Isaac and Rebekah
1. And Abraham was old, and well stricken in age: and the LORD had blessed Abraham in all things.
1. "Abraham était vieux, avancé en âge; et l`Éternel avait béni Abraham en toute chose."
1. "Ary Abrahama dia efa zokiolona sady tena nandroso fahanterana; ary Jehovah efa nitahy an' i Abrahama tamin' ny zavatra rehetra."
2. And Abraham said unto his eldest servant of his house, that ruled over all that he had, Put, I pray thee, thy hand under my thigh:
2. "Abraham dit à son serviteur, le plus ancien de sa maison, l`intendant de tous ses biens: Mets, je te prie, ta main sous ma cuisse;"
2. "Ary hoy Abrahama tamin' ny mpanompony zokiny indrindra tao an-tranony, izay nanapaka ny fananany rehetra: Masìna ianao, ataovy ato ambanin' ny feko ny tananao;"
3. And I will make thee swear by the LORD, the God of heaven, and the God of the earth, that thou shalt not take a wife unto my son of the daughters of the Canaanites, among whom I dwell:
3. et je te ferai jurer par l`Éternel, le Dieu du ciel et le Dieu de la terre, de ne pas prendre pour mon fils une femme parmi les filles des Cananéens au milieu desquels j`habite,
3. Ka hampianianiko amin' i Jehovah Andriamanitry ny lanitra sy Andriamanitry ny tany ianao, fa tsy haka vady ho an' ny zanako avy amin' ny zanakavavin' ny Kananita izay iarahako monina.
4. But thou shalt go unto my country, and to my kindred, and take a wife unto my son Isaac.
4. mais d`aller dans mon pays et dans ma patrie prendre une femme pour mon fils Isaac.
4. Fa any amin' ny taniko sy any amin' ny fianakaviako no halehanao haka vady ho an' Isaka zanako lahy.
5. And the servant said unto him, Peradventure the woman will not be willing to follow me unto this land: must I needs bring thy son again unto the land from whence thou camest?
5. "Le serviteur lui répondit: Peut-être la femme ne voudra-t-elle pas me suivre dans ce pays-ci; devrai-je mener ton fils dans le pays d`où tu es sorti?"
5. "Ary hoy ilay mpanompony taminy: Angamba tsy hety hanaraka ahy ho aty amin' ity tany ity ny vehivavy; moa tsy maintsy hitondra ny zanakao indray ho any amin' ny tany izay niavianao va aho?"
6. And Abraham said unto him, Beware thou that thou bring not my son thither again.
6. Abraham lui dit: Garde-toi d`y mener mon fils!
6. Ary hoy Abrahama taminy: Tandremo mba tsy hoentinao ho any indray ny zanako.
7. The LORD God of heaven, which took me from my father's house, and from the land of my kindred, and which spake unto me, and that sware unto me, saying, Unto thy seed will I give this land; he shall send his angel before thee, and thou shalt take a wife unto my son from thence.
7. "L`Éternel, le Dieu du ciel, qui m`a fait sortir de la maison de mon père et de ma patrie, qui m`a parlé et qui m`a juré, en disant: Je donnerai ce pays à ta postérité, lui-même enverra son ange devant toi; et c`est de là que tu prendras une femme pour mon fils."
7. "Jehovah Andriamanitry ny lanitra, Izay naka ahy avy tamin' ny tranon' ny raiko, sy avy tamin' ny tanin' ny fianakaviako, sady niteny tamiko sy nianiana tamiko hoe: Ny taranakao no homeko ity tany ity; haniraka ny anjeliny eo alohanao Izy, ka any no hakanao vady ho an' ny zanako."
8. And if the woman will not be willing to follow thee, then thou shalt be clear from this my oath: only bring not my son thither again.
8. Si la femme ne veut pas te suivre, tu seras dégagé de ce serment que je te fais faire. Seulement, tu n`y mèneras pas mon fils.
8. "Ary raha tsy hety hanaraka anao ny vehivavy dia ho afaka amin' izao fampianianako izao ianao; fa izao ihany: Aza entina any indray ny zanako."
