Abram Rescues Lot

1. And it came to pass in the days of Amraphel king of Shinar, Arioch king of Ellasar, Chedorlaomer king of Elam, and Tidal king of nations;
1. Dans le temps d`Amraphel, roi de Schinear, d`Arjoc, roi d`Ellasar, de Kedorlaomer, roi d`Élam, et de Tideal, roi de Gojim,
1. Ary izao no niseho tamin' ny andron' i Amrafela, mpanjakan' i Sinara, sy Arioka mpanjakan' i Elasara, sy Kedorlaomera mpanjakan' i Elama, ary Tidala mpanjakan' ny firenena maro,
2. That these made war with Bera king of Sodom, and with Birsha king of Gomorrah, Shinab king of Admah, and Shemeber king of Zeboiim, and the king of Bela, which is Zoar.
2. il arriva qu`ils firent la guerre à Béra, roi de Sodome, à Birscha, roi de Gomorrhe, à Schineab, roi d`Adma, à Schémeéber, roi de Tseboïm, et au roi de Béla, qui est Tsoar.
2. Dia nandeha izy ireo ka nanafika an' i Bera, mpanjakan' i Sodoma, sy Birsa, mpanjakan' i Gomora, sy Sinaba, mpanjakan' i Adma, sy Semebera, mpanjakan' i Zeboima, ary ny mpanjakan' i Bela (dia Zoara izany).
3. All these were joined together in the vale of Siddim, which is the salt sea.
3. Ces derniers s`assemblèrent tous dans la vallée de Siddim, qui est la mer Salée.
3. Ireo rehetra ireo dia nihaona tao an-dohasahan' i Sidima, dia ny Ranomasin-tsira.
4. Twelve years they served Chedorlaomer, and in the thirteenth year they rebelled.
4. "Pendant douze ans, ils avaient été soumis à Kedorlaomer; et la treizième année, ils s`étaient révoltés."
4. Nanompo an' i Kedorlaomera roa ambin' ny folo taona ireo, fa tamin' ny fahatelo ambin' ny folo taona dia niodina izy.
5. And in the fourteenth year came Chedorlaomer, and the kings that were with him, and smote the Rephaims in Ashteroth Karnaim, and the Zuzims in Ham, and the Emims in Shaveh Kiriathaim,
5. Mais, la quatorzième année, Kedorlaomer et les rois qui étaient avec lui se mirent en marche, et ils battirent les Rephaïm à Aschteroth Karnaïm, les Zuzim à Ham, les Émim à Schavé Kirjathaïm,
5. Ary tamin' ny taona fahefatra ambin' ny folo dia tonga Kedorlaomera sy ireo mpanjaka nomba azy ka namely ny Refaïta tany Astarta-Karnaima sy ny Zozima tany Hama ary ny Emima tany Save-Kiriataima,
6. And the Horites in their mount Seir, unto Elparan, which is by the wilderness.
6. et les Horiens dans leur montagne de Séir, jusqu`au chêne de Paran, qui est près du désert.
6. Ary ny Horita tany an-tendrombohitra Seïra hatrany El-parana, izay eo anilan' ny efitra.
7. And they returned, and came to Enmishpat, which is Kadesh, and smote all the country of the Amalekites, and also the Amorites, that dwelt in Hazezontamar.
7. Puis ils s`en retournèrent, vinrent à En Mischpath, qui est Kadès, et battirent les Amalécites sur tout leur territoire, ainsi que les Amoréens établis à Hatsatson Thamar.
7. Dia niverina ireo, ka nankany Enamispata, dia Kadesy izany ka namely ny tany rehetra an' ny Amalekita sy ny Amorita koa, izay nonina tany Hazazon-tamara.
8. And there went out the king of Sodom, and the king of Gomorrah, and the king of Admah, and the king of Zeboiim, and the king of Bela (the same is Zoar;) and they joined battle with them in the vale of Siddim;
8. "Alors s`avancèrent le roi de Sodome, le roi de Gomorrhe, le roi d`Adma, le roi de Tseboïm, et le roi de Béla, qui est Tsoar; et ils se rangèrent en bataille contre eux, dans la vallée de Siddim,"
8. Dia nivoaka ny mpanjakan' i Sodoma sy ny mpanjakan' i Gomora sy ny mpanjakan' i Adma sy ny mpanjakan' i Zeboima ary ny mpanjakan' i Bela (dia Zoara izany) ka nilahatra hiady amin' ireo tao an-dohasahan' i Sidima.
