The Three Visitors
1. And the LORD appeared unto him in the plains of Mamre: and he sat in the tent door in the heat of the day;
1. L`Éternel lui apparut parmi les chênes de Mamré, comme il était assis à l`entrée de sa tente, pendant la chaleur du jour.
1. "Ary niseho tamin' i Abrahama teo amin' ny tany lemak' i Mamre Jehovah; ary nipetraka teo ambaravaran' ny lay izy, raha nafana ny andro;"
2. And he lift up his eyes and looked, and, lo, three men stood by him: and when he saw them, he ran to meet them from the tent door, and bowed himself toward the ground,
2. Il leva les yeux, et regarda: et voici, trois hommes étaient debout près de lui. Quand il les vit, il courut au-devant d`eux, depuis l`entrée de sa tente, et se prosterna en terre.
2. Dia nanopy ny masony izy ka nijery, ary indreo, nisy telo lahy nitsangana teo anoloany, ary nony nahita ireo izy dia niala teo ambaravaran' ny lay ka nihazakazaka hitsena azy dia niankohoka tamin' ny tany,
3. And said, My LORD, if now I have found favour in thy sight, pass not away, I pray thee, from thy servant:
3. Et il dit: Seigneur, si j`ai trouvé grâce à tes yeux, ne passe point, je te prie, loin de ton serviteur.
3. Ka nanao hoe: Tompo ô, ankehitriny raha mahita fitia eo imasonao aho, masìna ianao, aza mandalo ny mpanomponao.
4. Let a little water, I pray you, be fetched, and wash your feet, and rest yourselves under the tree:
4. "Permettez qu`on apporte un peu d`eau, pour vous laver les pieds; et reposez-vous sous cet arbre."
4. Masìna ianareo, aoka hangalana rano kely ianareo, ka sasao ny tongotrareo, ary mialà sasatra eo am-pototry ny hazo ianareo,
5. And I will fetch a morsel of bread, and comfort ye your hearts; after that ye shall pass on: for therefore are ye come to your servant. And they said, So do, as thou hast said.
5. "J`irai prendre un morceau de pain, pour fortifier votre coeur; après quoi, vous continuerez votre route; car c`est pour cela que vous passez près de votre serviteur. Ils répondirent: Fais comme tu l`as dit."
5. "Dia haka sombi-mofo aho hataonareo ody am-bavafo; aorian' izany dia handeha ianareo; fa noho izany no nahatongavanareo aty amin' ny mpanomponareo. Ary hoy ireo taminy: Ataovy araka izay nolazainao."
6. And Abraham hastened into the tent unto Sarah, and said, Make ready quickly three measures of fine meal, knead it, and make cakes upon the hearth.
6. Abraham alla promptement dans sa tente vers Sara, et il dit: Vite, trois mesures de fleur de farine, pétris, et fais des gâteaux.
6. Dia nandeha faingana nankany an-day tany amin' i Saraha i Abrahama ka nanao hoe: Ataovy vonona faingana ny koba tsara toto intelon' ny famarana, fetafetao izany, ka ataovy mofo ao anaty lafaoro.
7. And Abraham ran unto the herd, and fetcht a calf tender and good, and gave it unto a young man; and he hasted to dress it.
7. Et Abraham courut à son troupeau, prit un veau tendre et bon, et le donna à un serviteur, qui se hâta de l`apprêter.
7. Ary Abrahama kosa nihazakazaka nankany amin' ny omby aman' ondry, dia naka zanak' omby tanora sady tsara, ka nanolotra azy tamin' ny zatovo iray, dia lasa faingana izy hamboatra azy.
8. And he took butter, and milk, and the calf which he had dressed, and set it before them; and he stood by them under the tree, and they did eat.
8. Il prit encore de la crème et du lait, avec le veau qu`on avait apprêté, et il les mit devant eux. Il se tint lui-même à leurs côtés, sous l`arbre. Et ils mangèrent.
