1. And God remembered Noah, and every living thing, and all the cattle that was with him in the ark: and God made a wind to pass over the earth, and the waters asswaged;
1. "Dieu se souvint de Noé, de tous les animaux et de tout le bétail qui étaient avec lui dans l`arche; et Dieu fit passer un vent sur la terre, et les eaux s`apaisèrent."
1. "Ary Andriamanitra nahatsiaro an' i Noa sy ny zava-manan' aina rehetra mbamin' ny biby fiompy rehetra izay niaraka taminy tao anatin' ny sambofiara; ary nampandeha rivotra eran' ny tany Andriamanitra, ka dia nihena ny rano."
2. The fountains also of the deep and the windows of heaven were stopped, and the rain from heaven was restrained;
2. Les sources de l`abîme et les écluses des cieux furent fermées, et la pluie ne tomba plus du ciel.
2. Nijanona koa ny loharanon' ny lalina sy ny varavarankelin' ny lanitra, ary nitsahatra ny ranonorana avy any an-danitra.
3. And the waters returned from off the earth continually: and after the end of the hundred and fifty days the waters were abated.
3. Les eaux se retirèrent de dessus la terre, s`en allant et s`éloignant, et les eaux diminuèrent au bout de cent cinquante jours.
3. "Ary nihena niandalana niala tamin' ny tany ny rano; ary rehefa afaka dimampolo amby zato andro, dia efa nihena ny rano."
4. And the ark rested in the seventh month, on the seventeenth day of the month, upon the mountains of Ararat.
4. Le septième mois, le dix-septième jour du mois, l`arche s`arrêta sur les montagnes d`Ararat.
4. Dia nipetraka teo amin' ny tendrombohitr' i Ararata ny sambofiara tamin' ny andro fahafito ambin' ny folo tamin' ny volana fahafito.
5. And the waters decreased continually until the tenth month: in the tenth month, on the first day of the month, were the tops of the mountains seen.
5. Les eaux allèrent en diminuant jusqu`au dixième mois. Le dixième mois, le premier jour du mois, apparurent les sommets des montagnes.
5. "Ary ny rano dia mbola nihena niandalana hatramin' ny volana fahafolo; tamin' ny andro voalohany tamin' ny volana fahafolo dia niseho ny tampon' ny tendrombohitra."
6. And it came to pass at the end of forty days, that Noah opened the window of the ark which he had made:
6. Au bout de quarante jours, Noé ouvrit la fenêtre qu`il avait faite à l`arche.
6. Ary izao no niseho, rehefa afaka efapolo andro, dia novohan' i Noa ny varavarankelin' ny sambofiara izay efa nataony.
7. And he sent forth a raven, which went forth to and fro, until the waters were dried up from off the earth.
7. Il lâcha le corbeau, qui sortit, partant et revenant, jusqu`à ce que les eaux eussent séché sur la terre.
7. Dia namoaka goaika iray izy, izay niverimberina mandra-paharìtry ny rano tamin' ny tany.
8. Also he sent forth a dove from him, to see if the waters were abated from off the face of the ground;
8. Il lâcha aussi la colombe, pour voir si les eaux avaient diminué à la surface de la terre.
8. Namoaka voromailala anankiray izay tao aminy koa izy, hizahany raha efa nihena tambonin' ny tany ny rano na tsia.
9. But the dove found no rest for the sole of her foot, and she returned unto him into the ark, for the waters were on the face of the whole earth: then he put forth his hand, and took her, and pulled her in unto him into the ark.
9. Mais la colombe ne trouva aucun lieu pour poser la plante de son pied, et elle revint à lui dans l`arche, car il y avait des eaux à la surface de toute la terre. Il avança la main, la prit, et la fit rentrer auprès de lui dans l`arche.
9. "Fa tsy nahita izay hametrahany ny faladiany ilay voromailala, dia niverina tamin' i Noa tao anatin' ny sambofiara izy, satria mbola tambonin' ny tany rehetra ny rano; ary naninjitra ny tanany ka nandray azy ho ao aminy tao anatin' ny sambofiara Noa."
10. And he stayed yet other seven days; and again he sent forth the dove out of the ark;
10. Il attendit encore sept autres jours, et il lâcha de nouveau la colombe hors de l`arche.
10. "Ary mbola niandry hafitoana koa izy; dia namoaka ilay voromailala tamin' ny sambofiara indray izy."
11. And the dove came in to him in the evening; and, lo, in her mouth was an olive leaf pluckt off: so Noah knew that the waters were abated from off the earth.
11. "La colombe revint à lui sur le soir; et voici, une feuille d`olivier arrachée était dans son bec. Noé connut ainsi que les eaux avaient diminué sur la terre."
11. "Dia niditra tao aminy ilay voromailala tamin' ny hariva; ary, indro, nisy ravin' oliva nongotana teo am-bavany; izany no nahafantaran' i Noa fa efa nihena ny rano tambonin' ny tany."
12. And he stayed yet other seven days; and sent forth the dove; which returned not again unto him any more.
12. "Il attendit encore sept autres jours; et il lâcha la colombe. Mais elle ne revint plus à lui."
12. "Ary mbola niandry hafitoana indray izy; dia namoaka ilay voromailala, izay tsy niverina teo aminy intsony."
