Hagar and Ishamael

1. Now Sarai Abram's wife bare him no children: and she had an handmaid, an Egyptian, whose name was Hagar.
1. Saraï, femme d`Abram, ne lui avait point donné d`enfants. Elle avait une servante Égyptienne, nommée Agar.
1. "Ary Saray, vadin' i Abrama, tsy mba niteraka; ary nanana mpanompovavy Egyptiana iray izy, Hagara no anarany."
2. And Sarai said unto Abram, Behold now, the LORD hath restrained me from bearing: I pray thee, go in unto my maid; it may be that I may obtain children by her. And Abram hearkened to the voice of Sarai.
2. "Et Saraï dit à Abram: Voici, l`Éternel m`a rendue stérile; viens, je te prie, vers ma servante; peut-être aurai-je par elle des enfants. Abram écouta la voix de Saraï."
2. "Ary hoy Saray tamin' i Abrama: Indro, ankehitriny, efa tsy nanome zanaka ahy Jehovah; masìna ianao, mivadia amin' ny mpanompovaviko; angamba hahazo zaza avy aminy aho.Dia nohenoin' i Abrama ny feon' i Saray."
3. And Sarai Abram's wife took Hagar her maid the Egyptian, after Abram had dwelt ten years in the land of Canaan, and gave her to her husband Abram to be his wife.
3. Alors Saraï, femme d`Abram, prit Agar, l`Égyptienne, sa servante, et la donna pour femme à Abram, son mari, après qu`Abram eut habité dix années dans le pays de Canaan.
3. Ary rehefa nonina folo taona teo amin' ny tany Kanana Abrama, dia nalain' i Saray, vadin' i Abrama, i Hagara Egyptiana mpanompovaviny, ka nomeny an' i Abrama vadiny mba hovadìny.
4. And he went in unto Hagar, and she conceived: and when she saw that she had conceived, her mistress was despised in her eyes.
4. Il alla vers Agar, et elle devint enceinte. Quand elle se vit enceinte, elle regarda sa maîtresse avec mépris.
4. "Dia nivady tamin' i Hagara izy, ka nanana anaka ravehivavy; ary rehefa hitany fa efa manana anaka izy dia nataony toy ny tsinontsinona teo imasony ny tompovaviny."
5. And Sarai said unto Abram, My wrong be upon thee: I have given my maid into thy bosom; and when she saw that she had conceived, I was despised in her eyes: the LORD judge between me and thee.
5. "Et Saraï dit à Abram: L`outrage qui m`est fait retombe sur toi. J`ai mis ma servante dans ton sein; et, quand elle a vu qu`elle était enceinte, elle m`a regardée avec mépris. Que l`Éternel soit juge entre moi et toi!"
5. "Ary hoy Saray tamin' i Abrama: Hanody anao anie ny fahadisoako; fa efa nomeko ho andefimandrinao ny mpanompovaviko, ary nony hitany fa efa nanana anaka izy, dia nataony tsinontsinona teo imasony aho; Jehovah anie hitsara ahy sy ianao."
6. But Abram said unto Sarai, Behold, thy maid is in thy hand; do to her as it pleaseth thee. And when Sarai dealt hardly with her, she fled from her face.
6. "Abram répondit à Saraï: Voici, ta servante est en ton pouvoir, agis à son égard comme tu le trouveras bon. Alors Saraï la maltraita; et Agar s`enfuit loin d`elle."
6. "Ary hoy Abrama tamin' i Saray: Indro eo an-tananao ny mpanompovavinao; ataovy aminy araka izay sitrakao.Ary raha nampahorian' i Saray i Hagara, dia nandositra ny tavany izy."
7. And the angel of the LORD found her by a fountain of water in the wilderness, by the fountain in the way to Shur.
7. L`ange de l`Éternel la trouva près d`une source d`eau dans le désert, près de la source qui est sur le chemin de Schur.
7. Ary nahita azy teo anilan' ny loharano anankiray tany an'efitra Ilay Anjelin' i Jehovah, dia teo anilan' ilay loharano eo amin' ny lalana mankany Sora.