9. And the servant put his hand under the thigh of Abraham his master, and sware to him concerning that matter.
9. Le serviteur mit sa main sous la cuisse d`Abraham, son seigneur, et lui jura d`observer ces choses.
9. Ary nataon'ilay mpanompo tambanin' ny fen' i Abrahama tompony ny tanany, ka nianiana taminy ny amin' izany zavatra izany izy.
10. And the servant took ten camels of the camels of his master, and departed; for all the goods of his master were in his hand: and he arose, and went to Mesopotamia, unto the city of Nahor.
10. Le serviteur prit dix chameaux parmi les chameaux de son seigneur, et il partit, ayant à sa disposition tous les biens de son seigneur. Il se leva, et alla en Mésopotamie, à la ville de Nachor.
10. "Ary naka rameva folo tamin' ny ramevan' ny tompony ilay mpanompo ka lasa; satria ny fananana rehetra izay an' ny tompony dia teo am-pelatanany; dia niainga izy ka nankany Mesopotamia ho any an-tanànan' i Nahora."
11. And he made his camels to kneel down without the city by a well of water at the time of the evening, even the time that women go out to draw water.
11. Il fit reposer les chameaux sur leurs genoux hors de la ville, près d`un puits, au temps du soir, au temps où sortent celles qui vont puiser de l`eau.
11. Ary nampandohalehiny teo ivelan' ny tanàna tanilan' ny lavaka fantsakan-drano iray ny ramevany tamin' ny hariva, dia ilay fotoana fivoahan' ny vehivavy hantsaka rano.
12. And he said, O LORD God of my master Abraham, I pray thee, send me good speed this day, and shew kindness unto my master Abraham.
12. Et il dit: Éternel, Dieu de mon seigneur Abraham, fais-moi, je te prie, rencontrer aujourd`hui ce que je désire, et use de bonté envers mon seigneur Abraham!
12. Dia hoy izy: Jehovah Andriamanitr' i Abrahama tompoko ô, mangataka aminao aho, ambino aho anio, ary manehoa fahatsaram-panahy amin' i Abrahama tompoko.
13. Behold, I stand here by the well of water; and the daughters of the men of the city come out to draw water:
13. Voici, je me tiens près de la source d`eau, et les filles des gens de la ville vont sortir pour puiser l`eau.
13. "Indro, mijanona eto anilan' ny fantsakan-drano aho; ary ny zanakavavin' ny olona ao an-tanàna mivoaka hantsaka rano:"
14. And let it come to pass, that the damsel to whom I shall say, Let down thy pitcher, I pray thee, that I may drink; and she shall say, Drink, and I will give thy camels drink also: let the same be she that thou hast appointed for thy servant Isaac; and thereby shall I know that thou hast shewed kindness unto my master.
14. Que la jeune fille à laquelle je dirai: Penche ta cruche, je te prie, pour que je boive, et qui répondra: Bois, et je donnerai aussi à boire à tes chameaux, soit celle que tu as destinée à ton serviteur Isaac! Et par là je connaîtrai que tu uses de bonté envers mon seigneur.
14. "Koa aoka anie izao no hiseho; ny zazavavy izay hilazako hoe: Masìna ianao, mba aondreho kely ny sininao hisotroako; ary izy hamaly hoe: Misotroa, sady hampisotro ny ramevanao koa aho; dia aoka izy no ho voatendrinao ho an' Isaka mpanomponao; ary amin' izany no hahafantarako fa efa naneho fahatsaram-panahy tamin' ny tompoko ianao."
15. And it came to pass, before he had done speaking, that, behold, Rebekah came out, who was born to Bethuel, son of Milcah, the wife of Nahor, Abraham's brother, with her pitcher upon her shoulder.
15. Il n`avait pas encore fini de parler que sortit, sa cruche sur l`épaule, Rebecca, née de Bethuel, fils de Milca, femme de Nachor, frère d`Abraham.
15. Ary izao no niseho, raha tsy mbola nitsaha-niteny izy, dia indro tamy Rebeka, izay naterak' i Betoela, zanakalahin' i Milka, vadin' i Nahora, rahalahin' i Abrahama, niaraka tamin' ny sininy teny an-tsorony.
16. And the damsel was very fair to look upon, a virgin, neither had any man known her: and she went down to the well, and filled her pitcher, and came up.
