1. I will stand upon my watch, and set me upon the tower, and will watch to see what he will say unto me, and what I shall answer when I am reproved.
1. "J`étais à mon poste, Et je me tenais sur la tour; Je veillais, pour voir ce que l`Éternel me dirait, Et ce que je répliquerais après ma plainte."
1. Hitsangana eo ambonin' ny fitazanako aho ary hijoro eo ambonin' ny manda, hiandry hahitako izay holazainy amiko sy izay havaliko rehefa anarina aho.
The LORD's Answer
2. And the LORD answered me, and said, Write the vision, and make it plain upon tables, that he may run that readeth it.
2. L`Éternel m`adressa la parole, et il dit: Écris la prophétie: Grave-la sur des tables, Afin qu`on la lise couramment.
2. Dia namaly ahy Jehovah ka nanao hoe: soraty ny fahitana, ka ataovy mazava tsara eo amin' ny latabatra, mba ho afa-mihazakazaka izay mamaky izany.
3. For the vision is yet for an appointed time, but at the end it shall speak, and not lie: though it tarry, wait for it; because it will surely come, it will not tarry.
3. "Car c`est une prophétie dont le temps est déjà fixé, Elle marche vers son terme, et elle ne mentira pas; Si elle tarde, attends-la, Car elle s`accomplira, elle s`accomplira certainement."
3. "Fa ny fahitana dia mbola ho amin' ny fotoan' andro, ary hilaza ny farany izy ka tsy handainga; na dia mitaredretra aza izy, dia andraso ihany, fa ho avy tokoa izy ka tsy hitaredretra."
4. Behold, his soul which is lifted up is not upright in him: but the just shall live by his faith.
4. "Voici, son âme s`est enflée, elle n`est pas droite en lui; Mais le juste vivra par sa foi."
4. Indro, feno avonavona ny fanahiny, fa tsy mahitsy ao anatiny, fa ny marina ho velon' ny finoany.
5. Yea also, because he transgresseth by wine, he is a proud man, neither keepeth at home, who enlargeth his desire as hell, and is as death, and cannot be satisfied, but gathereth unto him all nations, and heapeth unto him all people:
5. "Pareil à celui qui est ivre et arrogant, L`orgueilleux ne demeure pas tranquille; Il élargit sa bouche comme le séjour des morts, Il est insatiable comme la mort; Il attire à lui toutes les nations, Il assemble auprès de lui tous les peuples."
5. Ary koa satria niodina noho ny divay izy, dia mpiavonavona izy ka tsy mba mahatoetra an-trano, izay mampahalalaka ny faniriany tahaka ny helo sy toy ny fahafatesana tsy mety voky, fa manangona ny firenena rehetra ho ao aminy sy mamory ny olona rehetra ho ao aminy.
6. Shall not all these take up a parable against him, and a taunting proverb against him, and say, Woe to him that increaseth that which is not his! how long? and to him that ladeth himself with thick clay!
6. Ne sera-t-il pas pour tous un sujet de sarcasme, De railleries et d`énigmes? On dira: Malheur à celui qui accumule ce qui n`est pas à lui! Jusques à quand?... Malheur à celui qui augmente le fardeau de ses dettes!
6. Tsy hanao oha-teny hamelezana azy va ireto rehetra ireto? Tsy hanao eso-teny sy fitenenana hanoherana azy va izy ka hanao hoe: lozan' izay mahery mampitombo ny tsy azy! Mandrapahoviana? ry ilay mamesa-tena amin' ny tanimanga matevina.
7. Shall they not rise up suddenly that shall bite thee, and awake that shall vex thee, and thou shalt be for booties unto them?
7. Tes créanciers ne se lèveront-ils pas soudain? Tes oppresseurs ne se réveilleront-ils pas? Et tu deviendras leur proie.
7. Tsy hitsangana tampoka va izay hanaikitra anao, ary tsy hifoha va izay hanaitaitra anao, ka ho babony ianao?
8. Because thou hast spoiled many nations, all the remnant of the people shall spoil thee; because of men's blood, and for the violence of the land, of the city, and of all that dwell therein.
8. "Parce que tu as pillé beaucoup de nations, Tout le reste des peuples te pillera; Car tu as répandu le sang des hommes, Tu as commis des violences dans le pays, Contre la ville et tous ses habitants."
8. Satria efa namabo firenena maro ianao, ka dia mba hobaboin' ny sisa rehetra amin' ny firenena kosa, noho ny ràn' ny olona sy ny fandozana natao tamin' ny tany, dia tamin' ny tanàna sy ny mponina rehetra ao aminy.
9. Woe to him that coveteth an evil covetousness to his house, that he may set his nest on high, that he may be delivered from the power of evil!
9. Malheur à celui qui amasse pour sa maison des gains iniques, Afin de placer son nid dans un lieu élevé, Pour se garantir de la main du malheur!
9. Lozan' izay fatra-pila amin' ny fiereman-dratsy ho an' ny taranany, hanaovany ny akaniny any amin' ny avo, mba hahafahany amin' ny herin' ny ratsy!