8. And he said, Hagar, Sarai's maid, whence camest thou? and whither wilt thou go? And she said, I flee from the face of my mistress Sarai.
8. Il dit: Agar, servante de Saraï, d`où viens-tu, et où vas-tu? Elle répondit: Je fuis loin de Saraï, ma maîtresse.
8. Ary hoy Izy: Ry Hagara, mpanompovavin' i Saray, avy taiza ianao? ary hankaiza? Ary hoy izy: mandositra ny tavan' i Saray tompovaviko aho.
9. And the angel of the LORD said unto her, Return to thy mistress, and submit thyself under her hands.
9. L`ange de l`Éternel lui dit: Retourne vers ta maîtresse, et humilie-toi sous sa main.
9. Ary hoy ilay anjelin' i Jehovah taminy: Miverena any amin' ny tompovavinao, ka milefera amin' izay ataon' ny tanany.
10. And the angel of the LORD said unto her, I will multiply thy seed exceedingly, that it shall not be numbered for multitude.
10. L`ange de l`Éternel lui dit: Je multiplierai ta postérité, et elle sera si nombreuse qu`on ne pourra la compter.
10. Ary hoy ilay anjelin' i Jehovah taminy: Hataoko maro indrindra ny taranakao, ka tsy ho azo isaina izy noho ny hamaroany.
11. And the angel of the LORD said unto her, Behold, thou art with child, and shalt bear a son, and shalt call his name Ishmael; because the LORD hath heard thy affliction.
11. "L`ange de l`Éternel lui dit: Voici, tu es enceinte, et tu enfanteras un fils, à qui tu donneras le nom d`Ismaël; car l`Éternel t`a entendue dans ton affliction."
11. Ary hoy indray Ilay Anjelin' i Jehovah taminy: Indro, manan' anaka ianao ka hiteraka zazalahy ary ny anarany hataonao hoe Isimaela, satria efa nihaino ny fahorianao Jehovah.
12. And he will be a wild man; his hand will be against every man, and every man's hand against him; and he shall dwell in the presence of all his brethren.
12. "Il sera comme un âne sauvage; sa main sera contre tous, et la main de tous sera contre lui; et il habitera en face de tous ses frères."
12. "Ary izy ho lehilahy mahery setra; ny tanany hamely ny olona rehetra, ary ny tanan' ny olona rehetra kosa hamely azy; ary honina eo anatrehan' ny rahalahiny rehetra izy."
13. And she called the name of the LORD that spake unto her, Thou God seest me: for she said, Have I also here looked after him that seeth me?
13. "Elle appela Atta El roï le nom de l`Éternel qui lui avait parlé; car elle dit: Ai-je rien vu ici, après qu`il m`a vue?"
13. "Ary ny anaran' i Jehovah izay niteny taminy dia nataony hoe: Ianao no Andriamanitra mahita ahy; fa hoy izy: Tsy efa hitako teto koa va Ilay mahita ahy?"
14. Wherefore the well was called Beerlahairoi; behold, it is between Kadesh and Bered.
14. "C`est pourquoi l`on a appelé ce puits le puits de Lachaï roï; il est entre Kadès et Bared."
14. "Izany no nanaovana ny lavaka fantsakana hoe: Bera-lahai-roy; indro, eo anelanelan' i Kadesy sy Bareda izany."
15. And Hagar bare Abram a son: and Abram called his son's name, which Hagar bare, Ishmael.
15. "Agar enfanta un fils à Abram; et Abram donna le nom d`Ismaël au fils qu`Agar lui enfanta."
15. Ary niteraka zanakalahy tamin' i Abrama i Hagara, ary ny anaran' ny zanany lahy izay naterak' i Hagara dia nataon' i Abrama hoe Isimaela.
16. And Abram was fourscore and six years old, when Hagar bare Ishmael to Abram.
16. Abram était âgé de quatre-vingt-six ans lorsqu`Agar enfanta Ismaël à Abram.
16. Ary efa enina amby valopolo taona Abrama, raha niteraka an' Isimaela tamin' i Abrama i Hagara.
<
>