8. "Ary naka dibera sy ronono mbamin' ilay zanak' omby izay efa namboariny izy, ka nametraka izany teo anoloan' ireo; ary nitsangana teo anilan' ireo teo ambany hazo izy, dia nihinana izy ireo."
9. And they said unto him, Where is Sarah thy wife? And he said, Behold, in the tent.
9. Alors ils lui dirent: Où est Sara, ta femme? Il répondit: Elle est là, dans la tente.
9. Ary hoy ireo taminy: Aiza Saraha vadinao? Ary hoy kosa izy: Indro, ao an-day izy.
10. And he said, I will certainly return unto thee according to the time of life; and, lo, Sarah thy wife shall have a son. And Sarah heard it in the tent door, which was behind him.
10. "L`un d`entre eux dit: Je reviendrai vers toi à cette même époque; et voici, Sara, ta femme, aura un fils. Sara écoutait à l`entrée de la tente, qui était derrière lui."
10. Ary hoy Izy: Hiverina aminao tokoa Aho raha avy ny taona toy izao, ary indro, hanana zanakalahy Saraha vadinao. Ary Saraha nandre izany teo ambaravaran' ny lay, izay teo ivohon' Ilay niteny.
11. Now Abraham and Sarah were old and well stricken in age; and it ceased to be with Sarah after the manner of women.
11. Abraham et Sara étaient vieux, avancés en âge: et Sara ne pouvait plus espérer avoir des enfants.
11. "Ary Abrahama sy Saraha dia efa zokiolona sady tena nandroso fahanterana; ary efa nitsahatra tamin' ny fombam-behivavy Saraha."
12. Therefore Sarah laughed within herself, saying, After I am waxed old shall I have pleasure, my lord being old also?
12. Elle rit en elle-même, en disant: Maintenant que je suis vieille, aurais-je encore des désirs? Mon seigneur aussi est vieux.
12. Koa nihomehy anakampo Saraha nanao hoe: Rehefa mitombo fahanterana aho, moa hanam-pifaliana va, ary ny tompoko koa efa antitra?
13. And the LORD said unto Abraham, Wherefore did Sarah laugh, saying, Shall I of a surety bear a child, which am old?
13. L`Éternel dit à Abraham: Pourquoi donc Sara a-t-elle ri, en disant: Est-ce que vraiment j`aurais un enfant, moi qui suis vieille?
13. Ary hoy Jehovah tamin' i Abrahama: Nahoana no nihomehy Saraha ka nanao hoe: Hiteraka tokoa va aho, izay efa antitra?
14. Is any thing too hard for the LORD? At the time appointed I will return unto thee, according to the time of life, and Sarah shall have a son.
14. "Y a-t-il rien qui soit étonnant de la part de l`Éternel? Au temps fixé je reviendrai vers toi, à cette même époque; et Sara aura un fils."
14. Moa misy zavatra tena sarotra amin' i Jehovah va? Amin' ny fotoan' andro raha avy ny taona toy izao dia hiverina aminao Aho, ary hanana zanakalahy Saraha.
15. Then Sarah denied, saying, I laughed not; for she was afraid. And he said, Nay; but thou didst laugh.
15. Sara mentit, en disant: Je n`ai pas ri. Car elle eut peur. Mais il dit: Au contraire, tu as ri.
15. "Fa nandà Saraha ka nanao hoe: Tsy nihomehy aho; satria natahotra izy. Ary hoy Izy: tsia, fa nihomehy mihitsy ianao."
Abraham Pleads for Sodom
16. And the men rose up from thence, and looked toward Sodom: and Abraham went with them to bring them on the way.
16. Ces hommes se levèrent pour partir, et ils regardèrent du côté de Sodome. Abraham alla avec eux, pour les accompagner.
16. "Dia nitsangana ireo lehilahy ireo ka niala teo, dia nitsinjo an' i Sodoma; ary niaraka taminy hanatitra azy Abrahama."
17. And the LORD said, Shall I hide from Abraham that thing which I do;
17. Alors l`Éternel dit: Cacherai-je à Abraham ce que je vais faire?...
17. Ary hoy Jehovah: Hafeniko an' i Abrahama va izay zavatra hataoko?
18. Seeing that Abraham shall surely become a great and mighty nation, and all the nations of the earth shall be blessed in him?