9. With Chedorlaomer the king of Elam, and with Tidal king of nations, and Amraphel king of Shinar, and Arioch king of Ellasar; four kings with five.
9. contre Kedorlaomer, roi d`Élam, Tideal, roi de Gojim, Amraphel, roi de Schinear, et Arjoc, roi d`Ellasar: quatre rois contre cinq.
9. "Dia tamin' i Kedorlaomera mpanjakan' i Elama, sy Tidala mpanjakan' ny firenena maro sy Amrafela, mpanjakan' i Sinara, ary Arioka, mpanjakan' i Elasara; dia mpanjaka efatra no niady tamin' ny mpanjaka dimy."
10. And the vale of Siddim was full of slimepits; and the kings of Sodom and Gomorrah fled, and fell there; and they that remained fled to the mountain.
10. "La vallée de Siddim était couverte de puits de bitume; le roi de Sodome et celui de Gomorrhe prirent la fuite, et y tombèrent; le reste s`enfuit vers la montagne."
10. "Ary ny lohasahan' i Sidima dia be lavak' asfalta, ary nandositra ny mpanjakan' i Sodoma sy ny mpanjakan' i Gomora ka latsaka tao; ary ny sisa nandositra tany an-tendrombohitra."
11. And they took all the goods of Sodom and Gomorrah, and all their victuals, and went their way.
11. "Les vainqueurs enlevèrent toutes les richesses de Sodome et de Gomorrhe, et toutes leurs provisions; et ils s`en allèrent."
11. Ary namabo ny fananana rehetra tao Sodoma sy Gomora ary ny hanina rehetra ireo, dia lasa nandeha.
12. And they took Lot, Abram's brother's son, who dwelt in Sodom, and his goods, and departed.
12. "Ils enlevèrent aussi, avec ses biens, Lot, fils du frère d`Abram, qui demeurait à Sodome; et ils s`en allèrent."
12. Ary namabo ny zana-drahalahin' i Abrama koa izy, izay nonina tao Sodoma, dia Lota, mbamin' ny fananany, ka lasa nandeha.
13. And there came one that had escaped, and told Abram the Hebrew; for he dwelt in the plain of Mamre the Amorite, brother of Eshcol, and brother of Aner: and these were confederate with Abram.
13. "Un fuyard vint l`annoncer à Abram, l`Hébreu; celui-ci habitait parmi les chênes de Mamré, l`Amoréen, frère d`Eschcol et frère d`Aner, qui avaient fait alliance avec Abram."
13. "Ary tonga ny anankiray izay efa nandositra ka nanambara tamin' i Abrama Hebreo, izay nonina tany amin' ny lemak' i Mamre Amorita, rahalahin' i Eskola sy rahalahin' i Anera; ary ireo dia efa vita fanekena tamin' i Abrama."
14. And when Abram heard that his brother was taken captive, he armed his trained servants, born in his own house, three hundred and eighteen, and pursued them unto Dan.
14. Dès qu`Abram eut appris que son frère avait été fait prisonnier, il arma trois cent dix-huit de ses plus braves serviteurs, nés dans sa maison, et il poursuivit les rois jusqu`à Dan.
14. Ary raha nahare Abrama fa lasan-ko babo ny rahalahiny, dia nitondra ny ompikeliny valo ambin' ny folo amby telonjato izy, izay efa nahay niady, ka nanenjika azy hatrany Dana.
15. And he divided himself against them, he and his servants, by night, and smote them, and pursued them unto Hobah, which is on the left hand of Damascus.
15. "Il divisa sa troupe, pour les attaquer de nuit, lui et ses serviteurs; il les battit, et les poursuivit jusqu`à Choba, qui est à la gauche de Damas."
15. "Dia nitokotoko hamely azy nony alina izy sy ny mpanompony; dia namely azy izy ka nanenjika azy hatrany Hoba izay eo ankavian' i Damaskosy."
