The Death of Abraham
1. Then again Abraham took a wife, and her name was Keturah.
1. Abraham prit encore une femme, nommée Ketura.
1. Ary Abrahama nampaka-bady indray, Ketora no anarany.
2. And she bare him Zimran, and Jokshan, and Medan, and Midian, and Ishbak, and Shuah.
2. Elle lui enfanta Zimran, Jokschan, Medan, Madian, Jischbak et Schuach.
2. Dia niteraka an' i Zimrana sy Joksana sy Medana sy Midiana sy Jisbaka ary Soaha taminy izy.
3. And Jokshan begat Sheba, and Dedan. And the sons of Dedan were Asshurim, and Letushim, and Leummim.
3. Jokschan engendra Séba et Dedan. Les fils de Dedan furent les Aschurim, les Letuschim et les Leummim.
3. Ary Joksana niteraka an' i Sheba sy Dedana. Ary ny zanakalahin' i Dedana dia Asorima sy Letosima ary Leomima.
4. And the sons of Midian; Ephah, and Epher, and Hanoch, and Abidah, and Eldaah. All these were the children of Keturah.
4. Les fils de Madian furent Épha, Épher, Hénoc, Abida et Eldaa. -Ce sont là tous les fils de Ketura.
4. Ary ny zanakalahin' i Midiana dia Efaha sy Efera sy Hanoka sy Abida ary Eldaha. Ireo rehetra ireo no zanak' i Ketora.
5. And Abraham gave all that he had unto Isaac.
5. Abraham donna tous ses biens à Isaac.
5. Dia nomen' i Abrahama an' Isaka izay rehetra nananany.
6. But unto the sons of the concubines, which Abraham had, Abraham gave gifts, and sent them away from Isaac his son, while he yet lived, eastward, unto the east country.
6. "Il fit des dons aux fils de ses concubines; et, tandis qu`il vivait encore, il les envoya loin de son fils Isaac du côté de l`orient, dans le pays d`Orient."
6. Fa ny zanak' ireo vaditsindrano izay nananan' i Abrahama, dia notoloran' i Abrahama fanomezana, ka nampandehaniny hiala amin' Isaka zanany, dieny mbola velona izy, hiantsinanana ho any amin' ny tany atsinanana.
7. And these are the days of the years of Abraham's life which he lived, an hundred threescore and fifteen years.
7. Voici les jours des années de la vie d`Abraham: il vécut cent soixante quinze ans.
7. Ary ny andro niainan' i Abrahama dia dimy amby fitopolo amby zato taona.
8. Then Abraham gave up the ghost, and died in a good old age, an old man, and full of years; and was gathered to his people.
8. Abraham expira et mourut, après une heureuse vieillesse, âgé et rassasié de jours, et il fut recueilli auprès de son peuple.
8. "Dia nanolotra ny fanahiny Abrahama ka maty, rehefa tsara fahanterana, zokiolona sy voky andro; dia nangonina any amin' ny razany izy."
9. And his sons Isaac and Ishmael buried him in the cave of Machpelah, in the field of Ephron the son of Zohar the Hittite, which is before Mamre;
9. Isaac et Ismaël, ses fils, l`enterrèrent dans la caverne de Macpéla, dans le champ d`Éphron, fils de Tsochar, le Héthien, vis-à-vis de Mamré.
9. "Ary nalevin' Isaka sy Isimaela zanany tao amin' ny zohy ao Makpela izy, tao amin' ny sahan' i Efrona, zanak' i Zohara Hetita, izay tandrifin' i Mamre;"
10. The field which Abraham purchased of the sons of Heth: there was Abraham buried, and Sarah his wife.
10. C`est le champ qu`Abraham avait acquis des fils de Heth. Là furent enterrés Abraham et Sara, sa femme.
10. "Dia ilay saha izay novinidin' i Abrahama tamin' ny taranak' i Heta; tao no nandevenana an' i Abrahama sy Saraha vadiny."
11. And it came to pass after the death of Abraham, that God blessed his son Isaac; and Isaac dwelt by the well Lahairoi.
11. Après la mort d`Abraham, Dieu bénit Isaac, son fils. Il habitait près du puits de Lachaï roï.
11. "Ary izao no niseho taorian' ny nahafatesan' i Abrahama: Notahin' Andriamanitra Isaka zanany; ary nonina teo akaikin' ny fantsakana Lahairoy Isaka."