16. "C`était une jeune fille très belle de figure; elle était vierge, et aucun homme ne l`avait connue. Elle descendit à la source, remplit sa cruche, et remonta."
16. "Ary ilay zazavavy dia tsara tarehy indrindra sady virijina, ka tsy mbola nisy lehilahy nahalala azy; ary nidina nankeo amin' ny fantsakana izy ka nameno ny sininy, dia niakatra."
17. And the servant ran to meet her, and said, Let me, I pray thee, drink a little water of thy pitcher.
17. Le serviteur courut au-devant d`elle, et dit: Laisse-moi boire, je te prie, un peu d`eau de ta cruche.
17. Ary ilay mpanompo nihazakazaka nitsena azy ka nanao hoe: Masìna ianao, avelao aho hisotro rano kely avy amin' ny sininao.
18. And she said, Drink, my lord: and she hasted, and let down her pitcher upon her hand, and gave him drink.
18. Elle répondit: Bois, mon seigneur. Et elle s`empressa d`abaisser sa cruche sur sa main, et de lui donner à boire.
18. "Ary hoy razazavavy: Misotroa, tompokolahy; ary niaraka tamin' izay dia nampidina ny sininy teo amin' ny tanany izy ka nampisotro azy."
19. And when she had done giving him drink, she said, I will draw water for thy camels also, until they have done drinking.
19. Quand elle eut achevé de lui donner à boire, elle dit: Je puiserai aussi pour tes chameaux, jusqu`à ce qu`ils aient assez bu.
19. Ary rehefa avy nampisotro azy izy, dia hoy razazavavy: Hantsakako rano koa ny ramevanao ambara-pahatapiny misotro.
20. And she hasted, and emptied her pitcher into the trough, and ran again unto the well to draw water, and drew for all his camels.
20. "Et elle s`empressa de vider sa cruche dans l`abreuvoir, et courut encore au puits pour puiser; et elle puisa pour tous les chameaux."
20. Ary dia naidiny faingana ny rano tao an-tsininy ho eo amin' ny tavy fisotroana, dia nihazakazaka indray nankeo amin' ny fantsakana izy hantsaka ka dia nakany rano ny ramevany rehetra.
21. And the man wondering at her held his peace, to wit whether the LORD had made his journey prosperous or not.
21. L`homme la regardait avec étonnement et sans rien dire, pour voir si l`Éternel faisait réussir son voyage, ou non.
21. Ary ralehilahy nandinika azy tsara sady nangina, mba hahafantarany na efa nambinin' i Jehovah ny nalehany na tsia.
22. And it came to pass, as the camels had done drinking, that the man took a golden earring of half a shekel weight, and two bracelets for her hands of ten shekels weight of gold;
22. Quand les chameaux eurent fini de boire, l`homme prit un anneau d`or, du poids d`un demi-sicle, et deux bracelets, du poids de dix sicles d`or.
22. "Ary izao no niseho, rehefa tapi-nisotro ny rameva, dia nalain-dralehilahy ny kavina volamena iray lanjan' ny antsasan-tsekely sy haba volamena roa lanjan' ny sekely folo;"
23. And said, Whose daughter art thou? tell me, I pray thee: is there room in thy father's house for us to lodge in?
23. Et il dit: De qui es-tu fille? dis-le moi, je te prie. Y a-t-il dans la maison de ton père de la place pour passer la nuit?
23. "Ary hoy izy: Zanakavavin' iza moa ianao? Masìna ianao, mba lazao ahy; moa misy azonay handriana va ao an-tranon' ny rainao?"
24. And she said unto him, I am the daughter of Bethuel the son of Milcah, which she bare unto Nahor.
24. Elle répondit: Je suis fille de Bethuel, fils de Milca et de Nachor.
24. Ary hoy razazavavy taminy: Zanakavavin' i Betoela, zanakalahin' i Milka, izay naterany tamin' i Nahora, aho.
25. She said moreover unto him, We have both straw and provender enough, and room to lodge in.
25. Elle lui dit encore: Il y a chez nous de la paille et du fourrage en abondance, et aussi de la place pour passer la nuit.
