Joseph and Potiphar's Wife
1. And Joseph was brought down to Egypt; and Potiphar, an officer of Pharaoh, captain of the guard, an Egyptian, bought him of the hands of the Ishmeelites, which had brought him down thither.
1. "On fit descendre Joseph en Égypte; et Potiphar, officier de Pharaon, chef des gardes, Égyptien, l`acheta des Ismaélites qui l`y avaient fait descendre."
1. "Ary nentina nidina ho any Egypta Josefa; ary Potifara Egyptiana, tandapan' i Farao sady mpifehy ny mpiambina, no nividy azy tamin' ny tanan' ny Isimaelita, izay nitondra azy nidina tany."
2. And the LORD was with Joseph, and he was a prosperous man; and he was in the house of his master the Egyptian.
2. "L`Éternel fut avec lui, et la prospérité l`accompagna; il habitait dans la maison de son maître, l`Égyptien."
2. "Ary Jehovah nomba an' i Josefa, dia lehilahy nambinina izy; ary nitoetra tao an-tranon' ilay Egyptiana tompony izy."
3. And his master saw that the LORD was with him, and that the LORD made all that he did to prosper in his hand.
3. Son maître vit que l`Éternel était avec lui, et que l`Éternel faisait prospérer entre ses mains tout ce qu`il entreprenait.
3. Ary hitan' ny tompony fa nomban' i Jehovah izy, ka izay rehetra nataony dia nambinin' i Jehovah teo an-tanany.
4. And Joseph found grace in his sight, and he served him: and he made him overseer over his house, and all that he had he put into his hand.
4. Joseph trouva grâce aux yeux de son maître, qui l`employa à son service, l`établit sur sa maison, et lui confia tout ce qu`il possédait.
4. "Ary nahita fitia teo imason' ny tompony Josefa ka dia nanompo azy; dia nataony ho mpikarakara ny tao an-tranony izy, ary izay rehetra nananany dia napetrany ho eo an-tanany."
5. And it came to pass from the time that he had made him overseer in his house, and over all that he had, that the LORD blessed the Egyptian's house for Joseph's sake; and the blessing of the LORD was upon all that he had in the house, and in the field.
5. "Dès que Potiphar l`eut établi sur sa maison et sur tout ce qu`il possédait, l`Éternel bénit la maison de l`Égyptien, à cause de Joseph; et la bénédiction de l`Éternel fut sur tout ce qui lui appartenait, soit à la maison, soit aux champs."
5. "Ary izao no niseho, hatramin' ny fotoana izay nanaovany azy ho mpikarakara ny tao an-tranony sy izay rehetra nananany, dia notahin' i Jehovah ny tranon' ilay Egyptiana noho ny amin' i Josefa; ary ny fitahian' i Jehovah dia nomba izay rehetra nananany tao an-trano, sy tany an-tsaha."
6. And he left all that he had in Joseph's hand; and he knew not ought he had, save the bread which he did eat. And Joseph was a goodly person, and well favoured.
6. Il abandonna aux mains de Joseph tout ce qui lui appartenait, et il n`avait avec lui d`autre soin que celui de prendre sa nourriture. Or, Joseph était beau de taille et beau de figure.
6. "Dia navelany ho eo an-tanan' i Josefa izay rehetra nananany; ary tsy nahalala izay tokony ho fananany izy, afa-tsy ny hanin-kohaniny; ary Josefa dia bikana sy tsara tarehy."
7. And it came to pass after these things, that his master's wife cast her eyes upon Joseph; and she said, Lie with me.
7. Après ces choses, il arriva que la femme de son maître porta les yeux sur Joseph, et dit: Couche avec moi!
7. Ary izao no niseho, taorian' izany zavatra izany, nanopy ny masony tamin' i Josefa ny vadin' ny tompony ka nanao hoe: Mandria amiko.
8. But he refused, and said unto his master's wife, Behold, my master wotteth not what is with me in the house, and he hath committed all that he hath to my hand;
8. Il refusa, et dit à la femme de son maître: Voici, mon maître ne prend avec moi connaissance de rien dans la maison, et il a remis entre mes mains tout ce qui lui appartient.
8. Nefa nandà izy, ka nanao tamin' ny vadin' ny tompony hoe: Indro, ny tompoko tsy mahalala izay ato amiko ato an-trano, ary efa natolony eo an-tanako hokarakaraiko izay rehetra ananany.
9. There is none greater in this house than I; neither hath he kept back any thing from me but thee, because thou art his wife: how then can I do this great wickedness, and sin against God?
9. Il n`est pas plus grand que moi dans cette maison, et il ne m`a rien interdit, excepté toi, parce que tu es sa femme. Comment ferais-je un aussi grand mal et pécherais-je contre Dieu?
9. "Tsy misy lehibe noho izaho ato amin' ity trano ity; ary tsy nisy zavatra narovany amiko afa-tsy ianao, satria vadiny ianao; koa ataoko ahoana no hanao izany faharatsiana lehibe izany ka hanota amin' Andriamanitra?"
10. And it came to pass, as she spake to Joseph day by day, that he hearkened not unto her, to lie by her, or to be with her.
10. Quoiqu`elle parlât tous les jours à Joseph, il refusa de coucher auprès d`elle, d`être avec elle.
10. Ary izao no niseho, raha niteny tamin' i Josefa isan' andro isan' andro ravehivavy, dia tsy nihaino azy izy, na ny handry eo anilany, na ny hiara-mitoetra aminy.
11. And it came to pass about this time, that Joseph went into the house to do his business; and there was none of the men of the house there within.
11. Un jour qu`il était entré dans la maison pour faire son ouvrage, et qu`il n`y avait là aucun des gens de la maison,
11. "Ary izao no niseho, tamin' ny indray mandeha, dia niditra tao an-trano Josefa hanao ny raharahany; ary tsy nisy na dia iray tamin' ny mpanompo aza tao an-trano."