13. And it came to pass in the six hundredth and first year, in the first month, the first day of the month, the waters were dried up from off the earth: and Noah removed the covering of the ark, and looked, and, behold, the face of the ground was dry.
13. L`an six cent un, le premier mois, le premier jour du mois, les eaux avaient séché sur la terre. Noé ôta la couverture de l`arche: il regarda, et voici, la surface de la terre avait séché.
13. "Ary izao no niseho: tamin' ny andro voalohany tamin' ny volana voalohany tamin' ny taona fahiraika amby eninjato, dia ritra ny rano tambonin' ny tany; ary nesorin' i Noa ny tafon' ny sambofiara, dia nojereny, ka, indro, fa maina ny tany."
14. And in the second month, on the seven and twentieth day of the month, was the earth dried.
14. Le second mois, le vingt-septième jour du mois, la terre fut sèche.
14. Ary tamin' ny andro fahafito amby roapolo tamin' ny volana faharoa, dia maina ny tany.
15. And God spake unto Noah, saying,
15. Alors Dieu parla à Noé, en disant:
15. Ary Andriamanitra dia niteny tamin' i Noa ka nanao hoe:
16. Go forth of the ark, thou, and thy wife, and thy sons, and thy sons' wives with thee.
16. Sors de l`arche, toi et ta femme, tes fils et les femmes de tes fils avec toi.
16. Mivoaha amin' ny sambofiara ianao sy ny vadinao, sy ny zanakalahinao ary ny vinantovavinao miaraka aminao.
17. Bring forth with thee every living thing that is with thee, of all flesh, both of fowl, and of cattle, and of every creeping thing that creepeth upon the earth; that they may breed abundantly in the earth, and be fruitful, and multiply upon the earth.
17. Fais sortir avec toi tous les animaux de toute chair qui sont avec toi, tant les oiseaux que le bétail et tous les reptiles qui rampent sur la terre: qu`ils se répandent sur la terre, qu`ils soient féconds et multiplient sur la terre.
17. "Ento mivoaka miaraka aminao ny zava-manan' aina rehetra, izay eo aminao, avy amin' ny nofo rehetra, dia ny avy amin' ny vorona, sy avy amin' ny biby fiompy mbamin' ny avy amin' ny biby mandady izay mikisaka amin' ny tany; mba hiteraka be eny ambonin' ny tany sy hihabetsaka ary hitombo eny ambonin' ny tany ireo."
18. And Noah went forth, and his sons, and his wife, and his sons' wives with him:
18. Et Noé sortit, avec ses fils, sa femme, et les femmes de ses fils.
18. "Dia nivoaka Noa sy ny zanany lahy, sy ny vadiny, ary ny vinantovaviny niaraka taminy;"
19. Every beast, every creeping thing, and every fowl, and whatsoever creepeth upon the earth, after their kinds, went forth out of the ark.
19. Tous les animaux, tous les reptiles, tous les oiseaux, tout ce qui se meut sur la terre, selon leurs espèces, sortirent de l`arche.
19. Ny biby rehetra, ny biby mandady rehetra, sy ny vorona rehetra, mbamin' izay rehetra mikisaka amin' ny tany, samy araka ny karazany, dia nivoaka avy tao amin' ny sambofiara.
20. And Noah builded an altar unto the LORD; and took of every clean beast, and of every clean fowl, and offered burnt offerings on the altar.
20. "Noé bâtit un autel à l`Éternel; il prit de toutes les bêtes pures et de tous les oiseaux purs, et il offrit des holocaustes sur l`autel."
20. "Ary Noa dia nanorina alitara ho an' i Jehovah; ary nanalany ny avy amin' ny biby madio rehetra, sy ny avy amin' ny vorona madio rehetra, dia nataony fanatitra dorana teo ambony alitara."
21. And the LORD smelled a sweet savour; and the LORD said in his heart, I will not again curse the ground any more for man's sake; for the imagination of man's heart is evil from his youth; neither will I again smite any more every thing living, as I have done.
21. "L`Éternel sentit une odeur agréable, et l`Éternel dit en son coeur: Je ne maudirai plus la terre, à cause de l`homme, parce que les pensées du coeur de l`homme sont mauvaises dès sa jeunesse; et je ne frapperai plus tout ce qui est vivant, comme je l`ai fait."
21. "Dia nandre ny hanitra ankasitrahana Jehovah, ka hoy Izy tam-pony: Tsy mba hanozona ny tany intsony noho ny amin' ny olona Aho; fa ny fisainan' ny fon' ny olona dia ratsy hatramin' ny fahazazany; ary tsy mba handringana ny velona rehetra intsony Aho tahaka izay nataoko."
22. While the earth remaineth, seedtime and harvest, and cold and heat, and summer and winter, and day and night shall not cease.
22. Tant que la terre subsistera, les semailles et la moisson, le froid et la chaleur, l`été et l`hiver, le jour et la nuit ne cesseront point.
22. Raha mbola maharitra koa ny tany, dia tsy hanam-pitsaharana ny fotoam-pamafazana sy ny fijinjana, ary ny hatsiaka sy ny hafanana mbamin' ny fahavaratra sy ny ririnina, ary ny andro sy ny alina.