25. Dia hoy izy: Na ny mololo na ny vilona dia manana betsaka izahay, sady misy ny trano handriana.
26. And the man bowed down his head, and worshipped the LORD.
26. Alors l`homme s`inclina et se prosterna devant l`Éternel,
26. Dia nanondrika ny lohany ralehilahy ka niankohoka tamin' i Jehovah.
27. And he said, Blessed be the LORD God of my master Abraham, who hath not left destitute my master of his mercy and his truth: I being in the way, the LORD led me to the house of my master's brethren.
27. en disant: Béni soit l`Éternel, le Dieu de mon seigneur Abraham, qui n`a pas renoncé à sa miséricorde et à sa fidélité envers mon seigneur! Moi-même, l`Éternel m`a conduit à la maison des frères de mon seigneur.
27. "Ary hoy izy: Isaorana anie Jehovah Andriamanitr' i Abrahama tompoko, Izay tsy nanaisotra ny famindrampony sy ny fahamarinany tamin' ny tompoko; fa raha teny an-dalana aho, dia notarihan' i Jehovah ho amin' ny ankohonan' ny rahalahin' ny tompoko."
28. And the damsel ran, and told them of her mother's house these things.
28. La jeune fille courut raconter ces choses à la maison de sa mère.
28. Dia nihazakazaka razazavavy ka nanambara izany zavatra izany tamin' ireo tao an-tranon' ny reniny.
29. And Rebekah had a brother, and his name was Laban: and Laban ran out unto the man, unto the well.
29. Rebecca avait un frère, nommé Laban. Et Laban courut dehors vers l`homme, près de la source.
29. "Ary nanana anadahy Rebeka, ka ny anarany dia Labana; ary nihazakazaka nivoaka ho any amin-dralehilahy teo am-pantsakana Labana."
30. And it came to pass, when he saw the earring and bracelets upon his sister's hands, and when he heard the words of Rebekah his sister, saying, Thus spake the man unto me; that he came unto the man; and, behold, he stood by the camels at the well.
30. Il avait vu l`anneau et les bracelets aux mains de sa soeur, et il avait entendu les paroles de Rebecca, sa soeur, disant: Ainsi m`a parlé l`homme. Il vint donc à cet homme qui se tenait auprès des chameaux, vers la source,
30. Ary izao no niseho, rehefa hitany ny kavina sy ny haba teny an-tanan' ny anabaviny, ka reny ny tenin' i Rebeka anabaviny nanao hoe: Izany no nolazain-dralehilahy tamiko, dia nankeo amin-dralehilahy izy, ary indro, nijanona teo anilan' ny rameva teo am-pantsakana ralehilahy.
31. And he said, Come in, thou blessed of the LORD; wherefore standest thou without? for I have prepared the house, and room for the camels.
31. et il dit: Viens, béni de l`Éternel! Pourquoi resterais-tu dehors? J`ai préparé la maison, et une place pour les chameaux.
31. "Ary hoy Labana: Mandrosoa, ry ilay notahin' i Jehovah; Nahoana no mijanona eto ivelany ianao? Fa efa namboatra ny trano sy toerana ho an' ny rameva aho."
32. And the man came into the house: and he ungirded his camels, and gave straw and provender for the camels, and water to wash his feet, and the men's feet that were with him.
32. L`homme arriva à la maison. Laban fit décharger les chameaux, et il donna de la paille et du fourrage aux chameaux, et de l`eau pour laver les pieds de l`homme et les pieds des gens qui étaient avec lui.
32. "Dia niditra tao an-trano ralehilahy; ary Labana dia namaha ny entana tamin' ny ramevany ka nanome mololo sy vilona ho an' ny rameva ary rano hanasana ny tongo-dralehilahy sy ny tongotry ny olona izay nomba azy."
33. And there was set meat before him to eat: but he said, I will not eat, until I have told mine errand. And he said, Speak on.
33. Puis, il lui servit à manger. Mais il dit: Je ne mangerai point, avant d`avoir dit ce que j`ai à dire. Parle! dit Laban.
33. "Dia norosoana hanina teo anoloany; fa hoy izy: Tsy hihinana aho, raha tsy voalazako ny raharahako. Ary hoy Labana: Lazao àry."
