valiham-bazaha.