18. Abraham deviendra certainement une nation grande et puissante, et en lui seront bénies toutes les nations de la terre.
18. Fa ho tonga firenena lehibe sy mahery tokoa Abrahama, ary aminy no hitahiana ny firenena rehetra ety ambonin'ny tany.
19. For I know him, that he will command his children and his household after him, and they shall keep the way of the LORD, to do justice and judgment; that the LORD may bring upon Abraham that which he hath spoken of him.
19. Car je l`ai choisi, afin qu`il ordonne à ses fils et à sa maison après lui de garder la voie de l`Éternel, en pratiquant la droiture et la justice, et qu`ainsi l`Éternel accomplisse en faveur d`Abraham les promesses qu`il lui a faites...
19. "Fa fantatro izy, fa handidy ny zanany sy ny taranany mandimby azy, hitandrina ny lalan' i Jehovah hanao ny fahamarinana sy ny rariny; mba hitondran' i Jehovah amin' i Abrahama izay nolazainy taminy."
20. And the LORD said, Because the cry of Sodom and Gomorrah is great, and because their sin is very grievous;
20. Et l`Éternel dit: Le cri contre Sodome et Gomorrhe s`est accru, et leur péché est énorme.
20. Ary hoy Jehovah: Satria lehibe ny fitarainan' i Sodoma sy Gomora, ary ratsy tokoa ny fahotany,
21. I will go down now, and see whether they have done altogether according to the cry of it, which is come unto me; and if not, I will know.
21. "C`est pourquoi je vais descendre, et je verrai s`ils ont agi entièrement selon le bruit venu jusqu`à moi; et si cela n`est pas, je le saurai."
21. Dia hidina Aho ankehitriny, ka hizaha na efa nahatanteraka izany izy araka ny fitarainan' ny tany izay tonga aty amiko, ary raha tsy izany, dia ho fantatro.
22. And the men turned their faces from thence, and went toward Sodom: but Abraham stood yet before the LORD.
22. Les hommes s`éloignèrent, et allèrent vers Sodome. Mais Abraham se tint encore en présence de l`Éternel.
22. "Dia nihodina niala teo ireo lehilahy ireo ka nandroso ho any Sodoma; fa Abrahama mbola nitsangana teo anatrehan' i Jehovah."
23. And Abraham drew near, and said, Wilt thou also destroy the righteous with the wicked?
23. Abraham s`approcha, et dit: Feras-tu aussi périr le juste avec le méchant?
23. Dia nanatona Abrahama ka nanao hoe: Haringanao miaraka amin' ny ratsy fanahy koa va ny marina?
24. Peradventure there be fifty righteous within the city: wilt thou also destroy and not spare the place for the fifty righteous that are therein?
24. Peut-être y a-t-il cinquante justes au milieu de la ville: les feras-tu périr aussi, et ne pardonneras-tu pas à la ville à cause des cinquante justes qui sont au milieu d`elle?
24. "Angamba misy olo-marina dimampolo ao an-tanàna; haringanao koa va, ka tsy hamindranao fo ny tanàna noho ny dimampolo marina izay ao?"
25. That be far from thee to do after this manner, to slay the righteous with the wicked: and that the righteous should be as the wicked, that be far from thee: Shall not the Judge of all the earth do right?
25. Faire mourir le juste avec le méchant, en sorte qu`il en soit du juste comme du méchant, loin de toi cette manière d`agir! loin de toi! Celui qui juge toute la terre n`exercera-t-il pas la justice?
25. "Sanatria Anao raha hanao toy izany ka hamono ny marina miaraka amin' ny ratsy fanahy; ka ny marina hatao tahaka ny ratsy fanahy, sanatria Anao izany! Tsy hanao ny marina va ny Mpitsara ny tany rehetra?"
26. And the LORD said, If I find in Sodom fifty righteous within the city, then I will spare all the place for their sakes.