34. And he said, I am Abraham's servant.
34. Alors il dit: Je suis serviteur d`Abraham.
34. Dia hoy ralehilahy: Mpanompon' i Abrahama aho.
35. And the LORD hath blessed my master greatly; and he is become great: and he hath given him flocks, and herds, and silver, and gold, and menservants, and maidservants, and camels, and asses.
35. L`Éternel a comblé de bénédictions mon seigneur, qui est devenu puissant. Il lui a donné des brebis et des boeufs, de l`argent et de l`or, des serviteurs et des servantes, des chameaux et des ânes.
35. "Ary Jehovah efa nitahy ny tompoko indrindra ka efa nihalehibe izy; ary izy efa nomeny ondry aman' osy sy omby, ary volafotsy sy volamena ary mpanompolahy sy mpanompovavy ary rameva sy boriky."
36. And Sarah my master's wife bare a son to my master when she was old: and unto him hath he given all that he hath.
36. "Sara, la femme de mon seigneur, a enfanté dans sa vieillesse un fils à mon seigneur; et il lui a donné tout ce qu`il possède."
36. "Ary rehefa antitra Saraha vadin' ny tompoko dia niteraka zazalahy tamin' ny tompoko izy; ary efa natolony azy izay rehetra nananany."
37. And my master made me swear, saying, Thou shalt not take a wife to my son of the daughters of the Canaanites, in whose land I dwell:
37. "Mon seigneur m`a fait jurer, en disant: Tu ne prendras pas pour mon fils une femme parmi les filles des Cananéens, dans le pays desquels j`habite;"
37. "Ary efa nampianiana ahy ny tompoko nanao hoe: Aza maka vady ho an' ny zanako avy amin' ny zanakavavin' ny Kananita, tompon' ny tany onenako;"
38. But thou shalt go unto my father's house, and to my kindred, and take a wife unto my son.
38. mais tu iras dans la maison de mon père et de ma famille prendre une femme pour mon fils.
38. Fa any amin' ny tranon' Ikaky sy ny fianakaviako no halehanao ka hakanao vady ho an' ny zanako.
39. And I said unto my master, Peradventure the woman will not follow me.
39. J`ai dit à mon seigneur: Peut-être la femme ne voudra-t-elle pas me suivre.
39. Ary hoy aho tamin' ny tompoko: Angamba tsy hety hanaraka ahy ny vehivavy.
40. And he said unto me, The LORD, before whom I walk, will send his angel with thee, and prosper thy way; and thou shalt take a wife for my son of my kindred, and of my father's house:
40. "Et il m`a répondu: L`Éternel, devant qui j`ai marché, enverra son ange avec toi, et fera réussir ton voyage; et tu prendras pour mon fils une femme de la famille et de la maison de mon père."
40. "Ary hoy izy tamiko: Jehovah, Izay handehanako eo anatrehany, dia haniraka ny anjeliny homba anao sy hanambina ny alehanao, ary haka vady ho an' ny zanako ianao avy amin' ny fianakaviako, sy avy amin' ny tranon' Ikaky;"
41. Then shalt thou be clear from this my oath, when thou comest to my kindred; and if they give not thee one, thou shalt be clear from my oath.
41. "Tu seras dégagé du serment que tu me fais, quand tu auras été vers ma famille; si on ne te l`accorde pas, tu seras dégagé du serment que tu me fais."
41. "Dia ho afaka amin' izao fampianianako izao ianao, raha tonga any amin' ny fianakaviako; ary raha tsy manome anao rizareo, dia ho afaka amin' ny fampianianako ianao."
42. And I came this day unto the well, and said, O LORD God of my master Abraham, if now thou do prosper my way which I go:
42. Je suis arrivé aujourd`hui à la source, et j`ai dit: Éternel, Dieu de mon seigneur Abraham, si tu daignes faire réussir le voyage que j`accomplis,
42. "Ary tonga teo amin' ny fantsakana aho androany, ka hoy aho: Jehovah ô, Andriamanitr' i Abrahama tompoko, raha hanambina ny lalana alehako tokoa Ianao anio;"
43. Behold, I stand by the well of water; and it shall come to pass, that when the virgin cometh forth to draw water, and I say to her, Give me, I pray thee, a little water of thy pitcher to drink;
43. voici, je me tiens près de la source d`eau, et que la jeune fille qui sortira pour puiser, à qui je dirai: Laisse-moi boire, je te prie, un peu d`eau de ta cruche, et qui me répondra:
43. "Indro, mijanona eto anilan' ny fantsakan-drano aho; ary izao no hiseho, raha avy izay virijina hantsaka rano ka hilazako hoe: Masìna ianao, omeo rano kely avy amin' ny sininao aho hosotroiko ;"
44. And she say to me, Both drink thou, and I will also draw for thy camels: let the same be the woman whom the LORD hath appointed out for my master's son.