10. Thou hast consulted shame to thy house by cutting off many people, and hast sinned against thy soul.
10. C`est l`opprobre de ta maison que tu as résolu, En détruisant des peuples nombreux, Et c`est contre toi-même que tu as péché.
10. Efa namoron-tsaina hahatonga henatra ho an' ny taranakao ianao, tamin' ny fandringanana firenena maro ary efa nanota tamin' ny fanahinao ianao.
11. For the stone shall cry out of the wall, and the beam out of the timber shall answer it.
11. Car la pierre crie du milieu de la muraille, Et le bois qui lie la charpente lui répond.
11. Fa hitaraina ny vato ao amin' ny rindrina, ary ny sakamandimby ao amin' ny trano no hamaly azy.
12. Woe to him that buildeth a town with blood, and stablisheth a city by iniquity!
12. Malheur à celui qui bâtit une ville avec le sang, Qui fonde une ville avec l`iniquité!
12. Lozan' izay manao vohitra amin' ny fandatsahan-drà sy manorina tanàna amin' ny heloka!
13. Behold, is it not of the LORD of hosts that the people shall labour in the very fire, and the people shall weary themselves for very vanity?
13. Voici, quand l`Éternel des armées l`a résolu, Les peuples travaillent pour le feu, Les nations se fatiguent en vain.
13. Indro, tsy avy amin' i Jehovah Tompon' ny maro va no hiasan' ny olona ho an' ny afo, sy hisasaran' ny firenena ho an' ny zava-poana?
14. For the earth shall be filled with the knowledge of the glory of the LORD, as the waters cover the sea.
14. Car la terre sera remplie de la connaissance de la gloire de l`Éternel, Comme le fond de la mer par les eaux qui le couvrent.
14. Fa ny tany ho feno ny fahalalana ny voninahitr' i Jehovah, toy ny fanaron' ny rano ny fanambanin' ny ranomasina.
15. Woe unto him that giveth his neighbour drink, that puttest thy bottle to him, and makest him drunken also, that thou mayest look on their nakedness!
15. Malheur à celui qui fait boire son prochain, A toi qui verses ton outre et qui l`enivres, Afin de voir sa nudité!
15. "Lozan' izay mampisotro ny namany ka mametraka ny tavoahanginao eo aminy, sady mampahamamo azy koa, mba hijerenao ny fitanjahany;"
16. Thou art filled with shame for glory: drink thou also, and let thy foreskin be uncovered: the cup of the LORD's right hand shall be turned unto thee, and shameful spewing shall be on thy glory.
16. "Tu seras rassasié de honte plus que de gloire; Bois aussi toi-même, et découvre-toi! La coupe de la droite de l`Éternel se tournera vers toi, Et l`ignominie souillera ta gloire."
16. "Efa feno henatra ianao, fa tsy voninahitra; mba sotroy koa, ka mitanjaha; hatolotra anao ny kapoaka eny an-tanana ankavanan' i Jehovah, ary fahamenarana no ho amin' ny voninahitrao."
17. For the violence of Lebanon shall cover thee, and the spoil of beasts, which made them afraid, because of men's blood, and for the violence of the land, of the city, and of all that dwell therein.
17. Car les violences contre le Liban retomberont sur toi, Et les ravages des bêtes t`effraieront, Parce que tu as répandu le sang des hommes, Et commis des violences dans le pays, Contre la ville et tous ses habitants.
17. Fa hanody anao ny loza natao tamin' i Libanona sy ny fandringanana mahatahotra namelezana ny biby, noho ny ràn' ny olona sy ny loza natao tamin' ny tany, dia tamin' ny tanàna sy ny mponina rehetra ao aminy.
18. What profiteth the graven image that the maker thereof hath graven it; the molten image, and a teacher of lies, that the maker of his work trusteth therein, to make dumb idols?
18. A quoi sert une image taillée, pour qu`un ouvrier la taille? A quoi sert une image en fonte et qui enseigne le mensonge, Pour que l`ouvrier qui l`a faite place en elle sa confiance, Tandis qu`il fabrique des idoles muettes?
18. Mahasoa inona ny sarin-javatra voasokitra, no misokitra azy ny mpanao azy? Na ny sarin-javatra an' idina sy ny mpampianatra lainga, no matoky azy izay namorona azy tamin' ny nanaovany sampy moana?
19. Woe unto him that saith to the wood, Awake; to the dumb stone, Arise, it shall teach! Behold, it is laid over with gold and silver, and there is no breath at all in the midst of it.
19. Malheur à celui qui dit au bois: Lève-toi! A une pierre muette: Réveille-toi! Donnera-t-elle instruction? Voici, elle est garnie d`or et d`argent, Mais il n`y a point en elle un esprit qui l`anime.
19. Lozan' izay manao amin' ny hazo hoe: mifohaza! Ary amin' ny vato moana hoe: mitsangàna! Hampianatra va ireo? He, voapetaka takela-bolamena sy volafotsy ihany izy, sady tsy misy fofon' aina akory ao anatiny.
20. But the LORD is in his holy temple: let all the earth keep silence before him.
20. L`Éternel est dans son saint temple. Que toute la terre fasse silence devant lui!
20. "Jehovah dia ao amin' ny tempoliny masina; aoka ny tany rehetra hangina eo anatrehany!"