Ishmael's Sons
12. Now these are the generations of Ishmael, Abraham's son, whom Hagar the Egyptian, Sarah's handmaid, bare unto Abraham:
12. Voici la postérité d`Ismaël, fils d`Abraham, qu`Agar, l`Égyptienne, servante de Sara, avait enfanté à Abraham.
12. Ary izao no taranak' Isimaela, zanakalahin' i Abrahama izay naterak' i Hagara, ilay Egyptiana, mpanompovavin' i Saraha, tamin' i Abrahama :
13. And these are the names of the sons of Ishmael, by their names, according to their generations: the firstborn of Ishmael, Nebajoth; and Kedar, and Adbeel, and Mibsam,
13. Voici les noms des fils d`Ismaël, par leurs noms, selon leurs générations: Nebajoth, premier-né d`Ismaël, Kédar, Adbeel, Mibsam,
13. Izao no anaran' ny zanakalahin' Isimaela, araka ny anarany sy araka ny taranany: Nebaiota lahimatoan' Isimaela, sy Kedara sy Adbela sy Mibsama,
14. And Mishma, and Dumah, and Massa,
14. Mischma, Duma, Massa,
14. Sy Misma sy Doma sy Masa,
15. Hadar, and Tema, Jetur, Naphish, and Kedemah:
15. Hadad, Théma, Jethur, Naphisch et Kedma.
15. Sy Hadada sy Tema sy Jetora sy Nafisy ary Kedema.
16. These are the sons of Ishmael, and these are their names, by their towns, and by their castles; twelve princes according to their nations.
16. "Ce sont là les fils d`Ismaël; ce sont là leurs noms, selon leurs parcs et leurs enclos. Ils furent les douze chefs de leurs peuples."
16. Ireo no zanakalahin' Isimaela, ary ireo no anarany, araka ny tanànany sy ny lapany, andriana roa ambin' ny folo araka ny fireneny.
17. And these are the years of the life of Ishmael, an hundred and thirty and seven years: and he gave up the ghost and died; and was gathered unto his people.
17. Et voici les années de la vie d`Ismaël: cent trente-sept ans. Il expira et mourut, et il fut recueilli auprès de son peuple.
17. "Ary ny andro niainan' Isimaela dia fito amby telopolo amby zato taona; ary nanolotra ny fanahiny izy ka maty, dia voangona any amin' ny razany."
18. And they dwelt from Havilah unto Shur, that is before Egypt, as thou goest toward Assyria: and he died in the presence of all his brethren.
18. Ses fils habitèrent depuis Havila jusqu`à Schur, qui est en face de l`Égypte, en allant vers l`Assyrie. Il s`établit en présence de tous ses frères.
18. "Ary ny taranany dia nonina hatrany Havila ka hatrany Sora, izay tandrifin' i Egypta amin' ny lalana mankany Asyria; dia maty teo anatrehan' ny rahalahiny rehetra izy."
Jacob and Esau
19. And these are the generations of Isaac, Abraham's son: Abraham begat Isaac:
19. Voici la postérité d`Isaac, fils d`Abraham.
19. Ary izao no taranak' Isaka, zanakalahin' i Abrahama: Abrahama niteraka an' Isaka.
20. And Isaac was forty years old when he took Rebekah to wife, the daughter of Bethuel the Syrian of Padanaram, the sister to Laban the Syrian.
20. Abraham engendra Isaac. Isaac était âgé de quarante ans, quand il prit pour femme Rebecca, fille de Bethuel, l`Araméen, de Paddan Aram, et soeur de Laban, l`Araméen.
20. Ary efapolo taona Isaka raha nampakatra an-dRebeka, zanakavavin' i Betoela Syriana avy any Padan-arama, sady anabavin' i Labana Syriana.
21. And Isaac intreated the LORD for his wife, because she was barren: and the LORD was intreated of him, and Rebekah his wife conceived.
21. Isaac implora l`Éternel pour sa femme, car elle était stérile, et l`Éternel l`exauça: Rebecca, sa femme, devint enceinte.
21. "Ary nitalaho tamin' i Jehovah ho an' ny vadiny Isaka, satria momba izy; ary nohenoin' i Jehovah ny fitalahoany, ka nanana anaka Rebeka vadiny."
22. And the children struggled together within her; and she said, If it be so, why am I thus? And she went to enquire of the LORD.
22. "Les enfants se heurtaient dans son sein; et elle dit: S`il en est ainsi, pourquoi suis-je enceinte? Elle alla consulter l`Éternel."
22. "Dia nifanosika ny zaza tao an-kibony; ary hoy Rebeka: Raha izany nahoana aho no toy izao? Dia lasa nanontany an' i Jehovah izy."
23. And the LORD said unto her, Two nations are in thy womb, and two manner of people shall be separated from thy bowels; and the one people shall be stronger than the other people; and the elder shall serve the younger.
23. "Et l`Éternel lui dit: Deux nations sont dans ton ventre, et deux peuples se sépareront au sortir de tes entrailles; un de ces peuples sera plus fort que l`autre, et le plus grand sera assujetti au plus petit."