44. Bois toi-même, et je puiserai aussi pour tes chameaux, que cette jeune fille soit la femme que l`Éternel a destinée au fils de mon seigneur!
44. "Ka hiteny amiko izy hoe: Misotroa ianao, ary hantsakako koa ny ramevanao; izy no aoka ho ilay vehivavy voatendrin' i Jehovah ho an' ny zanakalahin' ny tompoko."
45. And before I had done speaking in mine heart, behold, Rebekah came forth with her pitcher on her shoulder; and she went down unto the well, and drew water: and I said unto her, Let me drink, I pray thee.
45. "Avant que j`eusse fini de parler en mon coeur, voici, Rebecca est sortie, sa cruche sur l`épaule; elle est descendue à la source, et a puisé. Je lui ai dit: Donne-moi à boire, je te prie."
45. "Ary raha tsy mbola nitsaha-niteny tao am-poko aho, indro, nivoaka Rebeka niaraka tamin' ny sininy teny an-tsorony, dia nidina nankeo amin' ny fantsakana izy, ka naka rano; ary hoy aho taminy: Masìna ianao, aoka aho mba hisotro."
46. And she made haste, and let down her pitcher from her shoulder, and said, Drink, and I will give thy camels drink also: so I drank, and she made the camels drink also.
46. Elle s`est empressée d`abaisser sa cruche de dessus son épaule, et elle a dit: Bois, et je donnerai aussi à boire à tes chameaux. J`ai bu, et elle a aussi donné à boire à mes chameaux.
46. "Dia nampidininy faingana avy teo an-tsorony ny sininy, ka hoy izy: Misotroa, ary hampisotroiko koa ny ramevanao; dia nisotro aho, ary nampisotroiny koa ny rameva."
47. And I asked her, and said, Whose daughter art thou? And she said, The daughter of Bethuel, Nahor's son, whom Milcah bare unto him: and I put the earring upon her face, and the bracelets upon her hands.
47. Je l`ai interrogée, et j`ai dit: De qui es-tu fille? Elle a répondu: Je suis fille de Bethuel, fils de Nachor et de Milca. J`ai mis l`anneau à son nez, et les bracelets à ses mains.
47. "Dia nanontany azy aho ka nanao hoe: Zanakavavin' iza moa ianao? Ary hoy izy: Zanakavavin' i Betoela, zanakalahin' i Nahora, izay naterak' i Milka taminy; dia nataoko teo an' orony ny kavina, ary ny haba teo amin' ny tanany."
48. And I bowed down my head, and worshipped the LORD, and blessed the LORD God of my master Abraham, which had led me in the right way to take my master's brother's daughter unto his son.
48. Puis je me suis incliné et prosterné devant l`Éternel, et j`ai béni L`Éternel, le Dieu de mon seigneur Abraham, qui m`a conduit fidèlement, afin que je prisse la fille du frère de mon seigneur pour son fils.
48. Dia nanondrika ny lohako aho ka niankohoka teo anatrehan' i Jehovah, dia nisaotra an' i Jehovah Andriamanitr' i Abrahama tompoko, Izay efa nitondra ahy tamin' ny lalana marina haka ny zanakavavin' ny rahalahin' ny tompoko ho an' ny zanany.
49. And now if ye will deal kindly and truly with my master, tell me: and if not, tell me; that I may turn to the right hand, or to the left.
49. "Maintenant, si vous voulez user de bienveillance et de fidélité envers mon seigneur, déclarez-le-moi; sinon, déclarez-le-moi, et je me tournerai à droite ou à gauche."
