The Covenant of Circumcision
1. And when Abram was ninety years old and nine, the LORD appeared to Abram, and said unto him, I am the Almighty God; walk before me, and be thou perfect.
1. Lorsque Abram fut âgé de quatre-vingt-dix-neuf ans, l`Éternel apparut à Abram, et lui dit: Je suis le Dieu tout puissant. Marche devant ma face, et sois intègre.
1. "Ary rehefa sivy amby sivifolo taona Abrama dia nisehon' i Jehovah izy, ka hoy Izy taminy: Izaho no Andriamanitra Tsitoha; mandehana eo anatrehako, ka aoka ho tsy misy tsiny ianao."
2. And I will make my covenant between me and thee, and will multiply thee exceedingly.
2. J`établirai mon alliance entre moi et toi, et je te multiplierai à l`infini.
2. Ary hanao ny fanekeko ho amiko sy aminao Aho, ka hahamaro anao indrindra.
3. And Abram fell on his face: and God talked with him, saying,
3. "Abram tomba sur sa face; et Dieu lui parla, en disant:"
3. "Dia niankohoka Abrama; ary Andriamanitra niteny taminy ka nanao hoe:"
4. As for me, behold, my covenant is with thee, and thou shalt be a father of many nations.
4. Voici mon alliance, que je fais avec toi. Tu deviendras père d`une multitude de nations.
4. Raha ny Amiko, indro ny fanekeko ho aminao, ka ho rain' ny firenena maro ianao.
5. Neither shall thy name any more be called Abram, but thy name shall be Abraham; for a father of many nations have I made thee.
5. "On ne t`appellera plus Abram; mais ton nom sera Abraham, car je te rends père d`une multitude de nations."
5. Ary ny anaranao tsy hatao hoe Abrama intsony, fa hatao hoe Abrahama ny anaranao, satria efa nataoko ho rain' ny firenena maro ianao.
6. And I will make thee exceeding fruitful, and I will make nations of thee, and kings shall come out of thee.
6. "Je te rendrai fécond à l`infini, je ferai de toi des nations; et des rois sortiront de toi."
6. Dia hahamaro ny taranakao indrindra Aho, ary hanao firenena maro avy aminao Aho, ary hisy mpanjaka hiseho avy aminao.
7. And I will establish my covenant between me and thee and thy seed after thee in their generations for an everlasting covenant, to be a God unto thee, and to thy seed after thee.
7. J`établirai mon alliance entre moi et toi, et tes descendants après toi, selon leurs générations: ce sera une alliance perpétuelle, en vertu de laquelle je serai ton Dieu et celui de ta postérité après toi.
7. Ary haoriko ny fanekeko ho amiko sy aminao mbamin' ny taranakao mandimby anao, sy ny taranak' ireo ho fanekena mandrakizay, mba ho Andriamanitrao sy ny taranakao mandimby anao Aho.
8. And I will give unto thee, and to thy seed after thee, the land wherein thou art a stranger, all the land of Canaan, for an everlasting possession; and I will be their God.
8. Je te donnerai, et à tes descendants après toi, le pays que tu habites comme étranger, tout le pays de Canaan, en possession perpétuelle, et je serai leur Dieu.
8. "Ary homeko anao sy ny taranakao mandimby anao ny tany fivahinianao, dia ny tany Kanana rehetra, ho fananana mandrakizay; ary ho Andriamaniny Aho."
9. And God said unto Abraham, Thou shalt keep my covenant therefore, thou, and thy seed after thee in their generations.
9. Dieu dit à Abraham: Toi, tu garderas mon alliance, toi et tes descendants après toi, selon leurs générations.
9. Ary hoy Andriamanitra tamin' i Abrahama: Noho izany, hitandrina ny fanekeko ianao, sy ny taranakao mandimby anao mbamin' ny taranak' ireo.
10. This is my covenant, which ye shall keep, between me and you and thy seed after thee; Every man child among you shall be circumcised.
10. C`est ici mon alliance, que vous garderez entre moi et vous, et ta postérité après toi: tout mâle parmi vous sera circoncis.