23. "Ary hoy Jehovah taminy: Firenena roa no ao an-kibonao; ary roa karazana ny vahoaka hisaraka hatrao am-bohokao; ary ny vahoaka iray hahery noho ny vahoaka iray; ka ny zokiny hanompo ny zandriny."
24. And when her days to be delivered were fulfilled, behold, there were twins in her womb.
24. "Les jours où elle devait accoucher s`accomplirent; et voici, il y avait deux jumeaux dans son ventre."
24. Ary rehefa tonga ny andro niterahany, indreo nisy zaza kambana tao an-kibony.
25. And the first came out red, all over like an hairy garment; and they called his name Esau.
25. "Le premier sortit entièrement roux, comme un manteau de poil; et on lui donna le nom d`Ésaü."
25. Ilay teraka voalohany dia mena ary tahaka ny fitafiana voloina ny tenany manontolo ka nataony hoe: Esao no anarany.
26. And after that came his brother out, and his hand took hold on Esau's heel; and his name was called Jacob: and Isaac was threescore years old when she bare them.
26. "Ensuite sortit son frère, dont la main tenait le talon d`Ésaü; et on lui donna le nom de Jacob. Isaac était âgé de soixante ans, lorsqu`ils naquirent."
26. "Ary taorian' izany dia teraka ny rahalahiny, ka ny tanany nihazona ny ombelahin-tongotr' i Esao, ary ny anarany nataony hoe: Jakoba; ary efa enimpolo taona Isaka raha niteraka azy ireo Rebeka."
27. And the boys grew: and Esau was a cunning hunter, a man of the field; and Jacob was a plain man, dwelling in tents.
27. "Ces enfants grandirent. Ésaü devint un habile chasseur, un homme des champs; mais Jacob fut un homme tranquille, qui restait sous les tentes."
27. "Dia nitombo ireo zazalahy ireo; ka Esao dia mpihaza mahay, mpianefitra, fa Jakoba dia lehilahy tsotra sady mpitoetra an-day."
28. And Isaac loved Esau, because he did eat of his venison: but Rebekah loved Jacob.
28. "Isaac aimait Ésaü, parce qu`il mangeait du gibier; et Rebecca aimait Jacob."
28. "Ary Isaka tia an' i Esao, satria nankafy ny hazany; fa Rebeka kosa tia an' i Jakoba."
29. And Jacob sod pottage: and Esau came from the field, and he was faint:
29. Comme Jacob faisait cuire un potage, Ésaü revint des champs, accablé de fatigue.
29. "Ary nahandro ro Jakoba; ary niverina avy tany an-tsaha Esao ka reraka izy."
30. And Esau said to Jacob, Feed me, I pray thee, with that same red pottage; for I am faint: therefore was his name called Edom.
30. Et Ésaü dit à Jacob: Laisse-moi, je te prie, manger de ce roux, de ce roux-là, car je suis fatigué. C`est pour cela qu`on a donné à Ésaü le nom d`Édom.
30. Dia hoy Esao tamin' i Jakoba: Masìna ianao, mba hanomezo ahy hohaniko io mena io, fa reraka aho. Izany no nanaovana ny anarany hoe: Edoma.
31. And Jacob said, Sell me this day thy birthright.
31. Jacob dit: Vends-moi aujourd`hui ton droit d`aînesse.
31. Dia hoy Jakoba: Amidio amiko anio ny fizokianao.
32. And Esau said, Behold, I am at the point to die: and what profit shall this birthright do to me?
32. "Ésaü répondit: Voici, je m`en vais mourir; à quoi me sert ce droit d`aînesse?"
32. "Ary hoy Esao: Indro, efa ho faty aho; ka mahasoa inona amiko izay fizokiana?"
33. And Jacob said, Swear to me this day; and he sware unto him: and he sold his birthright unto Jacob.
33. Et Jacob dit: Jure-le moi d`abord. Il le lui jura, et il vendit son droit d`aînesse à Jacob.
33. "Ary hoy Jakoba: Mianiàna amiko ianao anio; dia nianiana taminy izy, ka namidiny tamin' i Jakoba ny fizokiany."
34. Then Jacob gave Esau bread and pottage of lentiles; and he did eat and drink, and rose up, and went his way: thus Esau despised his birthright.
34. Alors Jacob donna à Ésaü du pain et du potage de lentilles. Il mangea et but, puis se leva et s`en alla. C`est ainsi qu`Ésaü méprisa le droit d`aînesse.
34. "Ary nanome mofo sy rom-boanemba an' i Esao i Jakoba; dia nihinana sy nisotro izy, ary nitsangana ka lasa nandeha. Izany no nanamavoan' i Esao ny fizokiany."