49. "Koa ankehitriny, raha hanao izay soa sy marina amin' ny tompoko ianareo, dia lazao amiko; fa raha tsy izany, dia lazao amiko, mba hiviliako ho amin' ny ankavanana na ho amin' ny ankavia."
50. Then Laban and Bethuel answered and said, The thing proceedeth from the LORD: we cannot speak unto thee bad or good.
50. "Laban et Bethuel répondirent, et dirent: C`est de l`Éternel que la chose vient; nous ne pouvons te parler ni en mal ni en bien."
50. "Dia namaly Labana sy Betoela ka nanao hoe: Avy amin' i Jehovah no nisehoan' izany zavatra izany; tsy afaka hilaza teny aminao izahay na ratsy na soa."
51. Behold, Rebekah is before thee, take her, and go, and let her be thy master's son's wife, as the LORD hath spoken.
51. "Voici Rebecca devant toi; prends et va, et qu`elle soit la femme du fils de ton seigneur, comme l`Éternel l`a dit."
51. "Indro, Rebeka eto anatrehanao, ento izy, ka mandehana; ary aoka ho vadin' ny zanaky ny tomponao izy, araka izay nolazain' i Jehovah."
52. And it came to pass, that, when Abraham's servant heard their words, he worshipped the LORD, bowing himself to the earth.
52. Lorsque le serviteur d`Abraham eut entendu leurs paroles, il se prosterna en terre devant l`Éternel.
52. Ary izao no niseho, rehefa nandre ny tenin-drizareo ilay mpanompon' i Abrahama, dia niankohoka tamin' ny tany teo anatrehan' i Jehovah izy.
53. And the servant brought forth jewels of silver, and jewels of gold, and raiment, and gave them to Rebekah: he gave also to her brother and to her mother precious things.
53. "Et le serviteur sortit des objets d`argent, des objets d`or, et des vêtements, qu`il donna à Rebecca; il fit aussi de riches présents à son frère et à sa mère."
53. "Ary ilay mpanompo dia namoaka firavaka volafotsy sy firavaka volamena ary fitafiana, ka nomeny an-dRebeka izany; nomeny zava-tsoa koa ny anadahiny sy ny reniny."
54. And they did eat and drink, he and the men that were with him, and tarried all night; and they rose up in the morning, and he said, Send me away unto my master.
54. Après quoi, ils mangèrent et burent, lui et les gens qui étaient avec lui, et ils passèrent la nuit. Le matin, quand ils furent levés, le serviteur dit: Laissez-moi retournez vers mon seigneur.
54. "Dia izay vao nihinana sy nisotro izy mbamin' ireo lehilahy nomba azy, ka nijanona tao nandritra ny alina; ary nifoha maraina izy ireo, ka hoy ralehilahy: Alefaso ary aho hankany amin' ny tompoko."
55. And her brother and her mother said, Let the damsel abide with us a few days, at the least ten; after that she shall go.
55. "Le frère et la mère dirent: Que la jeune fille reste avec nous quelque temps encore, une dizaine de jours; ensuite, tu partiras."
55. "Ary hoy ny anadahin-dRebeka sy ny reniny: Aoka hitoetra aty aminay andro vitsivitsy ny zazavavy, hafoloana farafahakeliny; aorian' izany dia handeha izy."
56. And he said unto them, Hinder me not, seeing the LORD hath prospered my way; send me away that I may go to my master.
56. "Il leur répondit: Ne me retardez pas, puisque l`Éternel a fait réussir mon voyage; laissez-moi partir, et que j`aille vers mon seigneur."
56. "Dia hoy ralehilahy tamin' ireo: Aza samponana aho, satria efa nanambina ny alehako Jehovah; alefaso aho mba hankanesako any amin' ny tompoko."
57. And they said, We will call the damsel, and enquire at her mouth.
57. Alors ils répondirent: Appelons la jeune fille et consultons-la.
57. Ary hoy ireo: Aoka hantsointsika ny zazavavy dia hofotopotorana ny teniny.
58. And they called Rebekah, and said unto her, Wilt thou go with this man? And she said, I will go.
58. Ils appelèrent donc Rebecca, et lui dirent: Veux-tu aller avec cet homme? Elle répondit: J`irai.
58. Dia niantso an-dRebeka ireo ka nanao taminy hoe: Handeha hiaraka amin' io lehilahy io va ianao? Ary hoy izy: Handeha aho.