10. Izao no fanekeko ho amiko sy aminao mbamin' ny taranakao mandimby anao, izay hotandremanareo: Hoforàna ny zazalahy rehetra eo aminareo.
11. And ye shall circumcise the flesh of your foreskin; and it shall be a token of the covenant betwixt me and you.
11. "Vous vous circoncirez; et ce sera un signe d`alliance entre moi et vous."
11. "Dia hoforanareo ny hoditry ny lohan' ny filahianareo; ary ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho aminareo izany."
12. And he that is eight days old shall be circumcised among you, every man child in your generations, he that is born in the house, or bought with money of any stranger, which is not of thy seed.
12. A l`âge de huit jours, tout mâle parmi vous sera circoncis, selon vos générations, qu`il soit né dans la maison, ou qu`il soit acquis à prix d`argent de tout fils d`étranger, sans appartenir à ta race.
12. Hoforana izay teraka havaloana eo aminareo, dia ny zazalahy rehetra amin' ny taranakareo izay teraka tao an-trano, na izay novidiam-bola tamin' ny vahiny, ka tsy avy amin' ny taranakao.
13. He that is born in thy house, and he that is bought with thy money, must needs be circumcised: and my covenant shall be in your flesh for an everlasting covenant.
13. "On devra circoncire celui qui est né dans la maison et celui qui est acquis à prix d`argent; et mon alliance sera dans votre chair une alliance perpétuelle."
13. "Tsy maintsy hoforana izay teraka tao an-tranonao, sy izay novidin' ny volanao ; ary ny fanekeko ho ao amin' ny nofonareo ho fanekena mandrakizay."
14. And the uncircumcised man child whose flesh of his foreskin is not circumcised, that soul shall be cut off from his people; he hath broken my covenant.
14. Un mâle incirconcis, qui n`aura pas été circoncis dans sa chair, sera exterminé du milieu de son peuple: il aura violé mon alliance.
14. Ary ny zazalahy tsy voafora, izay tsy mbola noforana ny hoditry ny lohan' ny filahiany, dia hofongorana tsy ho amin' ny fireneny, efa nivadika ny fanekeko izy.
15. And God said unto Abraham, As for Sarai thy wife, thou shalt not call her name Sarai, but Sarah shall her name be.
15. "Dieu dit à Abraham: Tu ne donneras plus à Saraï, ta femme, le nom de Saraï; mais son nom sera Sara."
15. Dia hoy Andriamanitra tamin' i Abrahama: Ny amin' i Saray vadinao, dia tsy mba hataonao Saray intsony ny anarany, fa Saraha no ho anarany.
16. And I will bless her, and give thee a son also of her: yea, I will bless her, and she shall be a mother of nations; kings of people shall be of her.
16. "Je la bénirai, et je te donnerai d`elle un fils; je la bénirai, et elle deviendra des nations; des rois de peuples sortiront d`elle."
16. "Ary hitahy azy Aho ka hampanana zazalahy koa ho anao; eny, hitahy azy Aho, ary ho renin' ny firenena maro izy: Hisy mpanjakan' ny firenena avy aminy."
17. Then Abraham fell upon his face, and laughed, and said in his heart, Shall a child be born unto him that is an hundred years old? and shall Sarah, that is ninety years old, bear?
17. "Abraham tomba sur sa face; il rit, et dit en son coeur: Naîtrait-il un fils à un homme de cent ans? et Sara, âgée de quatre-vingt-dix ans, enfanterait-elle?"
17. Dia niankohoka Abrahama ary nihomehy ka nanao anakampo hoe: Hiteraka va aho, izay efa zato taona, ary hiteraka va Saraha, izay efa sivifolo taona?
18. And Abraham said unto God, O that Ishmael might live before thee!
18. Et Abraham dit à Dieu: Oh! qu`Ismaël vive devant ta face!
18. Ary hoy Abrahama tamin' Andriamanitra: Enga anie ka Isimaela no ho velona eo anatrehanao!
19. And God said, Sarah thy wife shall bear thee a son indeed; and thou shalt call his name Isaac: and I will establish my covenant with him for an everlasting covenant, and with his seed after him.
