1. The word of the LORD which came unto Zephaniah the son of Cushi, the son of Gedaliah, the son of Amariah, the son of Hizkiah, in the days of Josiah the son of Amon, king of Judah.
1. La parole de l`Éternel qui fut adressée à Sophonie, fils de Cuschi, fils de Guedalia, fils d`Amaria, fils d`Ézéchias, au temps de Josias, fils d`Amon, roi de Juda.
1. Ny tenin' i Jehovah, izay tonga tamin' i Zefania, zanak' i Kosy, zanak' i Gedalia, zanak' i Amaria, zanak' i Hezekia, tamin' ny andro nanjakan' i Josia, zanak' i Amona, mpanjakan' ny Joda.

Warning of Coming Destruction

2. I will utterly consume all things from off the land, saith the LORD.
2. Je détruirai tout sur la face de la terre, Dit l`Éternel.
2. "Holevoniko tokoa ny zavatra rehetra tsy ho amin' ny tany, hoy Jehovah;"
3. I will consume man and beast; I will consume the fowls of the heaven, and the fishes of the sea, and the stumbling blocks with the wicked: and I will cut off man from off the land, saith the LORD.
3. "Je détruirai les hommes et les bêtes, Les oiseaux du ciel et les poissons de la mer, Les objets de scandale, et les méchants avec eux; J`exterminerai les hommes de la face de la terre, Dit l`Éternel."
3. "Haringako ny olona sy ny biby, hoy Jehovah. Haringako ny voro-manidina eny amin' ny habakabaka sy ny hazandrano eny an-dranomasina sy ny zavatra mahatafintohina mbamin' ny ratsy fanahy; ary haringako tsy ho amin' ny tany ny olona, hoy Jehovah."
4. I will also stretch out mine hand upon Judah, and upon all the inhabitants of Jerusalem; and I will cut off the remnant of Baal from this place, and the name of the Chemarims with the priests;
4. "J`étendrai ma main sur Juda, Et sur tous les habitants de Jérusalem; J`exterminerai de ce lieu les restes de Baal, Le nom de ses ministres et les prêtres avec eux,"
4. "Hahinjitro koa ny tanako hamely ny Joda sy ny mponina rehetra any Jerosalema; dia haringako tsy ho amin' ity tany ity ny sisa amin' i Bala sy ny anaran' ny Keramima mbamin' ny mpisorona,"
5. And them that worship the host of heaven upon the housetops; and them that worship and that swear by the LORD, and that swear by Malcham;
5. Ceux qui se prosternent sur les toits devant l`armée des cieux, Ceux qui se prosternent en jurant par l`Éternel Et en jurant par leur roi,
5. Sy izay mivavaka any an-tampon-trano amin' izay eny amin' ny lanitra, ary izay miankohoka sy mianiana ho an' i Jehovah sady mianiana amin' i Malkama,
6. And them that are turned back from the LORD; and those that have not sought the LORD, nor enquired for him.
6. Ceux qui se sont détournés de l`Éternel, Et ceux qui ne cherchent pas l`Éternel, Qui ne le consultent pas.
6. Ary izay nihemotra niala tamin' i Jehovah, sy izay tsy nitady an' i Jehovah na nanontany taminy.
7. Hold thy peace at the presence of the Lord GOD: for the day of the LORD is at hand: for the LORD hath prepared a sacrifice, he hath bid his guests.
7. Silence devant le Seigneur, l`Éternel! Car le jour de l`Éternel est proche, Car l`Éternel a préparé le sacrifice, Il a choisi ses conviés.
7. "Mangina eo anatrehan' i Jehovah Tompo, fa efa antomotra ny andron' i Jehovah; fa Jehovah efa nanomana fanatitra, efa niantso ny olona nasainy izy."
8. And it shall come to pass in the day of the LORD's sacrifice, that I will punish the princes, and the king's children, and all such as are clothed with strange apparel.
8. Au jour du sacrifice de l`Éternel, Je châtierai les princes et les fils du roi, Et tous ceux qui portent des vêtements étrangers.
8. Ary izao no hiseho amin' ny andro hanaovan' i Jehovah ny fanatitra, dia hovaliako ny lehibe sy ny zanaky ny mpanjaka, mbamin' izay rehetra mitafy ny fitafiana hafa.
9. In the same day also will I punish all those that leap on the threshold, which fill their masters' houses with violence and deceit.
9. En ce jour-là, je châtierai tous ceux qui sautent par-dessus le seuil, Ceux qui remplissent de violence et de fraude la maison de leur maître.
9. Ary amin' izany andro izany, dia hovaliako izay rehetra miezaka mihoatra ny tokonana, dia ireo mameno loza sy fitaka ny tranon' ny tompony.
10. And it shall come to pass in that day, saith the LORD, that there shall be the noise of a cry from the fish gate, and an howling from the second, and a great crashing from the hills.