26. Et l`Éternel dit: Si je trouve dans Sodome cinquante justes au milieu de la ville, je pardonnerai à toute la ville, à cause d`eux.
26. Ary hoy Jehovah: Raha mahita dimampolo marina ao an-tanàna Sodoma Aho, dia hamindrako fo ny tanàna rehetra noho ireny.
27. And Abraham answered and said, Behold now, I have taken upon me to speak unto the LORD, which am but dust and ashes:
27. Abraham reprit, et dit: Voici, j`ai osé parler au Seigneur, moi qui ne suis que poudre et cendre.
27. Dia namaly Abrahama ka nanao hoe: Indro, fa efa sahy niteny tamin' ny Tompo aho nefa vovoka sy lavenona:
28. Peradventure there shall lack five of the fifty righteous: wilt thou destroy all the city for lack of five? And he said, If I find there forty and five, I will not destroy it.
28. Peut-être des cinquante justes en manquera-t-il cinq: pour cinq, détruiras-tu toute la ville? Et l`Éternel dit: Je ne la détruirai point, si j`y trouve quarante-cinq justes.
28. "Angamba ho latsaka dimy ny dimampolo marina; moa haringanao va ny tanàna rehetra satria tsy ampy dimy? Ary hoy Izy: Tsy handringana azy Aho, raha mahita dimy amby efapolo ao."
29. And he spake unto him yet again, and said, Peradventure there shall be forty found there. And he said, I will not do it for forty's sake.
29. Abraham continua de lui parler, et dit: Peut-être s`y trouvera-t-il quarante justes. Et l`Éternel dit: Je ne ferai rien, à cause de ces quarante.
29. Dia mbola niteny taminy indray izy ka nanao hoe: Angamba efapolo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba hanao izany Aho noho ny efapolo.
30. And he said unto him, Oh let not the LORD be angry, and I will speak: Peradventure there shall thirty be found there. And he said, I will not do it, if I find thirty there.
30. Abraham dit: Que le Seigneur ne s`irrite point, et je parlerai. Peut-être s`y trouvera-t-il trente justes. Et l`Éternel dit: Je ne ferai rien, si j`y trouve trente justes.
30. Ary hoy izy taminy: Aoka anie tsy ho tezitra ny Tompo, fa hiteny aho: angamba telopolo no ho hita ao.Ary hoy Izy: Tsy mba hanao izany Aho, raha mahita telopolo ao.
31. And he said, Behold now, I have taken upon me to speak unto the LORD: Peradventure there shall be twenty found there. And he said, I will not destroy it for twenty's sake.
31. Abraham dit: Voici, j`ai osé parler au Seigneur. Peut-être s`y trouvera-t-il vingt justes. Et l`Éternel dit: Je ne la détruirai point, à cause de ces vingt.
31. Ary hoy izy: Indro, fa efa sahy niteny tamin' ny Tompo aho: Angamba roapolo no ho hita ao.Ary hoy Izy: Tsy mba handringana azy Aho noho ny roapolo.
32. And he said, Oh let not the LORD be angry, and I will speak yet but this once: Peradventure ten shall be found there. And he said, I will not destroy it for ten's sake.
32. Abraham dit: Que le Seigneur ne s`irrite point, et je ne parlerai plus que cette fois. Peut-être s`y trouvera-t-il dix justes. Et l`Éternel dit: Je ne la détruirai point, à cause de ces dix justes.
32. Ary hoy izy: E! aoka anie tsy ho tezitra ny Tompo, fa mbola hiteny izao indray mandeha izao aho: Angamba folo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba handringana Aho noho ny folo.
33. And the LORD went his way, as soon as he had left communing with Abraham: and Abraham returned unto his place.
33. L`Éternel s`en alla lorsqu`il eut achevé de parler à Abraham. Et Abraham retourna dans sa demeure.
33. "Dia lasa nandeha Jehovah, rehefa vita ny teny nataony tamin' i Abrahama; ary niverina ho any amin' ny fonenany Abrahama."