19. "Dieu dit: Certainement Sara, ta femme, t`enfantera un fils; et tu l`appelleras du nom d`Isaac. J`établirai mon alliance avec lui comme une alliance perpétuelle pour sa postérité après lui."
19. "Ary hoy Andriamanitra: Saraha vadinao dia hiteraka zazalahy aminao tokoa; ary ny anarany ataonao hoe: Isaka; ary ny fanekeko haoriko aminy ho fanekena mandrakizay sy ho amin' ny taranany mandimby azy."
20. And as for Ishmael, I have heard thee: Behold, I have blessed him, and will make him fruitful, and will multiply him exceedingly; twelve princes shall he beget, and I will make him a great nation.
20. "A l`égard d`Ismaël, je t`ai exaucé. Voici, je le bénirai, je le rendrai fécond, et je le multiplierai à l`infini; il engendrera douze princes, et je ferai de lui une grande nation."
20. "Ary ny amin' Isimaela, dia efa nihaino anao Aho; indro, efa nitahy azy Aho, ka hahamaro sy hampitombo azy indrindra; hiteraka andriana roa ambin' ny folo izy, ka hataoko firenena lehibe."
21. But my covenant will I establish with Isaac, which Sarah shall bear unto thee at this set time in the next year.
21. J`établirai mon alliance avec Isaac, que Sara t`enfantera à cette époque-ci de l`année prochaine.
21. Nefa ny fanekeko haoriko amin' Isaka, izay haterak' i Saraha aminao raha avy ny taona toy izao.
22. And he left off talking with him, and God went up from Abraham.
22. Lorsqu`il eut achevé de lui parler, Dieu s`éleva au-dessus d`Abraham.
22. Ary rehefa vita ny teny nataony taminy, dia niakatra Andriamanitra niala teo amin' i Abrahama.
23. And Abraham took Ishmael his son, and all that were born in his house, and all that were bought with his money, every male among the men of Abraham's house; and circumcised the flesh of their foreskin in the selfsame day, as God had said unto him.
23. "Abraham prit Ismaël, son fils, tous ceux qui étaient nés dans sa maison et tous ceux qu`il avait acquis à prix d`argent, tous les mâles parmi les gens de la maison d`Abraham; et il les circoncit ce même jour, selon l`ordre que Dieu lui avait donné."
23. "Dia nalain' i Abrahama Isimaela zanany lahy sy ny ompikeliny rehetra mbamin' izay novidiany vola, dia ny lehilahy rehetra tao an-tranon' i Abrahama; dia noforany androtrizay ny hoditry ny lohan' ny filahian' ireo araka izay nolazain' Andriamanitra taminy."
24. And Abraham was ninety years old and nine, when he was circumcised in the flesh of his foreskin.
24. Abraham était âgé de quatre-vingt-dix-neuf ans, lorsqu`il fut circoncis.
24. Ary efa sivy amby sivifolo taona Abrahama, raha noforana ny hoditry ny lohan' ny filahiany.
25. And Ishmael his son was thirteen years old, when he was circumcised in the flesh of his foreskin.
25. Ismaël, son fils, était âgé de treize ans lorsqu`il fut circoncis.
25. Ary efa telo ambin' ny folo taona Isimaela zanany raha noforana ny hoditry ny lohan' ny filahiany.
26. In the selfsame day was Abraham circumcised, and Ishmael his son.
26. Ce même jour, Abraham fut circoncis, ainsi qu`Ismaël, son fils.
26. Androtrizay indrindra no namorana an' i Abrahama sy Isimaela zanany.
27. And all the men of his house, born in the house, and bought with money of the stranger, were circumcised with him.
27. Et tous les gens de sa maison, nés dans sa maison, ou acquis à prix d`argent des étrangers, furent circoncis avec lui.
27. Ary ny lehilahy rehetra tao an-tranony dia ny ompikeliny mbamin' izay novidim-bola tamin' ny hafa firenena, dia niara-noforana taminy.