1. And Isaac called Jacob, and blessed him, and charged him, and said unto him, Thou shalt not take a wife of the daughters of Canaan.
1. Isaac appela Jacob, le bénit, et lui donna cet ordre: Tu ne prendras pas une femme parmi les filles de Canaan.
1. Ary Isaka niantso an' i Jakoba ka nitsodrano azy, ary nandidy azy ka nanao taminy hoe: Aza maka vady avy amin' ny zanakavavin' i Kanana ianao.
2. Arise, go to Padanaram, to the house of Bethuel thy mother's father; and take thee a wife from thence of the daughters of Laban thy mother's brother.
2. Lève-toi, va à Paddan Aram, à la maison de Bethuel, père de ta mère, et prends-y une femme d`entre les filles de Laban, frère de ta mère.
2. "Miaingà ka mankanesa any Padan-arama, any amin' ny tranon' i Betoela rain-dreninao; dia makà vady any, avy amin' ny zanakavavin' i Labana anadahin-dreninao."
3. And God Almighty bless thee, and make thee fruitful, and multiply thee, that thou mayest be a multitude of people;
3. Que le Dieu tout puissant te bénisse, te rende fécond et te multiplie, afin que tu deviennes une multitude de peuples!
3. "Ary Andriamanitra Tsitoha anie hitahy anao ka hahamaro fara anao sy hampitombo anao, mba ho tonga firenena maro ianao;"
4. And give thee the blessing of Abraham, to thee, and to thy seed with thee; that thou mayest inherit the land wherein thou art a stranger, which God gave unto Abraham.
4. Qu`il te donne la bénédiction d`Abraham, à toi et à ta postérité avec toi, afin que tu possèdes le pays où tu habites comme étranger, et qu`il a donné à Abraham!
4. "Ary homeny anao ny fitahiana an' i Abrahama, dia ianao, sy ny taranakao miaraka aminao; mba handovanao ny tany izay hivahinianao, izay nomen' Andriamanitra an' i Abrahama."
5. And Isaac sent away Jacob: and he went to Padanaram unto Laban, son of Bethuel the Syrian, the brother of Rebekah, Jacob's and Esau's mother.
5. Et Isaac fit partir Jacob, qui s`en alla à Paddan Aram, auprès de Laban, fils de Bethuel, l`Araméen, frère de Rebecca, mère de Jacob et d`Ésaü.
5. Ary Isaka nampandeha an' i Jakoba, ka nankany Padan-arama izy tany amin' i Labana zanak' i Betoela Syriana, anadahin-dRebeka, renin' i Jakoba sy Esao.
6. When Esau saw that Isaac had blessed Jacob, and sent him away to Padanaram, to take him a wife from thence; and that as he blessed him he gave him a charge, saying, Thou shalt not take a wife of the daughters of Canaan;
6. Ésaü vit qu`Isaac avait béni Jacob, et qu`il l`avait envoyé à Paddan Aram pour y prendre une femme, et qu`en le bénissant il lui avait donné cet ordre: Tu ne prendras pas une femme parmi les filles de Canaan.
6. "Nony hitan' i Esao fa Isaka efa nitsodrano an' i Jakoba, ka nampandeha azy ho any Padan-arama, haka vady any; ary raha nitsodrano azy izy dia nandidy azy hoe: Aza maka vady avy amin' ny zanakavavin' i Kanana ianao;"
7. And that Jacob obeyed his father and his mother, and was gone to Padanaram;
7. Il vit que Jacob avait obéi à son père et à sa mère, et qu`il était parti pour Paddan Aram.
7. "Ary nankatò ny rainy sy ny reniny Jakoba ka lasa nankany Padan-arama;"
8. And Esau seeing that the daughters of Canaan pleased not Isaac his father;
8. Ésaü comprit ainsi que les filles de Canaan déplaisaient à Isaac, son père.
8. "Ary raha hitan' i Esao fa tsy nankasitrahan' Isaka rainy ny zanakavavin' i Kanana;"
9. Then went Esau unto Ishmael, and took unto the wives which he had Mahalath the daughter of Ishmael Abraham's son, the sister of Nebajoth, to be his wife.
9. Et Ésaü s`en alla vers Ismaël. Il prit pour femme, outre les femmes qu`il avait, Mahalath, fille d`Ismaël, fils d`Abraham, et soeur de Nebajoth.
9. Dia nankany amin' Isimaela i Esao ka naka an' i Mahalota zanakavavin' Isimaela, zanakalahin' i Abrahama, sady anabavin' i Nebaiota ho vadiny, ho fanampin' ireo vadiny izay efa nananany.
Jacob's Dream at Bethel
10. And Jacob went out from Beersheba, and went toward Haran.
10. Jacob partit de Beer Schéba, et s`en alla à Charan.
10. Dia nivoaka avy tany Beri-sheba i Jakoba ka nankany Harana.
11. And he lighted upon a certain place, and tarried there all night, because the sun was set; and he took of the stones of that place, and put them for his pillows, and lay down in that place to sleep.
11. "Il arriva dans un lieu où il passa la nuit; car le soleil était couché. Il y prit une pierre, dont il fit son chevet, et il se coucha dans ce lieu-là."
11. "Ary tojo toerana iray izy ka nitoetra teo niloaka alina, satria efa maty ny masoandro; dia naka vato tamin' izany toerana izany izy, ka nataony ondana ary nandry tamin' izany toerana izany izy mba hatory."