59. And they sent away Rebekah their sister, and her nurse, and Abraham's servant, and his men.
59. Et ils laissèrent partir Rebecca, leur soeur, et sa nourrice, avec le serviteur d`Abraham et ses gens.
59. Dia namoaka an-dRebeka anabaviny sy ny mpitaiza azy ary ilay mpanompon' i Abrahama mbamin' ny olony izy ireo.
60. And they blessed Rebekah, and said unto her, Thou art our sister, be thou the mother of thousands of millions, and let thy seed possess the gate of those which hate them.
60. Ils bénirent Rebecca, et lui dirent: O notre soeur, puisse-tu devenir des milliers de myriades, et que ta postérité possède la porte de ses ennemis!
60. Dia nitsodrano an-dRebeka ireo ka nanao taminy hoe: Ry anabavinay, aoka ho tonga renin' ny an' arivony tapitrisa anie ianao, ary aoka ny taranakao hahazo ny vavahadin' izay mankahala azy.
61. And Rebekah arose, and her damsels, and they rode upon the camels, and followed the man: and the servant took Rebekah, and went his way.
61. "Rebecca se leva, avec ses servantes; elles montèrent sur les chameaux, et suivirent l`homme. Et le serviteur emmena Rebecca, et partit."
61. "Ary niainga Rebeka, mbamin' ny ankizivaviny ka nitaingina rameva, dia nanaraka an-dralehilahy; ary nitondra an-dRebeka ilay mpanompo ka lasa nandeha."
62. And Isaac came from the way of the well Lahairoi; for he dwelt in the south country.
62. Cependant Isaac était revenu du puits de Lachaï roï, et il habitait dans le pays du midi.
62. "Ary efa tonga avy tamin' ny nalehany avy tany amin' ny fantsakana Lahairoy Isaka; fa nonina tany amin' ny tany atsimo izy."
63. And Isaac went out to meditate in the field at the eventide: and he lifted up his eyes, and saw, and, behold, the camels were coming.
63. "Un soir qu`Isaac était sorti pour méditer dans les champs, il leva les yeux, et regarda; et voici, des chameaux arrivaient."
63. "Ary nivoaka Isaka mba hisaintsaina any an-tsaha tamin' ny hariva; dia nanopy ny masony izy ka nahita fa indreny avy manatona ny rameva."
64. And Rebekah lifted up her eyes, and when she saw Isaac, she lighted off the camel.
64. Rebecca leva aussi les yeux, vit Isaac, et descendit de son chameau.
64. Ary nanopy ny masony Rebeka ka nahita an' Isaka, dia nidina niala tamin' ny rameva izy.
65. For she had said unto the servant, What man is this that walketh in the field to meet us? And the servant had said, It is my master: therefore she took a vail, and covered herself.
65. Elle dit au serviteur: Qui est cet homme, qui vient dans les champs à notre rencontre? Et le serviteur répondit: C`est mon seigneur. Alors elle prit son voile, et se couvrit.
65. "Fa hoy izy tamin' ilay mpanompo: Iza moa iry lehilahy mitsangatsangana eny an-tsaha avy mitsena antsika iry? Ary hoy ilay mpanompo: Iny no tompoko; noho izany, dia nandray ny fisalobonana Rebeka, ka nisalobonany."
66. And the servant told Isaac all things that he had done.
66. Le serviteur raconta à Isaac toutes les choses qu`il avait faites.
66. Ary nambaran' ilay mpanompo tamin' Isaka ny zavatra rehetra izay efa nataony.
67. And Isaac brought her into his mother Sarah's tent, and took Rebekah, and she became his wife; and he loved her: and Isaac was comforted after his mother's death.
67. "Isaac conduisit Rebecca dans la tente de Sara, sa mère; il prit Rebecca, qui devint sa femme, et il l`aima. Ainsi fut consolé Isaac, après avoir perdu sa mère."
67. "Ary Isaka dia nampandroso an-dRebeka ho ao an-dain' i Saraha reniny, ka nampakatra azy ho vady; ary tia azy izy: dia nionona Isaka ny amin' ny fahafatesan' ny reniny."