10. En ce jour-là, dit l`Éternel, Il y aura des cris à la porte des poissons, Des lamentations dans l`autre quartier de la ville, Et un grand désastre sur les collines.
10. Ary izao no hiseho amin' izany andro izany, hoy Jehovah, hisy feo mitaraina any am-bavahadin-kazandrano sy fidradradradrana eo amin' ny tanàna faharoa ary fidarabohana miezinezina any amin' ny havoana.
11. Howl, ye inhabitants of Maktesh, for all the merchant people are cut down; all they that bear silver are cut off.
11. Gémissez, habitants de Macthesch! Car tous ceux qui trafiquent sont détruits, Tous les hommes chargés d`argent sont exterminés.
11. Midradradradrà, ianareo mponina ao Maktesy, fa ringana avokoa ny mpandranto rehetra, ary lany ringana izay rehetra nivesatra volafotsy.
12. And it shall come to pass at that time, that I will search Jerusalem with candles, and punish the men that are settled on their lees: that say in their heart, The LORD will not do good, neither will he do evil.
12. En ce temps-là, je fouillerai Jérusalem avec des lampes, Et je châtierai les hommes qui reposent sur leurs lies, Et qui disent dans leur coeur: L`Éternel ne fait ni bien ni mal.
12. Ary izao no hiseho amin' izany andro izany, hozahako amin' ny jiro Jerosalema ka hovaliako ny olona izay efa lefy eo amin' ny faikany, dia izay manao anakampo hoe: sady tsy hanao soa Jehovah no tsy hanao ratsy.
13. Therefore their goods shall become a booty, and their houses a desolation: they shall also build houses, but not inhabit them; and they shall plant vineyards, but not drink the wine thereof.
13. "Leurs biens seront au pillage, Et leurs maisons seront dévastées; Ils auront bâti des maisons, qu`ils n`habiteront plus, Ils auront planté des vignes, dont ils ne boiront plus le vin."
13. "Ka dia ho tonga babo ny fananan' ireny, ary ho lao ny tranony; dia hanao trano izy, nefa tsy hitoetra ao; hamboly voaloboka izy, nefa tsy hisotro ny divay avy aminy."
14. The great day of the LORD is near, it is near, and hasteth greatly, even the voice of the day of the LORD: the mighty man shall cry there bitterly.
14. "Le grand jour de l`Éternel est proche, Il est proche, il arrive en toute hâte; Le jour de l`Éternel fait entendre sa voix, Et le héros pousse des cris amers."
14. Efa antomotra ny andro lehiben' i Jehovah, efa antomotra sady mihafaingana indrindra, dia ny feon' ny andron' i Jehovah! Ny lehilahy mahery dia hitomany mafy any.
15. That day is a day of wrath, a day of trouble and distress, a day of wasteness and desolation, a day of darkness and gloominess, a day of clouds and thick darkness,
15. Ce jour est un jour de fureur, Un jour de détresse et d`angoisse, Un jour de ravage et de destruction, Un jour de ténèbres et d`obscurité, Un jour de nuées et de brouillards,
15. Andro fahatezerana izany andro izany, andro fahoriana sy fahalahelovana, andro fandravana sy fanafoanana, andro maizina sy manjombona, andro mandrahona sy maizim-pito.
16. A day of the trumpet and alarm against the fenced cities, and against the high towers.
16. Un jour où retentiront la trompette et les cris de guerre Contre les villes fortes et les tours élevées.
16. Andro fahaveloman' ny anjomara sy ny fanairana, hamelezana ny tanàna mimanda sy ny tilikambo avo.
17. And I will bring distress upon men, that they shall walk like blind men, because they have sinned against the LORD: and their blood shall be poured out as dust, and their flesh as the dung.
17. "Je mettrai les hommes dans la détresse, Et ils marcheront comme des aveugles, Parce qu`ils ont péché contre l`Éternel; Je répandrai leur sang comme de la poussière, Et leur chair comme de l`ordure."
17. "Ary hampahory ny olona Aho, handehanany toy ny jamba, satria efa nanota tamin' i Jehovah izy; ny rany dia haidina toy ny vovoka, ary ny nofony ho toy ny zezika."
18. Neither their silver nor their gold shall be able to deliver them in the day of the LORD's wrath; but the whole land shall be devoured by the fire of his jealousy: for he shall make even a speedy riddance of all them that dwell in the land.
18. "Ni leur argent ni leur or ne pourront les délivrer, Au jour de la fureur de l`Éternel; Par le feu de sa jalousie tout le pays sera consumé; Car il détruira soudain tous les habitants du pays."
18. "Na ny volafotsiny na ny volamenany dia samy tsy hahavonjy azy amin' ny andron' ny fahatezeran' i Jehovah, fa holevonin' ny afon' ny fahasaro-piarony ny tany rehetra; fa fahafonganana haingana tokoa no hataony amin' ny mponina rehetra amin' ny tany."
<
>