12. And he dreamed, and behold a ladder set up on the earth, and the top of it reached to heaven: and behold the angels of God ascending and descending on it.
12. Il eut un songe. Et voici, une échelle était appuyée sur la terre, et son sommet touchait au ciel. Et voici, les anges de Dieu montaient et descendaient par cette échelle.
12. "Ary nanonofy izy, fa indro, nisy tohatra niorina tamin' ny tany, ka nipaka tamin' ny lanitra ny lohany; ary indreo, niakatra sy nidina teo ny anjelin' Andriamanitra."
13. And, behold, the LORD stood above it, and said, I am the LORD God of Abraham thy father, and the God of Isaac: the land whereon thou liest, to thee will I give it, and to thy seed;
13. "Et voici, l`Éternel se tenait au-dessus d`elle; et il dit: Je suis l`Éternel, le Dieu d`Abraham, ton père, et le Dieu d`Isaac. La terre sur laquelle tu es couché, je la donnerai à toi et à ta postérité."
13. "Ary indro, nitsangana teo amboniny Jehovah ka nanao hoe: Izaho no Jehovah, Andriamanitr' i Abrahama rainao, sy Andriamanitr' Isaka; ny tany izay andrianao dia homeko anao sy ny taranakao;"
14. And thy seed shall be as the dust of the earth, and thou shalt spread abroad to the west, and to the east, and to the north, and to the south: and in thee and in thy seed shall all the families of the earth be blessed.
14. "Ta postérité sera comme la poussière de la terre; tu t`étendras à l`occident et à l`orient, au septentrion et au midi; et toutes les familles de la terre seront bénies en toi et en ta postérité."
14. "Ary ho tahaka ny vovoka amin' ny tany ny taranakao, dia hiely any andrefana sy any atsinanana ary any avaratra sy any atsimo ianao; ary aminao sy ny taranakao no hitahiana ny ankohonana rehetra ambonin' ny tany."
15. And, behold, I am with thee, and will keep thee in all places whither thou goest, and will bring thee again into this land; for I will not leave thee, until I have done that which I have spoken to thee of.
15. "Voici, je suis avec toi, je te garderai partout où tu iras, et je te ramènerai dans ce pays; car je ne t`abandonnerai point, que je n`aie exécuté ce que je te dis."
15. "Ary, indro, momba anao Aho ka hiaro anao amin' ny toerana rehetra izay halehanao, ary hampody anao indray ho amin' ity tany ity; fa tsy handao anao Aho mandra-panaoko izay voalazako taminao."
16. And Jacob awaked out of his sleep, and he said, Surely the LORD is in this place; and I knew it not.
16. Jacob s`éveilla de son sommeil et il dit: Certainement, l`Éternel est en ce lieu, et moi, je ne le savais pas!
16. Ary nahatsiaro tamin' ny torimasony Jakoba, dia nanao hoe: Ato amin' ity fitoerana ity tokoa Jehovah fa izaho no tsy nahalala.
17. And he was afraid, and said, How dreadful is this place! this is none other but the house of God, and this is the gate of heaven.
17. Il eut peur, et dit: Que ce lieu est redoutable! C`est ici la maison de Dieu, c`est ici la porte des cieux!
17. Ary natahotra izy, ka nanao hoe: Mahatahotra ity toerana ity! Tsy hafa ity fa tranon' Andriamanitra, ary ity no vavahadin' ny lanitra.
18. And Jacob rose up early in the morning, and took the stone that he had put for his pillows, and set it up for a pillar, and poured oil upon the top of it.
18. "Et Jacob se leva de bon matin; il prit la pierre dont il avait fait son chevet, il la dressa pour monument, et il versa de l`huile sur son sommet."
18. Ary nifoha maraina koa Jakoba, dia naka ilay vato izay efa nataony ondana ka nanangana azy ho tsangambato, dia nampidina diloilo teo amboniny.
19. And he called the name of that place Bethel: but the name of that city was called Luz at the first.
19. "Il donna à ce lieu le nom de Béthel; mais la ville s`appelait auparavant Luz."
19. Ary ny anaran' izany toerana izany dia nataony hoe: Betela, fa Lozy no anaran' izany tanàna izany tany aloha.
20. And Jacob vowed a vow, saying, If God will be with me, and will keep me in this way that I go, and will give me bread to eat, and raiment to put on,
20. Jacob fit un voeu, en disant: Si Dieu est avec moi et me garde pendant ce voyage que je fais, s`il me donne du pain à manger et des habits pour me vêtir,
20. Dia nivoady Jakoba ka nanao hoe: Raha homba ahy Andriamanitra ka hiaro ahy amin' izao lalana alehako izao, ary hanome ahy mofo hohaniko sy lamba hitafiako,
21. So that I come again to my father's house in peace; then shall the LORD be my God:
21. "et si je retourne en paix à la maison de mon père, alors l`Éternel sera mon Dieu;"
21. Ka ho tafaverina soa aman-tsara any amin' ny tranon' ny raiko aho, dia Jehovah no ho Andriamanitro,
22. And this stone, which I have set for a pillar, shall be God's house: and of all that thou shalt give me I will surely give the tenth unto thee.
22. "cette pierre, que j`ai dressée pour monument, sera la maison de Dieu; et je te donnerai la dîme de tout ce que tu me donneras."
22. "Ary ity vato izay naoriko ho tsangambato ity ho tranon' Andriamanitra; ary amin' izay rehetra homenao ahy, dia homeko Anao tokoa ny ampahafolony."