12. And she caught him by his garment, saying, Lie with me: and he left his garment in her hand, and fled, and got him out.
12. elle le saisit par son vêtement, en disant: Couche avec moi! Il lui laissa son vêtement dans la main, et s`enfuit au dehors.
12. "Dia nisambotra azy tamin'ny akanjony ravehivavy ka nanao hoe: Mandria amiko; fa navelan' i Josefa teo an-tanan-dravehivavy ny akanjony, dia nandositra izy ka nivoaka teny ivelany."
13. And it came to pass, when she saw that he had left his garment in her hand, and was fled forth,
13. Lorsqu`elle vit qu`il lui avait laissé son vêtement dans la main, et qu`il s`était enfui dehors,
13. Ary izao no niseho, rehefa hitan-dravehivavy fa navelany teo an-tanany ny fitafiany sady lasa nandositra izy,
14. That she called unto the men of her house, and spake unto them, saying, See, he hath brought in an Hebrew unto us to mock us; he came in unto me to lie with me, and I cried with a loud voice:
14. "elle appela les gens de sa maison, et leur dit: Voyez, il nous a amené un Hébreu pour se jouer de nous. Cet homme est venu vers moi pour coucher avec moi; mais j`ai crié à haute voix."
14. "Dia niantso ny mpanompony ravehivavy ka niteny tamin' ireo hoe: Indro, efa nampiditra Hebreo iray tato amintsika hisangy antsika izy; niditra tao amiko handry amiko izy, dia niantso tamin' ny feo mahery aho;"
15. And it came to pass, when he heard that I lifted up my voice and cried, that he left his garment with me, and fled, and got him out.
15. Et quand il a entendu que j`élevais la voix et que je criais, il a laissé son vêtement à côté de moi et s`est enfui dehors.
15. Ary izao no niseho, nony reny fa nanandratra ny feoko aho ka niantso, dia navelany teo amiko ny fitafiany ka nandositra izy sady nivoaka teny ivelany.
16. And she laid up his garment by her, until his lord came home.
16. Et elle posa le vêtement de Joseph à côté d`elle, jusqu`à ce que son maître rentrât à la maison.
16. Dia napetra-dravehivavy teo anilany ny fitafian' i Josefa, mandra-pahatongan' ny tompony tao an-trano.
17. And she spake unto him according to these words, saying, The Hebrew servant, which thou hast brought unto us, came in unto me to mock me:
17. Alors elle lui parla ainsi: L`esclave hébreu que tu nous as amené est venu vers moi pour se jouer de moi.
17. "Dia nilaza taminy izy araka ireo teny ireo ka nanao hoe: Niditra tato amiko ilay mpanompo Hebreo, izay nentinao ho ato amintsika, mba hisangy ahy;"
18. And it came to pass, as I lifted up my voice and cried, that he left his garment with me, and fled out.
18. Et comme j`ai élevé la voix et que j`ai crié, il a laissé son vêtement à côté de moi et s`est enfui dehors.
18. Ary izao no niseho, raha nanandratra ny feoko hiantso aho, dia navelany teo amiko ny fitafiany, ka nandositra teny ivelany izy.
19. And it came to pass, when his master heard the words of his wife, which she spake unto him, saying, After this manner did thy servant to me; that his wrath was kindled.
19. Après avoir entendu les paroles de sa femme, qui lui disait: Voilà ce que m`a fait ton esclave! le maître de Joseph fut enflammé de colère.
19. "Ary izao no niseho, rehefa ren' ny tompony ny tenin' ny vadiny, izay nolazainy taminy nanao hoe: Araka izany no nataon' ny mpanomponao tamiko; dia nirehitra ny fahatezerany."
20. And Joseph's master took him, and put him into the prison, a place where the king's prisoners were bound: and he was there in the prison.
20. Il prit Joseph, et le mit dans la prison, dans le lieu où les prisonniers du roi étaient enfermés: il fut là, en prison.
20. "Ary ny tompon' i Josefa dia naka azy ka nanao azy tao an-tranomaizina, izay fitoeran' ny mpifatotra diso tamin' ny mpanjaka; dia nitoetra tao an-tranomaizina izy."
21. But the LORD was with Joseph, and shewed him mercy, and gave him favour in the sight of the keeper of the prison.
21. L`Éternel fut avec Joseph, et il étendit sur lui sa bonté. Il le mit en faveur aux yeux du chef de la prison.
21. Nefa Jehovah nomba an' i Josefa sy namindra fo taminy ka nampahita fitia azy teo imason' ny mpitandrina ny tranomaizina.
22. And the keeper of the prison committed to Joseph's hand all the prisoners that were in the prison; and whatsoever they did there, he was the doer of it.
22. "Et le chef de la prison plaça sous sa surveillance tous les prisonniers qui étaient dans la prison; et rien ne s`y faisait que par lui."
22. "Dia natolotry ny mpitandrina ny tranomaizina eo an-tanan' i Josefa hokarakarainy ny mpifatotra rehetra izay tao an-tranomaizina; ary izay rehetra natao tao, dia izy no mpanatanteraka izany."
23. The keeper of the prison looked not to any thing that was under his hand; because the LORD was with him, and that which he did, the LORD made it to prosper.
23. Le chef de la prison ne prenait aucune connaissance de ce que Joseph avait en main, parce que l`Éternel était avec lui. Et l`Éternel donnait de la réussite à ce qu`il faisait.
23. Ny mpitandrina ny tranomaizina tsy mba nikarakara na inona na inona izay efa mby an-tanany, satria Jehovah nomba an' i Josefa ary izay nataony dia nambinin' i Jehovah.