16. And he brought back all the goods, and also brought again his brother Lot, and his goods, and the women also, and the people.
16. "Il ramena toutes les richesses; il ramena aussi Lot, son frère, avec ses biens, ainsi que les femmes et le peuple."
16. Ary nampody ny fananana rehetra izy, ary Lota rahalahiny sy ny fananany dia nampodiny koa mbamin' ny vehivavy sy ny vahoaka.
17. And the king of Sodom went out to meet him after his return from the slaughter of Chedorlaomer, and of the kings that were with him, at the valley of Shaveh, which is the king's dale.
17. Après qu`Abram fut revenu vainqueur de Kedorlaomer et des rois qui étaient avec lui, le roi de Sodome sortit à sa rencontre dans la vallée de Schavé, qui est la vallée du roi.
17. Dia nivoaka ny mpanjakan' i Sodoma hitsena azy teo an-dohasaha Save izay lohasahan' ny mpanjaka, taorian' ny niverenany avy namono an' i Kedorlaomera sy ireo mpanjaka nomba azy.
18. And Melchizedek king of Salem brought forth bread and wine: and he was the priest of the most high God.
18. Melchisédek, roi de Salem, fit apporter du pain et du vin: il était sacrificateur du Dieu Très Haut.
18. "Ary nivoaka Melkizedeka mpanjakan' i Salema nitondra mofo sy divay; ary izy dia mpisoron' Andriamanitra Avo indrindra."
19. And he blessed him, and said, Blessed be Abram of the most high God, possessor of heaven and earth:
19. Il bénit Abram, et dit: Béni soit Abram par le Dieu Très Haut, maître du ciel et de la terre!
19. "Dia nitsodrano azy izy, ka nanao hoe: Hotahin' Andriamanitra Avo Indrindra tompon' ny lanitra sy ny tany anie Abrama;"
20. And blessed be the most high God, which hath delivered thine enemies into thy hand. And he gave him tithes of all.
20. Béni soit le Dieu Très Haut, qui a livré tes ennemis entre tes mains! Et Abram lui donna la dîme de tout.
20. Ary isaorana anie Andriamanitra Avo Indrindra, Izay efa nanolotra ny fahavalonao teo an-tananao.Dia nomen' i Abrama azy ny ampahafolon' ny zavatra rehetra.
21. And the king of Sodom said unto Abram, Give me the persons, and take the goods to thyself.
21. Le roi de Sodome dit à Abram: Donne-moi les personnes, et prends pour toi les richesses.
21. Ary hoy ny mpanjakan' i Sodoma tamin' i Abrama: Omeo ahy ny olona, fa ny fananana ento ihany ho anao.
22. And Abram said to the king of Sodom, I have lift up mine hand unto the LORD, the most high God, the possessor of heaven and earth,
22. Abram répondit au roi de Sodome: Je lève la main vers l`Éternel, le Dieu Très Haut, maître du ciel et de la terre:
22. Fa hoy Abrama tamin' ny mpanjakan' i Sodoma: Izaho efa nanangan-tanana tamin' i Jehovah, Andriamanitra Avo Indrindra, izay tompon' ny lanitra sy ny tany,
23. That I will not take from a thread even to a shoelatchet, and that I will not take any thing that is thine, lest thou shouldest say, I have made Abram rich:
23. je ne prendrai rien de tout ce qui est à toi, pas même un fil, ni un cordon de soulier, afin que tu ne dises pas: J`ai enrichi Abram. Rien pour moi!
23. Fa tsy handray na kofehy na fehin-kapa, ary tsy handray na inona na inona amin' izay anao, fandrao hataonao hoe: Izaho no nampanankarena an' i Abrama,
24. Save only that which the young men have eaten, and the portion of the men which went with me, Aner, Eshcol, and Mamre; let them take their portion.
24. Seulement, ce qu`ont mangé les jeunes gens, et la part des hommes qui ont marché avec moi, Aner, Eschcol et Mamré: eux, ils prendront leur part.
24. "Afa-tsy izay efa nohanin' ny zatovo sy ny anjaran' ny olona izay niaraka tamiko, dia Anera sy Eskola ary Mamre; aoka horaisin' ireo ny anjarany."
<
>